Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Ahafahanao Mahita Fiadanana Anaty?

Aiza no Ahafahanao Mahita Fiadanana Anaty?

Aiza no Ahafahanao Mahita Fiadanana Anaty?

Misy fahasamihafana maro eo amin’ny androntsika sy ny an’i Thoreau, izay voatonona tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Ny fahasamihafana iray lehibe dia ny hoe betsaka tokoa amin’izao andro izao ny torohevitra momba ny fomba hahazoana fiadanan-tsaina. Manome ny heviny ny psikology sy ny mpanoratra boky fampianaran-tena, ary, eny fa na dia ny mpanoratra an-gazety aza. Mety ho fanampiana vonjy maika fotsiny ny torohevitr’izy ireny. Mba hisian’ny vahaolana maharitra anefa, dia zavatra lalina kokoa no ilaina. Izany no hitan’ireo olona izay voatonona tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.

TSY nitovy ny zavatra niainan-dry Antônio, Marcos, Gerson, Vania, Marcelo, ary samy hafa koa ny zava-nanahirana azy ireo. Zavatra telo anefa, fara fahakeliny, no niombonan’izy ireo. Voalohany, dia nisy fotoana ‘tsy nananan’izy ireo fanantenana sady tsy nananany an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao’. (Efesiana 2:12). Faharoa, dia naniry mafy fiadanan-tsaina izy ireo. Ary fahatelo, dia nahita ilay fiadanana anaty notadiaviny izy rehetra, taorian’ny nanekeny hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Arakaraka ny nandrosoany, dia nanjary takany fa niahy azy ireo Andriamanitra. Eny tokoa, araka ny nolazain’i Paoly tamin’ireo Atenianina tamin’ny androny, dia “tsy mba lavitra antsika rehetra” Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 17:27). Ny fiekena an’izany amim-pahatsorana dia lafin-javatra lehibe iray hahazoana fiadanana anaty.

Nahoana no zara raha misy fiadanana?

Zara raha misy fiadanana eo amin’izao tontolo izao, na fiadanana anaty izany na fihavanana eo amin’ny olona samy olona. Manome antony fototra roa mahatonga izany ny Baiboly. Ny voalohany, dia hazavaina ao amin’ny Jeremia 10:23, manao hoe: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Ny olombelona dia tsy manana ny fahendrena sy ny fahaiza-mitsinjo ny hoavy, hoenti-mitondra samirery ny tenany tsy misy fanampiana, ary avy amin’Andriamanitra ny hany fanampiana tena misy vidiny. Tsy hahazo fiadanana maharitra na oviana na oviana ny olombelona izay tsy mitady ny tari-dalana avy amin’Andriamanitra. Ny antony faharoa tsy isian’ny fiadanana dia hita ao amin’ireo tenin’ny apostoly Jaona, manao hoe: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Raha tsy misy tari-dalana avy amin’Andriamanitra, dia handamòka foana ny fiezahan’ny olombelona hikatsaka fiadanana, noho ny asan’ilay “ratsy” tsy hita maso, nefa tena misy sy tena mahery, dia i Satana.

Noho ireo antony roa ireo, izany hoe noho ny ankamaroan’ny olona tsy mitady ny tari-dalana avy amin’Andriamanitra sy noho i Satana tena miasa eo amin’izao tontolo izao, dia ao anatin’ny toe-javatra mampahonena ny taranak’olombelona amin’ny fitambarany. Nilazalaza izany tsara toy izao ny apostoly Paoly: “Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny”. (Romana 8:22). Iza no afaka handa izany filazana izany? Any amin’ny firenena manankarena sy ny mahantra, dia mahatonga ny olona tsy hanana fiadanan-tsaina ny zava-manahirana ara-pianakaviana, ny heloka bevava, ny tsy rariny, ny tsy fifankahazoan-toetra, ny toe-karena tsy azo antoka, ny fankahalana ara-poko sy ara-pirazanana, ny fampahoriana, ny aretina, ary ny maro hafa.

Aiza no hahitana fiadanana anaty

Niana-javatra izay nanova ny fiainany i Antônio, i Marcos, i Gerson, i Vania, ary i Marcelo, rehefa nianatra ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Voalohany aloha, dia nianaran’izy ireo fa ho hafa ny toe-javatra maneran-tany indray andro any. Izany akory tsy fanantenana manjavozavo fotsiny hoe handeha tsara ny zava-drehetra amin’ny farany. Tena azo itokisana sy mafy orina ny hoe manana fikasana ho an’ny olombelona Andriamanitra, ary na dieny izao aza, dia afaka mandray soa avy amin’izany fikasana izany isika raha manao ny sitrapony. Nampiharin’izy ireo teo amin’ny fiainany izay nianarany tao amin’ny Baiboly, hany ka nihatsara ny toe-javatra nisy azy ireo. Nahita fifaliana sy fiadanana mihoatra noho izay noeritreretiny ho hita izy ireo.

Tsy mandray anjara amin’ny fihetsiketsehana ho fanoherana sy ny tolona ataon’ny sendikan’ny mpiasa intsony i Antônio. Fantany fa voafetra sy mihelina ihany ny fiovana entin’izany. Nianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, io lehiben’ny sendikan’ny mpiasa taloha io. Io Fanjakana io no angatahin’ny olona an-tapitrisany maro amin’ny vavaka, rehefa manao tsianjery an’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo (na, ny Rainay Izay any An-danitra), izy, ka milaza amin’Andriamanitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” (Matio 6:10a). Nianaran’i Antônio fa tena fitondram-panjakana any an-danitra, izay hitondra tena fiadanana ho an’ny olombelona, ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nianatra nampihatra ny torohevitra feno fahendren’ny Baiboly momba ny fanambadiana, i Marcos. Vokatr’izany, dia tafaray amim-pifaliana indray amin’ny vadiny io mpanao politika taloha io ankehitriny. Izy koa dia miandrandra ilay fotoana ho avy tsy ho ela, hisian’ny tontolo iray tsara kokoa, izay hasolon’ny Fanjakan’Andriamanitra an’ity tontolo mpierina sy tia tena ity. Lalina kokoa ny fahatakarany an’ilay fehezanteny ao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo, manao hoe: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10b). Rehefa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, dia ho ao anatin’ny toe-piainana izay mbola tsy hitany mihitsy hatramin’izay ny olombelona.

Ahoana ny amin’i Gerson? Tsy mpirenireny sy tsy mpangalatra intsony izy. Misy heviny ankehitriny ny fiainan’io ankizy tsy nanan-kialofana taloha io, satria mampiasa ny heriny izy mba hanampiana ny hafa hahita fiadanana anaty. Araka ny asehon’ireo fitantarana ireo, dia afaka manova be ny fiainan’ny olona ho tsaratsara kokoa ny fianarana ny Baiboly sy ny fampiharana izay lazainy.

Fiadanana anaty eo anivon’ny tontolo mikorontana

I Jesosy Kristy no olona ara-tantara lehibe indrindra eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Ary mianatra zavatra betsaka momba azy ny olona rehefa miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny alina nahaterahany, dia nisy anjely nihira fiderana an’Andriamanitra toy izao: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” (Lioka 2:14). Rehefa nihalehibe i Jesosy, dia niahy ny amin’ny hanatsarana ny fiainan’ny olona izy. Nahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo izy ary nampiseho fangoraham-po niavaka tamin’ireo ory sy narary. Ary nitondra fiadanana anaty sasantsasany ho an’ny mpandefitra izy, nifanaraka tamin’ny tenin’ireo anjely. Tamin’ny faran’ny fanompoany, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”​—Jaona 14:27.

Tsy mpanao asa soa fotsiny akory i Jesosy. Nampitaha ny tenany tamin’ny mpiandry ondry izy, ary nohariny tamin’ny ondry ireo mpandefitra mpanara-dia azy, rehefa nilaza izy hoe: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.” (Jaona 10:10, 11). Eny, mifanohitra amin’ireo mpitarika maro be ankehitriny izay miahy voalohany indrindra ny tenany, dia nanome ny ainy ho an’ny ondriny i Jesosy.

Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’izay nataon’i Jesosy? Fantatry ny maro tsara ireto teny ireto: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ny fanehoana finoana an’i Jesosy dia mitaky, voalohany indrindra, fahalalana azy sy i Jehovah Rainy. Ny fahalalana an’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy dia afaka mitarika ho amin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra, izay hanampy antsika hahazo fiadanan-tsaina.

Hoy i Jesosy: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako.” (Jaona 10:27, 28). Teny mampiseho fitiavana sy mampionona re izany! Marina fa efa ho roa arivo taona lasa izay no nanononan’i Jesosy ireo teny ireo, kanefa dia mbola manan-kery toy ny tamin’izany fotoana izany ihany izy ireo. Aza hadinoina na oviana na oviana fa mbola velona sy miasa i Jesosy, manapaka amin’ny maha Mpanjaka nahazo fiandrianana azy izy ankehitriny​—Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Tahaka ny tamin’ny fotoana nandiavan’i Jesosy ny tany taona maro lasa izay, dia mbola miahy an’ireo mpandefitra izay maniry mafy fiadanan-tsaina izy. Fanampin’izany, dia mbola Mpiandry ny ondriny foana izy. Raha manara-dia azy isika, dia hanampy antsika hahazo fiadanana anaty izy, dia fiadanana izay mahafaoka fanantenana amin-toky ny hahita fiadanana tanteraka amin’ny hoavy, izay hidika ho tsy fisian’ny herisetra sy ny ady ary ny heloka bevava.

Tena misy soa azo avy amin’ny fahalalana sy ny finoana fa hanampy antsika i Jehovah, amin’ny alalan’i Jesosy. Tadidinao ve i Vania, ilay tovovavy namelana andraikitra mavesatra ka nieritreritra fa nanadino azy Andriamanitra? Fantatr’i Vania ankehitriny fa tsy nandao azy Andriamanitra. Hoy izy: “Nianarako fa tena misy Andriamanitra ary manana toetra mahate ho tia. Ny fitiavany dia nanosika azy haniraka ny Zanany tetỳ an-tany mba hanome fiainana antsika. Tena zava-dehibe ny hahalalana izany.”

Manamarina koa i Marcelo fa tena manana fifandraisana amin’Andriamanitra izy. Nilaza toy izao io mpamonjy lanonana taloha io: “Matetika no tsy mahafantatra izay tokony hatao ny tanora, hany ka manimba tena no iafarany. Lasa midoroka zava-mahadomelina ny sasany, tahaka ahy. Manantena aho fa ho maro kokoa no hahazo fitahiana tahaka ahy, amin’ny fianarana ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny Zanany.”

Tamin’ny alalan’ny fianarana amim-pitandremana ny Baiboly, dia namboly finoana mafy an’Andriamanitra i Vania sy i Marcelo, ary nihananana fatokisana fa vonona ny hanampy azy ireo handamina ny zava-manahirana azy, Andriamanitra. Raha manao tahaka izay nataon’izy ireo isika, izany hoe mianatra ny Baiboly sy mampihatra izay lazainy, dia hahita fiadanana anaty betsaka tsy misy hafa amin’izy ireo. Amin’izay, dia tena hihatra amintsika ny fampirisihan’ny apostoly Paoly manao hoe: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.”​—Filipiana 4:6, 7.

Fahitana tena fiadanana amin’izao andro izao

Mitarika ny olona noana ny fahamarinana ho eo amin’ny lalana ho any amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany, i Jesosy Kristy. Eo am-pitarihany azy ireo ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’Andriamanitra, dia manana fiadanana mitovy amin’izay voalazalazan’ny Baiboly toy izao izy ireo: “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po”. (Isaia 32:18). Ary vao santatry ny fiadanana hananan’izy ireo amin’ny hoavy fotsiny izany. Izao no vakintsika: “Ny mpandefitra (...) no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”​—Salamo 37:11, 29.

Koa afaka manana fiadanana anaty àry ve isika ankehitriny? Eny. Ankoatra izany, dia afaka matoky isika fa amin’ny hoavy tsy ho ela, dia hitahy ny olombelona mankatò Andriamanitra ka hanome azy fiadanana mbola tsy nisy toy izany. Nahoana àry no tsy mangataka aminy amin’ny alalan’ny vavaka mba hanomezany anao ny fiadanany? Raha manan-java-manahirana izay mahatonga anao tsy hanana fiadanana ianao, dia mivavaha tahaka an’i Davida Mpanjaka, izay nanao hoe: “Ny fahorian’ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ny fahatereko aho. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.” (Salamo 25:17, 18). Matokia fa mihaino ny vavaka toy izany Andriamanitra. Maninjitra ny tanany izy ka manome fiadanana ho an’izay rehetra mitady azy io amim-pahatsoram-po. Omena toky amim-pitiavana toy izao isika: “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.”​—Salamo 145:18, 19.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Ny olombelona dia tsy manana ny fahendrena sy ny fahaiza-mitsinjo ny hoavy, hoenti-mitondra samirery ny tenany tsy misy fanampiana, ary avy amin’Andriamanitra ny hany fanampiana tena misy vidiny

[Teny notsongaina, pejy 6]

Ny fahalalana an’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy dia afaka mitarika ho amin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra, izay hanampy antsika hahazo ny fiadanan-tsaina

[Sary, pejy 7]

Mandray anjara amin’ny fananana fiainam-pianakaviana milamina ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly