Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ohatra Tsara​—Mandray Soa avy Amin’izy Ireo ve Ianao?

Ohatra Tsara​—Mandray Soa avy Amin’izy Ireo ve Ianao?

Ohatra Tsara​—Mandray Soa avy Amin’izy Ireo ve Ianao?

“TONGA [ohatra, NW] ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia hianareo.” Nanoratra ireo teny ireo ho an’ny Kristianina nahatoky, nipetraka tany Tesalonika, ny apostoly Paoly. Tena mendri-piderana ny ohatra navelan’izy ireo ho an’ny mpiray finoana taminy. Na izany aza, dia nanaraka ny ohatra navelan’i Paoly sy ny namany ireo Tesalonianina. Hoy i Paoly: “Ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondrantenanay teo aminareo noho ny aminareo. Ary hianareo efa nanahaka anay”.​—1 Tesaloniana 1:5-7.

Eny, nanao nihoatra noho ny nitory teny i Paoly. Ny fiainany mihitsy dia efa toriteny velona​—ohatra ny amin’ny finoana sy ny fiaretana ary ny fahafoizan-tena. Noho izany antony izany, dia tonga fitaomana mahery teo amin’ny fiainan’ireo Tesalonianina i Paoly sy ny namany, ka nanosika azy ireo hanaiky ny fahamarinana “tamin’ny fahoriana be”. Tsy i Paoly sy ny mpiara-miasa taminy ihany anefa no hany fitaomana tsara teo amin’ireo mpino ireo. Nampahery koa ny ohatry ny hafa izay niaritra fahoriana. Hoy ny nosoratan’i Paoly tamin’ireo Tesalonianina: “Hianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay ao amin’i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ny nanjo ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy”.​—1 Tesaloniana 2:14.

Jesosy Kristy​Ilay ohatra lehibe indrindra

Na dia namela ohatra mendri-kotahafina aza ny tenan’i Paoly, dia tsy nanadino ny nilaza an’i Jesosy Kristy ho ilay ohatra lehibe indrindra, izay tokony harahin’ny Kristianina, izy. (1 Tesaloniana 1:6). I Jesosy no ohatra lehibe indrindra ho antsika tamin’izay sy ankehitriny. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera: “Ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela [modely, NW ] ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”.​—1 Petera 2:21.

Kanefa, efa ho 2 000 taona lasa izay no tsy naha olombelona an’i Jesosy intsony. Ankehitriny izy dia zavaboary ara-panahy tsy mety maty, izay “mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina”. Amin’ny maha izany azy, dia “tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena” izy. (1 Timoty 6:16). Ahoana àry no ahafahantsika manahaka azy? Ny fomba iray dia amin’ny fianarana ireo fitantarana efatra ao amin’ny Baiboly momba ny fiainan’i Jesosy. Ireo Filazantsara dia manampy antsika hahazo fahalalana tsara momba ny toetrany sy ny fomba fiainany ary ny ‘toe-tsainy’. (Filipiana 2:5-8, NW ). Ahazoana fahatakaran-javatra fanampiny ny fianarana amim-pitandremana ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, izay miresaka momba ireo fisehoan-javatra tamin’ny fiainan’i Jesosy amin’ny an-tsipiriany be sy milahatra araka ny fandehan’ny fotoana. *

Nisy vokany mahery teo amin’ny apostoly Paoly ny ohatr’i Jesosy ny amin’ny fahafoizan-tena. Hoy izy tamin’ireo Kristianina tao Korinto: “Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo”. (2 Korintiana 12:15). Toe-tsaina toy ny an’i Kristy re izany! Rehefa mandinika ny ohatra tonga lafatra navelan’i Jesosy isika, dia tokony ho voatosika koa hanahaka azy eo amin’ny fomba fiainantsika manokana.

Ohatra, nampianatra antsika i Jesosy fa tokony hiantehitra amin’ny fampanantenan’Andriamanitra hanome izay ilaintsika ara-nofo isika. Nanao nihoatra noho izany anefa izy. Nampiseho izany finoana sy fatokisana an’i Jehovah izany izy isan’andro. Hoy izy: “Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Matio 6:25; 8:20). Mibahana ao an-tsainao sy eo amin’ny zavatra ataonao ve ny fiahiana ny zavatra ara-nofo? Sa ny fiainanao manaporofo fa mikatsaka ilay Fanjakana voalohany indrindra ianao? Ary manao ahoana ny fihetsikao manoloana ny fanompoana an’i Jehovah? Moa ve izany tahaka ny an’i Jesosy, ilay Modelintsika? Asehon’ny Baiboly fa tsy nitory momba ny zotom-po fotsiny i Jesosy, fa nampiseho zotom-po niredareda koa izy tamin’ny toe-javatra maro. (Jaona 2:14-17). Ankoatra izany, dia ohatra tsara dia tsara toy inona moa no navelan’i Jesosy, raha ny amin’ny fitiavana! Nanao sorona ny ainy ho an’ny mpianany izy! (Jaona 15:13). Manahaka an’i Jesosy ve ianao, amin’ny fampisehoana fitiavana ny rahalahinao kristianina? Sa ianao mamela ny tsy fahatanterahan’ny sasany hanakana anao tsy hampiseho fitiavana azy ireo?

Eo amin’ny fiezahantsika mafy hanaraka ny ohatr’i Kristy, dia matetika no tsy mahavita isika. Tena mahafaly an’i Jehovah anefa ny ezaka ataontsika mba ‘hitafiana an’i Jesosy Kristy Tompo’.​—Romana 13:14.

“Ohatra ho an’ny andian’ondry”

Misy olona azontsika tahafina ve ao amin’ny kongregasiona amin’izao andro izao? Tena misy tokoa! Ireo rahalahy voatendry ho amin’ny toerana misy andraikitra indrindra no tsy maintsy manome ohatra. Nilaza tamin’i Titosy, izay nanompo ireo kongregasiona tao Kreta sy nanendry mpiandraikitra, i Paoly, fa ny loholona voatendry tsirairay dia tsy maintsy ho “lehilahy tsy manana antony hiampangana azy”. (Titosy 1:5, 6, NW ). Nananatra toy izany koa ny apostoly Petera hoe tokony ho tonga ‘ohatra ho an’ny andian’ondry ny loholona’. (1 Petera 5:1-3, NW ). Ary ahoana ny amin’ireo mpanampy amin’ny fanompoana? Tsy maintsy ho “lehilahy izay manompo amin’ny fomba tsara dia tsara” koa izy ireo.​—1 Timoty 3:13, NW.

Mazava ho azy fa tsy araka ny zava-misy ny hanantenana fa hanana fahaizana miavaka eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoana kristianina, ny loholona na ny mpanampy amin’ny fanompoana rehetra. Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Roma: “Samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika”. (Romana 12:6). Manan-tombo eo amin’ny lafiny samy hafa ny rahalahy samy hafa. Tsy ara-dalàna ny hanantenana fa hanao sy hilaza ny zava-drehetra amin’ny fomba lavorary ireo loholona. “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 3:2. “Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.” Na dia eo aza anefa ny tsy fahatanterahany, dia mbola afaka ny ho tahaka an’i Timoty ihany ireo loholona, ka ‘ho tonga [ohatra, NW ] ho an’ny mino amin’ny fiteny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana’. (1 Timoty 4:12). Rehefa manao izany ny loholona, dia tsy hisalasala hampihatra izao fananarana ao amin’ny Hebreo 13:7 izao, ny andian’ondry: “Tsarovy ny mpitondra anareo, (...) hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.”

Ohatra hafa amin’ny andro ankehitriny

Efa hatramin’ireo am-polony taona faramparany, dia olon-kafa tsy hita isa no niseho ho ohatra tsara. Ahoana ny amin’ireo misionera feno fahafoizan-tena an’arivony maro, izay “nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany”, mba hanatanterahana ilay asa anirahana ny Kristianina, any an-tany hafa? (Matio 19:29). Diniho koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, sy ireo lehilahy sy vehivavy izay manompo an-tsitrapo any amin’ireo biraon’ny Fikambanana Watch Tower, ary ireo mpisava lalana izay manompo any amin’ny kongregasiona. Afaka mandrisika ny hafa ve ny ohatra toy izany? Ny Kristianina mpitory ny filazantsara iray any Azia dia mahatsiaro ny misionera iray avy tamin’ny kilasy fahavalon’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Nilaza izy fa io rahalahy mahatoky io dia “vonona ny hiatrika ny fanafihan’ny moka sy ny hamandoana nampijaly. (...) Ny mbola nanaitra kokoa aza dia ny fahaizany nitory tamin’ny fiteny sinoa sy malezianina, na dia avy tany Angletera aza izy”. Inona no vokatr’io ohatra tsara dia tsara io? Hoy ilay rahalahy: “Ny fahatoniany sy ny fatokisan-tenany dia nampirisika ahy haniry ho tonga misionera, rehefa lehibe aho.” Tsy mahagaga raha tena tonga misionera tokoa io rahalahy io.

Ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower dia mirakitra lisitry ny tantaram-piainana am-polony maro izay niseho tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Ireny tantara ireny dia miresaka ny amin’ny olona izay nandao asa nisy fisondrotana sy zava-kendrena teo amin’izao tontolo izao, nandresy fahalemena, nanao fiovan-toetra lehibe, nihazona fihetsika tsara teo anoloan’ny fahoriana, ary nampiseho fahazotoana miasa, fiaretana, tsy fivadihana, fanetren-tena, ary toe-tsaina maneho fahafoizan-tena. Hoy ny nosoratan’ny mpamaky iray momba ireny fitantarana ireny: “Rehefa namaky izay zavatra nodiavin’ny hafa aho, dia nahatonga ahy ho Kristianina manetry tena kokoa sy mahay mankasitraka kokoa izy ireny, ka nanampy ahy tsy hieritreritra be loatra ny amin’ny tenako na ho tia tena.”

Fanampin’izany, dia aza hadinoina ireo ohatra tsara dia tsara ao amin’ny kongregasionanao: raim-pianakaviana izay mahavita miahy foana izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy; anabavy​—anisan’izany ny reny mitaiza irery ny zanany​—izay miatrika ny faneren’ny fitaizana zanaka, no sady mbola mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fanompoana ihany; be taona sy osa izay mahatoky hatrany, na dia eo aza ny fitomboan’ny fahosana sy ny fahasimban’ny fahasalamana. Tsy voatosiky ny ohatra toy izany ve ianao?

Marina aloha fa feno ohatra ratsy izao tontolo izao. (2 Timoty 3:13). Na izany aza, dia diniho ny fampirisihan’i Paoly an’ireo Kristianina izay nipetraka tany Jodia. Rehefa avy nitantara ny amin’ny fitondran-tena fakan-tahak’ireo lehilahy sy vehivavy maro fahiny, izay nanam-pinoana, ny apostoly Paoly, dia nampirisika azy ireo hoe: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa (...) hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy”. (Hebreo 12:1, 2). Ny Kristianina amin’izao andro izao koa dia voahodidina ohatra tsara ‘maro be toy ny rahona’​—tamin’ny andro fahiny sy amin’ny andro ankehitriny. Tena mandray soa avy amin’ireny ve ianao? Afaka mandray soa ianao, raha tapa-kevitra ny ‘haka tahaka, tsy ny ratsy, fa ny tsara’.​—3 Jaona 11, NW.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Teny notsongaina, pejy 20]

Tsy araka ny zava-misy ny hanantenana fa ny loholona na ny mpanampy amin’ny fanompoana rehetra dia hanana fahaizana miavaka eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoana kristianina

[Sary, pejy 21]

Tokony ho “ohatra ho an’ny andian’ondry” ny loholona