Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra

Izay Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra

“Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”​—MATIO 6:10.

1. Hidika ho inona ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

REHEFA nampianatra an’ireo mpanara-dia azy hivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, dia fantany fa hamarana ny fanapahan’olombelona tsy miankina amin’Andriamanitra, izay efa naharitra an’arivony taona maro, ny fahatongavan’izy io. Tsy natao tetỳ ambonin’ny tany, tamin’ny ankapobeny, ny sitrapon’Andriamanitra, nandritra izany fotoana rehetra izany. (Salamo 147:19, 20). Hatao hatraiza hatraiza anefa ny sitrapon’Andriamanitra, aorian’ny fanorenana ilay Fanjakana any an-danitra. Efa tena mihantomotra ankehitriny ny fotoan’ilay fiovana mahatalanjona, ka amin’izay dia ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no hisolo ny fanapahan’olombelona.

2. Inona no hanamarika ilay fiovana hitranga rehefa hisolo ny fanapahan’olombelona ny fanapahan’ilay Fanjakana?

2 Hanamarika an’io fiovana io ilay fe-potoana nantsoin’i Jesosy hoe “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21). Tsy lazain’ny Baiboly hoe haharitra hafiriana io fe-potoana io, nefa ho ratsy lavitra noho izay efa hitan’izao tontolo izao hatramin’izay ny loza hitranga mandritra azy io. Eo am-piandohan’ny fahoriana lehibe, dia hisy zavatra hitranga izay hanaitra mafy ny ankamaroan’ny olona eto an-tany, dia ny fandravana ny fivavahan-diso rehetra. Tsy hanaitra ny Vavolombelon’i Jehovah izany, satria efa nampoizin’izy ireo hatramin’ny ela. (Apokalypsy 17:1, 15-17; 18:1-24). Hifarana ao amin’i Haramagedona ny fahoriana lehibe, rehefa hanorotoro ny fandehan-javatr’i Satana manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Daniela 2:44; Apokalypsy 16:14, 16.

3. Ahoana no ilazalazan’i Jeremia izay hanjo an’ireo tsy mankatò?

3 Hidika ho inona izany ho an’ny olona ‘izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsara’ momba ny Fanjakany any an-danitra, eo ambanin’ny fitantanan’i Kristy? (2 Tesaloniana 1:6-9). Izao no lazain’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly amintsika: “Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ny faran’ny tany; ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.”​—Jeremia 25:32, 33.

Ny faran’ny faharatsiana

4. Nahoana no ara-drariny raha hamarana ity fandehan-javatra ratsy ity i Jehovah?

4 Nandritra ny an’arivony taona maro, dia nandefitra teo anoloan’ny faharatsiana i Jehovah Andriamanitra, ary ampy tsara izany fotoana izany mba hahitan’ny olona mahitsy fo fa tsy mahomby tanteraka ny fanapahan’olombelona. Tamin’ny taonjato faha-20 fotsiny, ohatra, dia olona maherin’ny 150 tapitrisa no maty noho ny ady sy ny revolisiona ary ny fihetsiketseham-bahoaka hafa, araka ny loharanon-kevitra iray. Tena hita indrindra ny habibian’olombelona nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, rehefa nisy 50 tapitrisa teo ho eo no maty, ary maro tamin’izy ireo no niharan’ny fahafatesana nahatsiravina tany amin’ireo toby fitanan’ny Nazia. Tsy misy hafa amin’izay nambaran’ny Baiboly mialoha fa ‘nandroso niharatsiratsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky’, amin’izao androntsika izao. (2 Timoty 3:1-5, 13). Miely patrana ankehitriny ny fahalotoam-pitondran-tena, ny heloka bevava, ny herisetra, ny tsolotra, ary ny faniratsirana ny fari-pitsipik’Andriamanitra. Noho izany, dia ara-drariny tanteraka raha hamarana ity fandehan-javatra ratsy ity i Jehovah.

5, 6. Lazalazao ny faharatsiana nisy tany Kanana fahiny.

5 Ny toe-javatra misy ankehitriny dia mitovy amin’ny tany Kanana, tokony ho 3 500 taona lasa izay. Hoy ny Baiboly: “Ny fahavetavetana rehetra, izay halan’i Jehovah, no nataony tamin’ny andriamaniny; fa ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy aza dia nodorany tamin’ny afo ho an’ny andriamaniny.” (Deoteronomia 12:31). Izao no nampahafantarin’i Jehovah ny firenen’ny Isiraely: “Ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no androahan’i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao”. (Deoteronomia 9:5). Nanamarika toy izao ilay mpahay tantara atao hoe Henry H. Halley: ‘Filibana izaitsizy ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala sy i Astarta ary ireo andriamanitra kananita hafa; foiben’ny faharatsiam-pitondran-tena ireo tempoliny.’

6 Nasehon’i Halley fa nanjary tena lehibe ny faharatsian’ireo Kananita, satria tany amin’ny iray tamin’ireo faritra maro toy izany, dia “nahita tavoara maro dia maro nisy ny sisa tavela tamin’ireo ankizy natao sorona ho an’i Bala” ireo arkeôlôgy. Hoy i Halley: ‘Hita ho tany fandevenana zaza menavava ilay faritra manontolo. Ny fomba nanoloran’ireo Kananita fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ireo andriamaniny, dia ny fanaranam-po tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena, izay nataony ho fombafomba ara-pivavahana, ary avy eo ny famonoana an’ireo zanany voalohany, ho sorona ho an’ireo andriamanitra ireo ihany. Tamin’ny ankapobeny, dia toa nanjary karazana Sodoma sy Gomora ilay firenena manontolo tao amin’ny tany Kanana. Nanan-jo mbola hisy ihany ve ny sivilizasiona feno fahavetavetana sy habibiana maharikoriko toy izany? Ireo arkeôlôgy izay mandavaka ireo sisan-javatra rava tamin’ny tanàna kananita dia manontany tena hoe nahoana Andriamanitra no tsy nandringana azy ireo taloha kokoa.’

Fandovana ny tany

7, 8. Ahoana no hanadiovan’Andriamanitra ity tany ity?

7 Tsy misy hafa amin’ny nanadiovan’Andriamanitra an’i Kanana no hanadiovany tsy ho ela koa ny tany manontolo, ka hanomezany azy io ho an’ireo manao ny sitrapony. “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” (Ohabolana 2:21, 22). Ary hoy ny mpanao salamo: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11). Hesorina koa i Satana, mba “tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona”. (Apokalypsy 20:1-3). Eny, “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”.​—1 Jaona 2:17.

8 Hoy i Jesosy raha nilaza tamin’ny teny fohy ilay fanantenana lehibe ho an’ireo maniry hiaina mandrakizay eto an-tany: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5). Azo inoana fa niresaka ny Salamo 37:29, izay nanambara mialoha toy izao, izy: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Fantatr’i Jesosy fa efa fikasan’i Jehovah ny hampiaina mandrakizay ny olona mahitsy fo eo amin’ny tany paradisa. Hoy i Jehovah: “Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ny heriko lehibe (...); ary efa nomeko ho an’izay sitraky ny foko ny tany.”​—Jeremia 27:5.

Tontolo vaovao hahatalanjona

9. Karazana tontolo manao ahoana no haorin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

9 Aorian’i Haramagedona, dia hanorina “tany vaovao” hahatalanjona izay ‘hitoeran’ny fahamarinana’, ny Fanjakan’Andriamanitra. (2 Petera 3:13). Hahatsiaro ho maivamaivana erỳ ireo ho tafita velona amin’i Haramagedona, satria ho afaka amin’ity fandehan-javatra ratsy mampahory ity! Ho ravoravo erỳ izy ireo ho tafiditra ao amin’ilay tontolo vaovao sy marina, eo ambanin’ny fitondran’ilay Fanjakana any an-danitra, ka sady hahazo fitahiana mahatalanjona no hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay!​—Apokalypsy 7:9-17.

10. Zava-dratsy inona avy no tsy hisy intsony eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana?

10 Tsy hotandindomin-doza noho ny ady, ny heloka bevava, ny hanoanana, na ny biby mpiremby akory aza, ny olona. “Hanao fanekem-pihavanana amin[’ny oloko] Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ny tany intsony (...). Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ny tany izy”. “Hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”.​—Ezekiela 34:25-28; Mika 4:3, 4.

11. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa hifarana ny aretina ara-batana?

11 Ho foana ny aretina sy ny alahelo, ary na dia ny fahafatesana aza. “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.” (Isaia 33:24). “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’izy ireo]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. (...) Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apokalypsy 21:4, 5). Fony i Jesosy tetỳ an-tany, dia nasehony fa mahay manao ireo zavatra ireo izy, noho ny hery nomen’Andriamanitra azy. Nanohana an’i Jesosy ny fanahy masina, ka nandeha nanerana ilay firenena izy, nanasitrana ny mandringa sy ny marary.​—Matio 15:30, 31.

12. Inona no fanantenana ho an’ny maty?

12 Nanao nihoatra noho izany aza i Jesosy, satria nanangana ny maty izy. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona nanetry tena? Rehefa nanangana zazavavy iray 12 taona i Jesosy, dia “talanjona indrindra” ny ray aman-dreniny no sady feno haravoana lehibe. (Marka 5:42). Izany dia ohatra hafa iray ny amin’izay hataon’i Jesosy maneran-tany, eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana, satria “hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ]” amin’izay fotoana izay. (Asan’ny Apostoly 24:15). Alao sary an-tsaina ny haravoana lehibe ho tsapa rehefa hisesy haverina ho amin’ny fiainana ireo maty isan’antokony, ka ho tafaraka indray amin’ireo havan-tiany! Azo antoka fa hisy asa fampianarana lehibe hatao eo ambanin’ny fiadidian’ilay Fanjakana, mba hahatonga “ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”.​—Isaia 11:9.

‘Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina’

Voamarina ny fiandrianan’i Jehovah

13. Amin’ny fomba ahoana no hanaporofoana fa ara-drariny ny fanapahan’Andriamanitra?

13 Ho efa lavorary indray ny saina sy ny vatan’ny fianakavian’olombelona, amin’ny faran’ny arivo taona hanapahan’ilay Fanjakana. Ny tany dia ho tonga saha Edena hatraiza hatraiza, eny, ho paradisa. Ho efa tratra ilay tanjona hoe fiadanana, fahasambarana, filaminana, fitambaran’olona be fitiavana. Tsy nahitana toy izany mihitsy teo amin’ny tantaran’olombelona, talohan’ny nanapahan’ilay Fanjakana. Ho efa voaporofo amin’izay fotoana izay fa nisy fifanoherana lehibe teo amin’ilay fanapahana nampahonena nampiharin’olombelona nandritra ny an’arivony taona maro teo aloha, sy ilay fanapahana faran’izay tsara nampiharin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra nandritra ny arivo taona! Ho efa voaporofo koa fa ambony tanteraka amin’ny lafiny rehetra ilay fanapahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ilay Fanjakany. Ho efa voamarina tanteraka ny zon’Andriamanitra hanapaka, izany hoe ny fiandrianany.

14. Inona no hitranga amin’ny mpikomy rehefa hifarana ny arivo taona?

14 Amin’ny faran’ny arivo taona, dia havelan’i Jehovah hifidy malalaka izay tiany hotompoina ny olombelona lavorary. Milaza ny Baiboly fa “hovahana Satana ho afaka ao amin’ny trano-maizina nitoerany”. Hiezaka hamitaka ny olona indray izy, ka hifidy ny tsy hiankina amin’Andriamanitra ny sasany. Mba ‘tsy hiverenan’ny fahoriana fanindroany’, dia hofongoran’i Jehovah i Satana sy ireo demoniany, sy izay rehetra hikomy amin’ny fiandrianan’i Jehovah. Tsy hisy ho afaka hanohitra hoe tsy nanana fahafahana hisafidy ny olona rehetra voaringana mandrakizay amin’izany fotoana izany, na hoe noho ny tsy fahalavorariany no nahatonga azy hanaraka lalan-dratsy. Tsia, fa ho tahaka an’i Adama sy i Eva lavorary, izay nifidy an-tsitrapo ny hikomy tamin’ny fanapahana marin’i Jehovah, izy ireo.​—Apokalypsy 20:7-10; Nahoma 1:9.

Hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah indray ireo tsy mivadika aminy

15. Hanao ahoana ny fifandraisan’i Jehovah amin’ireo tsy nivadika?

15 Etsy an-danin’izany, dia azo inoana fa hifidy ny hanohana ny fiandrianan’i Jehovah ny ankamaroan’ny olona. Rehefa fongotra ny mpikomy rehetra, dia hijoro eo anatrehan’i Jehovah ny olo-marina, rehefa avy nandalo an’ilay fitsapana farany ny tsy fivadihana. Heken’i Jehovah ho zanany amin’izay fotoana izay ireo tsy nivadika ireo. Hanana ilay fifandraisana nananan’i Adama sy i Eva tamin’Andriamanitra talohan’ny nikomiany, àry izy ireo. Noho izany, dia ho tanteraka ny Romana 8:21, manao hoe: “Izao zavatra ary rehetra izao [ny olombelona] aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” Manambara mialoha toy izao i Isaia mpaminany: “Hofoanan’[Andriamanitra] tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”.​—Isaia 25:8.

Ny fanantenana fiainana mandrakizay

16. Nahoana no mety ny hiandrandrana valisoa, dia ny fiainana mandrakizay?

16 Zavatra mahatalanjona tokoa no miandry an’ireo olo-mahatoky, dia ny fahafantarana fa hanome zava-tsoa ara-panahy sy ara-nofo tondraka ho azy ireo mandrakizay Andriamanitra! Ara-dalàna raha nilaza toy izao ny mpanao salamo: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:16). Mampirisika ny kilasin’ny ho eto an-tany i Jehovah mba hanao izany fanantenana ny hiaina ao amin’ny Paradisa izany ho anisan’ny finoan’izy ireo azy. Na dia zava-dehibe kokoa aza ilay raharaha iadian-kevitra momba ny fiandrianan’i Jehovah, dia tsy mangataka ny olona hanompo azy tsy misy fanantenana valisoa izy. Ao amin’ny Baiboly manontolo, dia mifamatotra tsy afa-misaraka ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra sy ny fanantenana fiainana mandrakizay, izay samy tapany tena lehibe amin’ny finoan’ny Kristianina an’Andriamanitra. “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.”​—Hebreo 11:6.

17. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nety ny nahazo fanohanana avy tamin’ny fanantenantsika?

17 Hoy i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Eto ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany dia nampifandraisin’i Jesosy tamin’ilay valisoa entin’izany. Nilaza toy izao, ohatra, i Jesosy fony nangataka taminy ny mpanao ratsy iray mba hahatsiaro azy rehefa tonga amin’ny Fanjakany i Jesosy: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43, NW ). Tsy nilaza tamin’ilay lehilahy izy hoe tokony hanam-pinoana izy na dia tsy hahazo valisoa aza. Fantany fa irin’i Jehovah hanana ilay fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa ny mpanompony mba hanohana azy ireo hiatrika ireo fisedrana maro samihafa eto amin’ity tontolo ity. Noho izany, dia fanampiana tena lehibe mba hahafahan’ny Kristianina hiaritra, ny fiandrandrana ilay valisoa.

Ny hoavin’ilay Fanjakana

18, 19. Inona no hitranga amin’ilay Mpanjaka sy ilay Fanjakana amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona?

18 Ilay Fanjakana dia fitondram-panjakana mitana ny toerana faharoa, izay nampiasain’i Jehovah mba hahatonga ny tany sy ny mponina eo aminy ho lavorary sy hihavana aminy indray. Koa inona àry no ho anjara asan’i Jesosy Kristy Mpanjaka sy ireo mpanjaka sy mpisorona 144 000, aorian’ny Fanjakana Arivo Taona? “Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra. Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony.”​—1 Korintiana 15:24, 25.

19 Rehefa hatolotr’i Kristy an’Andriamanitra ilay Fanjakana, ahoana no tokony handraisana ireo andinin-teny izay milaza fa haharitra mandrakizay izy io? Haharitra mandrakizay ireo zava-bitan’ilay Fanjakana. Homem-boninahitra mandrakizay i Kristy noho ilay anjara asany teo amin’ny fanaovana izay hanamarinana ny fiandrianan’Andriamanitra. Kanefa, noho ny fahotana sy ny fahafatesana efa foana tanteraka amin’izay fotoana izay, ary noho ny taranak’olombelona efa voavotra, dia ho tapitra hatreo ny ilana azy ho Mpanavotra. Ho efa nifarana tanteraka koa ny Fanapahan’ilay Fanjakana Arivo Taona, koa tsy hisy hilana fitondram-panjakana mitana ny toerana faharoa intsony mba hanelanelana an’i Jehovah sy ny taranak’olombelona mankatò. Noho izany, dia ho “zavatra rehetra ho an’ny rehetra Andriamanitra”.​—1 Korintiana 15:28, NW.

20. Ahoana no ahafahantsika mahita izay tahirizin’ny hoavy ho an’i Kristy sy ireo 144 000?

20 Inona no ho anjara asan’i Kristy sy ireo mpiara-manapaka aminy rehefa hifarana ny Fanjakana Arivo Taona? Tsy milaza ny amin’izany ny Baiboly. Na izany aza, dia afaka mahazo antoka isika fa hanome azy ireo tombontsoam-panompoana maro fanampiny manerana ny zavatra noforoniny, i Jehovah. Enga anie isika rehetra ankehitriny hanohana ny fiandrianan’i Jehovah sy hahazo ny fiainana mandrakizay, ka amin’ny hoavy dia ho velona mba hahita izay nokasain’i Jehovah ho an’ilay Mpanjaka, sy ho an’ireo mpanjaka sy mpisorona toa azy, ary ho an’izao rehetra izao mahatalanjona!