Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiasana Teny Amin’ny “Saha”​—Talohan’ny Fijinjana

Fiasana Teny Amin’ny “Saha”​—Talohan’ny Fijinjana

Fiasana Teny Amin’ny “Saha”​—Talohan’ny Fijinjana

VERY hevitra ireo mpianatr’ilay Mpampianatra Lehibe. Vao avy nilaza tantara fohy momba ny vary sy ny tsimparifary i Jesosy. Iray tamin’ireo fanoharana maro be nolazainy tamin’iny andro iny ilay izy. Rehefa vitany ilay fitantarana, dia lasa nandeha ny ankamaroan’ny mpihaino azy. Fantatr’ireo mpanara-dia azy anefa fa tsy maintsy manana heviny manokana ireo fanoharany, indrindra fa ilay momba ny vary sy ny tsimparifary. Fantany fa tsy mpilaza tantara mahaliana fotsiny i Jesosy.

Nanontany toy izao izy ireo, araka ny fitantaran’i Matio: “Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.” Ho valiny, dia nohazavain’i Jesosy ny hevitr’ilay fanoharana, ka nolazainy mialoha fa hisy fivadiham-pinoana lehibe hipoitra eo anivon’ireo mitonona ho mpianany. (Matio 13:24-30, 36-38, 43). Tena nitranga izany, ary niely haingana ny fivadiham-pinoana, taorian’ny nahafatesan’ny apostoly Jaona. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesaloniana 2:6-12). Niely hatraiza hatraiza ny vokatr’ilay fivadiham-pinoana, hany ka toa tena nety tsara izao fanontaniana napetrak’i Jesosy izao, izay voasoratra ao amin’ny Lioka 18:8: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?”

Hanamarika ny fiandohan’ny ‘fijinjana’ an’ireo Kristianina toy ny vary, ny fahatongavan’i Jesosy. Hanamarika ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, izay nanomboka tamin’ny 1914, izany. Koa tsy tokony hahagaga antsika àry raha nisy olona nanjary liana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly, talohan’ny nanombohan’ilay fijinjana.​—Matio 13:39, NW.

Ahariharin’ny fandinihana ny tantara voarakitra an-tsoratra fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-15 indrindra, dia nisy olona nanjary liana toy izany, na dia teo anivon’ny sarambaben’olona tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina aza, dia sarambaben’olona izay toy ny “tsimparifary”, na Kristianina sandoka. Nanjary nalalaka ny fahazoana Baiboly ary nomanina ny kônkôrdansa momba ny Baiboly, koa nisy olona tso-po nanomboka nanao fikarohana tsara tao amin’ny Soratra Masina.

Nihanamirapiratra ny hazavana

Anisan’ny olona toy izany i Henry Grew (1781-1862), avy tao Birmingham, any Angletera, teo am-piandohan’ny taonjato faha-19. Fony izy 13 taona, dia niondrana an-tsambo niaraka tamin’ny fianakaviany namakivaky ny Ranomasina Atlantika izy, mba hankany Etazonia, ary tonga tany tamin’ny 8 Jolay 1795. Nanorim-ponenana tao Providence, any Rhode Island, izy mianakavy. Nandentika tsikelikely tao aminy ny fitiavana ny Baiboly ny ray aman-dreniny. Tamin’ny 1807, teo amin’ny faha-25 taonany, dia nasaina ho tonga pastoran’ny Fiangonana Batista tao Hartford, any Connecticut, i Grew.

Noraisiny ho zava-dehibe ny andraikiny hampianatra, ary niezaka izy hanampy an’ireo teo ambanin’ny fiahiany mba hiaina nifanaraka tamin’ny Soratra Masina. Nihevitra anefa izy fa tokony hesorina tsy ho ao amin’ny kongregasiona ny olona na iza na iza ka zatra nanota an-tsitrapo. Indraindray ny tenany, mbamin’ny tompon’andraikitra hafa tao amin’ilay fiangonana, dia voatery nandroaka an’ireo nijangajanga na nanaraka fanao maloto hafa.

Nisy olana hafa nanahiran-tsaina azy tao amin’ilay fiangonana. Nisy lehilahy tsy mpikambana izay nisahana ny raharaham-barotry ny fiangonana sy nitarika ny hira nandritra ny fotoam-pivavahana. Nahazo naneho ny heviny momba ny raharaha nanahirana tao amin’ny kongregasiona koa ireny lehilahy ireny, ka azo lazaina hoe nanan-kery teo amin’ny raharahan’ny fiangonana. Nino mafy dia mafy i Grew fa ny olona nahatoky ihany no tokony hiantsoroka ireny andraikitra ireny, araka ilay foto-pitsipika momba ny fisarahana amin’izao tontolo izao. (2 Korintiana 6:14-18; Jakoba 1:27). Araka ny heviny, dia faniratsirana an’Andriamanitra ny famelana ireny tsy mpino ireny hanao hira fiderana Azy. Nolavin’ilay fiangonana i Henry Grew tamin’ny 1811, noho izany hevitra nijoroany izany. Nisaraka tamin’ilay fiangonana koa, tamin’izay fotoana izay, ny olon-kafa nitovy hevitra tamin’i Grew.

Nisaraka tamin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina

Nanomboka nianatra ny Baiboly io antokon’olona io, anisan’izany i Henry Grew, ka ny hampifanaraka ny fiainany sy ny zavatra nataony tamin’ny torohevitra noraketin’ny Baiboly no zava-nokendreny tamin’izany. Tsy ela izy ireo dia nanjary nahatakatra tsara kokoa ny fahamarinana ara-baiboly, noho izany fianarany izany, ka nanala sarona ireo fampianaran-dison’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Ohatra, nanoratra fanazavana nisy fanjohian-kevitra tsara i Grew tamin’ny 1824, ka nanaporofo ny maha diso ny fampianarana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray. Mariho fa lojika ity ampahany tamin’izay nosoratany ity: “ ‘Ny amin’izany andro na ora izany, dia tsy misy [olona] mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny RAY ihany.’ [Marka 13:32] Mariho eto ilay ambaratongam-pahefana. Ny Olona, ny Anjely, ny Zanaka, ny Ray. (...) Mampianatra antsika ny Tompontsika fa ny Ray ihany no nahafantatra izany andro izany. Tsy marina anefa izany, raha toa ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina ka Andriamanitra telo izay iray, araka ny fiheveran’ny sasany; satria, araka io [fampianarana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray] io, dia nahafantatra izany koa ny (...) Zanaka, sahala amin’ny Ray.”

Nanala sarona ny fihatsarambelatsihin’ny mpitondra fivavahana sy ny mpitari-tafika nihambo ho nanompo an’i Kristy i Grew. Nanambara toy izao izy tamin’ny 1828: “Azontsika eritreretina ve fa hisy zavatra hafahafa kokoa noho izao: Nivavaka ho an’ny fahavalony ny Kristianina iray tao amin’ny efitranony, ary nony nivoaka avy eo dia nandidy ny miaramilany hanatsatoka tamin-kabibiana ny fitaovam-piadiana mahafaty tao am-pon’ireo fahavalony ireo ihany? Mahafinaritra fa tamin’ilay zavatra nataony voalohany, dia nitovy tamin’ilay Tompony efa ho faty izy, fa nitovy tamin’iza kosa izy tamin’ilay faharoa? Nivavaka ho an’ireo namono azy i Jesosy. Ny Kristianina kosa mivavaka ho an’ireo izay hovonoiny ihany avy eo.”

Vao mainka nafonja kokoa izao nosoratan’i Grew izao: “Rahoviana isika no hino ny Tsitoha, izay manome toky antsika fa tsy ‘azo vazivazina’ izy? Rahoviana isika no hahatakatra ny tena maha izy an’io fivavahana masina io sy ny heriny, izay mitaky amintsika ny hifadiantsika na dia ny ‘fisehoana ivelan’ny faharatsiana’ aza? (...) Tsy fanalam-baraka ny Zanak’Andriamanitra ve ny fiheverana fa ny fivavahana naoriny dia mitaky amin’ny olona iray ny hitondrany tena toy ny anjely ao anatin’ny toe-javatra iray, ary mamela azy hitondra tena toy ny demonia kosa ao anatin’ny toe-javatra hafa?”

Tsy raiki-tampisaka ny fiainana mandrakizay

Nandritra ireny taona talohan’ny nisian’ny radio sy ny televiziona ireny, dia fanaon’ny olona ny naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny bokikely nosoratany ka naeliny. Tokony ho tamin’ny taona 1835, dia nanoratra bokikely nafonja iray izay nanala sarona ireo fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny afobe mirehitra i Grew. Nambarany fa tsy araka ny Soratra Masina ireo foto-pampianarana ireo, izay naniratsira an’Andriamanitra, araka ny fiheverany.

Ho lasa lavitra ny vokatra naterak’io bokikely io. Nahita io bokikely io tao anaty fiarandalamby i George Storrs, teo amin’ny faha-40 taonany, tamin’ny 1837. Teraka tao Lebanon, any New Hampshire, i Storrs, izay nipetraka tao Utica, any New York, tamin’izay fotoana izay.

Mpitondra fivavahana nohajaina fatratra tao amin’ny Fiangonana Metodista-Episkopaly izy. Rehefa namaky io bokikely io izy, dia talanjona fa, hay, azo natao ny nandroso fanaporofoan-kevitra nafonja toy izany mba hamelezana ireo foto-pampianaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ireo, izay tsy nampisalasala azy mihitsy hatramin’izay. Tsy fantany hoe iza no nanoratra ilay bokikely, ary efa taona maromaro tatỳ aoriana, raha haingana indrindra tamin’ny 1844, vao nihaona tamin’i Henry Grew izy, fony izy mirahalahy samy nipetraka tao Philadelphie, any Pennsylvanie. Nandinika samirery ilay raharaha nandritra ny telo taona anefa i Storrs, ary mpitondra fivavahana ihany no niresahany momba ilay izy.

Tamin’ny farany, dia nanapa-kevitra i George Storrs fa tsy afaka ny hahatoky teo anatrehan’Andriamanitra izy raha nijanona tao amin’ny Fiangonana Metodista, satria tsy nisy afaka nanaporofo ny tao fa diso ireo zavatra vao nianarany. Niala tamin’ny fiangonany àry izy tamin’ny 1840, ary nifindra tany Albany, any New York.

Teo am-piandohan’ny lohataonan’ny 1842, dia nanao lahateny enina nifampitohitohy nandritra ny iray volana sy tapany i Storrs, momba ilay foto-kevitra hoe “Famotopotorana​—Tsy Mety Maty ve ny Ratsy Fanahy?” Maro be tokoa ny olona liana, hany ka nohavaoziny sy natontany indray ilay bokikely, ary tao anatin’ny 40 taona nanaraka, dia nahatratra 200 000 ny isan’ny naely tany Etazonia sy Grande-Bretagne. Nifarimbona tamin’ny adihevitra nanoherana ny foto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy i Storrs sy i Grew. Nanohy nitory tamin-jotom-po i Grew, mandra-pahafatiny tamin’ny 8 Aogositra 1862, tany Philadelphie.

Fotoana fohy taorian’ny nanaovan’i Storrs ireo lahateny enina voalaza tetsy aloha, dia nanjary liana tamin’ny fitorian’i William Miller izy. Nanantena i Miller fa hitranga tamin’ny 1843 ny fiverenan’i Kristy hita maso. Nandritra ny roa taona teo ho eo, dia nandray anjara tamim-paharisihana tamin’ny fitoriana io hafatra io nanerana ny faritra avaratratsinanan’i Etazonia, i Storrs. Taorian’ny taona 1844, dia tsy nety nametra daty ny amin’ny fiverenan’i Kristy intsony izy, kanefa tsy notoheriny ny fanirian’ny hafa hamotopototra momba ny fandaharan-taona. Nino i Storrs fa akaiky ny fiverenan’i Kristy, ary zava-dehibe ny hifohazan’ny Kristianina sy ny haha mailo azy ireo hatrany amin’ny lafiny ara-panahy, ho vonona ho amin’ilay andro hanaovany fisafoana. Nisaraka tamin’ilay antokon’i Miller anefa izy, satria izy ireo nanaiky foto-pampianarana tsy araka ny Soratra Masina, toy ny hoe tsy mety maty ny fanahy, hodorana izao tontolo izao, ary tsy manana fanantenana mihitsy ny hiaina mandrakizay ireo maty tao anatin’ny tsy fahalalana.

Nitarika ho amin’ny inona ny fitiavan’Andriamanitra?

Naharikoriko an’i Storrs ny fiheveran’ny Advantista hoe hanangana ny ratsy fanahy amin’ny maty Andriamanitra, noho ny fikendrena fotsiny ny hamono azy ireny indray. Tsy nety hitany tao amin’ny Soratra Masina ny porofon’ny hoe hanao zavatra tsy misy antony sy hamaly faty toy izany Andriamanitra. Nanjary nanana fiheverana nifanipaka tanteraka tamin’ny an’ny Advantista i Storrs sy ireo niaraka taminy, ka nanatsoaka hevitra fa tsy hatsangana amin’ny maty mihitsy ny ratsy fanahy. Na dia sarotra tamin’izy ireo aza ny nanazava andinin-teny sasany niresaka ny amin’ny fananganana ny tsy marina, dia toa nifanaraka kokoa tamin’ny fitiavan’Andriamanitra ny fanatsoahan-keviny, araka ny fahitany azy. Tsy ho ela dia handroso bebe kokoa amin’ny fahatakarana ny fikasan’Andriamanitra i Storrs.

Narary mafy i Storrs tamin’ny 1870, ary tsy afa-niasa nandritra ny volana vitsivitsy izy. Afaka nandinika indray ny zava-drehetra efa nianarany tao anatin’ny 74 taona niainany i Storrs, nandritra io fotoana io. Nanatsoaka hevitra izy fa tsy takany ny tapany lehibe tamin’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona, araka izay voalaza tao amin’ilay fanekena natao tamin’i Abrahama hoe ‘hotahina ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny tenin’Andriamanitra i Abrahama’.​—Genesisy 22:18; Asan’ny Apostoly 3:25.

Niteraka hevi-baovao tao an-tsainy izany. Raha hotahina ny “firenena rehetra”, tsy tokony handre ny vaovao tsara ve ny rehetra? Amin’ny fomba ahoana? Tsy an-tapitrisany maro ve no efa nodimandry? Rehefa nandinika akaiky kokoa ny Soratra Masina izy, dia nanjary nanatsoaka hevitra fa nisy sokajiny roa ny “ratsy fanahy” efa nodimandry: ireo izay nanda tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra, sy ireo maty tao anatin’ny tsy fahalalana.

Nanatsoaka hevitra i Storrs fa tsy maintsy hatsangana amin’ny maty iretsy farany, mba homena fahafahana handray soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy. Hiaina mandrakizay eto an-tany ireo manaiky io sorona io, fa haringana kosa ireo mandà azy io. Eny, nino i Storrs fa tsy hisy hatsangan’Andriamanitra ka tsy hanana fanantenana hivelatra eo anoloany. Amin’ny farany, dia tsy hisy ho faty noho ny otan’i Adama intsony, afa-tsy i Adama! Ahoana kosa anefa ny amin’ireo velona mandritra ny fiverenan’i Jesosy Kristy Tompo? Nanjary takatr’i Storrs tamin’ny farany fa tsy maintsy hatao ny fitoriana maneran-tany mba hanatratrarana azy ireny. Tsy azony an-tsaina mihitsy hoe tamin’ny fomba ahoana no azo nanaovana izany, kanefa nanoratra tamim-pinoana toy izao izy: “Maro loatra anefa no mitsipaka izany, satria tsy takany hoe ahoana marina no hanaovana izany, toy ny hoe tsy hain’Andriamanitra izany, satria tsy mety hitan’izy ireo ny fizotran’izany.”

Maty tamin’ny Desambra 1879 i George Storrs, tao an-tranony tao Brooklyn, any New York. Trano vitsivitsy monja no nanelanelana io tranony io tamin’ilay toerana izay ho tonga foiben’ny asa fitoriana maneran-tany tatỳ aoriana, dia ilay asa fitoriana nandrasany fatratra.

Nilaina ny fahazavana fanampiny

Nahatakatra mazava tsara ny fahamarinana toa antsika amin’izao andro izao ve ny olona toa an-dry Henry Grew sy George Storrs? Tsia. Takatr’izy ireo fa nila niady mafy ny tenany, araka izao voalazan’i Storrs tamin’ny 1847 izao: “Tsara ny hitadidiantsika fa vao nipoitra avy tao anatin’ny vanim-potoan’ny haizin’ny fiangonana isika; ary tsy hahagaga velively raha mbola hisy ‘fampianarana babylonianina’ sasany hifikirantsika eo am-pitadiavantsika ny fahamarinana.” Nanaiky ny avotra nomen’i Jesosy, ohatra, i Grew, kanefa tsy takany fa “avotra mifanandrify” izy io, izany hoe ny ain’olombelona lavorary nananan’i Jesosy no nomena ho solon’ny ain’olombelona lavorary verin’i Adama. (1 Timoty 2:6, NW). Diso hevitra koa i Henry Grew, satria nino fa hiverina hanapaka eto an-tany i Jesosy ka ho hita maso. Tena niahy ny amin’ny hanamasinana ny anaran’i Jehovah anefa i Grew, na dia tsy nahaliana afa-tsy olona vitsy dia vitsy monja aza izany, taorian’ny taonjato faharoa am.f.i.

Tsy araka ny tokony ho izy koa ny fahatakaran’i George Storrs ny hevi-dehibe sasany. Nahamarika ny fampianaran-diso notohanan’ny mpitondra fivavahana izy, kanefa mbola diso ihany koa indraindray ny fomba fiheviny nifanipaka tanteraka tamin’ireny fampianarana ireny. Ohatra, nolavin’i Storrs ny maha persona ny Devoly, angamba noho izy tsy nankasitraka velively ny fomba fihevitry ny mpitondra fivavahana ôrtôdôksa momba an’i Satana. Nolavin’i Storrs ny finoana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray, kanefa tsy azony antoka raha persona ny fanahy masina, na tsia, raha tsy efa taloha kelin’ny nahafatesany. Nanantena i George Storrs fa tsy ho hita maso ny fiverenan’i Kristy eo am-boalohany, kanefa nihevitra izy fa ho hita maso i Kristy any aoriana. Na izany aza, dia toa samy tso-po izy mirahalahy ireo, ary tena nanakaiky kokoa ny fahamarinana izy ireo, raha oharina amin’ny ankamaroan’ny olona.

Mbola tsy tena vonona hojinjana ilay “saha” nolazalazain’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary. (Matio 13:38, NW). Niasa teo amin’ilay “saha” ka nanomana azy io ho amin’ny fijinjana, i Grew sy i Storrs ary ny hafa.

Nanomboka nanonta ity gazety ity tamin’ny 1879 i Charles Taze Russell, ary izao no nosoratany momba ireo taona nanombohany izany: “Nanome antsika olona maro hanampy antsika teo amin’ny fianarana ny Teniny ny Tompo, ka anisan’ny nisongadina tamin’izy ireny i George Storrs, ilay rahalahy malalantsika efa be taona, izay nanome antsika fanampiana be dia be tamin’ny alalan’ny teny sy ny penina; tsy nitady mihitsy ny ho mpanaraka olona anefa isika, na tsara fanahy sy hendry toy inona aza izy ireny, fa ‘Mpanaraka an’Andriamanitra toy ny zanaka malala’ kosa isika.” Eny, afaka nandray soa avy tamin’ny ezaka nataon’ny olona toa an-dry Grew sy Storrs ny mpianatra ny Baiboly tso-po, kanefa mbola tena zava-dehibe ihany ny handinihana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, satria izy io no tena loharanon’ny fahamarinana.​—Jaona 17:17.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Ny Zavatra Ninoan’i Henry Grew

Nalam-baraka ny anaran’i Jehovah, koa mila ny hohamasinina.

Foto-pampianarana mamitaka ny momba ny Andriamanitra telo izay iray, ny tsy fahafatesan’ny fanahy, sy ny afobe mirehitra.

Tsy maintsy misaraka amin’izao tontolo izao ny kongregasiona kristianina.

Tsy tokony handray anjara amin’ny adin’ireo firenena ny Kristianina.

Tsy eo ambanin’ny lalàna momba ny Sabata asabotsy na alahady ny Kristianina.

Tsy tokony hiditra amin’ny fikambanana miafina, toy ny Framasao, ny Kristianina.

Tsy tokony hisy izany hoe mpitondra fivavahana na lahika izany eo anivon’ny Kristianina.

Avy amin’ny antikristy ny anaram-boninahitra ara-pivavahana.

Tokony hanana fitambaran-doholona ny kongregasiona rehetra.

Tsy maintsy ho masina amin’ny fitondran-tenany rehetra ny loholona, ka tsy tokony hanan-tsiny.

Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara ny Kristianina rehetra.

Hisy olona hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.

Tokony ho fiderana an’i Jehovah sy i Kristy ny hira kristianina.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary: Collection of The New-York Historical Society/69288

[Efajoro/Sary, pejy 28]

Ny Zavatra Ninoan’i George Storrs

Ny ain’i Jesosy no nandoavany ny vidin’ny avotra ho an’ny taranak’olombelona.

Mbola tsy natao ny fitoriana ny vaovao tsara (tamin’ny 1871).

Noho izany, dia tsy nety ho antomotra tamin’izany fotoana izany (tamin’ny 1871) ny farany. Tsy maintsy ho avy ny fotoana hanaovana ny asa fitoriana.

Hisy olona handova ny fiainana mandrakizay eto an-tany.

Hisy fitsanganan’izay rehetra maty tao anatin’ny tsy fahalalana. Hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany ireo manaiky ny sorom-panavotan’i Kristy. Haringana kosa ireo mandà io sorona io.

Foto-pampianarana diso izay manala baraka an’Andriamanitra ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny afobe mirehitra.

Fankalazana fanao isan-taona amin’ny 14 Nisana ny Sakafo Harivan’ny Tompo.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary: SIX SERMONS, by George Storrs (1855)

[Sary, pejy 29]

Nifindra tao Brooklyn, any New York, any Etazonia, i C. T. Russell, mpampanonta ny “Zion’s Watch Tower”, tamin’ny 1909