Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifalia Amin’ny Fanantenana ny Amin’ilay Fanjakana!

Mifalia Amin’ny Fanantenana ny Amin’ilay Fanjakana!

Mifalia Amin’ny Fanantenana ny Amin’ilay Fanjakana!

FOTOAM-PIFALIANA no nahatafavory ireo mpanatrika 5 784 tao amin’ny fitambaran-trano telo any amin’ny Fanjakan’i New York, izay ampiasain’ny fianakavian’ny Betela, tamin’ny 10 Martsa 2001. Nozaraina tamin’izay ny diplaoman’ny kilasy faha-110 amin’ny sekolin’i Gileada ho an’ny misionera.

Niarahaba tonga soa ny rehetra i Carey Barber, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanokatra ny fandaharana tamin’ny filazana hoe: “Faly isika fa efa nisy 110 hatramin’izao ireo kilasy nisy mpianatr’i Gileada voaofana ho misionera sy voatendry any amin’ny faritany manerana ny gilaoby.”

Fomba hifalifaliana lalandava

Taorian’ny teny fanokafana nataon’ny Rahalahy Barber, dia noresahin’i Don Adams tamin’ny mpihaino sy ireo mpianatra 48 nahazo diplaoma, ilay foto-kevitra hoe “Mampanan-karena Antsika ny Fitahian’i Jehovah”. Nifototra tamin’ny Ohabolana 10:22 ny lahateniny, ary nampahatsiahy ny mpanatrika izy fa manohana sy mitahy ny mpanompony i Jehovah, rehefa apetrak’izy ireo eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Nampirisika ireo mpianatra izy mba ho vonona hanaiky ny fanendrena vaovao azony, toy ny nataon’ny apostoly Paoly, rehefa nasaina ‘nankany Makedonia izy, mba hamonjy olona’. (Asan’ny Apostoly 16:9) Na dia nisy zava-tsarotra noresena aza, dia nitondra fitahiana nahafaly maro ny fahavononan’i Paoly hitory tany amin’izay nanirahana azy.

Nahavita ny fianarany ny Baiboly naharitra dimy volana sy ny fampiofanana azy ireo ho amin’ny asa misionera, ilay kilasy nahazo diplaoma. Mbola nampirisika azy ireo hanohy hianatra ihany anefa i Daniel Sydlik, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no nomarihiny tao amin’ilay foto-kevitra hoe “Aoka Ianao ho Tena Mpianatra Marina”: “Ny hoe tonga mpianatra dia midika hoe mankatò tsy tapaka ny tenin’i Jesosy. Tafiditra amin’izany ny hoe vonona hihaino foana ny teniny sy ny hafatra omeny ary ny fampianarany.” Nomarihiny fa tsy manapa-kevitra ny mpianatr’i Kristy raha tsy mihaino ny feon’ny Tompony aloha; mifamatotra amin’ny fiainan’i Kristy ny fahendren’Andriamanitra. (Kolosiana 2:3) Tsy misy olona mandre ny tenin’i Jesosy indray mandeha ka afaka hilaza fa mahay ny zava-drehetra momba azy. Nampirisika ireo nahazo diplaoma àry ny Rahalahy Sydlik mba hanohy hianatra sy hampihatra ary hampianatra ny fahamarinana kristianina, izay manafaka.​—Jaona 8:31, 32.

Mba hifaliana lalandava amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia tsy maintsy vonona hanaiky fifehezana sy fanitsiana ny olona iray. “Hananatra Anao ve ny Voanao?” no fanontaniana napetrak’i Lawrence Bowen, mpampianatra ao Gileada. Nasehony fa ampifandraisin’ny Baiboly ny voa ara-panoharana sy ny eritreritra mbamin’ny fihetseham-po lalina indrindra. Afaka manitsy ny olona iray izy ireo raha toa ka latsa-paka lalina ao amin’ny maha izy ny olona iray, ny torohevitra ara-tsindrimandrin’ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 16:7; Jeremia 17:10) Afaka manohina lalina an’i Jehovah mihitsy ny fahatokian’ny olona iray. Rehefa avy namaky ny Ohabolana 23:15, 16 ilay mpandahateny, dia nanontany hoe: “Hananatra Anao ve ny Voanao?” Hoy koa izy: “Manantena izany izahay, amin’izay ianareo dia hanao izay hahitan’i Jehovah fahafinaretana lalina. Hanaitra ny fihetseham-pony lalina indrindra ianareo. Eny, hampifaly ny voan’Andriamanitra ianareo raha tsy mivadika amin’ny fanendrena anareo.”

I Mark Noumair, izay misionera tany Kenya talohan’ny nahatongavany ho mpampianatra ao Gileada, no nanao ny lahateny farany tamin’io tapany tamin’ny fandaharana io. Nanasongadina ny maha zava-dehibe ny hambolena fahaiza-mianina ny lahateniny nitondra ny lohateny hoe “Tsara Kokoa ny Mahita Amin’ny Maso”. Nifanaraka tamin’ny Mpitoriteny 6:9, dia nampirisika toy izao ny Rahalahy Noumair: “Ekeo ny zava-misy. Izany no atao hoe ‘mahita amin’ny maso’. Aza manonofy zavatra tianareo hatao nefa tsy ataonareo, fa ataovy izay farany mety ho vitanareo ao anatin’ny toe-javatra misy anareo ankehitriny. Vao mainka ianareo tsy ho afa-po sy tsy ho faly raha miaina ao anatin’ny nofinofy, na manantena zavatra tsy araka ny tokony ho izy, na mifantoka amin’ny lafy ratsin’ny fanendrena anareo.” Eny, na aiza isika na aiza, ary na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra misy antsika, dia mahatonga toe-tsaina falifaly eo am-panompoana ilay Mpamorona Lehibe, ny fambolena fahaiza-mianina miorina amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.

Fifaliana teny amin’ny fanompoana sy tany Gileada

Taorian’ny torohevitra azo ampiharina toy izany, ireo mpianatra dia nitantara ny zavatra hitan’izy ireo teny amin’ny fanompoana, nandritra ireo dimy volana nianarany. I Wallace Liverance, mpitan-tsoratry ny Sekolin’i Gileada, no nitarika ireo mpianatra nahazo diplaoma mba hilaza ny fomba nisehoany ho mpanompon’Andriamanitra. (2 Korintiana 4:2) Afaka nanaitra ilay feon’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra izy ireo, tao amin’ny olona sasany. Nasehon’ireo mpianatra ny fomba nanombohana fampianarana Baiboly tamin’ny olona tso-po hitan’izy ireo teny an-dalana, tamin’ny fanompoana isan-trano ary tany amin’ny toeran-kafa. Tamin’ny fotoana samy hafa, dia nisy olona liana nilaza fa marina ny boky sy gazety avoakan’ny fandaminan’i Jehovah. Nisy tompon-trano tena nandray tsara rehefa namakiana andinin-teny iray manokana tao amin’ny Baiboly. Miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy izao.

Nanadinadina ireo efa nahazo diplaoman’i Gileada teo aloha avy eo, i Joel Adams. “Aza mitsahatra Mianatra Mihitsy, Aza Mitsahatra Manompo An’i Jehovah Mihitsy” no foto-keviny. Nanana torohevitra tonga tamin’ny fotoana nilan’ireo misionera vaovao azy, ireo nadinadinina. Raha nahatsiaro ny fotoana naha anisan’ny kilasin’i Gileada faha-26 azy i Harry Johnson, dia nilaza hoe: “Nampianarina izahay fa efa nitarika ny vahoakany foana i Jehovah ary mbola hitarika ny vahoakany foana izy. Nampahery anay nandritra ireo taona izany fatokisana izany.” Nanoro hevitra ireo nahazo diplaoma toy izao i William Nonkes, anisan’ny kilasin’i Gileada faha-53: “Ambonin’ny zava-drehetra, dia tadidio ny fitsipiky ny Baiboly ary ampiharo izy ireny amin’ny fanapahan-kevitra rehetra tokony hataonao eo amin’ny fiainanao ankehitriny sy mandrakizay. Amin’izay ianao dia ho tafajanona ao amin’ny fanendrena anao, ary hotahin’i Jehovah amin’ny fomba tondraka.”

“Hatanjahina mba Hanatanteraka ny Sitrapon’i Jehovah” no foto-kevitra nofidin’i Richard Rian ho an’ny anjarany tamin’ilay fandaharana. Anisan’ny nadinadininy i John Kurtz, izay nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-30 ary misionera nandritra ny 41 taona mahery tany Espaina. Rehefa nanontaniana momba ny zavatra ianarana ao Gileada ny Rahalahy Kurtz, dia hoy izy: “Ny Baiboly no boky fianarana lehibe indrindra. Avy eo ireo fitaovana fianarana ny Baiboly, izay manampy hahatakatra ny Baiboly. Afaka manana azy ireo ny rehetra. Tsy misy fanazavana tsiambaratelo eto Gileada. Tsy mitsahatra ny manasongadina izany aho satria azon’ny Vavolombelona rehetra atao ny mahazo ny fanazavana omena eto Gileada.”

Namarana ilay fandaharana ara-panahy ny Rahalahy Gerrit Lösch, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ilay foto-kevitra hoe “Ambony sy Ambany Elatr’i Jehovah”. Nohazavainy ny fomba anehoan’ny Baiboly an’ohatra amin’ny ela-boromahery ny fiarovan’Andriamanitra sy ny fanohanany ireo mpanompony mahatoky. (Deoteronomia 32:11, 12; Salamo 91:4) Mamelatra ny elany mandritra ny ora maro ny voromahery lehibe iray indraindray mba hiarovana ny zanany. Mety hanarona ny zanany amin’ny elany mihitsy aza indraindray ny voromahery vavy iray mba hiarovana azy ireo amin’ny rivotra mangatsiaka. Rehefa mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah izany, dia azony vonjena toy izany koa ny mpanompony mahatoky, indrindra fa rehefa miatrika fisedrana ara-panahy. Tsy mamela ny mpanompony halaim-panahy mihoatra noho izay zakany i Jehovah fa manisy lalana hahafahany hahazaka izany. (1 Korintiana 10:13) Namarana ny teniny toy izao ny Rahalahy Lösch: “Tsy maintsy mitoetra eo ambany elatr’i Jehovah isika mba ho voaro ara-panahy hatrany. Izany hoe tsy tokony hamboly toe-tsaina tsy tia fiankinana isika. Aoka isika hitoetra ho akaikin’i Jehovah sy ny fandaminany izay toy ny reny, ka tsy hiala amin’ny fitarihany sy ny toroheviny feno fitiavana.”

Namaky telegrama sy fiarahabana avy tamin’ireo nandefa firarian-tsoa nanerana ny gilaoby, ilay mpitari-draharaha. Natao avy eo ny fizarana diplaoma. Fony naorina ny Sekolin’i Gileada, dia kilasy voafetra mandritra ny dimy taona monja no noeritreretina hatao. Nanohy nampiasa ilay sekoly nandritra ny 58 taona anefa i Jehovah Andriamanitra. Izao no nolazain’ny Rahalahy Barber tamin’ny teny fanokafany: “Mahatalanjona tokoa ny zava-bitan’ireo nahazo diplaoma teto Gileada hatramin’ny nitokanana azy ity tamin’ny 1943! Ny asa nifarimbonan’izy ireo dia nahafahana nanampy olona ana hetsiny maro ara-bakiteny ho tonga ao anatin’ny fandaminana be voninahitr’i Jehovah.” Eny, nahatonga olona an-tapitrisany maro ho faly noho ny fanantenana ilay Fanjakana, io sekolin’ny misionera io.

[Efajoro, pejy 24]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Isan’ny tany nanana solontena: 8

Isan’ny tany nanendrena: 18

Isan’ny mpianatra: 48

Salanisan’ny taona: 34

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 18

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 13

[Sary, pejy 25]

Ny Kilasy Faha-110 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Vacek, E.; Madelin, L.; Evans, G.; Watanabe, K. 2) Trafford, P.; Turfa, J.; Wilson, P.; Williams, R.; Weber, A. 3) Johnson, T.; Hanau, K.; Mourlhou, F.; Charpentier, F.; Peckham, R.; Androsoff, P. 4) Seegers, T.; Seegers, D.; Bailey, P.; Bailey, M.; Madelin, K.; Lippold, E.; Lippold, T. 5) Evans, N.; Gold, R.; Bollmann, I.; Vacek, R.; Oundjian, J.; Wilson, N. 6) Turfa, J.; Zuidema, L.; Zuidema, R.; Bengtsson, C.; Bengtsson, J.; Galano, M.; Galano, L. 7) Peckham, T.; Mourlhou, J.; Charpentier, C.; Gold, M.; Bollmann, R.; Oundjian, F. 8) Weber, R.; Johnson, B.; Hanau, D.; Watanabe, Y.; Williams, R.; Trafford, G.; Androsoff, T.