Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hasmonianina sy ny Lovany

Ny Hasmonianina sy ny Lovany

Ny Hasmonianina sy ny Lovany

NIZARAZARA ho antoko nifaninana nitaona olona, ny fivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Izany no asehon’ireo Filazantsara sy ireo asa soratr’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany.

Antoko natanjaka tamin’izany fotoana izany ny Fariseo sy ny Sadoseo, izay nahay nitaona ny vahoaka, ka nahatonga azy ireo tsy hanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia mihitsy aza. (Matio 15:1, 2; 16:1; Jaona 11:47, 48; 12:42, 43) Tsy miresaka momba ireo antoko roa lehibe ireo mihitsy anefa ny Soratra Hebreo.

Rehefa mitantara ny taonjato faharoa al.f.i. i Josèphe vao miresaka momba ny Fariseo sy Sadoseo. Nahasarika Jiosy maro tamin’izany fotoana izany ny Helenisma, izany hoe ny kolontsaina sy ny fomba fisaina grika. Nahatratra ny fara tampony ny fifandiran’ny Helenisma sy ny fivavahana jiosy, rehefa nandoto ny tempolin’i Jerosalema ireo mpanjaka grika séleucides, tamin’ny fanamasinana azy io ho an’i Zeosy andriamaniny. Nisy mpitarika jiosy nafana fo, atao hoe Judas Maccabée, avy amin’ny fianakaviana hasmonianina, nitarika tafika mpikomy mba haka ny tempoly tsy hofehezin’ny Grika intsony. *

Nisy sekta maro niforona, taorian’iny fikomiana sy fandresen’ny Makabeo iny. Nifanohitra ny zavatra ninoan’ireo sekta ireo, ary nifaninana nitaona Jiosy be indrindra izy ireo. Nahoana anefa no nihamaro toy izany ny sekta? Nahoana no nisaratsaraka toy izany ny fivavahana jiosy? Handinika ny tantaran’ny Hasmonianina isika mba hamaliana izany.

Fahaleovan-tena sy fisaratsarahana

Lasa mpanao politika i Judas Maccabée, rehefa tafaveriny tamin’ny laoniny ny fivavahana tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Noho izany, dia Jiosy maro no nandao azy. Nanohy niady tamin’ireo mpanjaka séleucides anefa izy, ary nanao fifanekena tamin’i Roma, sy nitady hanorina Fanjakana Jiosy nahaleo tena. I Jonathan sy i Simon rahalahiny no nanohy ilay ady, rehefa maty an’ady izy. Tamin’ny voalohany, dia niady mafy tamin’ireo Makabeo ny mpanjaka séleucides, nefa nanao fifanekena politika ihany tatỳ aoriana, ka nanome fahaleovan-tena kely ho an’ny Hasmonianina.

Na dia taranaka mpisorona aza ny Hasmonianina, dia mbola tsy nisy mpisoronabe mihitsy izy ireo. Noheverin’ny Jiosy maro fa mpisorona taranak’i Zadoka, izay notendren’i Solomona ho mpisoronabe, no tokony hitana io toerana io. (1 Mpanjaka 2:35; Ezekiela 43:19) Nampiasa ady sy fahaiza-miresaka i Jonathan, mba handresena lahatra an’ireo Séleucides hanendry azy ho mpisoronabe. Rehefa maty anefa i Jonathan, dia nahavita zavatra nihoatra noho izany i Simon rahalahiny. Tamin’ny Septambra 140 al.f.i., dia nisy didy lehibe iray navoaka tao Jerosalema, nosoratana tamin’ny takelaka halimo araka ny fomba grika. Nilaza toy izao izy io: “Notapahin’i Demetriosa [ilay mpanjaka séleucide] fa izy [i Simon] no ho mpisorona lehibe, notondroiny ho sakaizany izy, ary nomeny voninahitra ambony dia ambony. ... Sitraky ny Jody sy ny mpisorona ny haha-mpanapaka sy mpisorona lehibe mandrakariva an’i Simona mandra-pisehon’izay mpaminany mendrika hinoana”.—I Makabeo 14:38-41 (bokin-tantara ao amin’ny Apokrifa, asa soratra jiosy fahiny).

Tsy ny manam-pahefana séleucides ihany àry no nanaiky an’i Simon sy ny taranany ho mpanapaka sy mpisoronabe, fa ny mpitondra jiosy koa. Nanamarika fiovana lehibe izany. Nilaza mantsy i Emil Schürer, mpahay tantara, fa raha vao nahazo fahefana politika ny taranaka hasmonianina, dia “tsy nifantoka tamin’ny fanarahana ny Torah [Lalàna Jiosy] intsony, fa tamin’ny fiarovana sy ny fampitomboana ny fahefany kosa”. Tsy ta hampahatezitra ny Jiosy mora tohina anefa i Simon, ka naleony nantsoina hoe “mpitarika ny vahoaka”, toy izay hoe “mpanjaka”.

Tsy ny rehetra no faly rehefa nandrombaka ny fahefana ara-pivavahana sy ara-politika ny Hasmonianina. Niforona nandritra izany fotoana izany ny antokon’olona tao Qumran, araka ny mpahay tantara maro. Nandao an’i Jerosalema ny mpisorona iray taranak’i Zadoka, ary nitarika antokona mpanohitra nankany an’efitr’i Jodia, eo amin’ny sisin’ny Ranomasina Maty. Toa izy no antsoin’ny asa soratra tao Qumran hoe “Mpampianatra Fahamarinana”. Ao amin’ny iray amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, manazava ny bokin’i Habakoka, dia melohina “ilay Mpisorona Ratsy Fanahy natao hoe marina tamin’ny voalohany, nefa nanjary nieboebo ny fony rehefa nanjaka teo amin’ny Isiraely izy”. Mpahay tantara maro no mino fa nety ho i Jonathan na i Simon io “Mpisorona Ratsy Fanahy” io.

Nanohy niady i Simon, mba hanitarana ny faritany nanjakany. Nifarana tampoka anefa ny fanjakany, rehefa novonoin’i Ptolémée, vinantolahiny, izy sy ny zanany roa lahy, nandritra ny fety be iray nataon’izy ireo tsy lavitra an’i Jeriko. Tsy nahazo ny fahefana anefa i Ptolémée, satria nisy nampitandrina an’i Jean Hyrcan, sisa velona tamin’ny zanak’i Simon, fa misy mitady hamono izy. Nisambotra an’ilay nitady hamono azy i Jean, ka lasa mpanjaka sy mpisoronabe, nisolo an-drainy.

Sady manitatra ny faritaniny no mampihorohoro

Nandrahona mafy an’i Jean Hyrcan aloha ny tafika séleucides, nefa resin’ny Partianina ny tarana-mpanjaka séleucides, tamin’ny ady lehibe iray tamin’ny 129 al.f.i. Izao no nosoratan’i Menahem Stern, Jiosy mpahay tantara, momba ny vokatr’io ady io teo amin’ireo Séleucides: “Rava ny fototra manontolo niorenan’ilay fanjakana.” Noho izany, dia “azon’i [Hyrcan] tanteraka indray ny fahaleovan-tenan’i Jodia, ary nanomboka nanitatra ny faritany nanjakany izy”. Ary tena nahomby izany fanitarana izany.

Tsy nanakantsakana an’i Hyrcan intsony ny Syrianina tamin’izay, ka nanomboka nanafika ireo faritra ivelan’i Jodia izy, ary namabo azy ireny. Tsy maintsy nanaiky ny fivavahana jiosy ireo mponina tao, raha tsy izany dia ho noravana ny tanànany. Izany, ohatra, no natao tamin’ireo Idomeanina (Edomita). Hoy i Stern momba izany: “Mbola tsy nisy fiovam-pivavahana toy ny an’ireo Idomeanina, satria tsy olona vitsy fotsiny no nanao izany fa ny fokon’izy ireo iray manontolo mihitsy.” Nandresy an’i Samaria koa i Hyrcan, ary nandrava ilay tempoly samaritanina teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima. Nasehon’i Solomon Grayzel, mpahay tantara fa mifanohitra amin’ny fanaon’ny Hasmonianina mihitsy io fanerena ny olona hiova fivavahana io, ka hoy izy: “Tonga ilay zafikelin’i Mattathias [rain’i Judas Maccabée] ary tsy manaja ny fahafahana ara-pivavahana, izay narovan’ilay taranaka teo aloha mafy mihitsy.”

Miditra an-tsehatra ny Fariseo sy Sadoseo

Rehefa nitantara ny fanjakan’i Hyrcan i Josèphe vao niresaka momba ny fitombon’ny fahefan’ny Fariseo sy Sadoseo. (Ny Fariseo tamin’ny andron’i Jonathan mpanjaka, no efa noresahin’i Josèphe.) Tsy nilaza ny fiavian’izy ireo izy. Heverin’ny manam-pahaizana sasany fa avy amin’ny Hasidima izy ireo. Sekta mpivavaka be ny Hasidima, ary nanampy an’i Judas Maccabée hanatratra ny tanjony ara-pivavahana, nefa nandao azy rehefa lasa mpanao politika izy.

Matetika ny anarana hoe Fariseo no ampifandraisina amin’ilay fototeny hebreo midika hoe “ireo nisaraka”, nefa misy mihevitra fa mifandray amin’ilay teny hoe “mpanazava teny” izy io. Anisan’ny sarambaben’olona ihany ny Fariseo, saingy nahita fianarana, ary tsy nisy nampiavaka ny razambeny. Nihevi-tena ho masina izy ireo, satria nampihatra ireo lalàna natao ho an’ny mpisorona tamin’ny fiainany andavanandro, araka ny fampianaran’ny fiangonany. Nanazava ny Soratra Masina tamin’ny fomba vaovao koa ireo Fariseo, ka namorona ny atao hoe lalàna am-bava. Nitombo ny fahefan’izy ireo tamin’ny andron’i Simon, rehefa notendrena ho anisan’ny Gerousia (konsilin’ny zokiolona) ny sasany taminy. Nantsoina hoe Synedriona ny Gerousia tatỳ aoriana.

Tantarain’i Josèphe fa mpianatra sy mpanohana ny Fariseo i Jean Hyrcan tamin’ny voalohany. Nananatra azy anefa ny Fariseo indray mandeha, satria tsy nety niala tamin’ny toeran’ny mpisoronabe izy. Niady be izy ireo tamin’izay, ka nisaraka. Nofoanan’i Hyrcan ireo fitsipika ara-pivavahan’ny Fariseo. Nanampy ny sazin’izy ireo izy, ka nanohana ny Sadoseo, fahavalon’ny Fariseo.

Ny anarana hoe Sadoseo dia toa mifandray amin’i Zadoka Mpisoronabe. Nitana ny toeran’ny mpisorona ny taranak’i Zadoka, nanomboka tamin’ny andron’i Solomona. Tsy ny Sadoseo rehetra anefa no taranak’i Zadoka. Nilaza i Josèphe fa ny Sadoseo no olona ambony sy mpanan-karena teo amin’ny firenena, nefa tsy tian’ny olona. Manamarika ny Profesora Schiffman hoe: “Toa mpisorona na nanambady zanaka mpisoronabe ny ankamaroan’izy ireo.” Efa ela izy ireo, araka izany, no nifandray akaiky tamin’ny manam-pahefana. Noho izany, dia natahorana hampihena ny fahefan’ny Sadoseo ny Fariseo, izay nifehy kokoa ny vahoaka sady nitaky ny hahamasina ny olona rehetra toy ny mpisorona. Nahazo fahefana indray àry ny Sadoseo, tao anatin’ireo taona farany nanjakan’i Hyrcan.

Mpanao politika fa tsy tena mpivavaka

Herintaona monja no nanjakan’i Aristobule, zanaka lahimatoan’i Hyrcan, dia maty izy. Nanohy nanery ny olona hiova fivavahana izy, ary notereny hanao izany ny Itoreanina. Azon’ny Hasmonianina koa ny faritra avon’i Galilée. Tamin’ny 103-76 al.f.i., fotoana nanjakan’i Alexandre Jannée rahalahin’i Aristobule, anefa, vao nahatratra ny heriny fara tampony ny tarana-mpanjaka hasmonianina.

Tsy nanaraka ny fanao teo aloha i Alexandre Jannée, fa nanendry tena ho mpisoronabe sy mpanjaka kosa. Nihamafy ny fifandonan’ny Hasmonianina sy ny Fariseo, ka nipoaka ny ady an-trano ary nahafaty Jiosy 50 000. Rehefa nitsahatra ilay fikomiana, dia nofantsihan’i Jannée tamin’ny hazo fijaliana, toy ny ataon’ny mpanompo sampy, ny mpikomy 800. Rehefa niala aina ireo olona ireo, dia novonoina teo imasony ny vady aman-janany, ary i Jannée kosa niara-nanao fety tamin’ny vadikeliny, teo imason’ny rehetra. *

Mpanao politika fetsy i Jannée, na dia nankahala ny Fariseo aza. Hitany fa nihatian’ny olona ny Fariseo. Noho izany, dia nasainy nizara ny fahefana tamin’izy ireo i Salomé Alexandra vadiny, rehefa nadiva ho faty izy. I Salomé no nofidin’i Jannée handimby azy fa tsy ny zanany lahy. Mpanjakavavy nahay i Salomé, ary mbola tsy niadana toy izany ilay firenena nanjakan’ny Hasmonianina (76-67 al.f.i.). Nomena toerana ambony indray ireo Fariseo, ary naverina indray ireo fitsipika ara-pivavahana nataony, izay nofoanan’i Hyrcan.

Rehefa maty i Salomé, dia niady seza i Hyrcan II, mpisoronabe, sy i Aristobule II, zanany roa lahy. Tsy toy ny razambeny izy mirahalahy, fa sady tsy nahay politika no tsy nahay niady. Toa tsy takatr’izy ireo koa ny tena dikan’ny fitombon’ny isan’ireo Romanina tao amin’ilay faritra, rehefa nirodana tanteraka ny fanjakan’ny Séleucides. Tamin’ny 63 al.f.i., dia nangatahin’izy mirahalahy mba handamina ny adin’izy ireo i Pompey, mpitondra romanina, nandalo tao Damaskosy. Tamin’io taona io ihany dia niditra tao Jerosalema i Pompey sy ny tafiny, ka nandray ny fahefana. Nadiva hifarana ny fanjakana hasmonianina. Lasan’i Heroda Lehibe, Mpanjaka idomeanina ny fanjakana tao Jerosalema, tamin’ny 37 al.f.i. Izy mantsy no neken’ny Antenimieran-doholona romanina ho “Mpanjakan’i Jodia” sy “mpanampy ary naman’ny vahoaka romanina”. Tapitra hatreo ny fanjakana hasmonianina.

Ny lovan’ny Hasmonianina

Nizarazara ny fivavahana, fony i Jesosy tetỳ an-tany. Ny fanjakan’ny Hasmonianina nanomboka tamin’i Judas Maccabée ka hatramin’i Aristobule II no niteraka izany. Nazoto nanompo an’Andriamanitra ny Hasmonianina tamin’ny voalohany, nefa nanjary tia tena be. Afaka nampiray ny vahoaka ireo mpisorona, raha nampirisika azy ireo hanaraka ny Lalàn’Andriamanitra. Nifanohitra tamin’izany anefa fa nampisaraka ny vahoaka izy ireo, noho ny ady politika nataony. Nihabetsaka àry ny hevitra ara-pivavahana nampisaratsaraka. Tsy nisy intsony ny Hasmonianina, nefa mbola niady mba hahazo fahefana ara-pivavahana ihany ny Sadoseo sy ny Fariseo ary ny hafa, nandritra ny fanjakan’i Heroda sy i Roma.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny lahatsoratra hoe “Iza moa Ireo Makabeo?”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1998.

^ feh. 22 Miresaka momba ny “Liona Tezitra” izay “nanantona olona velona” ny “Fanazavana ny Nahoma”, anisan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Mety ho ilay zava-nitranga voalaza etsy ambony izany.

[Tabilao, pejy 30]

(Jereo ny gazety)

Ireo Tarana-mpanjaka Hasmonianina

Judas Maccabée

Jonathan Maccabée

Simon Maccabée

Jean Hyrcan

↓ ↓

Aristobule

Salomé Alexandra — nanambady an’i — Alexandre Jannée

↓ ↓

Hyrcan II

Aristobule II

[Sary, pejy 27]

Niady i Judas Maccabée mba hahazoan’ny Jiosy fahaleovan-tena

[Sary nahazoan-dalana]

The Doré Bible Illustrations/Dover Publications, Inc.

[Sary, pejy 29]

Ny adin’ny Hasmonianina nitady hamabo tanàna tsy jiosy

[Sary nahazoan-dalana]

The Doré Bible Illustrations/Dover Publications, Inc.