Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Miresaka ny amin’ny “lanitra vaovao” ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ao amin’ny Apokalypsy 21:1, ka ataony amin’ny endriny milaza tokana ny hoe “lanitra”. Nahoana anefa no ataony amin’ny endriny milaza maro ilay “lanitra” ao amin’ny 2 Petera 3:13?

Tsipiriany momba ny fitsipi-pitenenan’ireo teny tany am-boalohany no tena anton’io, fa toa tsy misy heviny manokana.

Andeha hojerentsika aloha ny Soratra Hebreo. Ao amin’ny soratra tany am-boalohany, dia amin’ny endriny milaza maro foana ilay teny hebreo hoe sha·maʹyim, izay nadika hoe “lanitra”. Toa tsy ilay endriny milaza maro enti-manondro fahatsarana anefa izy io, fa manondro kosa zavatra mitatra, na zavatra maro tsy hita isa izay heverina ho iray. Ara-dalàna loatra raha izany no izy, satria mitatra lavitra ny planeta tany ny lanitra. Mitatra amin’ny lafiny rehetra izy io, hany ka anisan’ny lanitra koa ireo kintana an’arivo tapitrisany maro. Rehefa misy mpanoritra voafaritra (ara-bakiteny: “ireo lanitra”) eo alohan’ny teny hoe sha·maʹyim, dia saika “lanitra” amin’ny endriny milaza maro foana no andikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao azy. Anisan’izany, ohatra, ny ao amin’ny Isaia 66:22. Rehefa tsy misy mpanoritra voafaritra miaraka amin’ny hoe sha·maʹyim, dia azo adika amin’ny endriny milaza tokana izy io (“lanitra”, toy ny ao amin’ny Genesisy 1:8; 14:19, 22; Salamo 69:34). Azo adika koa amin’ny endriny milaza maro anefa izy io, toy ny ao amin’ny Genesisy 49:25, Mpitsara 5:4, Joba 9:8, Isaia 65:17.

Ao amin’ny Isaia 65:17 sy ny 66:22, dia samy amin’ny endriny milaza maro ilay teny hebreo nadika hoe lanitra, ary mifanaraka amin’izany koa ny fomba nandikana azy.

“Lanitra”, amin’ny endriny milaza tokana, no hevitry ny teny grika hoe ou·ra·nosʹ. “Lanitra”, amin’ny endriny milaza maro, kosa no hevitry ny teny grika hoe ou·ra·noiʹ. Tsara homarihina fa ireo nanao ilay fandikan-teny grika atao hoe Fitopolo, dia nampiasa ilay endriny milaza tokana ao amin’ny Isaia 65:17 sy ny 66:22.

Miseho indroa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Ahoana àry ny amin’izy ireo?

Nampiasa ilay teny grika amin’ny endriny milaza maro ny apostoly Petera, ao amin’ny 2 Petera 3:13. Talohan’io (andininy faha-7, 10, 12), dia niresaka ny amin’ny “lanitra” ratsy ankehitriny izy, ary amin’ny endriny milaza maro ilay teny nampiasany. Koa tsy nihataka tamin’izany àry izy fa mbola nampiasa ilay endriny milaza maro koa eo amin’ny andininy faha-13. Araka ny efa voalaza, dia mampiasa ilay teny hebreo amin’ny endriny milaza maro ny Isaia 65:17. Toa naka teny avy tamin’ny soratra tany am-boalohany ho an’io andininy io i Petera, toy ny nataony ao amin’ny 2 Petera 2:22, izay nakany teny avy ao amin’ny soratra hebreo ho an’ny Ohabolana 26:11. Izany no antony nilazan’i Petera hoe: “Araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao [amin’ny endriny milaza maro] sy tany vaovao” isika.

Somary hafa noho izany anefa ny ao amin’ny Apokalypsy 21:1, satria mazava fa ilay dikan-tenin’ny Fitopolo ho an’ny Isaia 65:17 no nampiasain’ny apostoly Jaona. Araka ny efa nomarihina anefa, dia amin’ny endriny milaza tokana ilay teny grika ampiasain’izy io ho an’ny hoe “lanitra”. Noho izany, dia izao no nosoratan’i Jaona: “Nahita lanitra vaovao [amin’ny endriny milaza tokana] sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany”.

Tsipiriany momba ny fitsipi-pitenenana, izay mifandray amin’ny fandikan-teny, no mahatonga ireo fahasamihafana ireo. Averina ihany fa toa tsy misy maha samy hafa azy ny hevitr’izy ireo, na amin’ny endriny milaza maro ilay izy, na milaza tokana. Iray ihany ny hevitra fonosiny.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Stars: Frank Zullo