Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana ny Tanora Amin’ny Toromarika Ara-potoana

Fanampiana ny Tanora Amin’ny Toromarika Ara-potoana

Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy

Fanampiana ny Tanora Amin’ny Toromarika Ara-potoana

NANKANY Roma i Epafra, Kristianina iray tamin’ny taonjato voalohany. Ara-dalàna anefa raha nieritreritra foana an’i Kolosia, tanàna iray tany Azia Minora, izy. Nitory ny vaovao tsara tany izy ary tsy isalasalana fa nanampy Kolosianina sasany ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy. (Kolosiana 1:7) Nanahy mafy ny amin’ireo mpiray finoana taminy tany Kolosia i Epafra, araka ity taratasy, avy tany Roma, nosoratan’ny apostoly Paoly ho azy ireo ity: “Manao veloma anareo Epafra, ... mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra.”​—Kolosiana 4:12.

Mivavaka mafy toy izany koa ny ray aman-dreny kristianina ankehitriny mba ho salama ara-panahy ireo zanany. Miezaka mafy mandentika ny fitiavana an’Andriamanitra ao am-pon’ireo zanany tanora ireny ray aman-dreny ireny, mba hahatonga azy ireo hiorina tsara amin’ny finoana.

Maro ny tanora kristianina nangataka fanampiana mba hiatrehana ireo olona hitany any an-tsekoly sy any an-toeran-kafa. Hoy ny tovovavy iray 15 taona: “Mitombo ny olana hitanay. Tena mampahatahotra ny fiainana. Mila fanampiana izahay!” Nahazo valiny ve ny fangatahan’ny tanora toy izany sy ny vavak’ireo ray aman-dreny tia an’Andriamanitra? Eny! Nisy toromarika miorina amin’ny Baiboly nomena tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45) Ho hitantsika ato ny sasany amin’ireo boky nanampy tanora ana hetsiny maro ‘hiorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy’. Andao hodinihintsika ny sasantsasany amin’ireny boky ireny.

‘Jereo ... Vavolombelona vaovao 15 000!’

Tamin’ny Aogositra 1941, dia nivory tao Saint Louis, Missouri, Etazonia, ireo 115 000 tonga hanatrika ilay fivoriamben’ny distrika lehibe indrindra nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. “Andron’ny Ankizy” ny andro farany tamin’io fivoriambe io. Tamin’izay dia nisy ankizy 15 000 teo ho eo nipetraka teo akaikin’ny lampihazo, nihaino tsara an’i Joseph F. Rutherford niresaka an’ilay foto-kevitra hoe “Zanaky ny Mpanjaka”. Rehefa hifarana ny lahateniny, dia hoy i Rutherford, izay 71 taona, tamin’ny feo toy ny an’ny ray:

‘Mba mitsangàna kely hoe ianareo ankizy rehetra izay nanaiky hankatò an’Andriamanitra sy ny Mpanjakany.’ Niara-nitsangana avokoa ireo ankizy. “Jereo”, hoy ny Rahalahy Rutherford, “Vavolombelona vaovaon’ilay Fanjakana maherin’ny 15 000!” Nirefodrefotra ny tehaka. Hoy koa ilay mpandahateny hoe: “Ianareo rehetra izay hanao izay azonareo atao mba hilazana amin’ny hafa ny Fanjakan’Andriamanitra ..., dia iangaviana hanao hoe Eny”. Namaly mafy hoe “Eny!” ireo ankizy. Nasehony avy eo ilay boky vaovao hoe Ankizy (anglisy), izay narahina tehaka naharitra.

Taorian’io lahateny nampihetsi-po io, dia nisy laharan’ankizy lava be niakatra teo amin’ny lampihazo, izay nanomezan’ny Rahalahy Rutherford azy ireo ilay boky vaovao. Latsa-dranomaso ny mpanatrika nahita izany. Hoy ny olona iray nanatri-maso: “Efa fo vato matoa tsy nihontsina tamin’ny fahitana ireo tanora izay [nampiseho] fa natoky sy nino tanteraka an’i Jehovah Andriamaniny.”

Tanora 1 300 no natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenan’izy ireo ho an’i Jehovah, tamin’io fivoriambe tsy hay hadinoina io. Maro tamin’izy ireo no niorina tsara tamin’ny finoana hatramin’izao. Manohana ny kongregasiona eo an-toerana izy ireo, na miasa any amin’ny Betela, na misionera any an-tany hafa. Tena namela soritra naharitra tao am-pon’ny tanora maro tokoa ny “Andron’ny Ankizy” sy ilay boky hoe Ankizy!

“Toy ny hoe tonga amin’ny fotoana ilana azy mihitsy izy ireo”

Nandritra ireo taona 1970, ny Vavolombelon’i Jehovah dia namoaka boky telo fanampiny izay nanohina ny fon’ny tanora ana hetsiny maro. Ireto avy izany: Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe sy Ny Fahatanoranao​Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany ary Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nanomboka nivoaka tao anatin’ny gazety Mifohaza! (frantsay) ireo lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe...”, tamin’ny 1982. Nanohina ny fon’ny tanora sy antitra ireny lahatsoratra ireny. “Misaotra an’Andriamanitra aho isan’alina noho ny namoahany azy ireny”, hoy ny tanora iray 14 taona. “Tiako ireo lahatsoratra ireo”, hoy ny nomarihin’ny tanora iray 13 taona, “toy ny hoe tonga amin’ny fotoana ilana azy mihitsy izy ireo.” Samy manaiky ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy kristianina fa ara-potoana sy mahasoa ireny lahatsoratra ireny.

Hatramin’ny 1989, dia efa nisy 200 teo ho eo ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...” nivoaka tao amin’ny Mifohaza! (frantsay). Navoaka tamin’ny 1993 ilay boky hoe Manontany ny Tanora​Valiny Mandaitra. Nanampy ny tanora hiorina hatrany amin’ny finoana ve izy io? Nisy tanora telo nanoratra hoe: “Manampy be anay io boky io hahatakatra ny olana hitanay sy hahafantatra ny fomba iatrehana azy ireny. Misaotra anareo miahy izay hahasoa anay.” Mpamaky tanora maro be maneran-tany no mitovy hevitra amin’izany.

“Nahafa-po ny fanirianay izy io”

Namoaka toromarika ara-potoana hafa ho an’ny tanora ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1999, dia ilay vidéo hoe Manontany ny Tanora​Ahoana no Hahazoako Tena Namana? (anglisy) Noraisina tamin-kafanam-po izy io. “Nanohina ny foko io vidéo io”, hoy ny tanora iray 14 taona. “Ho anisan’ny sakafonay ara-panahy tsy tapaka izy io”, hoy ny reny mitaiza irery ny zanany. “Mankahery ny mahafantatra fa tena tia sy miahy ireo tanora ao anatin’ny fandaminany maneran-tany i Jehovah, ilay namantsika akaiky indrindra”, hoy ny tovovavy iray.

Nanao ahoana ny vokatr’io vidéo io? Hoy ireo tanora: “Izy io dia nanampy ahy hitandrina raha ny amin’ny olona ifaneraserako sy hihamalalaka eo anivon’ny kongregasiona ary hanao an’i Jehovah ho namana.” “Nanampy ahy hanohitra ny faneren’ireo mitovy taona amiko izy io.” “Nanampy ahy ho tena tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah araka izay farany azoko atao izy io.” Ary izao no nosoratan’ny mpivady iray: “Misaotra be dia be noho ny nanomezanareo anay iny ‘sakafo’ iny. Nahafa-po ny fanirianay izy iny.”

Araka ny asa nanirahan’Andriamanitra, dia omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” voahosotra sakafo ara-panahy ara-potoana izay rehetra manaiky izany. Ary mahafaly erỳ ny mahita fa manampy ireo tanora ‘hiorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’ ny toromarika ara-tsoratra masina toy izany!