Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tena Afaka Mampiray ny Olona?

Inona no Tena Afaka Mampiray ny Olona?

Inona no Tena Afaka Mampiray ny Olona?

NA INONA na inona finoanao, dia ekenao angamba fa saiky ahitana olona tia ny fahamarinana avokoa ny fivavahana rehetra. Ahitana olona tena tia sy vonon-kitady izay marina any amin’ireo Hindoa sy Katolika mbamin’ny Jiosy sy ny hafa koa. Toa mampisara-bazana ny olombelona anefa ny fivavahana. Misy mihitsy aza mampiasa ny fivavahana ho amin-java-kendrena ratsy. Mety mba ho tafaray ve indray andro any ny olona tso-po tia ny tsara sy ny marina, izay avy amin’ny fivavahana rehetra? Azo atambatra ho amin’ny tanjona iray ihany ve izy ireo?

Tena mampanahy mihitsy ny mahita fa vao mainka mampisaratsaraka ny fivavahana! Diniho ange ireto fifandonana sasany ireto e! Miady ny Hindoa sy ny Bodista any Sri Lanka. Nandatsa-dra tamin’ny fifandonana maro samihafa ny Protestanta sy ny Katolika ary ny Jiosy. Miady ny “Kristianina” sy ny Miozolimanina any Bosnia, Indonezia sy Kosovo ary Tchétchénie. Nizerianina 300 no maty tamin’ny korontana ara-pivavahana naharitra roa andro, tamin’ny Martsa 2000. Nampisy habibiana tamin’ireny fifandonana ireny tokoa ny fifankahalan’ny fivavahana.

Very hevitra matetika ny olona tso-po mahita ny ratsy atao amin’ny anaran’ny fivavahana. Tafintohina, ohatra, ny mpiangona maro fa leferin’ny fiangonana sasany ny mpitondra fivavahana nametaveta ankizy. Mahasanganehana ny mpino hafa ny fisaraham-bazana, ao amin’ireo sekta lazaina fa kristianina, raha mahakasika ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy sy ny fanalana zaza. Mazava fa tsy nampiray ny olombelona ny fivavahana. Misy anefa ny tena tia ny fahamarinana any amin’ny fivavahana maro, araka ny asehon’ireto fitantarana ireto.

Nangetaheta ny fahamarinana izy ireo

I Fidelia dia mpivavaka tso-po sy be fandavan-tena tao amin’ny Eglizy Katolikan’i San Francisco, any La Paz, Bolivia. Niankohoka teo anoloan’ny sarin’i Maria izy ary nametraka ireo labozia tsara indrindra voavidin’ny volany, teo anoloan’ny lakroa. Nanome sakafo be dia be ho an’ny mompera izy isan-kerinandro, mba hozaraina ho an’ny mahantra. Nisy anefa zanak’i Fidelia dimy, maty vao menavava, talohan’ny nanaovana batemy azy. Rehefa nolazain’ilay mompera taminy fa mijaly any amin’ny haizin’ny Limby izy rehetra, dia nanontany tena i Fidelia hoe: ‘Ahoana no hampety an’izany raha fitiavana Andriamanitra?’

Dokotera i Tara ary nobeazina tao amin’ny fivavahana hindoa tany Katmandou, Népal. Araka ny fomban-drazany hatramin’ny taonjato maro, dia nivavaka tamin’ireo andriamaniny tao amin’ny tempoly hindoa izy sady nanana sampy tany an-tranony. Nahavery hevitra an’i Tara anefa ireto fanontaniana ireto: Nahoana no be dia be toy izao ny fijaliana? Nahoana no maty ny olona? Zara raha nahita valiny nahafa-po izy tao amin’ny fivavahany.

Nihalehibe teo anivon’ny fianakaviana bodista kosa indray i Panya, tao amin’ny trano iray amoron’ny lakan-drano any Bangkok, Tailandy. Nampianarina izy fa vokatry ny natao teo amin’ny fiainana teo aloha ny fijaliana, ary tsy afaka amin’izy io ny tena raha tsy manafa-tena amin’ny faniriana rehetra. Toy ny Bodista tso-po rehetra, dia nampianarina izy hanaja fatratra ny fahendren’ireo moanina miakanjo mavomavo, izay tonga nitety trano nangataka vao mangiran-dratsy. Nanao ilay fisaintsainan’ny Bodista izy ary nanangona sarin’i Bouddha satria noheveriny fa miaro izy ireny. Niharan-doza anefa i Panya ka nalemy ny tapany ambany. Nitsidika ireo monasitera bodista àry izy satria nanantena tamim-pahatsorana fanasitranana mahagaga. Sady tsy sitrana anefa izy no tsy nahita fahazavana ara-panahy. Nanomboka nifandray tamin’ny fanahy ratsy kosa izy, na dia tsy tafiditra lalina tamin’izany aza.

Teraka tany Etazonia i Virgil ary niditra ho anisan’ny Silamo Mainty Hoditra tany amin’ny oniversite. Nazoto nizara ny bokin’izy ireo izy, boky nilaza fa ny fotsy hoditra no Devoly. Izany, hono, no nahatonga ireo fotsy hoditra hanao habibiana maro izaitsizy tamin’ny mainty hoditra. Na dia nino izany tamim-pahatsorana aza i Virgil, dia nanitikitika azy ireto fanontaniana ireto: Ahoana no hoe ratsy daholo ireo fotsy hoditra? Nahoana no mihodinkodina amin’ny resa-bola ny ankamaroan’ny toriteny?

Protestanta tso-po i Charo, na dia tany Amerika Atsimo, izay tany be Katolika aza izy no nihalehibe. Faly izy fa tsy anisan’ny mpanompo sampy nanodidina azy. Tian’i Charo ny nandeha niangona isan’alahady, satria tena nampientanentana ilay fotoam-pivavahana. Niantsoantso hoe “Haleloia!” izy tany ary niara-nihira sy nandihy avy eo. Nino tamim-pahatsorana i Charo fa efa voavonjy izy ary efa nateraka indray. Nandoa ny ampahafolon’ny karamany ho an’ny fiangonana izy. Nandefa vola ho an’ilay mpitory teny tao amin’ny televiziona tiany indrindra, i Charo, rehefa nangataka vola ho an’ny ankizy tatsy Afrika izy io. Takany anefa fa tsy nanan-kavaly ny pastorany, rehefa nanontaniany hoe nahoana ny Andriamanitra fitiavana iray no mampijaly ny fanahy any amin’ny afobe. Hitany koa tatỳ aoriana, fa tsy nampiasaina mba hanampiana ny ankizy tatsy Afrika akory ny fanomezana nataony.

Na dia samy hafa fiaviana aza ireo olona dimy ireo, dia nanan-javatra niombonana. Tia ny fahamarinana izy ireo ary nitady tamim-pahatsorana valiny marina tamin’ireo fanontaniany. Afaka ny tena ho tafaray ao amin’ny fivavahana marina anefa ve izy ireo? Hamaly izany fanontaniana izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 4]

Mety ho tafaray ve ny olona samy hafa firazanana?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

G.P.O., Jerosalema