Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampiray ny Olona ny Fivavahana Marina

Mampiray ny Olona ny Fivavahana Marina

Mampiray ny Olona ny Fivavahana Marina

MANAN-KERY hampiray ny olona ny fivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina, na dia mampisara-bazana ny olombelona aza mazàna ny fivavahana amin’ny ankapobeny. Fony ny Isiraely mbola vahoaka voafidin’Andriamanitra, dia maro ny Jentilisa tso-po voasinton’ny fivavahana marina. I Rota, ohatra, dia nahafoy ireo andriamanitr’i Moaba, tany niaviany, ka nilaza tamin’i Naomy hoe: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16) Maro be ny Jentilisa tonga mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. (Asan’ny Apostoly 13:48; 17:4) Tatỳ aoriana, rehefa nanomboka nitondra ny vaovao tsara tany an-tany lavitra ny apostolin’i Jesosy, dia nisy olona tso-po hafa tafaray tao amin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitra marina. ‘Niala tamin’ny sampy ianareo hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina’, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (1 Tesaloniana 1:9) Manan-kery hampiray toy izany ve ny fivavahana amin’ilay Andriamanitra marina ankehitriny?

Misy mpisalasala manizingizina fa tsy mety ny ilazana hoe “mpivavaka marina” na “ilay Andriamanitra marina.” Noho izy ireo tsy mahalala hoe aiza no azo ianarana ny fahamarinana angamba no mahatonga azy ireo hihevitra toy izany. Misy anefa olona samihafa fiaviana mikaroka ny fahamarinana ka mahatakatra fa tsy izay tian’ny tena no tokony hatao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny zava-drehetra no ilay hany mendrika ny hivavahantsika. (Apokalypsy 4:11) Izy no Andriamanitra marina ary zony ny manapaka ny fomba hivavahana aminy.

Manampy antsika hamantatra ny zavatra takiny, i Jehovah. Mampita fahalalana amintsika izy amin’ny alalan’ny Teniny, dia ny Baiboly. Saika afaka mampiasa ny Baiboly manontolo na ny tapany aminy avokoa ny olon-drehetra eto an-tany. Hoy koa ny Zanak’Andriamanitra: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, ... ho fantatrareo ny marina.” (Jaona 8:31, 32) Koa azo fantarina àry ny fahamarinana. Olona tso-po an-tapitrisany maro avy amin’ny fivavahana maro samy hafa no manaiky amin-kerim-po ny fahamarinana ka tafaray ao amin’ny fivavahana marina.​—Matio 28:19, 20; Apokalypsy 7:9, 10.

Firaisan-tsaina maneran-tany amin’ny androntsika!

Miresaka ny amin’ny fanangonana ny olona samy hafa fiaviana, ny faminaniana miavaka iray ao amin’ny bokin’i Zefania ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Amin’izany dia hovako [Jehovah Andriamanitra] ho madio ny molotry ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.” (Zefania 3:9) Mety tsara erỳ izany teny izany ilazana ireo olona niova ka manompo an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina!

Oviana no nitranga izany? Hoy ny Zefania 3:8: “Miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.” Eny, mandritra ny fotoana hamorian’i Jehovah ireo firenena, nefa alohan’ny hanidinany ny firehetan’ny fahatezerany aminy, no anomezany ny fiteny madio ho an’ny manetry tena eto an-tany. Izao izany fotoana izany, satria efa mandeha ny fanangonana ny firenena rehetra ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha ao Haramagedona.​—Apokalypsy 16:14, 16.

Omen’i Jehovah ny fiteny madio ny vahoakany, mba hampiraisana azy ireo. Anisan’io fiteny vaovao io ny fahatakarana tsara ny fahamarinana ara-baiboly momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Anisan’ny firesahana ilay fiteny madio ny finoana ny fahamarinana, ny fampianarana azy io ny hafa ary ny fanarahana ny lalàna sy ny toro lalan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana. Midika izany fa tsy maintsy halavirintsika ny politika mampisara-bazana ary tsy maintsy hongotantsika tsy ho ao am-pontsika ny fihetsika tia tena, toy ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanindrahindram-pirenena mampisara-bazana, izay mampiavaka ity tontolo ity. (Jaona 17:14; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Afaka mianatra io fiteny io ny tso-po rehetra tia ny fahamarinana. Diniho ny fomba nahatafaray ireo olona dimy voaresaka tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Tafaray ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina, izy ireo ankehitriny, na dia voasaratsaraka ara-pivavahana aza teo aloha.

Tafaray ao amin’ny fivavahana marina

Nividy Baiboly i Fidelia, ilay Katolika mpivavaka be, mba hampiasain-janany vavy amin’ny entimodiny. Nasainy nohazavain’ny momperany avy tao amin’ilay Baiboly izay nitranga tamin’ireo zanany dimy efa maty. “Tena tsy nahafa-po ahy mihitsy ny valin-teniny!”, hoy izy. Koa rehefa nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah, dia izay ihany no fanontaniana napetrany tamin’izy ireo. Rehefa novakiny tao amin’ny Baiboliny ny marina momba ny toetran’ny maty, dia takany fa namitaka azy ny fiangonany. Nianarany fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, sady tsy mijaly na any amin’ny Limby na any an-toeran-kafa. (Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5) Narian’i Fidelia ny sary masina rehetra nananany, niala tamin’ny fiangonany izy ary nanomboka nianatra ny Baiboly. (1 Jaona 5:21) Efa hatramin’ny folo taona izao izy, no faly mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina amin’ny hafa.

Nifindra tany amin’ny tany iray tsy nisy afa-tsy tempoly hindoa vitsivitsy i Tara, avy any Katmandou. Nankany amin’ny Fiangonana Metodista àry izy satria nantenainy fa hanome izay ilainy ara-panahy izy io. Tsy voavaly anefa ny fanontaniany momba ny fijalian’ny olombelona. Nitsidika azy avy eo ny Vavolombelon’i Jehovah ary nanolo-kevitra ny hampianatra azy ny Baiboly. Hoy i Tara: “Nanjary takatro fa tsy nety ho tompon’andraikitra tamin’ny fijaliana rehetra eto amin’izao tontolo izao, ny Andriamanitra fitiavana iray ... Nahafinaritra ahy ilay fampanantenana tontolo vaovao iray hilamina sy hirindra.” (Apokalypsy 21:3, 4) Narian’i Tara ireo sary hindoa tany aminy, ary tsy nanaraka ireo fombafomba ara-pivavahan’ny tany niaviany intsony izy. Vavolombelon’i Jehovah izy ary tena faly manampy ny hafa hahazo izay ilainy ara-panahy.

Mpanandro i Panya, ilay Bodista, fony nitsidika azy voalohany tany Bangkok ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa nahaliana azy fatratra àry ny faminanian’ny Baiboly. Nitantara toy izao i Panya: “Toy ny hoe nisokatra ny masoko rehefa nianatra aho hoe nahoana no tsy mitovy amin’izay nokasain’ilay Mpamorona tany am-boalohany ny toe-piainana ankehitriny, sy izay nataony mba hikosehana ny fahavoazana naterak’ireo nanda azy sy ny fiandrianany. Nirindra aoka izany ny hafatra rehetra ao amin’ny Baiboly. Nanjary tiako i Jehovah ary nanosika ahy hanao izay fantatro fa tsara izany. Tsy andriko ny hanampy olona hahita fa tsy mitovy ny fahendren’olombelona sy ny an’Andriamanitra. Nanova be ny fiainako ny tena fahendrena.”

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nisalasala be momba ny zavatra ninoany i Virgil. Tsy nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampiany ny mainty hoditra intsony izy, na nivavaka ho an’ilay fikambanana manavakavaka izay toa niteraka fankahalana ny fotsy hoditra. Nivavaka kosa izy mba hahitana ny fahamarinana, na inona izy io na inona ary na aiza na aiza. “Rehefa nifoha aho ny ampitson’iny, taorian’ilay vavaka nafana nataoko tamin’Andriamanitra”, hoy ny tadidin’i Virgil, “dia nahita gazety Tilikambo tao an-trano. ... Tsy maintsy nisy nanatsofoka azy io tao am-baravarana.” Tsy ela izy dia nifofotra nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy koa izy: “Sambany aho mba afa-po teo amin’ny fiainako. ... Nisy tsirim-panantenana tao anatiko.” Tsy ela i Virgil dia tafaray tamin’ireo izay manolotra ny olona ny hany tena fanantenana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly.

Nanaitra an’i Charo, avy any Amerika Latinina ny nataon’ny Vavolombelona iray antsoina hoe Gladys. Nanomboka nanampy azy ka nitondra azy nankany an-tsena i Gladys rehefa nahita ny fahasahiranany tamin’ireo zanany kely. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanaiky ny fanasan’i Gladys hianatra Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano i Charo. Gaga i Charo rehefa nianatra avy tao amin’ny Baiboliny fa tsy mankany an-danitra ny tsara fanahy rehetra, fa hanome ny fiainana mandrakizay ho an’ny olona eto an-tany koa i Jehovah. (Salamo 37:11, 29) Mizara izany fanantenana izany amin’ny hafa i Charo hatramin’ny 15 taona izao.

Alao sary an-tsaina ny tany manontolo onenan’ny olona tso-po tafaray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina! Tsy zavatra foronina akory izany. Izany no nampanantenain’i Jehovah. Hoy Andriamanitra tamin’ny alalan’i Zefania mpaminany: “Hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, ary ny anaran’i Jehovah no hialofany. ... Tsy hanao meloka na handainga, ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany ... ka tsy hisy hanaitaitra azy.” (Zefania 3:12, 13) Raha manintona anao izany fampanantenana izany, dia raiso am-po ny fampirisihan’ny Baiboly hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”​—Zefania 2:3.