Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaporofo ny Firahalahiantsika ny Fivoriambe

Manaporofo ny Firahalahiantsika ny Fivoriambe

Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy

Manaporofo ny Firahalahiantsika ny Fivoriambe

TSY dia salama loatra i Joseph Rutherford, 50 taona, noho ny fampidirana am-ponja tsy ara-drariny nandritra ny efa ho herintaona. Faly anefa izy nibata ny entan’ireo Kristianina namany ho any amin’ny efitranon’izy ireo. Nizara taratasy fanendrena ny efitra hisy ireo olona maro be nitady filasiana ny rahalahy roa Mpianatra ny Baiboly niara-voafonja taminy. Efa taorian’ny misasakalina vao nilamina izany rehetra izany. Samy somebiseby izy rehetra. Fa nisy inona?

Tamin’ny 1919 izany, ary vao nitsahatra ny fanenjehana tamin-kabibiana ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny). Nanao fivoriambe tany Cedar Point, Ohio, Etazonia izy ireo, nanomboka tamin’ny 1 ka hatramin’ny 8 Septambra 1919, mba hanatanjahana ny firahalahiany. Nientam-po erỳ ny mpanatrika niisa 7 000, tamin’ny andro famaranana ilay fivoriambe, nihaino tamim-pitandremana ny Rahalahy Rutherford nampahery ny tsirairay hoe: “Ambasadaoron’ilay Mpanjakan’ireo mpanjaka sy Tompon’ireo tompo ianareo, ka manambara amin’ireo firenena ... ilay fanjakana be voninahitry ny Tompontsika.”

Efa nisy fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny. (Eksodosy 23:14-17; Lioka 2:41-43) Fotoana nahafaly ireny fivoriana ireny, ary nanampy ny mpanatrika hifantoka tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Mifototra amin’ny zavatra ara-panahy toy izany koa ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Manome porofo mazava amin’ireo olona tso-po ny fivoriambe toy ireny, fa mampiray ny Vavolombelona ny firahalahiana kristianina.

Ezaka natao

Tsapan’ny Kristianina ankehitriny fa mamelombelona sy ianarana zavatra ara-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fivoriambe. Heverin’izy ireo ho tena ilaina mba ‘hitoeran’izy ireo marina ka hatoky tsara amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra’ ireny fivoriambe ireny. (Kolosiana 4:12) Noho izany dia, manohana ireny fivoriambe ireny amin’ny fony rehetra ny Vavolombelona ary miezaka mafy mba hanatrehana azy ireny.

Mila finoana matanjaka sy fandresena vato misakana lehibe ny sasany mba hahatongavana fotsiny amin’ireny fivoriambe ireny. Hevero, ohatra, ny anabavy zokiolona iray any Aotrisy. Nataony azo antoka fa hanatrika ny andro rehetra amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izy, na dia voan’ny diabeta sy tsy maintsy mitsindrona isan’andro aza. Toa tsy ho afaka hamonjy fivoriambe ny fianakaviana iray maro anaka sady tena mahantra, any Inde. Nitondra fanampiana ny iray tamin’izy ireo. “Namidiko ny kavina volamenako mba hisahanana ny lany tamin’ilay dia”, hoy izy, “mba tsy ho diso anjara amin’io fotoana io [izahay]. Mendrika natao ilay sorona satria nanatanjaka ny finoanay ilay fifaneraserana sy ny zavatra hitanay tany.”

Nisy olona liana vitsivitsy, mbola tsy vita batisa, tany Papouasie-Nouvelle-Guinée, tapa-kevitra ny hamonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany an-tanàn-dehibe. Nanontany lehilahy iray tao an-tanàna nanana fiara fitaterana izy ireo hoe ohatrinona no tokony haloan’izy ireo mba hahatongavana any amin’ny fivoriambe. Koa satria nihoatra noho izay vola efa nangonin’izy ireo izany, dia nanao fifanarahana izy ireo mba hanavao ny lakozian’ilay rangahy. Noho izany dia afaka nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izy ireo ary nandray soa tamin’ny fandaharana rehetra.

Tsy ataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah ta hanatrika fivoriambe ho olana tsy azo anoharana mihitsy ny halaviran-toerana. Nandeha 1 200 kilaometatra am-bisikileta nandritra ny enina andro ny solontena iray avy tany Polonina, mba hanatrehana fivoriambe tany Lille, Frantsa tamin’ny 1978. Nandeha 1 200 kilaometatra, ny vavolombelona roa avy any Mongolia, nandritra ny fahavaratry ny taona 1997, mba hanatrehana fivoriambe tany Irkutsk, Rosia.

Miharihary ny tena firahalahiana

Miharihary amin’ny olona malala-tsaina fa tafaray sy fianakavian’ny mpirahalahy ny Vavolombelona, any amin’ny fivoriamben’izy ireo. Maro no niaiky volana rehefa mahita fa tsy misy fanavakavahana eo amin’ny mpanatrika ary mifandray tsara na dia ireo sambany vao nifankahita aza.

Niaraka tamin’ny mpamonjy fivoriambe vitsivitsy nandritra ny herinandro ny mpitondra mpizaha tany iray, taorian’ny fivoriambe iraisam-pirenena natao tany Aostralia vao haingana. Naniry ny hiaraka tamin’izy ireo nandritra ny fotoana lavalava kokoa izy mba hankafizany ny fiarahana tamin’izy ireo. Niaiky volana ny amin’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina nisy teo amin’izy ireo izy, ary tsy nampino azy ny fahaizan’izy ireo miara-miaina satria izay vao nifankahalala ny ankamaroany. Niresaka tamin’izy ireo izy rehefa handeha. Niantso azy rehetra hoe “rahalahy sy anabavy” izy, ary nanomboka nisaotra azy ireo. Tsy nahatapitra ny teniny anefa izy fa nifokofoko nitomany.

Natao tao amin’ny kianja lehibe iray ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany tamin’ny fiteny telo tany Sri Lanka, tamin’ny 1997. Natao indray miaraka tamin’ny fiteny anglisy sy cinghalais ary tamoul ny fandaharana rehetra. Voamariky ny olona mora foana io fivoriambe natao tamin’ny fiteny telo io, satria manjaka ny adim-poko any. Nisy polisy nanontany rahalahy iray hoe: “Iza no mitarika an’ity fivoriambe ity? Ny cinghalais sa ny tamoul sa ny anglisy?” “Tsy foko iray no mitarika azy”, hoy ilay rahalahy, “fa miaraka manao azy io izahay rehetra.” Tsy nino ilay polisy. Nitehaka nirefodrefotra tampoka ny mpamonjy fivoriambe miteny amin’ireo fiteny telo ireo, taorian’ny “Amena” farany nanakoako nanerana ny kianja. Saika latsa-dranomaso avokoa izy rehetra. Eny, tena manaporofo ny firahalahiantsika tokoa ny fivoriambe.​—Salamo 133:1. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Jereo ilay boky hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah​—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra (frantsay), pejy 66-77, 254-282, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.