Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampanankarena Antsika ny Fitahian’i Jehovah

Mampanankarena Antsika ny Fitahian’i Jehovah

Mampanankarena Antsika ny Fitahian’i Jehovah

“Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.”​—OHABOLANA 10:22.

1, 2. Nahoana ny harena no tsy mahasambatra?

OLONA an-tapitrisany maro no tsy manao afa-tsy ny mikatsaka harena. Mahasambatra azy ireo ve anefa izany? Nilaza ny gazety aostralianina iray hoe: “Mbola tsy nahakivy ny olona toy izao mihitsy ny fiainany.” Hoy koa io gazety io: “Izao anefa no mahagaga: Lazaina fa tena manankarena i Aostralia, ary mbola tsy tsara toy izao ny fiainana ... Aostralianina maro anefa no kely fanantenana. Samy mahatsapa, na ny lehilahy na ny vehivavy, fa misy zavatra tsy ampy eo amin’ny fiainany, nefa tsy hainy hoe inona izany.” Tena marina ny voalazan’ny Soratra Masina fa tsy miankina amin’ny harenantsika ny fahasambarana na ny fiainana!​—Mpitoriteny 5:10; Lioka 12:15.

2 Milaza ny Baiboly fa ny fitahian’Andriamanitra no tena mahasambatra. Izao no voalazan’ny Ohabolana 10:22 momba izany: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” Araka ny teny hebreo nanoratana ny Baiboly, dia izao no tokony ho vakin’io tapany faharoa io: “Ary tsy manampy fanaintainana amin’izany izy [Jehovah].” Matetika no miteraka fanaintainana ny fitsiriritana sy ny fikatsahana harena. Izany no anton’ny nampitandreman’ny apostoly Paoly toy izao: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.”​—1 Timoty 6:9, 10.

3. Nahoana no voasedra ny mpanompon’Andriamanitra?

3 Hahazo fitahiana tsy miampy fanaintainana kosa ireo tsy mitsahatra “mihaino ny feon’i Jehovah.” (Deoteronomia 28:2) Mety hisy anefa hanontany hoe: ‘Raha tsy miampy fanaintainana ny fitahian’i Jehovah, nahoana no mijaly ny mpanompony?’ Asehon’ny Baiboly fa mamela antsika hosedraina Andriamanitra, fa i Satana sy ny tontolo ratsiny ary ny tsy fahalavorariantsika kosa no tena mahatonga ireny fisedrana ireny. (Genesisy 6:5; Deoteronomia 32:4, 5; Jaona 15:19; Jakoba 1:14, 15) Ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” no omen’i Jehovah. (Jakoba 1:17) Tsy miteraka fanaintainana mihitsy àry ny fitahiany. Ndeha àry isika handinika ny sasany amin’ny fanomezana tanteraka nataon’Andriamanitra.

Fanomezana sarobidy ny Tenin’Andriamanitra

4. Inona no fitahiana sady fanomezana sarobidy azon’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao “andro farany” izao?

4 Milaza ny faminanian’i Daniela fa “hitombo ny fahalalana” amin’ny “andro farany.” Mitohy toy izao anefa ilay faminaniana: “Tsy hisy amin’ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.” (Daniela 12:4, 10) Hevero ange izany e! Tena ilaina ny fahendren’Andriamanitra mba hahatakarana ny Teniny, indrindra fa ny faminaniana. Tsy azon’ny ratsy fanahy izy io, noho izany, fa azon’ny mpanompon’i Jehovah kosa! Nivavaka toy izao ny Zanak’Andriamanitra: “Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika.” (Lioka 10:21) Fitahiana tokoa ny manana ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly izay fanomezana sarobidy, sy ny hoe anisan’ireo ampian’i Jehovah mba hahazo ny hevitry ny zavatra ara-panahy!​—1 Korintiana 1:21, 27, 28; 2:14, 15.

5. Inona no atao hoe fahendrena, ary ahoana no hahazoantsika azy io?

5 Tsy ho azontsika mihitsy ny hevitry ny zavatra ara-panahy, raha tsy nahazo ‘fahendrena avy any ambony’ isika. (Jakoba 3:17) Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa ny fahalalana sy ny fahatakaran-javatra mba hamahana olana, na hialana amin’ny loza, na hanatratrarana tanjona, na hanomezana torohevitra tsara. Ahoana no ahazoantsika ny fahendren’Andriamanitra? Hoy ny Ohabolana 2:6: “Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.” Raha tsy mitsahatra mivavaka isika, dia hanome antsika fahendrena tokoa i Jehovah, toy ny efa nanomezany “saina hendry sady mahiratra” an’i Solomona Mpanjaka. (1 Mpanjaka 3:11, 12; Jakoba 1:5-8) Mba hahazoana fahendrena, dia tsy maintsy mihaino an’i Jehovah foana koa isika, amin’ny alalan’ny fianarana sy fampiharana hatrany ny Teniny.

6. Nahoana no fahendrena ny manaraka ny lalàna sy toro lalan’Andriamanitra?

6 Manasongadina tsara ny fahendren’Andriamanitra ny lalàna sy toro lalan’ny Baiboly. Mitondra soa ho antsika amin’ny lafiny ara-batana, sy ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy, izy ireny. Mety tsara raha nihira toy izao ny mpanao salamo: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso. Madio ny fahatahorana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza.”​—Salamo 19:7-10; 119:72.

7. Inona no vokany, rehefa tsy arahina ny fitsipika marin’Andriamanitra?

7 Tsy mahita ilay fahasambarana sy fahafahana tadiaviny anefa ny olona tsy miraharaha ny fitsipika marin’i Jehovah. Ho hitan’izy ireo ihany, na ho ela na ho haingana, fa tsy azo vazivazina Andriamanitra, ary izay afafin’ny olona no hojinjainy. (Galatiana 6:7) Olona an-tapitrisany maro no tsy miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly, ka mijinja vokany mahatsiravina, toy ny zaza tsy nirina, ny aretina maharikoriko, na ny fanandevozan’ny fahazarana manimba. Ho faty noho ny nataony izy ireo na horinganin’i Jehovah, raha tsy mibebaka, ka manova ny fomba fiainany.​—Matio 7:13, 14.

8. Nahoana no sambatra ireo tia ny Tenin’Andriamanitra?

8 Hahazo fitahiana maro dieny izao sy amin’ny hoavy anefa ireo tia ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra azy io. Tsapany fa manafaka azy ny lalàn’Andriamanitra, tena sambatra izy, ary tsy andriny ny fotoana hanafahana azy amin’ny fahotana sy ny vokany mahafaty. (Romana 8:20, 21; Jakoba 1:25) Azo antoka io fanantenana io, satria miorina amin’ilay fanomezan’Andriamanitra maneho fitiavana lehibe indrindra, dia ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany lahitokana. (Matio 20:28; Jaona 3:16; Romana 6:23) Sady manaporofo ny fitiavan’Andriamanitra ny olona io fanomezana tsara indrindra io, no manamafy fa hahazo fitahiana mandrakizay izay rehetra tsy mitsahatra mihaino an’i Jehovah.​—Romana 8:32.

Velom-pankasitrahana noho ny fanahy masina

9, 10. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fanahy masina omen’i Jehovah? Manomeza ohatra.

9 Fanomezana hafa nataon’Andriamanitra tamim-pitiavana ny fanahiny masina, izay tokony hankasitrahantsika. Nampirisika ny olona maro tonga tao Jerosalema toy izao ny apostoly Petera, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.” (Asan’ny Apostoly 2:38) Omen’i Jehovah fanahy masina ny mpanompony ankehitriny, izay mivavaka mba hahazo azy io sy maniry hanao ny sitrapony. (Lioka 11:9-13) Ny fanahy masin’Andriamanitra, na heriny miasa, no hery lehibe indrindra eran’izao rehetra izao. Efa nanatanjaka lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana toy ireo Kristianina voalohany, izy io. (Zakaria 4:6; Asan’ny Apostoly 4:31) Afaka manatanjaka antsika vahoakan’i Jehovah koa izy io, na dia miatrika vato misakana na zava-tsarotra lehibe aza isika.​—Joela 3:1, 2.

10 Diniho ny ohatr’i Laurel: Voan’ny lefakozatra izy, ary tsy maintsy natao tao anaty fitaovana vy iray solona havokavoka, ary nijanona tao nandritra ny 37 taona. * Nazoto nanompo an’Andriamanitra mandra-pahafatiny izy, na dia voasedra mafy aza. Nahazo fitahiana maro tamin’i Jehovah i Laurel, rehefa nandeha ny fotoana. Olona 17, ohatra, no nampiany hahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly, na dia tsy maintsy nijanona tao anatin’ilay havokavoka vy andro aman’alina aza izy! Mampahatsiahy izao tenin’ny apostoly Paoly izao ny zavatra niainany: “Fa ny fahalemeko no fahatanjahako.” (2 Korintiana 12:10) Eny, tsy noho ny fahaizantsika na ny herintsika no ahitantsika vokatra amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, fa noho ny fanampian’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahy masina, izay omeny ny olona tsy mitsahatra mihaino ny feony.​—Isaia 40:29-31.

11. Inona avy ireo “toetra vaovao” asehon’ireo manana ny fanahin’Andriamanitra?

11 Raha mihaino sy mankatò an’Andriamanitra isika, dia hanosika antsika hampiseho fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana sy fahalemem-panahy ary fahononam-po ny fanahiny. (Galatiana 5:22, 23) Ireo “vokatry ny Fanahy” ireo dia anisan’ny “toetra vaovao” tafin’ny Kristianina, ho solon’ny toetram-biby masiaka sy tia tena mety ho nasehony taloha. (Efesiana 4:20-24; Isaia 11:6-9) Ny fitiavana no lehibe indrindra, noho izy ‘fehy’ mampiray tanteraka.​—Kolosiana 3:14.

Fanomezana tokony hankamamina ny fitiavana kristianina

12. Ahoana no nampisehoan’i Tabita sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany ny fitiavany?

12 Fanomezan’i Jehovah tokony hankamamintsika koa ny fitiavana kristianina. Fehezin’ny fitsipika izy io, nefa tena feno firaiketam-po, hany ka mampifandray kokoa ny mpiray finoana noho ny fatoram-pianakaviana aza. (Jaona 15:12, 13; 1 Petera 1:22) Diniho, ohatra, i Tabita, vehivavy kristianina tsara fanahy tamin’ny taonjato voalohany. ‘Nanao asa soa sy fiantrana be’ izy, indrindra fa ho an’ny vehivavy maty vady tao amin’ny fiangonana. (Asan’ny Apostoly 9:36) Mety ho nanan-kavana ireny vehivavy ireny, nefa naniry hanampy sy hampahery azy ireny araka izay vitany i Tabita. (1 Jaona 3:18) Tena ohatra tsara i Tabita! Nanosika an’i Prisila sy Akoila ‘hanolotra ny tendany’ hamonjy an’i Paoly koa ny fitiavan-drahalahy. Ny fitiavana koa no nanosika an’i Epafra sy i Lioka ary i Onesiforosy sy ny hafa mba hanampy an’io apostoly io, fony izy nigadra tany Roma. (Romana 16:3, 4; 2 Timoty 1:16; 4:11; Filemona 23, 24) “Mifankatia” tokoa ny Kristianina maneho toetra toy izany ankehitriny. Sady fanomezana avy amin’Andriamanitra io fitiavana io no famantarana fa tena mpianatr’i Jesosy izy ireo.​—Jaona 13:34, 35.

13. Ahoana no ampisehoantsika fa tena sarobidy amintsika ny firahalahiana kristianina?

13 Ankamaminao ve ilay fitiavana misy ao amin’ny fiangonana kristianina? Velom-pankasitrahana ve ianao noho ilay fianakavian’ny mpirahalahy ara-panahy maneran-tany? Fanomezana mahafaly sy mampanankarena avy amin’Andriamanitra koa ireny. Ahoana no ampisehoantsika fa sarobidy amintsika izy ireny? Amin’ny fanolorana fanompoana masina ho an’Andriamanitra sy ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana kristianina ary ny fanehoana fitiavana sy ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra hafa.​—Filipiana 1:9; Hebreo 10:24, 25.

Lehilahy ho “fanomezana”

14. Inona no takina amin’ny Kristianina maniry ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana?

14 Manana tanjona tsara ny lehilahy kristianina, raha maniry hanompo ny mpiray finoana aminy, ka miezaka ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana. (1 Timoty 3:1, 8) Raha misy rahalahy ta hahazo ireo tombontsoa ireo, dia tsy maintsy ho olona araka ny fanahy sy mahafantatra tsara ny Soratra Masina ary mazoto amin’ny fanompoana eny amin’ny saha izy. (Asan’ny Apostoly 18:24; 1 Timoty 4:15; 2 Timoty 4:5) Tsy maintsy manetry tena sy mihevi-tena araka ny antonony ary manam-paharetana koa izy, satria tsy mitahy ireo miana-kendry sy miavonavona ary fatra-paniry laza Andriamanitra. (Ohabolana 11:2; Hebreo 6:15; 3 Jaona 9, 10) Tokony ho raim-pianakaviana be fitiavana sy mahay mitantana tsara ny ankohonany izy, raha manambady. (1 Timoty 3:4, 5, 12) Hotahin’i Jehovah ny lehilahy toy izany, satria mihevitra ny harena ara-panahy ho sarobidy.​—Matio 6:19-21.

15, 16. Iza ireo lehilahy ho “fanomezana”? Manomeza ohatra.

15 Manjary mankasitraka lalina an’ireny lehilahy ho “fanomezana”, na anti-panahy ireny isika, rehefa hitantsika fa miezaka mafy mitory sy miandry ny ondry ary mampianatra izy ireo. (Efesiana 4:8, 11) Hitan’i Jehovah izay rehetra ataon’ny anti-panahy mahatoky, na dia mety ho tsy naneho fankasitrahana aza ny olona nampian’izy ireo tamim-pitiavana. Tsy hohadinoiny ny fitiavana nasehon’izy ireo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olony izy ireo.​—1 Timoty 5:17; Hebreo 6:10.

16 Raiso ny ohatry ny anti-panahy iray be zotom-po. Nitsidika tovovavy kristianina hodidiana atidoha izy. “Tena tsara fanahy izy ary nanohana sy nikarakara tsara koa”, hoy ny naman’ilay fianakaviana. “Nangataka mba hivavaka tamin’i Jehovah niaraka taminay izy. Nifokofoko nitomany ny rain’ilay tovovavy [tsy Vavolombelon’i Jehovah io lehilahy io], rehefa nivavaka izy, hany ka latsa-dranomaso ny rehetra tao amin’ilay efitranon’ny hopitaly. Feno fitiavana ny vavaka nataon’io anti-panahy io. Be fitiavana i Jehovah naniraka azy tamin’io fotoana io indrindra!” Nilaza toy izao momba ireo anti-panahy nitsidika azy tamin’izy narary ny Vavolombelona hafa iray: “Rehefa nanatona ahy, tao amin’ny efitrano nisy ny marary mafy, izy ireo, dia fantatro fa ho tantiko avokoa izay rehetra hihatra amiko. Nanjary natanjaka sy nilamin-tsaina aho.” Misy afaka mividy izany fiahiana amim-pitiavana izany ve? Tsy misy mihitsy! Fanomezan’Andriamanitra izany, ary omeny amin’ny alalan’ny fiangonana kristianina.​—Isaia 32:1, 2.

Fanomezana ny fanompoana eny amin’ny saha

17, 18. a) Inona no fanompoana nomen’i Jehovah ho an’ny vahoakany rehetra? b) Inona no fanampiana nomen’Andriamanitra mba hanatontosantsika ny fanompoana?

17 Tsy misy voninahitra lehibe kokoa ho an’ny olona noho ny manompo an’i Jehovah, ilay Avo Indrindra. (Isaia 43:10; 2 Korintiana 4:7; 1 Petera 2:9) Natao ho an’izay rehetra tena maniry hanompo an’Andriamanitra anefa ny tombontsoa hitory, izany hoe ho an’ny antitra sy ny tanora, ary ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy. Mampiasa io fanomezana sarobidy io ve ianao? Mety ho tsy sahy handray anjara amin’izy io ny sasany, satria mihevi-tena ho tsy mahay tsara. Tadidio anefa fa omen’i Jehovah fanahy masina ny mpanompony, ary mameno izay tsy haintsika izy io.​—Jeremia 1:6-8; 20:11.

18 Nankinin’i Jehovah tamin’ny mpanompony manetry tena ny fitoriana ilay Fanjakana, fa tsy tamin’ny olona miavonavona na miantehitra amin’ny fahaizany. (1 Korintiana 1:20, 26-29) Fantatry ny olona manetry tena fa voafetra ny fahaizany, ary miankina amin’i Jehovah izy mba hanampy azy eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Ankasitrahany koa ny fanampiana ara-panahy omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky.”​—Lioka 12:42-44; Ohabolana 22:4.

Fanomezana tena tsara ny fahasambaran’ny fianakaviana

19. Inona no tokony hatao, raha tiana ho tsara taiza ny ankizy?

19 Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fahasambaran’ny fianakaviana. (Rota 1:9; Efesiana 3:14, 15) “Lova” sarobidy “avy amin’i Jehovah” koa ny ankizy, ary mahafaly ny ray aman-dreny izay nampianatra azy hanana toetra tian’Andriamanitra. (Salamo 127:3) Ry ray aman-dreny, aza mitsahatra mihaino ny feon’i Jehovah, ka tezao araka ny Teniny ny zanakareo. Azo antoka fa hanohana sy handrotsaka fitahiana maro amin’izay manao izany i Jehovah.​—Ohabolana 3:5, 6; 22:6; Efesiana 6:1-4.

20. Inona no mety hanampy ny ray aman-dreny, raha miala amin’ny fivavahana marina ny zanany?

20 Mety hisy ankizy hiala amin’ny fivavahana marina rehefa lehibe, na dia niezaka mafy aza ny ray aman-dreniny matahotra an’Andriamanitra. (Genesisy 26:34, 35) Mety hankarary ny fon’ny ray aman-dreny izany. (Ohabolana 17:21, 25) Tsy tokony ho kivy tanteraka anefa izy ireo, fa hitadidy kosa ilay fanoharana nataon’i Jesosy momba ilay zanaka adala, satria mety hanampy izany. Na dia nandao ny fianakaviany aza io zazalahy io, ka ratsy fitondran-tena, dia nody tany amin’ny rainy ihany izy tamin’ny farany, ka noraisiny tamim-pifaliana sy tamim-pitiavana. (Lioka 15:11-32) Na inona na inona mety hitranga, dia afaka mino ny ray aman-dreny kristianina mahatoky, fa fantatr’i Jehovah ny zava-mitranga, ary miahy amim-pitiavana sy manohana azy ireo hatrany izy.​—Salamo 145:14.

21. Iza no tokony hohenointsika, ary nahoana?

21 Aoka àry ny tsirairay amintsika hamantatra tsara izay tena zava-dehibe amintsika. Hikatsaka harem-be izay mety hitondra alahelo ho antsika sy ny fianakaviantsika ve isika? Sa kosa mikatsaka ny ‘fanomezan-tsoa sy tanteraka’ avy amin’ny “Rain’ny fanazavana”? (Jakoba 1:17) Tian’i Satana, ilay “rain’ny lainga”, hikely aina mba hahazoana harena ara-nofo isika, ka tsy hahazo fahasambarana sy fiainana. (Jaona 8:44; Lioka 12:15) Izay hahasoa antsika kosa no tadiavin’i Jehovah. (Isaia 48:17, 18) Aoka àry isika tsy hitsahatra hihaino ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, ka ‘hiravoravo aminy’ mandrakariva. (Salamo 37:4) Raha manohy manao izany isika, dia hampanankarena antsika ny fanomezana sarobidy sy ny fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah, ary tsy hiampy fanaintainana mihitsy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Janoary 1993, pejy faha-18-21.

Tadidinao Ve?

• Inona no tena mahasambatra?

• Inona avy no anisan’ny fanomezana ataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany?

• Nahoana no azo lazaina fa fanomezana ny fanompoana eny amin’ny saha?

• Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny raha ta hahazo ny fitahian’Andriamanitra izy, rehefa mitaiza ny zanany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Mampiseho ve ianao fa mankasitraka ny fanomezan’Andriamanitra ny Teniny?

[Sary, pejy 17]

Nazoto nanompo an’Andriamanitra i Laurel Nisbet na dia voasedra mafy aza

[Sary, pejy 18]

Toa an’i Tabita, dia ny fitiavana no ahafantarana ny Kristianina ankehitriny

[Sary, pejy 19]

Miahy amim-pitiavana an’ireo mpiray finoana ny anti-panahy