Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandehana ‘Amin’ny Fahitsiana’

Mandehana ‘Amin’ny Fahitsiana’

Mandehana ‘Amin’ny Fahitsiana’

‘HAHITA soa ny marina’, hoy i Isaia mpaminany, fa “ny vokatry ny asany no hohaniny.” Nilaza koa i Solomona hoe: “Izay olona marina mandeha amin’ny fahitsiany.” (Isaia 3:10; Ohabolana 20:7) Mazava àry, fa tsy maintsy manao izay lazain’Andriamanitra fa mahitsy isika, raha tiantsika hitondra vokatra tsara ny ataontsika.

Ahoana anefa no handehanantsika amin’ny fahitsiana? Inona no fitahiana antenaintsika raha manao izany isika? Inona no soa horaisin’ny hafa, rehefa manaraka ny lalàna marin’Andriamanitra isika? Mamaly izany i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely fahiny, ao amin’ny Ohabolana toko faha-10 a. Asehony fa samy hafa ny marina sy ny ratsy fanahy, ka in-13 izy no mampiasa ny teny hoe “ny marina.” Ny sivy aminy dia hita manomboka eo amin’ny andininy faha-15 ka hatramin’ny andininy faha-32. Hampahery àry ny fandinihana ny Ohabolana 10:15-32. *

Minoa anatra

Nilaza i Solomona fa ilaina ny manao ny marina. Hoy izy: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy; fa ny tsi-fananan’ny ory no fandringanana azy. Ho fiainana ny asan’ny marina; fa ho ota ny fitomboan’ny haren’ny ratsy fanahy.”​Ohabolana 10:15, 16.

Miaro tsara ny mponina ao aminy, ohatra, ny tanàna mimanda iray. Toy izany koa fa mety hiaro amin’ny fanahiana sasany eo amin’ny fiainana ny harena. Hiteraka fahavoazana kosa ny fahantrana, raha misy zava-mitranga tsy ampoizina. (Mpitoriteny 7:12) Kanefa te hilaza koa angamba ilay mpanjaka hendry fa samy mampidi-doza na ny fananana harena na ny fahantrana. Ny mpanefohefo mety hirona hatoky tanteraka ny hareny, satria mihevitra azy io ho toy ny “manda avo.” (Ohabolana 18:11) Ny mahantra indray kosa mety hanana ilay hevi-diso hoe tsy misy antenaina intsony izy satria mahantra. Samy tsy mahazo laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra àry ireo karazan’olona roa ireo.

Etsy an-danin’izany kosa, dia ahazoan’ny marina ny fiainana ny fanaovany izay mahitsy, na manam-be izy na tsia. Amin’ny fomba ahoana? Mianina amin’izay ananany izy. Tsy avelany hanimba ny laza tsarany eo anatrehan’Andriamanitra ny toe-bolany. Na manankarena izy na mahantra, dia mitondra fahasambarana ho azy dieny izao ny fomba fiainany, ary fanantenana fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. (Joba 42:10-13) Tsy misy soa azon’ny ratsy fanahy, na dia manjary manankarena aza izy. Tsy mankasitraka ny fiarovana azony avy amin’ny harena izy, sady tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra fa mampiasa ny harenany kosa hanotana sy hampirisihana ny hafa hanota.

“Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny làlan’ny fiainana”, hoy i Solomona nanohy ny teniny, “fa mivily izay mandà anatra.” (Ohabolana 10:17) Milaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, fa mety hisy heviny roa io andininy io. Mety hidika izy io hoe eo amin’ny lalan’ny fiainana ny olona iray manaiky fananarana sy manao ny marina. Tsy eo amin’izany lalana izany kosa izay mandà anatra. Mety hidika koa io andininy io hoe “izay mitandrina fananarana dia mampiseho ny lalan’ny fiainana [amin’ny hafa, satria mahasoa azy ireo ny ohatra tsara omeny], fa izay tsy miraharaha fanitsiana kosa dia mitarika ny hafa ho any amin’ny lalan-diso.” (Ohabolana 10:17; Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena) Na ahoana na ahoana, dia tena mila mino sy manaiky anatra isika!

Soloy fitiavana ny fankahalana

Nilaza ohabolana iray misy tapany roa i Solomona avy eo, ka ny faharoa manamafy ny voalohany. Hoy izy: “Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga.” Lazaina fa “manana molotra mandainga”, izany hoe mamitaka, ny olona iray raha toa ka mankahala ao am-pony, nefa mody manao teny mahafinaritra sy mandoka mba hanafenana izany. Hoy koa ilay mpanjaka hendry: “Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.” (Ohabolana 10:18) Tsy manafina ny fankahalany kosa ny sasany fa manendrikendrika, na manaratsy izay olona ankahalainy. Hadalana izany, satria tsy mampiova ny maha izy ilay olona akory ilay fanendrikendrehana. Ary ho hitan’ny olona misaina fa haratsiam-panahy fotsiny izany, ka tsy hohajainy firy intsony ilay mpanendrikendrika. Voan’ny ataony ihany izany ilay mpanaratsy.

Tsy mamitaka isika sady tsy manendrikendrika, raha manao ny marina. Nilaza tamin’ny Isiraelita Andriamanitra hoe: “Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao.” (Levitikosy 19:17) Ary nanoro hevitra ny mpihaino azy toy izao i Jesosy: “Tiava [na dia] ny fahavalonareo [aza], ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo,​—mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.” (Matio 5:44, 45) Aleo mihitsy fenoina fitiavana ny fontsika fa tsy fankahalana!

Aoka isika ‘hahatana molotra’

Nanantitrantitra ny ilana hifehezana ny lela ilay mpanjaka hendry, rehefa nilaza hoe: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.”​Ohabolana 10:19.

“Maro teny ny adala.” (Mpitoriteny 10:14) Ny vavany “miboiboika fahadalana.” (Ohabolana 15:2) Tsy te hilaza akory izany fa adala avokoa izay be resaka. Mora dia mora anefa ny hahatonga olona iray toy izany hanjary ho mpitatitra fifosana na mpanely tsaho! Matetika ny teny tsy voahevitra no manaratsy laza, manafintohina, mandrava fihavanana, ary mety hankarary mihitsy aza. “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota.” (Ohabolana 10:19) Ankoatra izany, dia manorisory ny miaraka amin’ny olona iray mahita hotenenina foana. Aoka àry isika tsy ho be resaka.

Tsy hoe miezaka tsy handainga fotsiny ny olona iray mahatana ny molony, fa hendry koa izy, izany hoe mitandrina izay ataony. Misaina izy aloha vao miteny. Tiany ny lalàn’i Jehovah, sady tena iriny ny hanampy ny mpiara-belona aminy, ka dinihiny tsara ny fiantraikan’ny teniny eo amin’ny hafa. Feno fitiavana sy hatsaram-panahy ny teniny. Eritreretiny hoe ahoana no hahatonga izay lazaina hahafinaritra sy hahasoa. Toy ny “poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra” ny teniny voakaly sy mihaja foana.​—Ohabolana 25:11.

“Mamelona ny maro”

“Volafotsy voafantina ny lelan’ny marina”, hoy i Solomona nanohy ny teniny, “fa ny fon’ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.” (Ohabolana 10:20) Ny zavatra lazain’ny marina dia madio toy ny volafotsy ambony karazana, tsy misy tain-drendrika intsony. Toy izany mihitsy ny fahalalana zarain’ny mpanompon’i Jehovah. Hita ao amin’ny tenin’Andriamanitra io fahalalana mamonjy aina io. Sady mampianatra azy ireo i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampianatra Lehibe, no nanome azy ny ‘lelan’ny efa mahay, mba hahaizany manao teny hampahatanjaka izay reraka.’ (Isaia 30:20; 50:4) Eny tokoa, toy ny volafotsy ambony karazana ny lelan’izy ireo, rehefa miresaka momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ho an’ny olona tso-po dia tena sarobidy kokoa noho ny fikasan’ny ratsy fanahy ny tenin’ireo marina ireo. Koa aoka isika ho dodona hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny asany mahatalanjona.

Mitondra soa ho an’ny hafa ny marina. “Ny molotry ny marina mamelona ny maro”, hoy i Solomona nanohy ny teniny, “fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.”​Ohabolana 10:21.

Amin’ny ahoana ny “marina no mamelona ny maro”? Milaza “fiandrasana ondry” ny teny hebreo ampiasaina eto. Tafiditra amin’izany ny hoe mitari-dalana sy manome hanina toy ny nataon’ny mpiandry ondry taloha, rehefa mikarakara ny ondriny izy. (1 Samoela 16:11; Salamo 23:1-3; Tonon-kiran’i Solomona 1:7) Mitari-dalana na mitondra ny olona ho eo amin’ny lalan’ny fahamarinana ny marina, ka toy ny hoe mamelona ny mpihaino ny teniny. Noho izany, dia lasa sambatra sy mahafa-po kokoa ny fiainan’ireo olona ireo, ary mety hahazo fiainana mandrakizay mihitsy aza izy.

Ahoana kosa ny amin’ny adala? Noho izy tsy manana fahalalana na tsy manana fo, araka ny teny hebreo tany am-boalohany dia asehony fa tsy mikasa hanao ny tsara izy, na tsy miraharaha ny vokatr’izay ataony. Manao izay tiany fotsiny ny olona toy izany. Mizaka ny vokatry ny nataony àry izy. Ny marina mamelona ny hafa, fa ny tsy manana fo kosa, na ny tenany aza tsy velony.

Halaviro ny fanaovan-dratsy

Fantatra amin’ny zavatra tiany sy tsy tiany ny toetran’ny olona iray. Hoy i Solomona momba izany: “Toa laolaon’ny adala ny fanaovan-dratsy; fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.”​Ohabolana 10:23.

Misy mihevitra ny fanaovan-dratsy ho lalao na kilalao, ka manao izany ho “fanalana andro” fotsiny. Tsy raharahainy hoe tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra. Ary tsy ta hahalala izy hoe tsy mety ny ataony. (Romana 14:12) Mihamivaona ny fisainany, ka lasa mieritreritra mihitsy aza izy hoe tsy mahita ny ratsy ataony Andriamanitra. Raha ny ataony no jerena dia toy ny milaza izy hoe: “Tsy misy Andriamanitra.” (Salamo 14:1-3; Isaia 29:15, 16) Hadalana re izany!

Fantatry ny olona manan-tsaina kosa fa tsy kilalao ny fanaovan-dratsy. Fantany fa tsy mampifaly an’Andriamanitra izany ary mety hanimba ny fihavanany aminy. Hadalana ny fananana fitondran-tena toy izany, satria sady manala baraka, no mandrava fanambadiana, manimba ny saina sy ny vatana, ary mampihena ny fankasitrahana ny zavatra ara-panahy. Hendry àry isika raha manalavitra fanaovan-dratsy, fa miezaka kosa ho tia fahendrena, toy ny itiavana anabavy malala iray.​—Ohabolana 7:4.

Manorena eo amin’ny fototra tsara

Nilaza i Solomona fa zava-dehibe ny hanorenana ny fiainana eo ambonin’ny fototra tsara, ka hoy izy: “Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; fa ny irin’ny marina no homena azy. Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; fa ny marina voaorina ho mandrakizay.”​Ohabolana 10:24, 25.

Mety hampitahotra ny olona ny ratsy fanahy. Hanody azy ihany anefa ny fampitahorany amin’ny farany. Tsy miorina tsara amin’ny toro lalana marina izy, ka toy ny trano iray ratsy fototra, izay azeran’ny tafio-drivotra. Tsy mahatohitra fanerena izy. Toy ilay lehilahy nampihatra ny tenin’i Jesosy kosa ny marina. “Manan-tsaina izy”, ka “nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy.” Hoy i Jesosy: “Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy.” (Matio 7:24, 25) Mijoro tsara ny olona toy izany, satria mifanaraka tsara amin’ny toro lalan’Andriamanitra ny fisainany sy ny ataony.

Nilaza fampitandremana fohy, nefa manan-danja, ilay mpanjaka hendry, vao nanohy ny resaka momba ny tsy fitovian’ny ratsy fanahy sy ny marina. Hoy izy: “Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy ny setroka amin’ny maso, dia mba toy izany koa ny malaina amin’izay maniraka azy.” (Ohabolana 10:26) Marikivy ao am-bava sady mahadilo ny nify ny asidra amin’ny vinaingitra. Ary mampangirifiry ny maso ny setroka. Toy izany koa, fa ho sorena sy ho matiantoka izay mampiasa olona kamo, na manao azy ho solontena.

‘Fiarovana mafy ny lalan’i Jehovah’

Nanohy toy izao i Solomona Mpanjakan’ny Isiraely: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no mahela velona; fa ny taonan’ny ratsy fanahy hohafohezina. Ny fanantenan’ny marina dia fifaliana; fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy ho foana.”​Ohabolana 10:27, 28.

Ny tahotra an’Andriamanitra no mitari-dalana ny marina, ka miezaka hampifaly an’i Jehovah izy, amin’ny eritreriny sy ny teniny ary ny ataony. Mikarakara azy Andriamanitra, ary manatanteraka ny fanantenany. Tsy miraharaha an’Andriamanitra kosa anefa ny ratsy fanahy. Mety ho tanteraka ny fanantenany indraindray, nefa tsy maharitra izany, satria manafohy ny androny ny herisetra, na ny aretina vokatry ny fomba fiainany. Manjavona ny fanantenany amin’ny andro hahafatesany.​—Ohabolana 11:7.

“Ny làlan’i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’izay tsy misy tsiny”, hoy i Solomona “fa fandringanana kosa ho an’ny mpanao ratsy.” (Ohabolana 10:29) Tsy ny lalan’ny fiainana izay tokony handehanantsika akory ny lalan’i Jehovah resahina eto, fa ny fomba ifampiraharahan’Andriamanitra amin’ny olombelona kosa. “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany”, hoy i Mosesy, “fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (Deoteronomia 32:4) Midika ho fiarovana ho an’ny marina ny lalana marin’Andriamanitra, fa midika ho fandringanana ho an’ny ratsy fanahy kosa.

Fiarovana mafy ho an’ny vahoakany tokoa i Jehovah! “Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ny tany. Eo amin’ny vavan’ny marina no itsimohan’ny fahendrena; fa ny lela fandainga hofongorana. Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; fa ny vavan’ny ratsy fanahy dia feno fitaka.”​Ohabolana 10:30-32.

Mahomby sy mahazo fitahiana ny marina, satria mandeha amin’ny fahitsiana. Eny, “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” (Ohabolana 10:22) Koa enga anie isika hiezaka mafy hatrany hanaraka ny toro lalan’Andriamanitra. Aoka isika hahatana ny molotsika, ka hampiasa ny lelantsika mba hampianarana ny olona ny fahamarinana mamonjy aina, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary hitarika azy ireo ho eo amin’ny lalan’ny fahitsiana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2001 pejy 24-27, raha tianao ny hahazo ny tsipiriany momba ny Ohabolana 10:1-14.

[Sary, pejy 26]

Mety ho toy ny “volafotsy voadio” ny lela