Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hanatona Anareo Izy”

“Hanatona Anareo Izy”

“Hanatona Anareo Izy”

“Tsy mba lavitra antsika rehetra [Andriamanitra].”​—ASAN’NY APOSTOLY 17:27.

1, 2. a) Inona no fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika momba ny Mpamorona, rehefa mandinika ny lanitra feno kintana isika? b) Inona no lazain’ny Baiboly ka mampiseho fa tsy mihevitra ny olombelona ho tsy misy vidiny i Jehovah?

EFA mba nandinika ny lanitra feno kintana ve ianao, indray alina tsy semban-drahona, ka tena talanjona? Tena mahazendana ny kintana maro be sy ny habakabaka midadasika. Toy ny pentina kely fotsiny ny tany raha oharina amin’izao rehetra izao. Midika ve izany fa ambony loatra ny Mpamorona, “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”, ka tsy miraharaha ny olombelona? Lavitra loatra ve izy ka tsy ho fantatr’izy ireo mihitsy?—Salamo 83:18.

2 Manome toky antsika ny Baiboly fa tsy mihevitra ny olombelona ho tsy misy vidiny i Jehovah. Mampirisika antsika hitady azy mihitsy aza izy io, manao hoe: “Tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27; 1 Tantara 28:9) Hanao ny anjarany Andriamanitra, raha miezaka hanatona azy isika. Amin’ny fomba ahoana? “Hanatona anareo Izy”, hoy ny andinin-teny ho an’ny taona 2003, ary tena mampahery izany. (Jakoba 4:8) Hodinihintsika ny sasany amin’ireo fitahiana tondraka omen’i Jehovah an’izay mifandray akaiky aminy.

Fanomezana iray avy amin’i Jehovah

3. Inona no fanomezana nataon’i Jehovah ho an’izay mifandray akaiky aminy?

3 Ny fitahiana voalohany dia fanomezana sarobidy natokan’i Jehovah ho an’ny mpanompony. Tsy hahazo azy io ny olona iray na dia homeny ho takalony aza ny fahefana sy harena ary fahaizana rehetra eto amin’ity tontolo ity. Fanomezana nataon’i Jehovah ho an’izay mifandray akaiky aminy ihany izy io. Inona moa izany? Mamaly ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Raha . . . manandratra ny feonao hahazo saina [ianao], raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena.” (Ohabolana 2:3-6) Hevero ange izany e! Olombelona tsy lavorary nefa afaka mahita ny “fahalalana an’Andriamanitra”! Oharina amin’ny “harena afenina” io fanomezana io, dia ny fahalalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nahoana?

4, 5. Nahoana “ny fahalalana an’Andriamanitra” no oharina amin’ny “harena afenina”? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Tena sarobidy ny fahalalana an’Andriamanitra. Mitondra valisoa lehibe mantsy izy io, dia ny fanantenana fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3) Manatsara ny fiainantsika dieny izao anefa io fahalalana io. Noho isika mianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra, ohatra, dia fantatsika ny valin’ny fanontaniana lehibe, toy ny hoe: Iza no anaran’Andriamanitra? (Salamo 83:18) Manao ahoana marina ny olona rehefa maty? (Mpitoriteny 9:5, 10) Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona? (Isaia 45:18) Nanjary fantatsika koa fa ny fomba fiaina tsara indrindra, dia ny fanarahana ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly. (Isaia 30:20, 21; 48:17, 18) Noho izany, dia manana tari-dalana mahasoa isika mba hiatrehana ny fanahiana eo amin’ny fiainana sy hahitana ny tena fahasambarana sy fahafaham-po. Manjary mahafantatra ny toetra mahatalanjon’i Jehovah mihitsy aza isika sady afaka manatona azy, noho ny fianarantsika ny Teniny. Misy zava-tsarobidy noho ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah miorina amin’ny “fahalalana an’Andriamanitra” ve?

5 Misy antony hafa ilazana fa toy ny “harena afenina” ny fahalalana an’Andriamanitra. Toy ny harena maro, dia tsy fahita firy izy io eto amin’ity tontolo ity. Enina arivo tapitrisa ny mponina eto an-tany. Enina tapitrisa eo ho eo monja anefa no nahita ny “fahalalana an’Andriamanitra”, izany hoe 1 amin’ny 1 000. Harena tsy fahita tokoa ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra iray monja no hanaporofoantsika izany, dia ilay fanontaniana hoe: Manao ahoana ny olombelona rehefa maty? Fantatsika fa mety maty ny fanahy ary tsy mahatsiaro na inona na inona ny maty, araka ny Soratra Masina. (Ezekiela 18:4) Mino anefa ny ankamaroan’ny fivavahana eto amin’ity tontolo ity fa misy zavatra ao anatin’ny olona ao, izay mbola miaina aorian’ny fahafatesana. Anisan’ny fampianarana fototra ao amin’ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana io finoana diso io. Mino izany koa ny fivavahana bodista, hindoista, jainista, jodaista, shintoista, sikhista, silamo, ary taoista. Mba hevero ange e: Olona an’arivo tapitrisa no voafitak’io fampianaran-diso iray monja io!

6, 7. a) Iza irery ihany no afaka mahita “ny fahalalana an’Andriamanitra”? b) Manomeza ohatra mampiseho fa manampy antsika i Jehovah mba hahatakatra hevi-dalina tsy hain’ny “hendry sy ny manan-tsaina” maro.

6 Nahoana no vitsy toy izany ny olona nahita “ny fahalalana an’Andriamanitra”? Satria tsy afaka mahazo tsara ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra isika raha tsy ampiany. Tadidio fa fanomezana io fahalalana io. Izay tena vonona hianatra ny Teniny sy manetry tena ihany no omen’i Jehovah azy io. Tsy “olon-kendry araka ny nofo” angamba izy ireo. (1 Korintiana 1:26) Maro aminy aza no heverin’ity tontolo ity fa ‘tsy mba nampianarina’ na nandia fianarana ambony. (Asan’ny Apostoly 4:13) Tsy mampaninona anefa izany. Omen’i Jehovah “ny fahalalana an’Andriamanitra” mantsy isika ho valisoantsika, noho ny toetra tsara hitany ao am-pontsika.

7 Eritrereto izao ohatra izao: Namoaka boky be dia be manazava ny Baiboly ny manam-pahaizana ao amin’ny Kristianisma Anarana. Mety ho voazava ao amin’izy ireny ny zava-nitranga ara-tantara na ny hevitry ny teny hebreo na grika, ary zavatra hafa koa. Kanefa, tena nahita “ny fahalalana an’Andriamanitra” ve izy ireo, na dia betsaka aza ny zavatra fantany? Mba azony tsara ve ny loha hevitry ny Baiboly, dia ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra, amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra? Fantany ve fa tsy Andriamanitra telo izay iray i Jehovah? Isika kosa anefa mahafantatra tsara ny marina momba izany. Nahoana? Satria nampian’i Jehovah isika mba hahazo ny hevitr’ireo fahamarinana ara-panahy, izay tsy takatry ny sain’ny “hendry sy ny manan-tsaina” maro. (Matio 11:25) Tena mitahy an’izay mifandray akaiky aminy tokoa i Jehovah!

“Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah”

8, 9. a) Ahoana no nilazan’i Davida ny fitahiana hafa iray azon’izay mifandray akaiky amin’i Jehovah? b) Nahoana ny tena Kristianina no mila ny fiarovan’Andriamanitra?

8 Ny fitahiana manaraka omen’i Jehovah an’izay mifandray akaiky aminy dia ny fiarovany. Hoy i Davida mpanao salamo, izay efa nanan-java-nanahirana maro: “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah.” (Salamo 145:18-20) Akaiky an’izay rehetra tia azy tokoa i Jehovah, ka afaka mamaly haingana ny fitarainan’izy ireo.

9 Nahoana isika no mila ny fiarovan’Andriamanitra? Miaina ny voka-dratsin’ny “andro mahory” ny tena Kristianina sady izy ireo no tena lasibatr’i Satana Devoly, ilay Fahavalo lehibe indrindran’i Jehovah. (2 Timoty 3:1) Tapa-kevitra ny ‘handrapaka’ antsika io fahavalo fetsy io. (1 Petera 5:8) Manenjika sy manery ary maka fanahy antsika izy. Mitady izay toe-tsaina na toe-po azony hararaotina koa izy. Ny tanjony dia ny hampihena ny finoantsika sy hamono antsika amin’ny lafiny ara-panahy. (Apokalypsy 12:12, 17) Koa satria fahavalo matanjaka be toy izany no iadiantsika, tsy mampahery ve ny mahafantatra fa “miaro izay rehetra tia Azy Jehovah”?

10. a) Ahoana no iarovan’i Jehovah ny vahoakany? b) Inona no fiarovana ilaina indrindra, ary nahoana?

10 Ahoana àry no iarovan’i Jehovah ny vahoakany? Tsy mampanantena antsika izy hoe tsy hahita zava-manahirana mihitsy isika, eto amin’ity tontolo ity. Tsy voatery hiaro antsika amin’ny fomba mahagaga koa izy. Miaro ny vahoakany amin’ny fitambarany anefa i Jehovah. Tsy hamela ny Devoly handripaka ny mpivavaka marina tsy ho eto an-tany mihitsy izy! (2 Petera 2:9) Ambonin’ny zavatra rehetra, dia miaro antsika amin’ny lafiny ara-panahy i Jehovah. Manome antsika izay ilaintsika izy mba hiaretana fisedrana sy hiarovana ny fifandraisantsika aminy. Io fiarovana ara-panahy io no fiarovana ilaina indrindra. Nahoana? Raha mbola tsy tapaka mantsy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, dia tsy misy na inona na inona afaka hitondra fahavoazana maharitra ho antsika, na dia ny fahafatesana aza.—Matio 10:28.

11. Inona no fandaharana nataon’i Jehovah mba hiarovana ny vahoakany amin’ny lafiny ara-panahy?

11 Nanao fandaharana be dia be i Jehovah mba hiarovana ny ara-panahin’izay mifandray akaiky aminy. Manome antsika fahendrena mba hiatrehana fisedrana samihafa izy amin’ny alalan’ny Teniny, dia ny Baiboly. (Jakoba 1:2-5) Miaro antsika ny fampiharana ny torohevitra mahasoa omen’izy io. Manome “Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy” koa i Jehovah. (Lioka 11:13) Tsy misy hery lehibe noho io fanahy io, ka azo antoka fa afaka manampy antsika izy io mba hiatrika ny fisedrana na ny fakam-panahy rehetra. Manome lehilahy ho “fanomezana” i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy. (Efesiana 4:8) Miezaka ny haneho fangoraham-po lalina toa an’i Jehovah ireo lehilahy mahafeno fepetra ireo, rehefa manampy ny mpiara-manompo aminy.—Jakoba 5:14, 15.

12, 13. a) Ahoana no anomezan’i Jehovah antsika sakafo ara-panahy amin’ny fotoana ilana azy? b) Inona no tsapanao momba ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hahasalama antsika ara-panahy?

12 Miaro antsika koa i Jehovah amin’ny fanomezana sakafo ara-panahy tonga amin’ny fotoana ilana azy. (Matio 24:45) Manome antsika izay ilaintsika amin’ny fotoana ilantsika azy izy, amin’ny alalan’ny boky aman-gazety toy Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Eo koa ny fivoriana sy fivoriambe isan-karazany. Mahatadidy zavatra renao tany am-pivoriana na fivoriambe ve ianao, ka nanohina ny fonao ary nampahery na nampionona anao? Efa namaky lahatsoratra iray tao amin’ireo gazety ireo ve ianao ka nahatsapa fa tena natao ho anao mihitsy ilay izy?

13 Anisan’ny mandaitra indrindra amin’ny fiadian’i Satana ny fahakiviana, ary tsy vita fanefitra amin’izy io isika. Fantany tsara fa tsy hanan-kery sy ho mora voany mihitsy aza isika, rehefa mamoy fo. (Ohabolana 24:10) Mila fanampiana àry isika satria mitady hanararaotra ny fahakiviana i Satana. Tsindraindray dia misy lahatsoratra manampy antsika hiady amin’izany ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nisy anabavy nilaza toy izao momba ny iray tamin’izy ireny: “Efa ho isan’andro aho no mamaky ilay lahatsoratra, ary mbola mahalatsa-dranomaso ahy foana ilay izy. Ataoko eo akaikin’ny fandriako ilay izy mba ho mora raisina rehefa kivy iny aho. Rehefa mamaky lahatsoratra toy ireny aho dia tena mahatsapa ny tanan’i Jehovah mamihina sy miaro ahy.” * Tsy velom-pankasitrahana an’i Jehovah àry ve isika noho izy manome antsika sakafo ara-panahy amin’ny fotoana ilantsika azy? Tadidio fa ny fandaharana ataony mba hahasalama antsika ara-panahy dia porofo fa akaiky antsika izy sady miaro antsika.

Afaka miresaka amin’ilay “Mpihaino vavaka” isika

14, 15. a) Inona no fitahiana manokana omen’i Jehovah an’izay mifandray akaiky aminy? b) Nahoana no fanomezana tsy manan-tsahala ny fahafahana hiresaka malalaka amin’i Jehovah?

14 Voamarikao ve fa manjary sarotra hatonina ny olona rehefa mahazo hery sy fahefana? Ahoana kosa ny amin’i Jehovah Andriamanitra? Lavitra loatra ve izy ka tsy miraharaha izay mba lazain’ny olombelona aminy? Tsy izany velively! Fanomezana hafa avy amin’i Jehovah ny vavaka sady anisan’ny fitahiana omeny an’izay mifandray akaiky aminy. Fanomezana tsy manan-tsahala ny fahafahana hiresaka malalaka amin’ilay “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Nahoana?

15 Indro misy ohatra: Manana andraikitra maro ny direkteran’ny orinasa lehibe iray. Manapa-kevitra izy hoe inona no andraikitra hiantsorohany ary inona no hankininy amin’olon-kafa. Toy izany koa ny Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Afaka misafidy izay raharaha hataony sy izay hankininy amin’ny hafa izy. Eritrereto ny raharaha maro nankinin’i Jehovah tamin’i Jesosy Zanany malala. Nomena “fahefana hitsara” ny Zanaka. (Jaona 5:27) “Nampanekena Azy” ny anjely. (1 Petera 3:22) Nomena ny fanahy masina izay tena mahery koa i Jesosy mba hitarihany ny mpianany etỳ an-tany. (Jaona 15:26; 16:7) Afaka nilaza àry izy hoe: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18) I Jehovah mihitsy anefa no nifidy ny hihaino ny vavaka ataontsika. Izany no mahatonga ny Baiboly handidy antsika hanolotra vavaka amin’i Jehovah irery ihany ary amin’ny anaran’i Jesosy.—Salamo 69:13; Jaona 14:6, 13.

16. Nahoana isika no afaka matoky fa tena mihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah?

16 Tena mihaino ny vavaka ataontsika ve i Jehovah? Raha tsy niraharaha izany izy dia tsy ho nampirisika antsika mihitsy mba ‘haharitra amin’ny fivavahana’, na hametraka ny entantsika sy ny fanahiantsika aminy. (Romana 12:12; Salamo 55:22; 1 Petera 5:7) Natoky tanteraka ny mpanompo tsy nivadika tamin’ny andron’ny Baiboly fa mihaino vavaka i Jehovah. (1 Jaona 5:14) Izany no nahatonga an’i Davida mpanao salamo hilaza hoe: “Hihaino ny feoko [i Jehovah].” (Salamo 55:17) Tena tokony hatoky koa isika fa akaiky antsika i Jehovah sady vonona hihaino izay mampiady saina antsika.

Mamaly soa ny mpanompony i Jehovah

17, 18. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanompoana ataon’ny zavaboariny manan-tsaina sy tsy mivadika? b) Hazavao fa voamarik’i Jehovah ny fanehoantsika famindram-po, araka ny Ohabolana 19:17.

17 Mpanjakan’izao Rehetra Izao i Jehovah. Tsy afaka mampiova izany ny olona, na inona na inona hataony na tsy hataony. Andriamanitra mahay mankasitraka anefa i Jehovah. Sarobidy aminy ary tena ankamaminy ny fanompoana ataon’ny zavaboariny manan-tsaina sy tsy mivadika. (Salamo 147:11) Izany no mahatonga azy hamaly soa ny mpanompony, ary anisan’ny fitahiana omeny an’izay mifandray akaiky aminy izany.—Hebreo 11:6.

18 Asehon’ny Baiboly mazava fa sarobidy amin’i Jehovah izay ataon’ny mpivavaka aminy. Izao, ohatra, no vakintsika: “Izay miantra ny malahelo [na mahantra] dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.” (Ohabolana 19:17) Asehon’ny Lalàn’i Mosesy fa be famindram-po amin’ny mahantra i Jehovah. (Levitikosy 14:21; 19:15) Inona no tsapan’i Jehovah rehefa manao toa azy isika, ka mamindra fo amin’ny mahantra? Rehefa manome ho an’ny mahantra isika, ka tsy mitady valiny, dia raisin’i Jehovah ho toy ny vola nampisamborina azy izany. Mampanantena izy fa handoa izany trosa izany, ka hankasitraka sy hitahy antsika. (Ohabolana 10:22; Matio 6:3, 4; Lioka 14:12-14) Manohina ny fon’i Jehovah tokoa isika rehefa maneho fangoraham-po amin’ny mpiara-manompo amintsika sahirana. Tena velom-pankasitrahana isika mahalala fa voamarik’ilay Raintsika any an-danitra ny fanehoantsika famindram-po!—Matio 5:7.

19. a) Nahoana isika no afaka matoky fa mankasitraka izay ataontsika amin’ny fitoriana sy fanaovana mpianatra i Jehovah? b) Inona no valisoa omen’i Jehovah an’izay manohana ny Fanjakany?

19 Tena ankasitrahan’i Jehovah ny zavatra ataontsika mba hanohanana ny Fanjakany. Rehefa manatona azy isika, dia ara-dalàna raha maniry hampiasa ny fotoanantsika sy herintsika ary fananantsika mba handraisana anjara faran’izay betsaka amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra. (Matio 28:19, 20) Mety hihevitra isika indraindray hoe kely ihany no mba vitantsika. Ny fontsika tsy lavorary aza dia mety hahatonga antsika hisalasala raha mahafaly an’i Jehovah ny ezaka ataontsika. (1 Jaona 3:19, 20) Sarobidy amin’i Jehovah anefa ny fanomezana rehetra ataontsika, rehefa avy amin’ny fo feno fitiavana, na dia kely toy inona aza. (Marka 12:41-44) Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.” (Hebreo 6:10) Tena mahatadidy sy mamaly soa izay ataontsika mba hanohanana ny Fanjakany i Jehovah, na dia ny kely indrindra vitantsika aza. Mahazo fitahiana ara-panahy tondraka isika dieny izao, ary manantena antom-pifaliana maro koa ao amin’ny tontolo vaovao. Hanokatra tsara ny tanany i Jehovah amin’izay, ary hahafa-po ny fanirian’izay mifandray akaiky aminy!—Salamo 145:16; 2 Petera 3:13.

20. Mandritra ny taona 2003, ahoana no hitadidiantsika ny andinin-teny ho an’ny taona, ary inona no ho vokatr’izany?

20 Mandritra ny taom-panompoana 2003, dia aoka isika hanontany tena raha miezaka hatrany tokoa isika mba hanatona an’ilay Raintsika any an-danitra. Raha manatona azy tokoa ianao, dia hanao ny anjarany izy, araka ny nampanantenainy. ‘Tsy mahay mandainga [mantsy] Andriamanitra.’ (Titosy 1:2) Hanatona anao izy raha manatona azy ianao. (Jakoba 4:8) Inona no ho vokatr’izany? Fitahiana tondraka dieny izao, ary fanantenana ny ho akaiky kokoa an’i Jehovah ho mandrakizay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Taratasy voaray momba ilay lahatsoratra hoe “Lehibe Noho ny Fontsika i Jehovah”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2000, pejy 28-31.

Tadidinao Ve?

• Inona no fanomezana nataon’i Jehovah ho an’ireo manatona azy?

• Inona no fandaharana ataon’i Jehovah mba hiarovana ny vahoakany amin’ny lafiny ara-panahy?

• Nahoana ny fahafahana hiresaka malalaka amin’i Jehovah no fanomezana tsy manan-tsahala?

• Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa mankasitraka ny fanompoan’ny zavaboariny manan-tsaina sy tsy mivadika i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nanampy antsika hahazo ny hevitr’ireo fahamarinana ara-panahy i Jehovah

[Sary, pejy 16, 17]

Miaro amin’ny lafiny ara-panahy i Jehovah

[Sary, pejy 18]

Akaiky antsika i Jehovah ary vonona hihaino ny vavaka rehetra ataontsika