Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Mendrika ny Hofantarina i Jehovah

Andriamanitra Mendrika ny Hofantarina i Jehovah

Andriamanitra Mendrika ny Hofantarina i Jehovah

METY ho maty antoka ve ianao, satria misy zava-tsarobidy iray tsy anananao? Tena azo antoka fa izany no izy raha zavatra kely fotsiny no fantatrao momba an’Andriamanitra. Nahoana? Satria mitondra soa lehibe ny fahafantarana ilay Andriamanitra resahina ao amin’ny Baiboly, araka ny hitan’ny olona an-tapitrisa. Ary azo avy hatrany izany soa izany sady maharitra.

I Jehovah Andriamanitra no nampanoratra ny Baiboly, ary tiany hahafantatra azy isika. Hoy ny mpanao salamo: “Aoka ho fantany fa Hianao irery ihany. Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Fantany fa mahasoa antsika izany fahalalana izany. “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa.” Inona àry no soa raisintsika avy amin’ny fahafantarana an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Avo Indrindra?​—Salamo 83:18; Isaia 48:17.

Mahazo tari-dalana, ohatra, isika hiatrehana ny olana isan’andro, sady mahazo fanantenana mafy orina sy fiadanan-tsaina. Rehefa mahafantatra tsara an’i Jehovah koa isika, dia manjary hafa mihitsy ny fiheverantsika ireo fanontaniana tena lehibe sy manahiran-tsaina ny olona eran-tany. Inona izany fanontaniana izany?

Misy zava-kendrena ve ny fiainanao?

Mahavariana ny fandrosoan’ny teknolojia ankehitriny. Mbola manontany tena ihany anefa ny olona hoe: ‘Nahoana aho no eto an-tany? Inona no hoaviko? Inona no zava-kendren’ny fiainana?’ Tsy tena hisy zava-kendrena ny fiainan’ny olona iray, raha tsy mahazo valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo izy. Maro ve ny olona mihevitra fa tsy misy zava-kendrena ny fiainany? Nahatsapa izany matetika na tsindraindray ny antsasak’ireo olona nadinadinina tany Alemaina, tamin’ny taona 1997. Toy izany koa angamba no izy any amin’ny faritra misy anao.

Tsy mahita tanjona mazava hotratrarina ny olona iray, raha tsy misy zava-kendrena ny fiainany. Toy ny banga ny fiainan’ny olona maro, ka mba hamenoana izany dia mifofotra mba hanana asa tsara izy na manangon-karena. Mety mbola hanahiran-tsaina azy ireo anefa izany fahatsapana fahabangana izany. Misy mihitsy aza olona tsy te ho velona intsony, satria tsy misy zava-kendrena ny fiainany. Izany no nitranga tamin’ny tovovavy iray tsara tarehy. Nilaza ny gazety International Herald Tribune fa “mpanefohefo [ny fianakaviany] ka nanana tombontsoa tsy hita isa ry zareo.” Nahatsiaro ho nanirery anefa izy, na dia nanankarem-be aza, ary tsapany ho tsy nisy zava-kendrena ny fiainany. Namono tena tamin’ny fihinanana fanafody mampahatory izy, ka maty. Mety hahafantatra olona nanirery sy maty tamin’izany fomba mampalahelo izany koa ianao.

Efa nahare olona nilaza anefa ve ianao fa manazava ny zava-drehetra momba ny fiainana ny siansa? Hoy ny gazety alemà Die Woche: ‘Tsy manome tari-dalana momba ny fivavahana sy ny fitondran-tena ny siansa, na dia mety ho marina aza. Toa tsy mahafa-po koa ny teorian’ny evolisiona, ary na ny fizika momba ny zava-bitika aza dia tsy mampionona na mampilamin-tsaina.’ Nampahafantatra zavatra betsaka momba ny zavaboary maro samihafa ny siansa, sady nanazava ireo tsingerina voajanahary mamelona azy ireo. Tsy manazava ny antony maha eto an-tany antsika anefa ny siansa, sady tsy manambara ny hoavintsika. Tsy ho fantatsika àry ny zava-kendren’ny fiainana raha ny siansa irery ihany no ianteherantsika. Noho izany, dia “mila tari-dalana ny olona hatraiza hatraiza”, hoy ny gazety alemà Süddeutsche Zeitung.

Misy tsara toerana noho ny Mpamorona ve mba hanome izany tari-dalana izany? Izy no nametraka ny olombelona voalohany teto an-tany, ka tsy maintsy fantany ny antony maha eto azy ireo. Hazavain’ny Baiboly fa namorona ny olombelona i Jehovah mba hamenoany ny tany sy hikarakarany azy. Tokony ho naneho fitiavana ny rariny sy fahendrena ary fitiavana toa an’Andriamanitra izy ireo, tamin’izay rehetra nataony. Rehefa takatsika ny antony namoronan’i Jehovah antsika, dia fantatsika ny antony maha eto an-tany antsika.​—Genesisy 1:26-28.

Inona no azonao atao?

Ahoana raha tsy nahita valiny mahafa-po tamin’ireto fanontaniana ireto ianao taloha: ‘Nahoana aho no eto an-tany? Inona no hoaviko? Inona no zava-kendren’ny fiainana?’ Mampirisika anao ny Baiboly mba hamantatra tsara an’i Jehovah. Hoy mantsy i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” Ampirisihina koa ianao hanana toetra tsara, indrindra fa ny fitiavana, ary hanao ho zava-kendrena ny hiaina eo ambany Fanjakan’ny Mesia. Hisy zava-kendrena ny fiainanao amin’izay, ary hanana fanantenana tena tsara sy mafy orina ianao. Ho voavaly ireo fanontaniana lehibe nanelingelina anao hatramin’izay.​—Jaona 17:3; Mpitoriteny 12:13.

Inona no ho fiantraikan’izany eo aminao? Fantatr’i Hans tsara ny valin’izany. * Nino an’Andriamanitra ihany i Hans taona maro lasa izay, saingy tsy nanan-kery teo amin’ny fiainany ny finoany. Nifoka rongony izy, tia niaraka tamin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena, nanao heloka madinidinika, ary tia môtô. “Tsy nisy zava-kendrena anefa ny fiainako sady tsy tena nahafa-po”, hoy izy. Tapa-kevitra ny hamantatra tsara an’Andriamanitra i Hans, tamin’izy 25 taona teo ho eo, ka namaky ny Baiboly tamim-pitandremana. Nanova ny fiainany izy, rehefa nahafantatra tsara an’i Jehovah sy nahatakatra ny zava-kendren’ny fiainana. Natao batisa izy ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. Efa folo taona izy izao no mpanompo manontolo andro. Nitsotra izy hoe: “Tsy misy toy ny hoe manompo an’i Jehovah, satria io no fomba fiaina tsara indrindra. Nanjary nisy zava-kendrena ny fiainako rehefa fantatro i Jehovah.”

Mazava ho azy fa tsy ny zava-kendren’ny fiainana ihany no mahaliana ny maro. Mihabetsaka ny olona sahiran-tsaina amin’ny fanontaniana lehibe hafa iray, arakaraka ny hiharatsian’ny fiainana.

Nahoana izany no nitranga?

Rehefa iharan-doza ny olona iray, dia matetika no tsy afaka ao an-tsainy ny fanontaniana hoe: Nahoana izany no nitranga? Miankina be dia be amin’ny valin’io fanontaniana io no hahafahan’ilay olona hizaka ny fahoriany. Raha tsy mahazo valiny mahafa-po izy, dia hijaly foana ary mety hahatsapa fahatezerana latsa-paka. Raiso, ohatra, i Bruni.

Renim-pianakaviana efa zokinjokiny izao i Bruni. Hoy izy: “Maty ny zanako vavikely, taona maromaro lasa izay. Nino an’Andriamanitra aho, ka nandeha nitady fampiononana tamin’ny mompera teo an-toerana. Nilaza tamiko izy fa nalain’Andriamanitra ho any an-danitra i Susanne, ary efa anjely izy izao. Tsy vitan’ny hoe tsy nisy dikany intsony ny fiainako rehefa maty ny zanako, fa nankahala an’Andriamanitra koa aho, noho izy naka azy.” Ory sy nijaly foana i Bruni nandritra ny taona maromaro. Hoy izy: “Nisy Vavolombelon’i Jehovah avy eo nampiseho ahy avy tao amin’ny Baiboly, fa tsy misy antony tokony hankahalako an’Andriamanitra. Tsy nalain’i Jehovah ho any an-danitra i Susanne, ary tsy anjely izy. Narary izy satria tsy lavorary ny olombelona. Matory ao amin’ny fahafatesana i Susanne, ary miandry ny hananganan’i Jehovah azy amin’ny maty. Nianarako koa fa natao hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa ny olombelona, ary ho tanteraka tsy ho ela izany. Nahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah aho rehefa nahafantatra ny toetrany, ary nihatony ny fahoriako.”​—Salamo 37:29; Asan’ny Apostoly 24:15; Romana 5:12.

Maro be ny olona ianjadian’ny loza samihafa: loza mihatra amin’ny tenany, ady, mosary, na loza araka ny natiora. Nahatsiaro ho maivamaivana i Bruni, rehefa hitany tao amin’ny Baiboly fa tsy avy amin’i Jehovah ireny loza ireny ary tsy nataony hijaly mihitsy ny olombelona. Efa hamarana ny faharatsiana kosa izy. Ny fitomboan’ny faharatsiana dia famantarana fa miaina amin’ny ‘andro faran’ity’ tontolo ity isika. Efa antomotra ilay fiovana sy fanatsarana lehibe irintsika rehetra.​—2 Timoty 3:1-5; Matio 24:7, 8.

Fahafantarana an’Andriamanitra

Nanana hevitra manjavozavo momba an’Andriamanitra i Hans sy Bruni taloha. Nino azy izy ireo nefa zara raha nahafantatra ny momba azy. Novalian-tsoa izy ireo rehefa naka fotoana mba hamantarana tsara kokoa an’i Jehovah. Nahazo valiny mahafa-po izy ireo amin’ny fanontaniana faran’izay lehibe mipetraka amin’izao androntsika izao. Nampilamin-tsaina azy ireo izany sady nanome azy fanantenana mafy orina. Mahatsapa toy izany koa ny mpanompon’i Jehovah an-tapitrisa.

Mba hamantarana an’i Jehovah dia ilaina aloha ny mandinika tsara ny Baiboly, izay miresaka momba azy sy izay takiny amintsika. Izany no nataon’ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany. Niresaka momba ny fiangonana jiosy tany Beria, any Gresy, i Lioka, mpahay tantara sy dokotera. Hoy izy: “Nandray ny teny [avy tamin’i Paoly sy Silasy] tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia.”​—Asan’ny Apostoly 17:10, 11.

Niara-nivory koa ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 2:41, 42, 46; 1 Korintiana 1:1, 2; Galatiana 1:1, 2; 2 Tesaloniana 1:1) Miara-mivory toy izany koa ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Natao indrindra ireny fivoriana ireny mba hanampiana ny olona hanatona kokoa an’i Jehovah ary ho faly hanompo azy. Mitondra soa hafa koa ny fiarahana amin’ny Vavolombelona. Maneho ny toetran’i Jehovah ireo Vavolombelony, na dia tsy amin’ny fomba feno aza, satria mihamitovy amin’ny Andriamanitra tompoiny ny olombelona. Vao mainka manampy antsika hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah àry ny fiarahana mivory amin’izy ireo.​—Hebreo 10:24, 25.

Toa mitaky ezaka be loatra ve ny fahafantarana an’Andriamanitra? Mitaky ezaka tokoa izany. Zavatra maro anefa no mitaky ezaka vao azo, sa tsy izany? Eritrereto ny ezaka ataon’ny atleta faran’izay mahay rehefa manao fanazaran-tena. Diniho, ohatra, ny tenin’i Jean-Claude Killy, izay nahazo meday volamena tamin’ny fifaninanana korisa an-dranomandry, tamin’ny lalao olympika tany Frantsa. Nilaza izy fa raha te hahomby eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpanao fanatanjahan-tena, dia ‘tokony hiomana folo taona mialoha an’ilay fifaninanana, ary tokony hieritreritra an’ilay izy isan’andro. Miasa isan’andro ny vatana sy ny saina mandritra ny taona.’ Fifaninanana maharitra folo minitra monja no hanokanana fotoana sy hanaovana ezaka be toy izany! Betsaka sy maharitra lavitra noho izany anefa ny soa raisintsika raha mahafantatra an’i Jehovah isika.

Mihavana kokoa amin’Andriamanitra

Iza no te ho maty antoka eo amin’ny fiainana? Tsy misy. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hamantatra tsara an’i Jehovah, ilay Andriamanitra resahina ao amin’ny Baiboly, raha tsapanao fa tsy tena misy zava-kendrena ny fiainanao, na irinao ny hahalala hoe nahoana no misy loza mitranga. Tena afaka manatsara ny fiainanao izany, ary haharitra izany fihatsarana izany.

Hisy farany ve ny zavatra azontsika ianarana momba an’i Jehovah? Mbola talanjona foana ny olona nanompo azy hatramin’ny ela, noho ny zavatra nianarany sy mbola ianarany momba azy. Mahasambatra ny fianarana toy izany, ary vao mainka mampihavana antsika aminy. Enga anie ny eritreritsika mba hitovy amin’ny an’ny apostoly Paoly, izay nilaza hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! Fa ‘iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?’”​—Romana 11:33, 34.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Novana ny anarana.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Mbola manontany tena ihany ny olona hoe: ‘Nahoana aho no eto an-tany? Inona no hoaviko? Inona no zava-kendren’ny fiainana?’

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Nahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah aho rehefa nahafantatra ny toetrany”

[Teny notsongaina, pejy 7]

“Tsy misy toy ny hoe manompo an’i Jehovah, satria io no fomba fiaina tsara indrindra. Nanjary nisy zava-kendrena ny fiainako rehefa fantatro i Jehovah”