Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Andro Tokony Hotsarovana

Ilay Andro Tokony Hotsarovana

Ilay Andro Tokony Hotsarovana

IO NO andro nanova tanteraka ny hoavin’ny olombelona, satria afaka hitondra soa ho azy ireo mandrakizay. Mbola tsy nisy mihitsy andro nisy fiantraikany lehibe toy izany teo amin’ny fiainan’ny olona hatramin’izay. Namita ny zava-drehetra nahatongavany tetỳ an-tany i Jesosy, tamin’io andro io. Hoy izy rehefa niala aina teo amin’ny hazo fijaliana: “Vita”! (Jaona 19:30) Inona no antony nahatongavany tetỳ an-tany?

Hoy ny Baiboly: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28) Nanolotra ny ainy i Jesosy mba hanavotana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana nolovany. ‘Tena tian’Andriamanitra tokoa izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.’ (Jaona 3:16) Sarobidy tsy misy toy izany tokoa ny soron’i Jesosy!

Misy antony hafa tokony hahatsiarovantsika ny andro nahafatesan’i Jesosy koa anefa. Nampianarin’ny Zanak’Andriamanitra zava-tsoa maro ny apostoliny tamin’io andro io, mba hanampiana azy ireo tsy hivadika hatrany. Azo antoka fa nanohina ny fon’ny mpianany ny teniny talohan’ny nahafatesany! Inona no nampianarin’i Jesosy azy ireo? Ahoana no andraisantsika soa avy amin’izany? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.