Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarotra Nefa Tsy Maintsy Atao ny Mandray Fanapahan-kevitra

Sarotra Nefa Tsy Maintsy Atao ny Mandray Fanapahan-kevitra

Sarotra Nefa Tsy Maintsy Atao ny Mandray Fanapahan-kevitra

“TENA sarotra ny mandray fanapahan-kevitra, ka sarobidy ny fahaizana manao izany”, hoy i Napoléon Bonaparte, emperoran’i Frantsa tamin’ny taonjato faha-19. Hiray hevitra aminy angamba ianao, satria zava-dehibe amin’ny olona mazàna ny mitondra ny fiainany araka izay itiavany azy. Takatr’izy ireo koa anefa fa tsy mora mihitsy ny mandray fanapahan-kevitra indraindray.

Tsy maintsy atao anefa izany, na mora na sarotra. Tsy maintsy manapa-kevitra isika isan’andro. Rehefa mifoha isika ny maraina, dia tsy maintsy manapa-kevitra hoe inona no akanjo hanaovana, sy sakafo hohanina, ary ahoana no hanatanterahana ireo zavatra maro be hatao mandritra ny andro. Tsy zava-dehibe ny ankamaroan’ireo fanapahan-kevitra ireo. Mahalana isika vao miady saina sy tsy mahita tory noho ny fieritreretana hoe ratsy sa tsara ilay fanapahan-kevitra noraisintsika.

Misy fiantraikany lehibe kosa anefa ny fanapahan-kevitra sasany. Tanora maro ankehitriny no tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay tanjona tiany hotratrarina. Tsy maintsy manapa-kevitra angamba izy ireo hoe inona no fianarana hataony, ary haharitra hafiriana izany. Tsy maintsy manapa-kevitra koa ny ankamaroan’izy ireo, any aoriana any, raha hanambady na tsia. Raha mifidy ny hanambady izy, dia tsy maintsy manapa-kevitra hoe: ‘Efa ampy taona sy matotra ho amin’izany ve aho? Vady manao ahoana no tadiaviko, na zava-dehibe kokoa aza, dia hoe: Vady manao ahoana no ilaiko?’ Anisan’ny fanapahan-kevitra izay hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainantsika ny fifidianana vady.

Tena ilaina ny mandray fanapahan-kevitra tsara rehefa misy raharaha lehibe tafiditra, satria miankina betsaka amin’izany ny fahasambarantsika. Misy olona mihevitra fa hainy tsara ny mandray fanapahan-kevitra toy izany, ka mandà ny fanampiana atolotra azy izy. Fahendrena ve izany? Andeha hojerentsika.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Napoléon: Avy amin’ny boky The Pictorial History of the World