Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Andraisanao Fanapahan-kevitra Tsara?

Ahoana no Andraisanao Fanapahan-kevitra Tsara?

Ahoana no Andraisanao Fanapahan-kevitra Tsara?

“AOKA ny hendry hihaino ka hitombo saina”, hoy i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny. Efa nandray fanapahan-kevitra ratsy ny ankamaroantsika, noho isika tsy nihaino ny torohevitra nomena antsika.​—Ohabolana 1:5.

Nosoratana tao amin’ny Baiboly ireo tenin’i Solomona ireo tatỳ aoriana, mbamin’ny “ohabolana telo arivo” hafa noforoniny. (1 Mpanjaka 5:12) Afaka mandray soa avy amin’ny fahalalana sy fanarahana ireo tenim-pahendrena ireo ve isika? Eny. Manampy antsika izy ireny ‘hahalala fahendrena sy fananarana ary hahafantatra ny tenin’ny fahalalana; hahazo fananarana mampahahendry, dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana.’ (Ohabolana 1:2, 3) Andeha isika handinika toro lalana dimy avy ao amin’ny Baiboly, izay hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara.

Mahaiza mitsinjo lavitra

Hisy vokany lehibe ny fanapahan-kevitra sasany. Iezaho fantarina mialoha àry izany vokany izany. Mitandrema sao hohajambain’ireo soa eo no ho eo hoentin’ilay fanapahan-kevitra, ka tsy hahita izay mety ho voka-dratsiny amin’ny hoavy. Mampitandrina ny Ohabolana 22:3 hoe: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”

Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra, dia tsara angamba ny manoratra ny lisitry ny vokany eo no ho eo sy amin’ny hoavy. Aoka hatao hoe hifidy asa ianao. Mety ho tsara karama sy mahafinaritra ilay izy amin’ny voalohany. Kanefa, sao dia tsy hety aminao intsony ilay asa amin’ny hoavy? Mety hanery anao hifindra monina ve ilay izy any aoriana any, ka angamba ho tafasaraka amin’ny namanao sy ny fianakavianao ianao? Mety hanimba ny fahasalamanao ve ny zavatra ampiasaina amin’ilay izy, na hankaleo be ilay asa, ka handiso fanantenana anao tanteraka? Diniho ny lafy tsara sy lafy ratsin’ilay izy, ary tapaho ny hevitra hoe inona no tokony ho zava-dehibe indrindra.

Makà fotoana ampy tsara

Mety tsy ho tsara ny fanapahan-kevitra raisina maimaika. Mampitandrina ny Ohabolana 21:5 hoe: “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.” Tsy tokony ho maimay ny hanambady, ohatra, ny zatovo matimatim-pitia. Raha tsy izany, dia mety ho tanteraka aminy ny tenin’ilay Anglisy antsoina hoe William Congreve, mpanoratra tantara an-tsehatra, tany am-piandohan’ny taonjato faha-18. Hoy izy: “Hanenina tongotra aman-tanana izay maimay ny hanambady.”

Tsy tokony hafangaro anefa ny hoe maka fotoana ampy tsara sy ny hoe mangataka andro. Misy fanapahan-kevitra tena lehibe, ka fahendrena ny mandray azy ireny haingana araka izay azo atao. Mety hiteraka fahavoazana ho anao sy ny hafa ny fanemorana izany tsy amin’antony. Mety ho efa fanapahan-kevitra ny fangatahana andro tsy amin’antony, ary mety ho fanapahan-kevitra ratsy.

Maneke torohevitra

Tsy misy toe-javatra roa mitovy tanteraka. Koa mety tsy hitovy foana àry ny fanapahan-kevitra raisin’ny olon-droa, na dia mitovy ihany aza ny olana atrehiny. Mahasoa anefa ny mahafantatra hoe ahoana no nataon’ny olon-kafa, rehefa niatrika zavatra mitovy amin’ny antsika izy. Anontanio ny fahitany an’ilay fanapahan-keviny amin’izao fotoana izao. Aoka hatao hoe te hanao raharaham-barotra ianao. Anontanio an’ireo efa manao ilay karazana raharaham-barotra tianao hatao, ny lafy tsara sy lafy ratsin’ilay izy. Inona avy no tombontsoa sy fahavoazana hitany, na olana lehibe mety hitranga?

Ampitandremana isika hoe: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” (Ohabolana 15:22) Marina fa afaka mangataka torohevitra sy mianatra avy amin’ny olon-kafa isika. Kanefa tokony ho takatsika tsara fa isika no tsy maintsy mandray ilay fanapahan-kevitra, sy tompon’andraikitra amin’izany.​—Galatianina 6:4, 5.

Araho ny feon’ny fieritreretana tsara ofana

Ny feon’ny fieritreretana dia afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny toro lalana nofidintsika harahina eo amin’ny fiainana. Midika izany fa tokony hampiofana ny feon’ny fieritreretany ny Kristianina, mba hifanarahan’izany amin’ny eritreritr’Andriamanitra. (Romanina 2:14, 15) Milaza toy izao amintsika ny Tenin’Andriamanitra: “Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:6) Mazava ho azy fa mety ho samy hafa ny fanatsoahan-kevitry ny olona roa indraindray, ka mety tsy hitovy ny fanapahan-keviny, na dia samy tsara ofana aza ny feon’ny fieritreretany.

Tsy hilefitra mihitsy kosa anefa ny feon’ny fieritreretana tsara ofana, raha milaza mivantana ny Tenin’Andriamanitra fa ratsy ny fanaovan-javatra iray. Ny feon’ny fieritreretana tsy nozarina hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly, ohatra, dia mety hamela ny olon-droa sasany hiara-mipetraka alohan’ny fanambadiana, mba hahitana raha mifanaraka tsara ny toetrany. Mety hieritreritra izy ireo fa tsara ny fanapahan-keviny, satria tsy maimay ny hanambady olona mety tsy hifanentana aminy izy. Mety tsy hanenjika azy ny eritreriny. Tsy hanapa-kevitra ny hiara-mipetraka toy izany anefa ny olona mitovy hevitra amin’Andriamanitra momba ny firaisana sy ny fanambadiana, na dia ho vetivety ihany aza, satria naman’ny maloto fitondran-tena izany.​—1 Korintianina 6:18; 7:1, 2; Hebreo 13:4.

Hevero izay ho vokany eo amin’ny hafa

Misy vokany eo amin’ny hafa matetika ny fanapahan-kevitrao. Koa aza minia mandray fanapahan-kevitra ratsy, na adaladala, izay mety hanapaka ny fihavananao amin’ny namanao na ny havanao, indrindra fa amin’Andriamanitra. Hoy ny Ohabolana 10:1: “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.”

Ilaina koa anefa indraindray ny mifidy izay ho namantsika. Ohatra, mety hanapa-kevitra ny tsy hanaraka intsony ny zavatra ninoanao taloha ianao, satria fantatrao izao fa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina izany. Na, mety hanapa-kevitra ny hiova tanteraka ianao, satria irinao ny hiaina mifanaraka amin’ny toro lalan’Andriamanitra ekenao. Mety hisy namanao na havanao tsy ho faly amin’izany. Izay fanapahan-kevitra mampifaly an’Andriamanitra anefa dia fanapahan-kevitra tsara.

Manehoa fahendrena rehefa handray ilay fanapahan-kevitra lehibe indrindra

Tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona fa tsy maintsy manapa-kevitra ny olon-drehetra ankehitriny, na hifidy ny fiainana na ny fahafatesana. Tsy maintsy nanao izany safidy izany ny Israelita nitoby teo amin’ny sisin’ny Tany Nampanantenaina, tamin’ny taona 1473 Talohan’i Kristy (T.K.). Mpitondra tenin’Andriamanitra i Mosesy tamin’izay, ary hoy izy tamin’izy ireo: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.”​—Deoteronomia 30:19, 20.

Asehon’ny faminaniana sy ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara, fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika, ary “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.” (2 Timoty 3:1; 1 Korintianina 7:31) Ny fiovana lehibe indrindra hitranga dia ny fandravana an’ity tontolo tsy mahomby ity, ary ny fanoloana azy amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra.

Eo an-tokonan’io tontolo vaovao io isika. Ho ao amin’izy io ve ianao, ka hankafy fiainana mandrakizay eto amin’ny tany hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Sa ianao hesorina tsy ho eto an-tany, rehefa haringana ny tontolon’i Satana? (Salamo 37:9-11; Ohabolana 2:21, 22) Izao ianao no mila mifidy izay lalana tianao harahina, ary iankinan’ny aina izany. Hanaiky ve ianao raha ampiana handray fanapahan-kevitra tsara amin’io lafiny io?

Raha mifidy ny fiainana ianao, dia mila mianatra izay takin’Andriamanitra aloha. Tsy nampianatra ny marina momba izany ireo eglizy amin’ny ankapobeny. Mamitaka vahoaka matetika ny mpitondra fivavahana, ka manjary mino zavatra diso sy manao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra izy ireo. Tsy nohazavainy akory fa ilain’ny tsirairay ny manapa-kevitra hivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Noho izany, dia tsy manao toy izany ny ankamaroan’ny olona. Mariho anefa ny tenin’i Jesosy hoe: “Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko, dia manaparitaka.”​—Matio 12:30.

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah manampy ny olona hahafantatra tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Miara-midinika ny Baiboly tsy tapaka amin’ny olona tsirairay na maromaro izy ireo, amin’ny fotoana sy toerana mety amin’ireny olona ireny. Izay maniry hanao izany dia tokony hifandray amin’ny Vavolombelona eo an-toerana, na hanoratra any amin’ny mpampanonta Ny Tilikambo Fiambenana.

Mazava ho azy, fa misy olona efa manana fahalalana fototra momba izay takin’Andriamanitra. Mety ho efa resy lahatra mihitsy aza izy ireo fa marina sy azo itokiana ny Baiboly. Misy amin’izy ireo anefa mangataka andro lava, ka tsy tapa-kevitra ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra. Nahoana? Angamba noho ny antony maromaro.

Mety tsy ho takany ve hoe zava-dehibe ny manolo-tena ho an’Andriamanitra? Nilaza mazava i Jesosy hoe: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” (Matio 7:21) Tsy ampy fotsiny àry ny mahafantatra ny Baiboly; ilaina koa ny manao zavatra. Nanome ohatra momba izany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Izao no vakintsika momba ny sasany taminy: “Ninoan’izy ireo i Filipo izay nitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny vaovao tsara momba ny anaran’i Jesosy Kristy. Koa natao batisa avokoa izy ireo, na lahy na vavy.” (Asan’ny Apostoly 2:41; 8:12) Koa inona àry no misakana ny olona iray tsy hanolo-tena sy hatao batisa, raha manaiky sy mino ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fony manontolo izy, ary mampifanaraka ny fiainany amin’ny fitsipiny? (Asan’ny Apostoly 8:34-38) Mazava ho azy, fa tokony hanao izany an-tsitrapo sy amim-pifaliana izy, mba hankasitrahan’Andriamanitra.​—2 Korintianina 9:7.

Misy indray mihevitra fa tsy ampy ny fahalalany, ka mbola tsy tokony hanolo-tena ho an’Andriamanitra izy. Tsy maintsy hoe kely anefa aloha ny fahalalana ananan’izay olona manomboka zava-baovao eo amin’ny fiainany. Iza moa ny matihanina afaka hilaza hoe mitovy amin’ny zavatra hainy tamin’izy vao nanomboka ny asany, ny zavatra hainy amin’izao fotoana izao? Ny hany zavatra takina alohan’ny hanapahana hevitra hanompo an’Andriamanitra, dia ny fahalalana ireo fampianarana sy toro lalana fototra ao amin’ny Baiboly, ary faniriana hiaina mifanaraka amin’izany.

Misy mangataka andro ve satria matahotra sao tsy ho afaka hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany izy? Ara-dalàna raha somary manahy ny tena sao tsy hahomby, rehefa misy fifanekena atao. Mety hahatsiaro ho tsy dia mahay loatra, ohatra, ny lehilahy iray manapa-kevitra ny hanorina tokantrano. Mandrisika azy hanao izay tsara indrindra vitany anefa ny fifanekena nataony tamin’ny vadiny. Toy izany koa ny tanora iray vao nahazo fahazoan-dalana hitondra fiara. Somary hanahy angamba izy, indrindra raha fantany fa maro kokoa ny tanora mitondra fiara no hiharan-doza noho ny olon-dehibe. Mety hahasoa azy anefa ny mahalala izany, satria hitandrina kokoa izy amin’izay. Tsy vahaolana akory ny tsy fakana fahazoan-dalana hitondra fiara!

Mifidiana ny fiainana!

Milaza ny Baiboly fa hanjavona tsy ho ela ny tontolo ara-politika, sy ara-toe-karena, ary ara-pivavahana misy eto an-tany. Hitoetra eto kosa anefa ny olona mandray fanapahan-kevitra tsara, ka mifidy ny fiainana, sy manao zavatra mifanaraka amin’izany. Izy ireo no ho olona voalohany ao amin’ilay tontolo vaovao, sy handray anjara amin’ny fanovana ny tany ho paradisa, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Tsy hahafinaritra anao ve ny handray anjara amin’io asa mahafaly io, eo ambany fanaraha-mason’Andriamanitra?

Raha izany no izy, dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny hianatra ny Tenin’Andriamanitra, sy ireo zavatra takiny mba hampifaliana azy. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hanao izay takiny, ary indrindra indrindra ny hihazona ny fanapahan-kevitrao hatramin’ny farany. Raha tsorina dia mifidiana ny fiainana!

[Sary, pejy 4]

Makà fotoana ampy tsara alohan’ny handraisana fanapahan- kevitra lehibe

[Sary, pejy 5]

Maneke torohevitra rehefa mifidy asa

[Sary, pejy 7]

Handray anjara amin’ny fanovana ny tany ho paradisa, izay manapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra ankehitriny