Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamoa Be ny Vaovao Tsara any São Tomé sy Príncipe

Mamoa Be ny Vaovao Tsara any São Tomé sy Príncipe

Mamoa Be ny Vaovao Tsara any São Tomé sy Príncipe

MARO angamba no tsy mahafantatra mihitsy an’i São Tomé sy Príncipe. Tsy miresaka firy momba ireo nosy ireo mantsy ny bokikely ho an’ny mpanao vakansy. Toy ny pentina kely eo amin’ny Hoalan’i Guinée, any andrefan’i Afrika, i São Tomé, raha jerena ny sarintanin’izao tontolo izao. Raha nisy kely fotsiny dia nandalo an’i São Tomé ny ekoatera, fa i Príncipe kosa somary eo amin’ny avaratratsinanana kely. Mando sy be orana ny toe-tany, ka rakotra alan’ny tany mafana ireo tehezan-tendrombohitra efa ho any amin’ny 2 000 metatra mahery.

Voahodidina ranomasina manga ireo nosin’ny tany mafana ireo, ary palmie no mandravaka ny moron-dranomasiny. Afrikanina sy Eoropeanina no fiavian’ireo mponina sariaka sy be fitiavana, ka mahafinaritra erỳ ny fifangaroan’ny kolontsaina. Mpanondrana kakaô, mpamboly sy mpiompy, na mpanjono koa no tena asan’ireo mponina 170 000 any. Tena sarotra ny fiainana tany nandritra ireo taona faramparany.

Nisy zava-nitranga anefa tany nandritra ireo folo taona farany tamin’iny taonjato faha-20 iny, izay tena nanova ny fiainan’ireo mponina tsy mitsaha-mitombo any. Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tany São Tomé sy Príncipe tamin’ny Jona 1993, ka nifarana teo ny fotoan-tsarotra naharitra niainan’izy ireo.

Namafy tao anatin’ny sarotra

Toa tany am-piandohan’ireo taona 1950 no tonga tany amin’ireo nosy ireo ny Vavolombelona voalohany. Mpigadra nalefa hiasa an-terivozona izy io, avy tamin’ny zanatany portogey tatỳ Afrika. Natao sesitany avy tatsy Mozambika io Vavolombelona mpisava lalana io, noho izy nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Niasa be izy ka tao anatin’ny enim-bolana dia lasa 13 ny mpitory ny vaovao tsara. Nisy Vavolombelona hafa koa tonga noho izany antony izany ihany avy any Angola. Nanararaotra ny fahafahana rehetra nananany izy ireo, mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’ireo mponina teo an-toerana.

Nalefa nody tany amin’ny tany afrikanina niaviany avokoa ny rahalahy natao sesitany tany São Tomé, tamin’ny 1966. Nanohy ny asa tamin-kerim-po ilay antoko-mpitory kely nilaozan’izy ireo. Nenjehina sy nokapohina ary nogadraina izy ireo, satria niara-nivory mba hianatra Baiboly. Tsy mba nisy namangy na nampahery anefa izy ireo. Nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’i Portogaly ilay firenena tamin’ny 1975, ary vokatra tsikelikely ny voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana.

Fanitarana sy fanorenana

Vao ara-dalàna fotsiny ny asa tamin’ny Jona 1993, dia nahatratra 100 ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Nisy mpisava lalana manokana koa tonga avy any Portogaly, tamin’io taona io. Nanjary tian’ny mponina teo an-toerana izy ireo satria niezaka mafy hianatra teny Kreôla portogey. Nanjary tena nilaina ny nitady tany hanorenana Efitrano Fanjakana. Rehefa nandre izany ny anabavy atao hoe Maria dia nomeny ny antsasaky ny tany nanorenany ny trano keliny. Ampy hanorenana Efitrano Fanjakana lehibe ilay tany. Tsy fantatr’i Maria hoe efa nisy mpanorina trano fatra-paniry laza, nitsiriritra an’io taniny io, satria efa maty daholo ny havany. Indray andro dia tonga niresaka tamin’i Maria ny mpandraharaha ambony iray.

Hoy izy: “Voa mafy ianao raha ny resaka reko momba anao! Reko hoe nataonao fanomezana, hono, ny taninao. Fa angaha tsy fantatrao fa lafo be ny tany etỳ afovoan-tanàna toa an’io?”

“Hovidinao ohatrinona anefa izy io raha omeko anao e?”, hoy i Maria. Rehefa tsy namaly ilay rangahy dia hoy izy: “Tsy halefako io tany io na ohatrinona na ohatrinona, satria tsy voavidim-bola ny aina.”

“Angaha moa ianao manan-janaka?”, hoy ilay rangahy.

Hoy i Maria namarana ny resaka: “An’i Jehovah io tany io, ary efa ela loatra izy io no nampindraminy ahy ka haveriko aminy amin’izay. Fiainana mandrakizay no tadiaviko.” Hoy izy avy eo tamin’ilay rangahy: “Sa ianao manana fiainana mandrakizay homena ahy?” Tsy niteny tsy nivolana ilay rangahy fa lasa nandeha.

Voaorina àry ny trano tsara tarehy misy rihana, noho ny fanampian’ny rahalahy ampy fahaizana, avy any Portogaly. Ireto avy no naorina teo amin’ilay toerana: Efitrano Fanjakana lehibe, trano fonenana, lakaly malalaka, ary efitrano hafa ho an’ny sekolin’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ary mpisava lalana. Ampiasain’ireo fiangonana roa eo an-drenivohitra izao ireo efitrano ireo, ho foiben’ny fampianarana ny fivavahana madio.

Nanana mpitory mazoto 60 ny fiangonana tany Mé-Zochi. Tany anaty alan’akondro ilay Efitrano vonjimaika nivoriana, ka nilaina ny Efitrano Fanjakana tsara kokoa. Nolazaina tany amin’ny lapan’ny tanàna izany, ka nanome tany nanamorona ny arabe lehibe indrindra ireo manam-pahefana tsara fanahy. Roa volana dia vita ilay Efitrano Fanjakana tsara tarehy, noho ny fanampian’ny rahalahy avy any Portogaly, sy ny nampiasana fomba fanorenana haingana. Tsy nampino an’ireo mponina teo an-toerana ny zavatra hitany. Gaga ny injeniera soedoà iray, izay niasa tamin’ny tetik’asa fanorenana tao amin’ilay tanàna, raha nahita an’ireo rahalahy sy anabavy niasa. Hoy izy: “Tena tsy mampino hoe mampiasa fomba fanorenana haingana ny Vavolombelon’i Jehovah eto Mé-Zochi! Tokony ho io koa no hampiasainay amin’ny tetik’asanay.” Notokanana tamin’ny 12 Jona 1999 ilay Efitrano Fanjakana, ary nisy 232 ny mpanatrika. Tena manintona an’ireo mpizaha tany mandalo ao Mé-Zochi izao ilay Efitrano.

Fivoriambe nanan-tantara

Fisehoan-javatra niavaka ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany São Tomé sy Príncipe, ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”, tamin’ny Janoary 1994. Io no fivoriambe voalohany natao tany. Tao amin’ny efitrano malalaka sy mangatsiatsiaka iray tany an-toerana no nanaovana azy io. Eritrereto ny hafalian’ireo mpitory 116 nanoloana mpanatrika 405, sady sambany vao nahita fampisehoana tantara ara-baiboly sy boky vaovao navoaka. Natao batisa teny amoron-dranomasina ireo 20 nanolo-tena.

Zava-baovao tamin’ny maro koa ny karatry ny fivoriambe teny amin’ireo mpanatrika. Toy ny fivoriambe iraisam-pirenena kely mihitsy ilay izy noho ireo solontena 25 avy any Portogaly sy Angola. Vetivety dia hita taratra ny fitiavan-drahalahy lalim-paka, ary maro no tsy nahatana ny ranomasony tamin’ny fotoam-pivoriana farany nifanaovam-beloma.​—Jaona 13:35.

Nisy mpanao gazetin’ny Radiom-pirenena nanadinadina ny mpiandraikitra ny fivoriambe, ary nandefa ampahana lahateny maromaro koa izy ireo. Tena fisehoan-javatra manan-tantara ilay izy, ary toy ny hoe lasa nanakaiky kokoa an’ireo Vavolombelona mahatoky nitoka-monina ela ireo, ny fandaminan’i Jehovah hita maso.

Mamokatra ho fiderana an’i Jehovah

Deraina sy omem-boninahitra i Jehovah rehefa lasa tsara fitondran-tena ny olona, noho ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Titosy 2:10) Nankafy ny fianarany Baiboly isan-kerinandro, ohatra, ny tovovavy iray. Noraran-drainy anefa izy tsy hanatrika ny fivorian’ny fiangonana. Nanazava tamim-panajana izy hoe zava-dehibe ny fivoriana kristianina ary niriny ny hanatrika azy ireny, nefa tonga dia nandroaka azy niala ny trano ilay rainy. Nihevitra mantsy io rainy io fa hanaraka lehilahy toy ny fanaon’ny tanora hafa ilay zanany. Ren’ilay rainy anefa fa nadio fitondran-tena sy nanana fiainana fakan-tahaka ilay zanany. Koa nampody azy àry izy, ary namela azy hanompo an’i Jehovah.

Ny ohatra manaraka dia ny an’ny filohan’ny tarika mpihira iray. Nandiso fanantenana azy ny fitondran-tenany ratsy. Tafaresaka tamin’ny Vavolombelona anefa izy raha mbola teo am-pikarohana ny tena antony hahavelomana. Nanjary fototry ny resa-be tao an-tanàna izy rehefa nanomboka nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy ela dia tsapany fa tsy tokony hifanerasera intsony amin’ny naman-dratsy izy. (1 Korintianina 15:33) Nanao dingana lehibe izy ka natao batisa mba hampisehoana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah.

Nisy andian-jatovo koa nikaroka ny fivavahana marina. Niresaka tamin’ny pasiteran’ny antokom-pivavahana evanjelika maro izy ireo, nefa vao mainka very hevitra sy diso fanantenana. Lasa mpirenireny nahery setra sy mpaneso fivavahana àry izy ireo.

Indray andro dia nisy misionera Vavolombelon’i Jehovah, nandeha nampianatra Baiboly, ary nandalo teo amin’ny toerana nisy ireo zatovo ireo. Nanana fanontaniana vitsivitsy ho an’ilay misionera izy ireo, ka nitondra azy tao ambadiky ny trano iray, ary nanasa azy hipetraka tamin’ny akalana. Vary raraka avy eo ny fanontaniana momba ny fanahy, ny afobe, ny fiainana any an-danitra, ary ny faran’izao tontolo izao. Novalian’ilay Vavolombelona ny fanontaniana rehetra napetrak’izy ireo, tamin’ny fampiasana ny Baiboly nomen’ny filohan’ilay andian-jatovo. Nony afaka adiny iray dia hoy i Law, filohan’ilay andian-jatovo, tamin’ilay misionera: “Te hanala baraka anao fotsiny izahay rehefa niantso anao. Izany mantsy no nanaovanay an’ireo mpivavaka hafa. Nihevitra izahay fa tsy hisy hahavaly mihitsy ireo fanontaniana ireo. Voavalinao avokoa anefa izany, ary novalinao tamin’ny alalan’ny Baiboly! Ahoana no hahafahako hianatra bebe kokoa ny Baiboly?” Nanomboka nianatra Baiboly àry i Law, ary vetivety dia nivory koa. Nandao ilay andian-jatovo izy taoriana kelin’izay, ary tsy nahery setra intsony. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ka natao batisa rehefa afaka herintaona. Mpanampy amin’ny fanompoana izy izao.

Fanaon’ny mponina any koa ny tokantranomaso. Maro no efa nanao izany hatramin’ny ela sy efa niteraka. Sarotra amin’ireny olona ireny ny manaiky ny fihevitr’i Jehovah momba io raharaha io. Mahafaly anefa ny mahita fa manampy ny olona handresy ireny sakana ireny ny Tenin’Andriamanitra.​—2 Korintianina 10:4-6; Hebreo 4:12.

Takatr’i Antonio fa tsy maintsy misoratra ara-dalàna izy mivady. Nieritreritra izy fa hanana vola ampy hanaovana ny mariaziny, rehefa hiakatra ny vokatry ny fambolena katsaka. Ny alina nialoha ny fijinjana anefa dia nisy nangalatra ny vokatra. Niandry ny fiakaran’ny vokatra tamin’ny taona nanaraka àry izy, nefa mbola nisy nangalatra koa io. Rehefa nandamòka indray ny ezaka nataony nitadiavana vola ho an’ilay mariazy, dia takatr’i Antonio hoe iza no tena nanakana. “Tsy hanaiky hadalain’i Satana intsony aho”, hoy izy. “Tsy maintsy vita ny mariazinay afaka iray volana sy tapany, na hisy fety na tsy hisy!” Notanterahin’izy ireo izany, ary tsy nampoiziny fa nitondra akoho, ganagana, ary osy hanaovana fety ny namany. Vita àry ny fisoratam-panambadiana, ka afaka nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa i Antonio mivady sy ny zanany enina.

Ary i Prìncipe?

Vao haingana dia nitsidika an’ireo mponina 6 000 any Prìncipe ny mpiandraikitra ny faritra sy mpisava lalana avy any São Tomé. Tia mandray vahiny ny mponina any, ary tena liana tamin’izay nolazain’ireo Vavolombelona. Namaky ny taratasy mivalona napetrak’ireo mpisava lalana taminy ny lehilahy iray. Nitady azy ireo ilay rangahy ny ampitso, ary nolazainy fa te hizara taratasy mivalona niaraka tamin’izy ireo izy. Nilaza ireo mpisava lalana fa izy ireo ihany dia efa mahavita ilay asa. Tsy nanaiky anefa ilay rangahy fa nitady hanaraka isan-trano koa, mba hampidi-dresaka sy hanafatrafatra ny tompon-trano hihaino tsara. Tamin’ny farany dia nandeha ihany ilay rangahy, rehefa avy nidera an’ireo mpisava lalana noho ny asa lehibe ataon’izy ireo.

Nifindra tany Príncipe ny mpisava lalana roa avy any São Tomé, tamin’ny 1998, ary vetivety izy ireo dia nitarika fampianarana Baiboly 17. Nitatra ny asa ary tsy ela dia 16 ny salanisan’ny mpanatrika ny Fianarana Boky, ary 30 mahery ny an’ny lahateny ho an’ny besinimaro. Nalefa tany amin’ny lapan’ny tanàna ny fangatahana toerana azo ivoriana, ary nahafaly fa nanome tany hanorenana Efitrano Fanjakana izy ireo. Mpiasa an-tsitrapo avy any São Tomé no nanorina ilay Efitrano Fanjakana kely, izay misy efitra koa ho an’ireo mpisava lalana manokana roa.

Mazava àry fa mamoa be tokoa ny vaovao tsara any amin’ireo nosy lavitra ireo. (Kolosianina 1:5, 6) Mpitory 46 no tany São Tomé sy Príncipe tamin’ny Janoary 1990. Tratra anefa ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 388 tany, tamin’ny taom-panompoana 2002! Maherin’ny ampahadimin’ny mpitory izao no mpanompo manontolo andro, ary 1 400 eo ho eo no isan’ny fampianarana Baiboly tarihina. Nahazoana tampon’isa koa ny mpanatrika ny fahatsiarovana 2001, izay nisy 1 907. Eny, mandroso haingana tokoa ny tenin’i Jehovah any amin’ireo nosy ireo, ary omem-boninahitra ny anarany.​—2 Tesalonianina 3:1.

[Efajoro/Sary, pejy 12]

Alefa Amin’ny Radio Be Mpihaino

Tena be mpankasitraka ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, any amin’ireo nosy ireo. * Misy fandaharana maharitra ampahefatr’adiny mitondra an’io lohateny io koa, alefa isan-tapa-bolana ao amin’ny Radiom-pirenena. Mampientanentana erỳ ny mandre ilay mpanolotra milaza hoe: “Ry tanora, ahoana no hamantaranareo ny tena fitiavana sy ny fahatsapana ho matimaty amin’ny olona?” Mamaky tapany amin’ilay boky izy avy eo! (Jereo ny toko faha-31.) Misy radio hafa toa an’io koa miresaka hevitra sasany ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 33 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 33 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 9]

Efitrano Fanjakana voalohany tany São Tomé, 1994

[Sary, pejy 10]

1. Fomba fanorenana haingana tany Mé-Zochi

2. Efitrano malalaka nanaovana Fivoriamben’ny vondrom-paritra nanan-tantara

3. Faly ireo natao batisa tamin’ilay fivoriambe

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

Gilaoby: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.