Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Lalàna Ara-baiboly Foana ve Ianao?

Mila Lalàna Ara-baiboly Foana ve Ianao?

Mila Lalàna Ara-baiboly Foana ve Ianao?

AZO inoana fa nanisy fitsipika maro harahinao ny ray aman-dreninao, tamin’ny ianao mbola kely. Nanjary takatrao, rehefa nihalehibe ianao, fa tena niahy izay hahasoa anao izy ireo. Azo inoana koa fa mbola manaraka ny sasany amin’ny toro lalana nampidiriny tsikelikely tao an-tsainao ianao, na dia efa olon-dehibe tsy eo ambany fahefany intsony aza.

Manome lalàna hentitra ho antsika koa i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Rarany, ohatra, ny fanompoan-tsampy, fijangajangana, fanitsakitsaham-bady, ary fangalarana. (Eksodosy 20:1-17; Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Takatsika kokoa, rehefa ‘mitombo amin’ny zava-drehetra’ isika, fa miahy izay hahasoa antsika izy, sady tsy natao hameperana antsika tsy amin’ny antony ny didiny.​—Efesianina 4:15; Isaia 48:17, 18; 54:13.

Maro anefa ny toe-javatra tsy misy lalàna hentitra mifehy azy, ka misy mihevitra, fa afaka manao izay tiany izy amin’izay. Milaza izy ireo, fa ho nanisy fitsipika hentitra Andriamanitra, raha noheveriny fa nilaina izany.

Mazàna ny olona mihevitra toy izany no mandray fanapahan-kevitra tsy mampiseho fahendrena, izay hanenenany any aoriana. Tsy takany fa tsy lalàna fotsiny no hita ao amin’ny Baiboly, fa ny fomba fisainan’Andriamanitra koa. Hahalala ny fomba fisainan’Andriamanitra amin-javatra maro isika, ka hanao safidy mifanaraka amin’izany, sady hanana fieritreretana voataiza araka ny Baiboly, raha mianatra azy io. Mampifaly ny fon’i Jehovah isika, rehefa manao izany, sady mandray soa amin’ny fanapahan-kevitra tsara ataontsika.​—Efesianina 5:1.

Ohatra miavaka ao amin’ny Baiboly

Izao no hitantsika avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny mpanompon’Andriamanitra fahiny: Nisy toe-javatra tsy maintsy niheveran’izy ireo ny fomba fisainan’i Jehovah, na dia tsy nisy lalàna hentitra momba ilay izy aza. Diniho ange i Josefa e! Mbola tsy nanome lalàna an-tsoratra mandrara ny fanitsakitsaham-bady Andriamanitra, rehefa naka fanahy azy foana mba hanao firaisana taminy ny vadin’i Potifara. Takatr’i Josefa kosa, na dia tsy nisy lalàna hentitra aza, fa sady tsy zakan’ny eritreriny no ‘fanotana amin’Andriamanitra’, raha manitsakitsa-bady izy. (Genesisy 39:9) Takatr’i Josefa fa mifanohitra amin’ny fomba fisainana sy ny sitrapon’Andriamanitra voalaza tany Edena, ny fanitsakitsaham-bady.—Genesisy 2:24.

Jereo koa ity ohatra iray hafa ity. Fantatsika, avy amin’ny Asan’ny Apostoly 16:3, fa noforan’i Paoly i Timoty, talohan’ny nitondrany azy hiaraka taminy, tamin’ny dia misionera nataony. Milaza anefa ny andininy fahefatra, fa nandeha nitety ny tanàna i Paoly sy Timoty, ka nanolotra “ilay didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema.” Anisan’ireny didy ireny ilay fanapahan-kevitra hoe tsy voatery hoforana intsony ny Kristianina! (Asan’ny Apostoly 15:5, 6, 28, 29) Nahoana i Paoly no nihevitra fa tena nilaina ny hamorana an’i Timoty? “Noho ny amin’ny Jiosy tany amin’ireo toerana ireo. Fantatr’izy rehetra mantsy fa Grika ny [rain’i Timoty].” Tsy te hanafintohina olona tsy amin’ny antony i Paoly. Niriny ny Kristianina mba “ho tsara laza [foana] amin’ny feon’ny fieritreretan’ny olona rehetra, eo imason’Andriamanitra.”​—2 Korintianina 4:2; 1 Korintianina 9:19-23.

Nanana izany toe-tsaina izany foana i Paoly sy Timoty. Vakio, ohatra, ny Romanina 14:15, 20, 21, sy ny 1 Korintianina 8:9-13; 10:23-33, dia ho hitanao fa tena niahy izay hahasoa ny olona teo amin’ny lafiny ara-panahy i Paoly, indrindra fa ireo mora tafintohina amin-javatra izay tsy diso velively. Ary hoy i Paoly momba an’i Timoty: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo. Ny hafa rehetra mantsy samy mitady ny ho an’ny tenany ihany, fa tsy ny ho an’i Kristy Jesosy. Fantatrareo anefa fa efa nanaporofo ny fahamendrehany izy, fa tahaka ny anompoan’ny zanaka ny rainy no nanompoany ahy teo amin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara.” (Filipianina 2:20-22) Ohatra tsara ho antsika tokoa ireo lehilahy kristianina roa ireo! Tsy izay tiany na ny tombontsoany no nofidiny, rehefa tsy nisy lalàna hentitra avy tamin’Andriamanitra. Nanahaka ny fitiavan’i Jehovah sy ny Zanany kosa izy ireo, ka nandinika ny ho vokatry ny fanapahan-keviny teo amin’ny ara-panahin’ny olon-kafa.

Diniho koa i Jesosy Kristy, ilay ohatra lehibe indrindra ho antsika. Nohazavainy tsara tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, fa hankatò ny lalàn’Andriamanitra ihany ny olona mahatakatra ny votoatin’ireny lalàna ireny, na dia tsy misy lalàna hentitra mahakasika ilay zavatra ataony aza. (Matio 5:21, 22, 27, 28) Na i Jesosy, na i Paoly, na i Timoty, na i Josefa, dia samy tsy nihevitra hoe afaka manao izay tiany izy, rehefa tsy misy lalàna hentitra avy amin’Andriamanitra. Nanaraka ny fomba fisainan’Andriamanitra ireo lehilahy ireo, ka nankatò an’ilay nantsoin’i Jesosy hoe ny didy roa lehibe indrindra, dia ny didy mba ho tia an’Andriamanitra sy ho tia ny mpiara-belona.​—Matio 22:36-40.

Ary ny Kristianina ankehitriny?

Mazava àry fa tsy tokony hoheverintsika ho toy ny bokin-dalàna misy ny tsipiriany rehetra amin’ny zavatra tsy maintsy atao, ny Baiboly. Mampifaly ny fon’i Jehovah isika, raha mifidy ny hanao zavatra araka ny fomba fisainany, na dia tsy misy lalàna hentitra mibaiko ny ataontsika aza. Tsy tokony hanantena filazana momba izay tian’Andriamanitra hataontsika foana àry isika, fa afaka ‘mamantatra hatrany izay sitrapon’i Jehovah’ kosa. (Efesianina 5:17; Romanina 12:2) Nahoana izany no mampifaly azy? Satria mampiseho izany fa tsy izay tiantsika na ny zontsika no tena ahintsika, fa ny hampifaly azy kosa. Mampiseho koa izany fa tena ankasitrahantsika ny fitiavany, ary irintsika ny hanahaka izany sy hahatonga azy io ho hery manosika antsika hanao zavatra. (Ohabolana 23:15; 27:11) Mahasalama ara-panahy sy ara-batana koa matetika ny asa mifanaraka amin’ny Soratra Masina.

Andeha hojerentsika izao ny fomba ampiharana an’io toro lalana io eo amin’ny fiainantsika.

Fifidianana fialam-boly

Te hividy raki-kira, ohatra, ny tovolahy iray. Tena nanintona azy ny hira reny tao amin’ilay raki-kira. Nanahy anefa izy, satria hitany amin’ny fonon’ilay raki-kira, fa vetaveta sady miresaka an-karihary momba ny firaisana ny tonon-kira ao. Fantany koa fa tezitra sy vonon-kiady ilay mpanakanto, ao amin’ny ankamaroan’ny hirany. Heverin’ilay tovolahy ho zava-dehibe ny hevitra sy ny fisainan’i Jehovah momba io raharaha io, satria tia azy izy. Ahoana àry no hamantarany izay sitrapon’Andriamanitra momba izany?

Notanisain’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatianina ny asan’ny nofo. Notanisainy koa avy eo ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, izay azo inoana fa fantatrao, dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. Inona avy kosa ny asan’ny nofo? Hoy i Paoly: “Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra, fanompoan-tsampy, fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo. Ny amin’ireo zavatra ireo, dia ampitandremako anareo mialoha, toy ny efa nampitandremako anareo rahateo, fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”​—Galatianina 5:19-23.

Mariho ireo teny farany ao amin’io lisitra io, dia ny hoe: “ny toy ireo.” Tsy nanome lisitra feno momba izay heverina ho asan’ny nofo i Paoly. Tsy midika anefa izany, fa azon’ny olona iray atao ny miteny toy izao: ‘Azoko atao ny manao zavatra tsy nolazain’i Paoly ho anisan’ny asan’ny nofo.’ Tokony hampiasa ny fahaizany misaina kosa ny mpamaky, ary hamantatra ireo zavatra tsy ao amin’io lisitra io, nefa anisan’ny “toy ireo.” Tsy hahazo ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona manao zavatra “toy ireo”, na tsy voatonona tao amin’ilay lisitra aza.

Mila mamantatra, na manavaka ny zavatra halan’i Jehovah àry isika. Sarotra ve izany? Andeha hatao hoe nanoro hevitra anao mba hihinana voankazo sy legioma betsaka ny dokoteranao, sady nandrara anao tsy hihinana henan’omby matavy na dibera, sy ny toy izany. Ho sarotra aminao ve ny hamantatra raha tokony hihinana henan-kisoa matavy ianao? Diniho indray àry izao ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra sy ny asan’ny nofo. Anisan’ny asan’ny nofo sa anisan’ny vokatry ny fanahy ilay raki-kira noresahina tetsy aloha? Tsy misy mihitsy ny ifandraisan’izy io amin’ny fitiavana, na hatsaram-panahy, na fifehezan-tena, na toetra hafa anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Tsy hila lalàna hentitra isika, vao hahafantatra fa tsy mifanaraka amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra ilay karazana mozika. Voakasik’io toro lalana io koa ny boky, na filma na fandaharana hafa ao amin’ny tele, na lalao amin’ny ordinatera, na toerana ao amin’ny Internet, sy ny sisa.

Fitafiana sy taovolo mety

Manome toro lalana momba ny fitafiana sy taovolo koa ny Baiboly. Manampy ny Kristianina tsirairay izy ireny, mba hananany fitafiana sy taovolo mety sy mahafinaritra hatrany. Heverin’ireo tia an’i Jehovah ho fahafahana azo hararaotina mba hampifaliana ny Rainy any an-danitra anefa izany, fa tsy hanaovana izay tiany kosa. Efa hitantsika tany aloha, fa na dia tsy manome lalàna hentitra momba ny raharaha iray aza i Jehovah, dia tsy midika izany fa tsy miraharaha izay ataon’ny vahoakany izy. Miova arakaraka ny toerana mantsy ny karazan’akanjon’ny olona, sady miova matetika, na ao amin’ny toerana iray aza. Nanome toro lalana fototra ho an’ny vahoakany kosa Andriamanitra, mba hitari-dalana azy ireo, na aiza na aiza misy azy, ary na rahoviana na rahoviana.

Milaza toy izao, ohatra, ny 1 Timoty 2:9, 10: “Iriko koa ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy. Aoka kosa ny fihaingoany hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, izany hoe, amin’ny alalan’ny asa tsara.” Tokony handinika tsara àry ny vehivavy (sy ny lehilahy) kristianina, satria misy karazana fitafiana sy taovolo antenain’ny olona eo amin’ny toerana misy azy fa ananan’ireo “milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra.” Mety indrindra ny andinihan’ny Kristianina ny ho vokatry ny fitafiany sy ny taovolony, eo amin’ny fiheveran’ny olona ny hafatra toriny avy ao amin’ny Baiboly. (2 Korintianina 6:3) Tsy hiahy loatra momba izay tiany na ny zony ny Kristianina fakan-tahaka, fa hitandrina kosa mba tsy ho tonga fanelingelenana na vato mahatafintohina ho an’ny hafa.​—Matio 18:6; Filipianina 1:10.

Izay hahasoa ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy no nahin’ny apostoly Paoly kokoa, noho izay zavatra tiany. Afaka manahaka azy àry ny Kristianina, raha mahita fa hafahafa amin’ny olona na manelingelina azy, ny karazana fitafiana sy taovolo sasany. Hoy i Paoly: “Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintianina 11:1) Hoy koa izy momba an’i Jesosy: “Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany.” Mazava ny toromarik’i Paoly ho an’ny Kristianina rehetra, dia ny hoe: “Isika izay matanjaka anefa dia tokony hitondra ny fahalemen’izay tsy matanjaka, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika. Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy.”​—Romanina 15:1-3.

Hatsarao ny fahaizanao misaina

Ahoana no hanatsarantsika ny fahaizantsika misaina, ka hampifaliantsika an’i Jehovah foana, na dia rehefa tsy nanome lalàna hentitra momba ilay raharaha aza izy? Hihatsara ny fahaizantsika misaina, raha mamaky ny Teniny isan’andro isika, ary mianatra azy io tsy tapaka, sy misaintsaina izay vakintsika. Tsy miseho vetivety io fihatsarana io. Mandeha tsikelikely sady tsy hita avy hatrany ny fitomboana ara-panahy, toy ny fitomboan’ny zaza. Ilaina àry ny faharetana, ary tsy tokony ho kivy isika, raha tsy mahamarika fihatsarana eo no ho eo. Tsy manatsara ny fahaizantsika misaina anefa raha ny fandehan’ny fotoana fotsiny. Tsy maintsy ampiasaintsika mba hianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ireny fotoana ireny, araka ny voalaza tetsy ambony. Tsy maintsy ampiharintsika araka izay vitantsika eo amin’ny fiainantsika koa ny Tenin’Andriamanitra.​—Hebreo 5:14.

Azo lazaina fa mankatò àry isika, raha manaraka ny lalàn’Andriamanitra. Matanjaka ara-panahy sy maniry hampifaly azy kosa isika, raha manaraka ny toro lalany. Miezaka mafy kokoa hanahaka an’i Jehovah sy ny Zanany isika, arakaraka ny itomboantsika eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ho dodona isika ny handray fanapahan-kevitra miorina amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra, hita ao amin’ny Soratra Masina. Ho hitantsika fa ho faly kokoa isika, rehefa miezaka mampifaly ilay Raintsika any an-danitra amin’ny zavatra rehetra ataontsika.

[Sary, pejy 23]

Samy hafa, arakaraka ny tany, ny karazan’akanjo, nefa manampy antsika ny toro lalan’ny Baiboly