Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tompo ô, mba Ampianaro Mivavaka Izahay”

“Tompo ô, mba Ampianaro Mivavaka Izahay”

“Tompo ô, mba Ampianaro Mivavaka Izahay”

“Hoy ny mpianany anankiray: ‘Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.’”​—LIOKA 11:1.

1. Nahoana no nangataka an’i Jesosy mba hampianatra azy hivavaka ny iray tamin’ny mpianany?

NANDINIKA an’i Jesosy nivavaka ny mpianany iray indray mandeha, tamin’ny taona 32. Tsy reny izay nolazain’i Jesosy tamin’ny Rainy, satria nivavaka mangina angamba izy. Rehefa vita anefa ilay vavaka, dia hoy ilay mpianatra taminy: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.” (Lioka 11:1) Fa nahoana izy no nangataka izany? Nivavaka tsy tapaka ny Jiosy teo amin’ny fiainany sy ny fanompoany an’Andriamanitra. Misy vavaka maro be ao amin’ny Soratra Hebreo, toy ny ao amin’ny Salamo sy ny boky hafa. Tsy nangataka ny hampianarina zavatra mbola tsy fantany na tsy nataony mihitsy àry ilay mpianatra. Azo antoka fa fantany tsara ireo vavaka be fombafomba nataon’ny mpitondra fivavahana jiosy. Rehefa nandinika an’i Jesosy nivavaka anefa izy, dia azo inoana fa hitany hoe samy hafa be tamin’ny vavak’ireo raby nihevi-tena ho marina, ny an’i Jesosy.​—Matio 6:5-8.

2. a) Inona no mampiseho fa tsy nasain’i Jesosy hamerina tsianjery ilay vavaka modely isika? b) Nahoana no tiantsika ho fantatra ny fomba fivavaka?

2 Efa nanome modelim-bavaka harahin’ny mpianany i Jesosy, herintaona sy tapany teo ho eo talohan’izay, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. (Matio 6:9-13) Tsy teo angamba io mpianatra io tamin’izay, ka naverin’i Jesosy taminy ny hevi-dehibe tao amin’ilay vavaka modely. Tsara homarihina fa tsy naveriny daholo ny teny rehetra tao amin’io vavaka io. Mampiseho izany fa tsy nasain’i Jesosy haverina tsianjery ilay vavaka modely nomeny. (Lioka 11:1-4) Te hianatra hivavaka toa an’io mpianatra tsy fantatra anarana io koa isika, mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah. Andeha àry aloha hodinihintsika ilay vavaka modely manontolo, izay nosoratan’ny apostoly Matio. Misy fangatahana fito ao amin’izy io: ny telo mahakasika ny fikasan’Andriamanitra, ary ny efatra momba izay ilaintsika ara-nofo sy ara-panahy. Ny telo voalohany no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity.

Ray be fitiavana

3, 4. Midika ho inona ny fiantsoantsika an’i Jehovah hoe “Rainay”?

3 Vao eo am-piandohana, dia efa nasehon’i Jesosy fa tokony ho hita taratra eo amin’ny vavaka ataontsika fa manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah isika, nefa manaja azy. Nasainy niantso an’i Jehovah hoe “Rainay izay any an-danitra”, ireo mpianany niaraka taminy teo an-tendrombohitra. (Matio 6:9) Misy manam-pahaizana milaza fa na niteny hebreo i Jesosy, na niteny aramianina, dia tsy misy hafa amin’ny teny feno fitiavana iantsoan’ny ankizy an-drainy, ilay teny hoe ‘Ray’ nampiasainy. Mampiseho fisakaizana amin’i Jehovah sy fatokisana azy àry ny fiantsoana azy hoe “Rainay.”

4 Rehefa miantso azy hoe “Rainay” koa isika, dia miaiky fa anisan’ny fianakaviambe voaforona lehilahy sy vehivavy manaiky an’i Jehovah ho Mpanome aina. (Isaia 64:8; Asan’ny Apostoly 17:24, 28) Natsangana ho “zanak’Andriamanitra” ny Kristianina nateraky ny fanahy, ka afaka ‘miantso mafy azy hoe: “Aba, Ray ô!”’ (Romanina 8:14, 15) Misy an-tapitrisa ny olona lasa naman’izy ireo sy tsy mivadika aminy. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo, ary nampiseho izany tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano. Afaka manatona an’i Jehovah amin’ny anaran’i Jesosy koa ireo “ondry hafa” rehetra ireo, ary miantso azy hoe “Rainay.” (Jaona 10:16; 14:6) Afaka mivavaka tsy tapaka amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, mba hidera sy hisaotra azy noho ny zava-tsoa rehetra nomeny antsika, ary mba hilaza aminy ny fanahiantsika, satria matoky isika fa mikarakara antsika izy.​—Filipianina 4:6, 7; 1 Petera 5:6, 7.

Fitiavana ny anaran’i Jehovah

5. Inona no zavatra angatahina voalohany ao amin’ilay vavaka modely, ary nahoana no mety tsara izany?

5 Ny zavatra voalohany angatahina amin’ilay vavaka dia mampiseho avy hatrany hoe inona no tokony ho loha laharana. Voalaza ao hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika, satria tiantsika izy ary halantsika ny fanalam-baraka rehetra natao tamin’ny anarany. Nanala baraka ny anaran’i Jehovah i Satana, rehefa nikomy sy nitaona ny mpivady voalohany tsy hankatò azy. Nasehony tamin’izany mantsy fa tsy natoky izy hoe mety ny fomba ampiharan’Andriamanitra ny fahefany eo amin’izao rehetra izao. (Genesisy 3:1-6) Nalam-baraka koa ny anaran’i Jehovah nandritra ny taonjato maro, noho ireo asa sy fampianarana mahamenatra nataon’ny olona mihambo ho misolo tena azy.

6. Inona no tsy hataontsika raha mivavaka mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah isika?

6 Asehontsika fa manohana tanteraka ny zon’i Jehovah ho mpanjakan’izao rehetra izao isika, rehefa mivavaka mba hanamasinana ny anarany. Iriny hanaiky an-tsitrapo sy amim-pifaliana ny fitondrany ara-drariny ny zavaboary manan-tsaina rehetra, noho ny fitiavana azy sy ny fiheverana ny lazany ho zava-dehibe. (1 Tantara 29:10-13; Salamo 8:1; 148:13) Hisakana antsika tsy hanao izay hahafa-baraka ny anarana masin’i Jehovah, ny fitiavantsika ny anarany. (Ezekiela 36:20, 21; Romanina 2:21-24) Miankina amin’ny fanamasinana ny anarany sy ny fanekena amin’ny fo manontolo ny fitondrany, no hampiadana ny tany sy ny mponina eo aminy. Rehefa mivavaka àry isika hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao”, dia asehontsika fa matoky isika hoe ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah ho fiderana azy.​—Ezekiela 38:23.

Ilay Fanjakana angatahintsika amim-bavaka

7, 8. a) Inona ilay Fanjakana nasain’i Jesosy hangatahintsika amim-bavaka? b) Inona no lazain’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy momba io Fanjakana io?

7 Izao no zavatra faharoa angatahina ao amin’ilay vavaka modely: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” (Matio 6:10) Mifandray akaiky amin’ilay fangatahana voalohany izy io. Hanamasina ny anarany i Jehovah amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia any an-danitra, ary i Jesosy Kristy Zanany no notendreny ho Mpanjakan’izy io. (Salamo 2:1-9) Lazain’ny faminanian’i Daniela fa toy “ny vato” nendahana tamin’ny “tendrombohitra” io Fanjakana io. (Daniela 2:34, 35, 44, 45) Ilay tendrombohitra dia mifanitsy amin’ny fahefan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Koa ilay vato, na ilay Fanjakana àry dia endrika vaovao isehoan’io fahefany io. Milaza ilay faminaniana fa “tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra” ilay vato avy eo. Midika izany fa hampiasa ny Fanjakan’ny Mesia Andriamanitra, mba hampiharana ny fahefany amin’ny tany manontolo.

8 Ankoatra an’i Kristy, dia misy 144 000 “novidina avy teo amin’ny olombelona”, ho mpisorona sy ho mpanjaka miaraka aminy. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-4; 20:6) Antsoin’i Daniela hoe “olo-masin’ny Avo Indrindra” izy ireo, ary handray “ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra” miaraka amin’i Kristy Filohany. “Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.” (Daniela 7:13, 14, 18, 27) Toy izany ilay fanjakana any an-danitra, izay nasain’i Kristy hangatahin’ny mpanara-dia azy amim-bavaka.

Nahoana no mbola angatahina ho tonga ilay Fanjakana?

9. Nahoana no mety ny ivavahantsika mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

9 Nampianarin’i Kristy hangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, ao amin’ilay vavaka modely. Asehon’ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly fa niorina tany an-danitra ny Fanjakan’ny Mesia, tamin’ny 1914. * Mbola mety àry ve ny ivavahantsika mba ‘hahatongavan’io’ Fanjakana io? Eny tokoa. Araka ny faminanian’i Daniela mantsy, dia namely ny fitondram-panjakan’olombelona, izay aseho toy ny sary goavam-be iray, ilay vato na ny Fanjakan’ny Mesia. Mbola ho avy ny fotoana hamelezan’ilay vato an’io sary io, sy hanorotoroany azy. Hoy ny faminanian’i Daniela: “Izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”​—Daniela 2:44.

10. Nahoana isika no maniry mafy ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

10 Irintsika mafy ny handravan’ny Fanjakan’Andriamanitra an’ity tontolo ratsin’i Satana ity, satria hanamasina ny anaran’i Jehovah izany ary handringana izay rehetra manohitra ny zony hitondra. Mivavaka mafy àry isika hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, ary miara-milaza amin’ny apostoly Jaona hoe: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!” (Apokalypsy 22:20) Enga anie ho avy tokoa i Jesosy hanamasina ny anaran’i Jehovah sy hanamarina ny zony hitondra. Ho tanteraka amin’izay ny tenin’ny mpanao salamo hoe: ‘Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.’​—Salamo 83:18.

‘Hatao anie ny sitraponao’

11, 12. a) Inona no angatahintsika, rehefa mivavaka isika mba ‘hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, tahaka ny any an-danitra’? b) Inona koa no asehon’io vavaka ataontsika io?

11 Nasain’i Jesosy nivavaka avy eo ny mpianany hoe: “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Noho ny sitrapon’i Jehovah no nampisy izao rehetra izao. Miantso mafy ireo zavaboary mahery any an-danitra hoe: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Apokalypsy 4:11) Manana fikasana ho an’ny ‘zavatra any an-danitra sy ny eto an-tany’ i Jehovah. (Efesianina 1:8-10) Mangataka an’i Jehovah mba hanatanteraka ny fikasany isika, raha ny marina, rehefa mivavaka hoe: ‘Hatao anie ny sitrapony.’ Asehontsika amin’izany koa, fa irintsika mafy ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra manerana izao rehetra izao.

12 Rehefa manao an’io vavaka io koa isika, dia mampiseho fa vonona hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34) Toa an’i Jesosy, dia mahafinaritra antsika Kristianina vita fanoloran-tena ny manao ny sitrapon’Andriamanitra. Tiantsika i Jehovah sy ny Zanany, hany ka tsy velona ‘ho an’ny fanirian’olombelona intsony isika, fa velona hanao ny sitrapon’Andriamanitra.’ (1 Petera 4:1, 2; 2 Korintianina 5:14, 15) Miezaka mafy isika mba tsy hanao izay zavatra fantatsika fa mifanohitra amin’ny sitrapony. (1 Tesalonianina 4:3-5) ‘Mamantatra hatrany izay sitrapon’i Jehovah’ isika, rehefa manararaotra ny fotoana mba hamakiana sy hianarana ny Baiboly. Ary anisan’ny sitrapony koa ny hitoriantsika amin-jotom-po ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.”​—Efesianina 5:15-17; Matio 24:14.

Ny sitrapon’i Jehovah any an-danitra

13. Ahoana no nanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, ela be talohan’ny nikomian’i Satana?

13 Natao tany an-danitra ny sitrapon’i Jehovah, ela be talohan’ny nikomian’ny anjely iray, izay lasa Satana. Miresaka momba ny Zanak’Andriamanitra lahimatoa ny bokin’ny Ohabolana, ary miantso azy hoe fahendrena. Voalaza ao fa ‘ravoravo mandrakariva teo anatrehan’ny’ Rainy, na faly nanao ny sitrapony, io Zanak’Andriamanitra lahitokana io, nandritra ny taona maro tsy hita isa. Lasa “mpità-marika” na Mpiasa Kingan’i Jehovah izy, ary nanampy azy namorona ny zava-drehetra “any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita.” (Ohabolana 8:22-31; Kolosianina 1:15-17) Nampiasain’i Jehovah ho toy ny Teniny izy, na Mpitondra Teniny.​—Jaona 1:1-3.

14. Ahoana no anatanterahan’ny anjely ny sitrapon’i Jehovah any an-danitra, araka ny Salamo faha-103?

14 Asehon’ny mpanao salamo fa manana fahefana eo amin’ny zavaboary rehetra i Jehovah, ary mihaino ny toromariny sy ny didiny ireo anjely maro be. Hoy izy: “Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. Misaora an’i Jehovah, hianareo anjeliny, dia hianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra, dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra eran’ny fanjakany.”​—Salamo 103:19-22.

15. Hazavao fa atao any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy.

15 Asehon’ny bokin’i Joba fa mbola afaka nankany an-danitra ihany i Satana, na dia taorian’ny fikomiany aza. (Joba 1:6-12; 2:1-7) Voalaza mialoha ao amin’ny Apokalypsy anefa fa horoahina avy any an-danitra izy sy ny demoniany. Toa taoriana kelin’ny naha lasa Mpanjaka an’i Jesosy Kristy, tamin’ny 1914, izany no nitranga. Tsy nisy toerana ho an’ireo mpikomy ireo intsony tany an-danitra nanomboka hatreo. Voatana etỳ amin’ny manodidina ny tany izy ireo. (Apokalypsy 12:7-12) Tsy misy feo re manohitra ny zon’i Jehovah hitondra intsony any an-danitra. Feo mihoby “ny Zanak’ondry” na i Kristy Jesosy, sy midera an’i Jehovah, sisa no re any. (Apokalypsy 4:9-11) Tena atao any an-danitra tokoa ny sitrapon’i Jehovah.

Ny sitrapon’i Jehovah ho an’ny tany

16. Asehoy fa ilay vavaka modely dia manaporofo fa diso ilay fampianaran’ny Kristianisma Anarana momba ny fanantenan’ny olombelona.

16 Tsy miresaka ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany mihitsy ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana, satria lazainy fa ho any an-danitra daholo ny olona tsara. Nampianatra antsika hivavaka anefa i Jesosy hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Afaka milaza ve isika fa atao etỳ an-tany ny sitrapon’i Jehovah rehetra ankehitriny, nefa manjaka ny herisetra, ny tsy rariny, ny aretina, ary ny fahafatesana? Tsy izany velively! Tokony hivavaka mafy àry isika mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany, araka ny fampanantenana nosoratan’ny apostoly Petera hoe: ‘Misy lanitra vaovao [ny Fanjakan’ny Mesia tantanan’i Kristy] sy tany vaovao [fitambaran’olo-marina] hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’​—2 Petera 3:13.

17. Inona no fikasan’i Jehovah ho an’ny tany?

17 Nanana fikasana i Jehovah rehefa namorona ny tany. Nasainy nanoratra i Isaia mpaminany hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.” (Isaia 45:18) Napetrany tao amin’ny paradisa ny mpivady voalohany, ary nodidiany hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” (Genesisy 1:27, 28; 2:15) Mazava àry fa ny fikasan’ilay Mpamorona dia ny hahatonga ny tany ho feno olo-marina sy lavorary, izay hanaiky amim-pifaliana ny fahefany sy hiaina mandrakizay ao amin’ilay Paradisa nampanantenain’i Kristy.​—Salamo 37:11, 29; Lioka 23:43.

18, 19. a) Inona no tsy maintsy atao, alohan’ny hanaovana an-tsakany sy an-davany ny sitrapon’Andriamanitra rehetra etỳ an-tany? b) Lafiny inona amin’ilay vavaka modely no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Tsy ho tanteraka an-tsakany sy an-davany mihitsy ny sitrapon’i Jehovah ho an’ny tany, raha mbola misy olona manohitra ny zony hitondra. Hampiasa ireo fanahy mahery eo ambany fitarihan’i Kristy izy, mba “handringanana izay manimba ny tany.” Hesorina tsy hisy intsony mandrakizay ny tontolo ratsin’i Satana, dia ny fivavahan-diso, ny fitondran’olombelona mpandray tsolotra, ny varotra ataon’ny olona matimatin-karena sy mpamitaka, ary ny tafika mpandrava tanàna. (Apokalypsy 11:18; 18:21; 19:1, 2, 11-18) Hohamarinina ny zon’i Jehovah hitondra ary hohamasinina ny anarany. Izany rehetra izany no angatahintsika, rehefa mivavaka isika hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”​—Matio 6:9, 10.

19 Nasehon’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely anefa, fa afaka mivavaka momba izay ilaintsika koa isika. Io lafiny io indray no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo ny toko faha-6 amin’ny boky Faminanian’i Daniela, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ho Famerenana

• Nahoana no mety ny iantsoantsika an’i Jehovah hoe “Rainay”?

• Nahoana no zava-dehibe indrindra amintsika ny mivavaka mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah?

• Nahoana isika no mivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

• Inona avy no angatahintsika, rehefa mivavaka isika mba hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, tahaka ny any an-danitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Samy hafa be tamin’ny vavak’ireo Fariseo nihevi-tena ho marina ny vavak’i Jesosy

[Sary, pejy 10]

Ny Kristianina dia mivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanamasinana ny anarany ary hanaovana ny sitrapony