Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mpanompo” Mahatoky Sady Malina

“Mpanompo” Mahatoky Sady Malina

Mpanompo” Mahatoky Sady Malina

“Iza tokoa moa no mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara ny mpiasa an-tranony?”​—MATIO 24:45.

1, 2. Nahoana isika no mila mandray sakafo ara-panahy tsy tapaka ankehitriny?

NAMETRAKA fanontaniana misy heviny lehibe ho antsika ny mpianatr’i Jesosy, ny talata tolakandron’ny 11 Nisana taona 33. Nanontany an’i Jesosy izy ireo hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Niresaka faminaniana niavaka iray i Jesosy, rehefa namaly izany. Nilaza izy fa hisy fotoana hanjakan’ny korontana satria hisy ady, mosary, horohoron-tany, ary aretina. Vao ho “fiandohan’ny fahoriana” anefa izany, satria mbola hiharatsy ny toe-javatra. Mampahatahotra tokoa izany!​—Matio 24:3, 7, 8, 15-22; Lioka 21:10, 11.

2 Tanteraka ny ankamaroan’ny faminaniana nambaran’i Jesosy, nanomboka tamin’ny 1914. Tena ao anatin’ny “fahoriana” tokoa ny olombelona ankehitriny. Tsy tokony hatahotra anefa ny tena Kristianina, satria nampanantena i Jesosy fa hanome azy sakafo ara-panahy mahavelona. Efa any an-danitra anefa izy izao, koa inona àry no fandaharana nataony ho antsika etỳ an-tany mba handraisantsika sakafo ara-panahy?

3. Inona no fandaharana nataon’i Jesosy mba hahazoantsika ny ‘sakafo amin’ny fotoana mety’?

3 I Jesosy ihany no nanome ny valin’io fanontaniana io. Tamin’izy nilaza ilay faminaniana lehibe, dia nanontany izy hoe: “Iza tokoa moa no mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara ny mpiasa an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?” Hoy izy avy eo: “Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hikarakara ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:45-47) Misy “mpanompo” voatendry hanome sakafo ara-panahy, araka izany. Eny, mpanompo mahatoky sady malina. Olona iray monja ve io mpanompo io, sa olona mifandimbidimby, sa zavatra hafa? Mahasoa antsika ny fahafantarana ny valin’izany, satria manome ny sakafo ara-panahy tena ilaintsika io mpanompo mahatoky io.

Olona iray sa vondron’olona?

4. Nahoana no tsy mety ho olona iray ilay “mpanompo mahatoky sy malina”?

4 Tsy mety ho olona iray ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Nahoana? Satria efa tamin’ny taonjato voalohany io mpanompo io no nanomboka nanome sakafo ara-panahy. Nilaza anefa i Jesosy fa mbola hanao toy izany ihany io mpanompo io, rehefa tonga ny Tompony, tamin’ny 1914. Raha olona iray izy io, dia midika izany fa nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny 1 900 taona teo ho eo izy. Na i Metosela aza anefa tsy ela velona toy izany!​—Genesisy 5:27.

5. Nahoana no tsy manondro ny Kristianina tsirairay ilay teny hoe “mpanompo mahatoky sy malina”?

5 Mety hanondro ny Kristianina tsirairay ve ilay teny hoe “mpanompo mahatoky sy malina”? Marina aloha fa tsy maintsy mahatoky sy malina ny Kristianina rehetra. Zavatra hafa anefa no noeritreretin’i Jesosy, rehefa niresaka ny amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izy. Ahoana no ahalalantsika izany? Satria nilaza izy fa rehefa ho ‘tonga ilay tompo’, dia hotendreny “hikarakara ny fananany rehetra” ilay mpanompo. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina tsirairay hikarakara ny zava-drehetra, izany hoe ny fananan’ny Tompo “rehetra”? Tsy ho vita izany!

6. Nahoana ny firenen’ny Israely no nantsoin’Andriamanitra tamin’ny teny milaza tokana hoe “mpanompoko”?

6 Ny hany azo ekena àry dia hoe vondron’olona kristianina no nantsoin’i Jesosy hoe “mpanompo mahatoky sy malina.” Mety ho vondron’olona ve ilay mpanompo? Eny. Fitonjato taona talohan’i Kristy, dia niantso ny vahoakan’ny Israely manontolo hoe “mpanompoko izay efa nofidiko” i Jehovah. (Isaia 43:10) Teny milaza tokana ny hoe “mpanompoko” eto. Anisan’io mpanompo io avokoa anefa ny Israelita tsirairay nanomboka tamin’ny 1513 T.K., fony nomena ny Lalàn’i Mosesy, ka hatramin’ny Pentekosta taona 33. Ny ankamaroan’ny Israelita dia tsy nandray anjara nivantana na tamin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, na tamin’ny fandrindrana ny sakafo ara-panahin’ilay firenena. Ny mpanjaka, mpitsara, mpaminany, mpisorona, ary Levita no nasain’i Jehovah nanao izany. Ny firenen’ny Israely manontolo anefa no tsy maintsy nanaporofo fa manana zo hitondra i Jehovah, sady tsy maintsy nidera azy tany amin’ny firenen-kafa. Tsy maintsy vavolombelon’i Jehovah ny Israelita tsirairay.​—Deoteronomia 26:19; Isaia 43:21; Malakia 2:7; Romanina 3:1, 2.

‘Mpanompo’ natsahatra tamin’ny asany

7. Nahoana no tsy nahafeno fepetra ho ‘mpanompon’Andriamanitra’ intsony ny firenen’ny Israely?

7 Ny Israely no ‘mpanompon’Andriamanitra’ nandritra ny taonjato maro, nefa mbola izy ihany ve ilay mpanompo noresahin’i Jesosy? Tsia, satria nampalahelo fa sady tsy nahatoky ny Israely fahiny, no tsy malina. Namintina ny zava-nitranga i Paoly, rehefa nanonona izao tenin’i Jehovah tamin’ilay firenena izao: “Tevatevaina eo amin’ny hafa firenena ny anaran’Andriamanitra, noho ny aminareo.” (Romanina 2:24) Efa hatry ny ela ny Israelita no nikomy, ary nahatratra ny fara tampony izany rehefa nanda an’i Jesosy izy. Nolavin’i Jehovah àry izy ireo tamin’izay.​—Matio 21:42, 43.

8. Oviana no nisy ‘mpanompo’ notendrena hisolo ny Israely, ary ahoana no nitrangan’izany?

8 Tsy nahatoky ilay ‘mpanompo’, izany hoe ny Israely, nefa tsy midika izany fa tsy hahazo sakafo ara-panahy intsony ny mpivavaka mahatoky. Nilatsahan’ny fanahy masina ny mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo, tao amin’ny efitra ambony rihana iray tany Jerosalema, 50 andro taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, izany hoe tamin’ny Pentekosta taona 33. Nisy firenena vaovao teraka tamin’io fotoana io. Nampahafantarina ny besinimaro ny fahaterahany, rehefa sahy nanomboka nilaza tamin’ny mponin’i Jerosalema momba “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra”, ireo olona anisan’io firenena io. (Asan’ny Apostoly 2:11) Io firenena ara-panahy sy vaovao io indray ilay ‘mpanompo’, izay manambara ny voninahitr’i Jehovah any amin’ny firenen-kafa sy manome sakafo amin’ny fotoana mety. (1 Petera 2:9) Nety tsara àry ny niantsoana azy io hoe “Israelin’Andriamanitra.”​—Galatianina 6:16.

9. a) Iza ilay “mpanompo mahatoky sy malina”? b) Iza ireo ‘mpiasa an-trano’?

9 Kristianina voahosotry ny fanahy masina avokoa ireo anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.” Vita fanoloran-tena sy batisa izy ireo, ary manantena ny ho any an-danitra. Ny hoe “mpanompo mahatoky sy malina” àry dia manondro an’io firenena ara-panahy io, izany hoe ny voahosotra rehetra tetỳ an-tany, nanomboka tamin’ny taona 33 ka hatramin’izao. Mitovy amin’izany koa ilay mpanompo talohan’ny andro kristianina, izay voaresaka ao amin’ny Isaia 43:10. Tsy iza akory izy io fa ny Israelita tsirairay velona teo anelanelan’ny 1513 T.K. ka hatramin’ny Pentekosta taona 33. Iza kosa anefa ireo ‘mpiasa an-trano’, izay mahazo sakafo ara-panahy avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”? Ho any an-danitra ny fanantenan’ny Kristianina voalohany rehetra. Noho izany, dia Kristianina voahosotra koa ireo mpiasa an-trano, saingy raisina tsirairay fa tsy amin’ny fitambarany. Nila sakafo ara-panahy avy tamin’ilay mpanompo izy rehetra, anisan’izany ny mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana.​—1 Korintianina 12:12, 19-27; Hebreo 5:11-13; 2 Petera 3:15, 16.

“Nanome asa ho an’ny tsirairay”

10, 11. Ahoana no ahalalantsika fa tsy mitovy ny asa nanendrena ny olona rehetra anisan’ilay mpanompo?

10 Marina fa “ny Israelin’Andriamanitra” no ilay mpanompo mahatoky sy malina notendrena hanao asa, nefa manana ny andraikiny koa ny tsirairay aminy. Manazava izany ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Marka 13:34. Hoy izy: “Izany dia toy ny lehilahy iray nandeha any an-tany hafa, ka niala tao an-tranony ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanome asa ho an’ny tsirairay, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina hatrany.” Nisy asa àry nanendrena ny olona tsirairay anisan’ilay mpanompo, dia ny hampitombo ny fananan’i Kristy eto an-tany. Manao an’io asa io arakaraka ny fahaizany sy ny fahafahany, ny tsirairay.​—Matio 25:14, 15.

11 Nilaza tamin’ny Kristianina voahosotra tamin’ny androny koa ny apostoly Petera hoe: “Ampiasao mba hifanompoana izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra. Ary niseho tamin’ny fomba maro samihafa izany hatsaram-panahiny izany.” (1 Petera 4:10) Koa nanana andraikitra hifanompo sy hampiasa izay nomen’Andriamanitra azy àry ireo voahosotra ireo. Hita amin’ny tenin’i Petera koa fa tsy mitovy ny fahaizana sy andraikitra ary tombontsoa ananan’ny Kristianina rehetra. Afaka manao ny anjarany mba hampitomboana ilay firenena ara-panahy anefa ny tsirairay amin’ilay mpanompo. Amin’ny fomba ahoana?

12. Mandray anjara amin’ny fitomboan’ilay mpanompo ny tsirairay amin’io mpanompo io, na lahy izy na vavy. Amin’ny fomba ahoana?

12 Tokony ho vavolombelon’i Jehovah aloha ny tsirairay aminy, ka hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Isaia 43:10-12; Matio 24:14) Taloha kelin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia nandidy ny mpianany nahatoky rehetra izy, na lahy na vavy, mba hampianatra. Hoy izy: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”​—Matio 28:19, 20.

13. Inona no tombontsoa ananan’ny voahosotra rehetra?

13 Tokony hampianarina tsara ny zava-drehetra nandidian’i Kristy ireo mpianatra vaovao. Raha nandray tsara izany fampianarana izany izy ireo, dia nahay nampianatra olon-kafa indray avy eo. Afaka nahazo sakafo ara-panahy mahavelona ireo mety ho anisan’ilay mpanompo tany amin’ny firenena maro. Nandray anjara tamin’ny asa fanaovana mpianatra ny Kristianina voahosotra rehetra, na lahy izy na vavy. (Asan’ny Apostoly 2:17, 18) Tokony hitohy izany asa izany nanomboka tamin’ny fotoana nanombohan’ilay mpanompo azy io, ka mandra-pifaranan’ity tontolo ity.

14. Iza ihany no voatendry hampianatra ny fiangonana, ary ahoana no fiheveran’ny vehivavy voahosotra mahatoky izany?

14 Ireo voahosotra vao avy natao batisa dia lasa anisan’ilay mpanompo. Ary na iza na iza nampianatra azy ireo tamin’ny voalohany, dia mbola nitohy ny fampianarana azy ireo, ka ireo lehilahy mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina ho anti-panahin’ny fiangonana no nanohy izany. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:6-9) Nanana tombontsoa manokana hampitombo an’ilay firenena àry ireo lehilahy voatendry ireo. Tsy sosotra ireo vehivavy voahosotra mahatoky, na dia ny lehilahy ihany aza no notendrena hampianatra ny fiangonana. (1 Korintianina 14:34, 35) Faly kosa izy ireo nandray soa avy tamin’ny asa mafy nataon’izy ireny. Ankasitrahan’ireo vehivavy ireo koa ny tombontsoa nananany, anisan’izany ny fitoriana ny vaovao mahafaly. Manetry tena toy izany koa ny anabavy voahosotra be zotom-po ankehitriny, na voahosotra ireo anti-panahy voatendry na tsia.

15. Inona no tena fototry ny sakafo ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany, ary iza no niandraikitra ny fizarana izany?

15 Nisy taratasy nosoratan’ny apostoly, ary teo koa ny an’ny mpianatra hafa nanana andraikitra teo anivon’ny fiangonana, ka ireny mivantana no fototry ny sakafo ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany. Nampitampitaina tamin’ny fiangonana ny taratasy nosoratan’izy ireo, indrindra fa ireo hita ao amin’ireo boky 27 anisan’ny Soratra Grika Kristianina, izay avy tamin’ny fanahy masina. Azo antoka fa ireny no fototry ny fampianaran’ny anti-panahy. Izany no fomba nizarana sakafo ara-panahy mahavelona tamin’ny Kristianina tso-po, ary ny solontenan’ilay mpanompo no nizara izany. Noporofoin’ilay mpanompo tamin’ny taonjato voalohany tokoa fa nahatoky izy teo am-piantsorohana ny asa nampanaovina azy.

Ilay “mpanompo” rehefa afaka 1 900 taona

16, 17. Ahoana no nanaporofoan’ilay mpanompo fa nahatoky izy teo am-panatanterahana ny asany, talohan’ny 1914?

16 Ahoana ny amin’ny androntsika? Nahita Kristianina voahosotra nahatoky, izay teo am-pizarana sakafo ara-panahy tamin’ny fotoana nety, ve i Jesosy rehefa nanomboka nanatrika tamin’ny 1914? Eny. Mora nofantarina io antokon’olona io satria namoa voa tsara. (Matio 7:20) Manamarina izany rahateo ny tantara.

17 Nisy 5 000 teo ho eo ny ‘mpiasa an-trano’ nisahirana nanely ny fahamarinana ara-baiboly, tamin’i Jesosy tonga. Vitsy ny mpiasa, nefa nahita fomba vaovao maromaro hanelezana ny vaovao tsara ilay mpanompo. (Matio 9:38) Nisy toriteny ara-baiboly, ohatra, navoaka tao amin’ny gazety efa ho 2 000. Koa avy hatrany dia an’aliny ny olona afaka namaky ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Nisy sary miloko sy sary mihetsika maharitra adiny valo koa nomanina. Noho io fomba vaovao io, dia olona maherin’ny sivy tapitrisa, tany amin’ny kontinanta telo, no afaka nahita izay raketin’ny Baiboly, nanomboka tamin’ny Famoronana ka hatramin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Nampiasaina koa ny boky sy gazety. Dimy alina teo ho eo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana natonta tamin’ny 1914.

18. Oviana no notendren’i Jesosy hikarakara ny fananany rehetra ilay mpanompo, ary nahoana?

18 Rehefa tonga tokoa ny Tompo, dia hitany fa tsy nataon’ny mpanompony nahatoky an-tsirambina ny fanomezana sakafo ny mpiasa an-trano, sy ny fitoriana ny vaovao tsara. Nisy andraikitra fanampiny niandry azy ireo tamin’izay. Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hikarakara ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:47) Izany no nataon’i Jesosy tamin’ny 1919, rehefa avy nandia fotoam-pitsapana ilay mpanompo. Fa nahoana no nahazo andraikitra fanampiny ilay “mpanompo mahatoky sy malina”? Satria nitombo ny fananan’ilay Tompon’izy ireo. Notendrena ho mpanjaka mantsy i Jesosy tamin’ny 1914.

19. Hazavao ny fomba anomezana ny sakafo ara-panahy ilain’ny “vahoaka be.”

19 Inona avy ireo fananana nankinin’ilay Tompo tamin’ilay mpanompo mahatoky, raha vao lasa Mpanjaka ilay Tompony? Izay rehetra azy etỳ an-tany. Fantatra, ohatra, hoe iza ilay “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa”, 20 taona taorian’ny nanaovana an’i Kristy ho Mpanjaka tamin’ny 1914. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Tsy voahosotra na anisan’ny “Israelin’Andriamanitra” izy ireo, fa lehilahy sy vehivavy tso-po manantena hiaina eto an-tany. Tia an’i Jehovah izy ireo, ary maniry hanompo azy toa an’ireo voahosotra ihany. Toy ny milaza amin’ilay “mpanompo mahatoky sy malina” izy ireo hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Mitovy ihany ny sakafo ara-panahy mahavelona raisin’ireo Kristianina vao vita batisa sy ny mpiasa an-trano voahosotra. Fitahiana tokoa izany ho an’ny “vahoaka be”!

20. Inona no anjara asan’ny “vahoaka be” amin’ny fampitomboana ny fananan’ny Tompo?

20 Faly ny “vahoaka be” mitory ny vaovao tsara miaraka amin’ilay mpanompo voahosotra. Mitombo ny fananan’ilay Tompo etỳ an-tany, arakaraka ny itorian’izy ireo, ka miampy ny andraikitry ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Nilaina ny fanontam-pirinty lehibe kokoa, mba hahafahana haharaka ny fanafarana boky ara-baiboly, satria nihamaro be ny olona te hianatra ny fahamarinana. Nisy sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah nosokafana tany amin’ny tany maro. Nisy misionera koa nirahina ‘tany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.’ (Asan’ny Apostoly 1:8) Dimy arivo teo ho eo ny voahosotra tamin’ny 1914, nefa maherin’ny enina tapitrisa izao ny mpidera an’Andriamanitra, ary anisan’ny “vahoaka be” ny ankamaroany. Nitombo be dia be tokoa ny fananan’ilay Mpanjaka hatramin’ny nahazoany fahefana tamin’ny 1914!

21. Inona avy ireo fanoharana roa hodinihintsika ao amin’ny fianarana manaraka?

21 Asehon’izany rehetra izany fa ‘mahatoky sady malina’ ilay mpanompo. Vao avy niresaka an’ilay “mpanompo mahatoky sy malina” i Jesosy, dia nilaza fanoharana roa nanasongadina ireo toetra ireo: ny voalohany momba ny virjiny hendry sy adala, ary ny faharoa momba ny talenta. (Matio 25:1-30) Manitikitika ny saintsika tokoa izany! Inona no hevitr’ireo fanoharana ireo ho antsika? Hamaly izany fanontaniana izany ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Hevitrao?

• Iza ilay “mpanompo mahatoky sy malina”?

• Iza ireo ‘mpiasa an-trano’?

• Oviana no notendrena hikarakara ny fananana rehetran’ny Tompony ilay mpanompo mahatoky, ary nahoana no tamin’io fotoana io?

• Iza no anisan’ny nampitombo ny fananan’ny Tompo tao anatin’ireo taona faramparany, ary tamin’ny fomba ahoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Nahatoky ilay mpanompo tamin’ny taonjato voalohany teo am-panaovana ny asany