Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Levitikosy

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Levitikosy

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Levitikosy

TSY ampy herintaona izay no nanafahana ny Israelita avy tamin’ny fanandevozana tany Ejipta. Voalamina ho firenena vaovao izy ireo, ary mizotra ho any amin’ny tany Kanana. Ny hisian’ny firenena masina honina ao amin’ilay tany no fikasan’i Jehovah. Niharatsy be anefa ny fomba fiaina sy ny fanao ara-pivavahan’ireo Kananita. Nomen’ilay Andriamanitra marina lalàna àry ny fiangonan’ny Israely, ka lasa voatokana mba hanompo azy. Voarakitra ao amin’ny bokin’ny Levitikosy ireny lalàna ireny. Toa tamin’ny 1512 T.K. i Mosesy mpaminany no nanoratra io boky io, tany an’efitr’i Sinay. Ny zava-nitranga teo amin’ny Israely, nandritra ny iray volana monja no resahin’ilay boky. (Eksodosy 40:17; Nomery 1:1-3) Nampirisihin’i Jehovah foana ny mpivavaka aminy mba ho masina.​—Levitikosy 11:44; 19:2; 20:7, 26.

Tsy eo ambanin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, satria nanafoana azy io ny fahafatesan’i Jesosy Kristy. (Romanina 6:14; Efesianina 2:11-16) Andraisantsika soa anefa ireo fitsipika ao amin’ny Levitikosy, satria mampianatra antsika zavatra betsaka momba ny fivavahana amin’i Jehovah, ilay Andriamanitsika.

FANATITRA MASINA AN-TSITRAPO SY FANATITRA MASINA TSY MAINTSY NATOLOTRA

(Levitikosy 1:1–7:38)

An-tsitrapo ny fanatitra sy sorona sasany notakin’ny Lalàna, fa tsy maintsy natolotra kosa ny hafa. An-tsitrapo ohatra, ny fanatitra dorana. Natolotra manontolo ho an’Andriamanitra izy io, toa an’i Jesosy Kristy, izay nanolotra an-tsitrapo ny tenany manontolo ho sorom-panavotana. Nozarazaraina kosa ny fanati-pihavanana. Nisy tamin’izy io natolotra ho an’Andriamanitra teo amin’ny alitara, nisy nohanin’ny mpisorona, ary nisy nohanin’ilay olona nanolotra fanatitra. Sakafo iraisana toy izany koa ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ho an’ireo Kristianina voahosotra.​—1 Korintianina 10:16-22.

Tsy maintsy natolotra kosa ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana. Tsy maintsy natolotra ny fanatitra noho ny ota, mba ho fanavotana ny olona nanota tsy nahy. Izao kosa no nanolorana ny fanati-panonerana: Hampitonena an’Andriamanitra rehefa nisy olona tsy nanaja ny zon’ny hafa, na hamerenana ny zo sasantsasany nananan’ny mpanao ratsy nibebaka, na koa noho ireo antony roa ireo miaraka. Nisy fanatitra hohanina natolotra koa ho fankasitrahana ny fahalalahan-tanan’i Jehovah. Mahaliana antsika izany rehetra izany, satria ireo fanatitra nandidiana teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna, dia misarika ny saintsika ho amin’i Jesosy Kristy sy ny sorona nataony, na koa ho amin’ireo soa hoentin’izany sorona izany.​—Hebreo 8:3-6; 9:9-14; 10:5-10.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:11, 12—Nahoana i Jehovah no tsy nanaiky ny tantely ‘hodorana ho fanatitra’? Tsy manondro tantely avy amin’ny biby ny tantely resahina eto. Anisan’ny ‘voaloham-bokatry ny tany’ ilay izy, na dia tsy azo ‘nodorana ho fanatitra’ aza. (2 Tantara 31:5) Toa ranom-boankazo àry ilay izy. Tsy azo nekena ho fanatitra teo amin’ny alitara izy io, satria nety ho lasa narikivy.

2:13—Nahoana no tsy maintsy nasiana sira ny ‘fanatitra rehetra’? Tsy natao hanatsarana ny tsiron’ny fanatitra akory izany. Ampiasain’ny olona eran-tany ny sira, mba hiarovan-javatra tsy ho simba. Azo inoana àry fa nasiana sira ny fanatitra, satria midika ho zavatra tsy simba na tsy lo ny sira.

Lesona ho antsika:

3:17. Noheverina ho ampahany tsara indrindra na be otrikaina indrindra tamin’ny biby, ny sabora na ny taviny. Noho izany, rehefa norarana tsy hohanin’ny Israelita izy io, dia lasa takany fa an’i Jehovah ny anjara tsara indrindra. (Genesisy 45:18) Mampahatsiahy antsika izany, fa tokony hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah isika.​—Ohabolana 3:9, 10; Kolosianina 3:23, 24.

7:26, 27Norarana tsy hihinan-dra ny Israelita, satria mifanitsy amin’ny aina ny ra. Hoy ny Levitikosy 17:11: “Ny ain’ny nofo dia amin’ny ra.” Mbola takina amin’ny mpivavaka marina ankehitriny ny hifadiany ny ra.​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

TAFAPETRAKA AMIN’NY TOERANY NY MPISORONA MASINA

(Levitikosy 8:1–10:20)

Iza no nomena andraikitra hikarakara ny raharaha momba ny fanatitra sy ny sorona? Ireo mpisorona. I Mosesy no nitarika ny lanonana nametrahana an’i Arona ho mpisoronabe sy ireo zanany lahy efatra ho mpisorona lefitra, araka ny toro lalana nomen’Andriamanitra. Naharitra herinandro ilay lanonana, ary nanomboka niasa ireo mpisorona ny ampitson’io.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

9:9—Nahoana no zava-dehibe ny nandrarahana ny ra teo am-pototry ny alitara, sy nanosorana izany tamin-javatra hafa? Nampiseho izany fa neken’i Jehovah ny hampiasana ny ra ho fanavotana. Niankina tamin’ny ra ny fandaharam-panavotana iray manontolo. Hoy ny apostoly Paoly: “Araka ny Lalàna, dia saika ny zava-drehetra no diovina amin’ny ra, ary raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.”​—Hebreo 9:22.

10:1, 2—Inona no mety ho fahotana nataon’i Nadaba sy Abiho, zanak’i Arona? Nanao zavatra tsy nety i Nadaba sy Abiho, rehefa nanao ny asan’ny mpisorona. Vokatr’izany dia noraran’i Jehovah tsy hisotro divay na toaka ny mpisorona. (Levitikosy 10:9) Toa manondro izany fa nisotro divay na zavatra hafa nisy alkaola izy roa lahy tamin’io fotoana io. Noho izy ireo “nanatitra afo tsy izy . . . izay tsy [nandidian’i Jehovah] azy” anefa no tena antony nahafaty azy.

Lesona ho antsika:

10:1, 2Tsy maintsy manao izay takin’Andriamanitra ireo mpanompon’i Jehovah mitana andraikitra. Tsy tokony hiana-kendry mihitsy koa izy ireo eo am-piantsorohana izany.

10:9. Tsy tokony hanao ny asa nankinin’Andriamanitra tamintsika isika, raha nisotro divay na zavatra hafa misy alkaola.

TAKINA AMIN’NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA NY FAHADIOVANA

(Levitikosy 11:1–15:33)

Nandraisan’ny Israelita soa tamin’ny lafiny roa ireo fitsipika momba ny sakafo, mahakasika ny biby madio sy tsy madio. Niaro azy ireo tamin’ireo zavamiaina mpitondra aretina izany, sady vao mainka nampiavaka azy ireo tamin’ny mponin’ny firenena nanodidina. Nahakasika an’ireto lafiny ireto ny fitsipika hafa: Fahalotoana avy tamin’ny faty, fanadiovana ny vehivavy tera-bao, fomba itondrana ny boka, ary fahalotoana noho ny zavatra nivoaka avy tamin’ny filahiana na ny fivaviana. Ny mpisorona no nasaina nikarakara ireo olona nanjary naloto.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

12:2, 5—Nahoana ny fiterahana no ‘nampahaloto’ ny vehivavy? Natao mba hampitana aina lavorary ny taovam-pananahana. Aina misy ota sady tsy lavorary anefa no nampitaina tamin’ny taranaka, noho ny ota nolovana. Nampahatsiahy ny fisian’io ota nolovana io, ilay ‘fahalotoana’ vetivety, noho ny fiterahana sy fadimbolana ary fivoahan’ny tsirinaina. (Levitikosy 15:16-24; Salamo 51:5; Romanina 5:12) Nomena ny fitsipika momba ny fanadiovana ny Israelita, mba hahatakarany fa nilaina ny sorom-panavotana mba hanaronana ny fahotan’ny olona sy hahalavorary azy indray. Nanjary ‘mpitaiza nitarika azy ireo ho amin’i Kristy’ àry ny Lalàna.​—Galatianina 3:24.

15:16-18—Inona ilay “ny azy” voalaza fa miala amin’ny lehilahy ao amin’ireo andininy ireo? Toa manondro ny fivoahan’ny tsirinaina amin’ny alina sy mandritra ny firaisan’ny mpivady izy io.

Lesona ho antsika:

11:45. Masina i Jehovah Andriamanitra, ary takina amin’ireo manao fanompoana masina ho azy koa ny fahamasinana. Tsy maintsy miezaka ny ho masina izy ireo, ary ho madio ara-batana sy ara-panahy hatrany.​—2 Korintianina 7:1; 1 Petera 1:15, 16.

12:8. Navelan’i Jehovah hanao fanatitra vorona ny mahantra, ho solon’ny ondry lafo vidy. Tena mihevitra ny mahantra izy.

TOKONY HO MASINA HATRANY ISIKA

(Levitikosy 16:1–27:34)

Tamin’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona, no natolotra ny lehibe indrindra tamin’ireo fanatitra noho ny ota. Vantotr’ombilahy no natolotra ho an’ny mpisorona sy ny fokon’i Levy. Osilahy kosa no natolotra ho an’ireo foko tsy mpisorona. Nisy osilahy hafa koa nalefa tany an’efitra rehefa avy notononina teo amboniny ny fahotan’ny vahoaka. Noheverina ho fanatitra iray ihany ireo osilahy roa. Izy roa ireo dia manondro fa hatolotra ho fanatitra i Jesosy Kristy, ary hanaisotra ny fahotana izy.

Ny fitsipika momba ny fihinanan-kena sy momba ny raharaha hafa dia manamafy fa tokony ho masina isika, rehefa manompo an’i Jehovah. Tena mety àry, raha masina hatrany ny mpisorona. Fotoam-pifaliana sy fiderana ny Mpamorona ireo andro firavoravoana telo fanao isan-taona. Nomen’i Jehovah fitsipika hafa koa ny olona. Anisan’izany ny fitsipika ho an’izay miteny ratsy ny anarany, ny fitandremana ny Sabata sy ny Jobily, ary ny fitondrana ny mahantra sy ny mpanompo. Ampifanoherina ny fitahiana noho ny fankatoavana an’Andriamanitra, sy ny fanozonana noho ny tsy fankatoavana azy. Eo koa ny fitsipika momba ny fanatitra mifandray amin’ny voady, sy ny tomban’ny olona na ny vidiny, ny voalohan-teraky ny biby, ary ny fanomezana ny ampahafolon-karena ho “masina ho an’i Jehovah.”

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

16:29—Ahoana no fomba ‘nampahorian’ny Israelita ny tenany’? Mifandray amin’ny fitadiavana famelan-keloka io fomba io, ary natao nandritra ny Andro Fanavotana. Toa nifady hanina ny olona tamin’izany fotoana izany mba hampisehoana fa niaiky ny helony izy. Tena azo inoana àry fa manondro fifadian-kanina ny hoe ‘mampahory tena.’

19:27—Inona no hevitr’ilay didy hoe “aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao”? Toa nomena ny Jiosy io lalàna io, mba tsy hanapahany ny volony sy ny volombavany toy ny fanaon’ny mpanompo sampy. (Jeremia 9:24, 25; 25:23; 49:32) Tsy midika anefa io didin’Andriamanitra io hoe, tsy azon’ny Jiosy natao mihitsy ny nanala volombava.​—2 Samoela 19:25.

25:35-37—Tsy nahazo naka zanabola mihitsy ve ny Israelita? Afaka naka zanabola izay olona nampisambo-bola raha nindramina hanaovana raharaham-barotra ilay vola. Voararan’ny Lalàna kosa ny fakana zanabola, raha natao mba hanalana fahasahiranana ilay fitrosana. Tsy nety ny nanararaotra ny fahavoazana ara-bolan’ny mpiara-monina.​—Eksodosy 22:24.

26:19—Ahoana no hahatonga ny lanitra ho “toy ny vy”, sy ny tany ho “toy ny varahina”? Hitovy amin’ny vy mafy sy tsy tantera-drano, ny lanitra eo ambonin’ny tany Kanana, noho ny tsy fisian’ny orana. Ho lasa toy ny lokon’ny varahina, sady hanjelatra toy ny metaly kosa, ny tany, noho izany tsy fisian’ny orana izany.

26:26—Inona no tiana hambara amin’ny hoe ‘fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofo’? Hila fanendasana iray avy ny vehivavy tsirairay, raha ny tena izy, mba hanendasany ny mofony. Manondro tsy fisian’ny sakafo àry ireo teny ireo, satria fanendasana iray monja dia ho ampy hanendasan’ny vehivavy folo ny mofony rehetra. Izany no iray amin’ireo voka-dratsy nambara mialoha fa ho hitan’ny olona lasa tsy masina.

Lesona ho antsika:

20:9. Toy ny mamono olona ihany ny mitana lolompo sy mankahala olona, eo anatrehan’Andriamanitra. Sazy nitovy tamin’izay namono ny ray aman-dreniny àry no nomeny an’ireo nanozona azy ireny. Moa ve izany tsy manosika antsika ho tia ny mpiray finoana amintsika?​—1 Jaona 3:14, 15.

22:32; 24:10-16, 23Tsy tokony hanala baraka ny anaran’i Jehovah isika, fa hidera azy io kosa, ary hivavaka mba hanamasinana izany.​—Salamo 7:17; Matio 6:9.

MISY FIANTRAIKANY EO AMIN’NY FANOMPOANTSIKA NY LEVITIKOSY

Tsy eo ambanin’ny Lalàna intsony ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. (Galatianina 3:23-25) Misy fiantraikany eo amin’ny fanompoantsika anefa ny Levitikosy, satria manampy antsika hahatakatra ny fiheveran’i Jehovah ny raharaha samihafa.

Azo antoka fa hampiaiky volana anao ny hoe mitaky fahamasinana amin’ny mpanompony Andriamanitra, rehefa hanomana ny famakiana Baiboly isan-kerinandro, amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ianao. Hanosika anao hanome ny tsara indrindra avy aminao ho an’ilay Avo Indrindra io boky ao amin’ny Baiboly io, sady hanosika anao hitoetra ho masina foana, mba hankalazana azy.

[Sary, pejy 21]

Misarika ny saina ho amin’i Jesosy Kristy sy ny sorona nataony ireo fanatitra natolotra teo ambanin’ny Lalàna

[Sary, pejy 22]

Fotoam-pifaliana lehibe ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay

[Sary, pejy 23]

Fotoam-piderana an’i Jehovah ireo fety fanao isan-taona, toy ny Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo