Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ve ny fanafody rehetra azo avy amin’ny ra?

Efa nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2000 ny valin’izany, ary averina eto indray ny votoatiny.

Voalohany indrindra dia tsara hotadidina fa tsy mandray ra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino mafy izahay fa tsy mba miovaova toy ny hevitr’olombelona, ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra. Misy olana vaovao mipoitra anefa, satria azo tsinjaraina ho taharo fototra efatra ny ra ankehitriny, ary mbola azo tsinjaraina koa ireo taharo ireo. Rehefa hanapa-kevitra àry ny Kristianina iray raha handray izany na tsia, dia tsy ny soa mety ho azony sy izay mety ho voka-dratsy eo amin’ny fahasalamany ihany no jereny. Tokony hoeritreretiny koa izay lazain’ny Baiboly sy ny mety ho akon’izany eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ilay Hery Fara Tampony.

Tsotra ihany ny hevi-dehibe mila hosaintsainina. Handinika izay lazain’ny Baiboly sy ny tantara ary ny fanazavana ara-pitsaboana sasany isika, mba hahitana izany.

Nandidy an’i Noa razambentsika i Jehovah Andriamanitra mba hihevitra ny ra ho toy ny zavatra manokana. (Genesisy 9:3, 4) Tatỳ aoriana, dia hita taratra tao amin’ny lalàna nomeny ny Israely ny fahamasinan’ny ra. Hoy izy: “Ary na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny . . . no mihinan-dra, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-dra.” Mety ho nitera-pahavoazana ho an’ny hafa ny Israelita iray, raha nandika ny lalàn’Andriamanitra. Izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Hofongorana tsy ho amin’ny fireneny izy.” (Levitikosy 17:10) Rehefa nivory tany Jerosalema ny apostoly sy ny anti-panahy tatỳ aoriana, dia namoaka didy izy ireo fa tsy maintsy ‘mifady ny ra’ isika. Tena zava-dehibe toy ny fifadiana ny fitondran-tena maloto sy ny fanompoan-tsampy izany.​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Inona no dikan’ny hoe ‘mifady’, tamin’izany andro izany? Tsy nihinan-dra ny Kristianina, na ra velona, na ra efa mandry. Tsy nihinana henam-biby tsy nalatsa-dra koa izy ireo, ary azo antoka fa voarara ny fihinanana sakafo nisy ra, toy ny saosisy voasesika ra. Fihinanan-dra daholo ireo rehetra ireo, ary nandika ny lalàn’Andriamanitra izay nanao izany.​—1 Samoela 14:32, 33.

Tsy nanenjika ny ankamaroan’ny olona fahiny ny eritreriny raha nihinan-dra izy. Manamarina izany ny asa soratr’i Tertullien, mpahay tantara tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo. Rehefa namaly ny fiampangana ny Kristianina ho nihinan-dra i Tertullien, dia niresaka ny amin’ireo foko, izay nisotro ra ho fanamarinana ny fifanekena nataony. Nampahatsiahiviny koa fa ‘nandritra ny fampisehoana teo amin’ny kianja filalaovana, dia nigoka ny ran’ireo mpanao heloka bevava vao novonoina ny sasany, mba hanasitranana ny androbeny.’

Tsy nety nanao izany kosa anefa ny Kristianina, na dia nanao izany aza ny Romanina sasany mba hanasitranana ny aretiny. “Tsy fihinanay na dia ny ram-biby aza”, hoy i Tertullien. Nomen’ny Romanina sakafo nisy ra ny tena Kristianina, mba hitsapana ny tsy fivadihany. Nilaza anefa i Tertullien hoe: “Heverinareo ve fa higoka ran’olona [ny Kristianina], nefa efa fantatrareo tsara fa na dia ny ram-biby aza maharikoriko azy?”

Raha ampirisihin’ny dokoterany handray ra ny olona ankehitriny, dia vitsy no hieritreritra fa mihatra amin’izany toe-javatra izany ny lalàn’Andriamanitra. Marina fa te ho velona ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy maintsy mankatò ny lalàn’i Jehovah momba ny ra izy. Inona no dikan’izany raha ny fitsaboana amin’izao fotoana izao no jerena?

Rehefa lasa nahazatra ny fampidiran-dra manontolo, taorian’ny Ady Lehibe II, dia hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa nifanohitra tamin’ny lalàn’Andriamanitra izany, ary mbola izany ihany no inoantsika. Niova anefa ny fitsaboana, ka amin’izao andro izao, dia tsy ra manontolo mazàna no ampidirina amin’ny marary, fa ny iray amin’ny taharony fototra, dia ny: 1) liomena, 2) liofotsy, 3) kapila bitika (plaquettes), ary 4) ilay ampahany mitsiranoka atao hoe ranon-dra (plasma). Miankina amin’izay manjo an’ilay marary no mety hanomezan’ny dokotera azy liomena, liofotsy, kapila bitika, na ranon-dra. Noho izany, dia azo zaraina ho an’ny marary maro kokoa ny ra. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny fanekena hampidirana ra manontolo na ny iray amin’ireo taharo fototra efatra ireo. Tsara homarihina fa izany hevitra ijoroany miorina amin’ny Baiboly izany, dia miaro azy amin’ny loza maro, toy ny aretin’aty (hépatite) sy ny SIDA, izay mety hifindra amin’ny alalan’ny ra.

Mbola azo tsinjaraina bebe kokoa anefa ny ra. Ahoana àry ny amin’ireo zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra? Ahoana no ampiasana azy ireny? Ary inona avy no tokony hodinihin’ny Kristianina, rehefa hanapa-kevitra izy raha handray azy ireny na tsia?

Be kojakojany ny ra. Ny ranon-dra fotsiny, ohatra, dia efa ahitana zavatra be dia be, na dia rano aza ny 90 isan-jatony. Ao ny hormonina, sira mineraly, anzima, ary zavatra mahavelona, toy ny mineraly hafa sy ny siramamy. Ahitana proteinina toy ny albiminina koa ao anatin’ny ranon-dra, ary misy zavatra mampandry ra sy mpisetra iadiana amin’ny aretina. Maka sy mampiasa proteinina maro avy amin’ny ranon-dra ny manam-pahaizana. Omena mpampandry ra (facteur 8), ohatra, ny olona mora mandeha ra (hemôfila). Ary raha mitady ho voan’ny aretina sasany ny olona, dia mety hasain’ny dokotera hitsindrona gammaglobuline, izay nalaina avy tamin’ny ranon-dran’ny olona efa vita fanefitra amin’ilay aretina. Misy proteinina hafa avy amin’ny ranon-dra koa ampiasaina amin’ny fitsaboana, fa ireo voalaza eo ambony ireo dia mampiseho tsara ny fomba akana zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra (ranon-dra). *

Toy ny ranon-dra, dia azo akana zavatra isan-karazany koa ny taharo fototra hafa (liomena, liofotsy, ary kapila bitika). Ahazoana interférons sy interleukines, ohatra, ny liomena, ka itsaboana ny kansera sasany sy ny aretina sasany vokatry ny virosy. Azo akana zavatra manasitrana fery kosa ny kapila bitika. Eo am-panamboarana fanafody hafa misy zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra, ny mpikaroka ankehitriny. Tsy taharo fototry ny ra no ampiasaina amin’ireo fitsaboana resahintsika ireo, fa zavatra nalaina avy amin’izany. Tokony hanaiky izany karazam-pitsaboana izany ve ny Kristianina? Tsy afaka mamaly izany izahay. Tsy manome tsipiriany momba izany ny Baiboly, ka ny Kristianina tsirairay no manapa-kevitra eo anatrehan’Andriamanitra, arakaraka ny feon’ny fieritreretany.

Tsy manaiky na inona na inona nalaina avy amin’ny ra ny olona sasany (na dia zavatra kely natao hahazoana hery fanefitra mandritra ny fotoana fohy aza). Izany no fahazoany ilay didin’Andriamanitra hoe ‘mifadia ny ra.’ Mihevitra mantsy izy ireo fa tokony harahina ilay lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely hoe tsy maintsy ‘haidina amin’ny tany’ ny ran’ny zavamananaina. (Deoteronomia 12:22-24) Inona no antony iresahana izany eto? Ilaina hangonina sy hokarakaraina mantsy aloha ny ra, mba hanamboarana gammaglobuline, na fanafody mampandry ra, na fanafody hafa toy izany. Izany no andavan’ny Kristianina sasany ny fanafody toy ireny, toy ny tsy anekeny hampidirana ra manontolo na ny taharony fototra efatra. Tokony hohajaina ny fanapahan-kevitra raisiny amim-pahatsorana sy araka ny feon’ny fieritreretany.

Tsy mitovy amin’izany anefa ny fanapahan-kevitry ny Kristianina hafa. Tsy manaiky hampidirana ra manontolo, liomena, liofotsy, kapila bitika, ary ranon-dra koa izy ireo. Kanefa, mety hanaiky handray zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra izy. Mety tsy hitovy tanteraka anefa ny fanapahan-keviny, na dia izany aza. Mety hisy Kristianina hanaiky hotsindronina gammaglobuline, nefa mety hanaiky na tsy hanaiky tsindrona misy zavatra nalaina avy tamin’ny liomena na liofotsy. Inona anefa, amin’ny ankapobeny, no mety hahatonga ny Kristianina sasany hihevitra fa afaka mandray zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra izy?

Nilaza ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1990, fa ny proteinina ao amin’ny ranon-dran’ny vehivavy bevohoka, dia mifindra mankany amin’ny lalan-dran’ilay tsaika ao an-kibony. Mamindra immunoglobuline amin’ilay zanany izy amin’izay, ka manome azy hery fanefitra, izay tena sarobidy. Rehefa maty koa ireo liomenan’ilay zaza, dia lasa biliburine ny tapany sasany aminy izay mpitondra oksizenina. Miampita ny tavony io biliburine io, ka mankany amin’ilay reny, ary mivoaka miaraka amin’ny malotony. Mety hanatsoaka hevitra àry ny Kristianina sasany hoe satria afaka mifindrafindra amin’izany fomba voajanahary izany ny zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra, dia azon’izy ireo atao ny mandray zavatra avy amin’ny ranon-dra na avy amin’ny selan-dra.

Lasa maivan-danja ve ilay raharaha, satria samy hafa ny fomba fihevitry ny olona sy ny fanapahan-kevitra raisiny? Tsia. Zava-dehibe ilay izy. Azo lazaina anefa fa tsotra ihany ny zavatra tafiditra amin’ilay izy. Hitantsika tamin’ireo hevitra nodinihina teo aloha, fa tsy manaiky hampidirana ra manontolo, na ny taharo fototry ny ra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandidy ny Kristianina ny Baiboly mba ‘hifady hatrany ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra ary ny fijangajangana.’ (Asan’ny Apostoly 15:29) Raha ny amin’ireo zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra kosa, dia anjaran’ny Kristianina tsirairay ny manapa-kevitra arakaraka ny feon’ny fieritreretany, rehefa avy nandinika tsara sy nivavaka izy.

Manaiky izay fitsaboana rehetra mety hitondra soa haingana ho azy ny ankamaroan’ny olona, na dia fantatra aza fa mety hisy vokany ratsy ilay izy, toy ny fampiasana fanafody misy ra. Miezaka ny hahay handanjalanja kokoa ny Kristianina tso-po, ka tsy ny vokatry ny fitsaboana fotsiny no jereny. Mankasitraka ny ezaka ataon’ny mpitsabo mba hikarakarana tsara ny fahasalaman’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Dinihiny tsara koa ny loza sy ny soa mety hoentin’ny fitsaboana rehetra. Kanefa, rehefa hanapa-kevitra izy raha hanaiky fanafody misy ra na tsia, dia eritreretiny tsara aloha izay lazain’Andriamanitra sy ny fifandraisany amin’io Mpanome aina antsika io.​—Salamo 36:9.

Tena mandray fitahiana lehibe ny Kristianina, satria matoky toy ilay mpanao salamo hoe: ‘Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy. Jehovah ô, sambatra izay olona matoky Anao!’​—Salamo 84:11, 12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1978 (frantsay) sy 1 Oktobra 1994. Misy orinasa manamboatra fanafody tsy nalaina avy tamin’ny ra, ary azo asolo an’ireo zavatra nalaina avy amin’ny taharo fototry ny ra izany.

[Efajoro, pejy 31]

FANONTANIANA AZO APETRAKA AMIN’NY DOKOTERA

Raha hodidiana ianao, na mety hila fitsaboana ampiasana ra, dia anontanio hoe:

Efa fantatry ny olona rehetra hitsabo sy hikarakara ahy ve fa na inona na inona mitranga, dia tsy manaiky hampidirana ra mihitsy aho (ra manontolo, liomena, liofotsy, kapila bitika, ranon-dra), noho izaho Vavolombelon’i Jehovah?

Raha mety ho namboarina avy tamin’ny ranon-dra, na liomena, na liofotsy, na kapila bitika ny fanafody asaina ampiasainao, dia anontanio hoe:

Namboarina avy amin’ny taharo fototry ny ra ve io fanafody io? Raha izany no izy, azonao hazavaina ve hoe inona avy no ao anatin’izy io?

Firy amin’io fanafody avy amin’ny ra io no ilaiko, ary amin’ny fomba ahoana no ampidirana izany ao amiko?

Raha mamela ahy hanaiky an’io taharon’ny ra io ny feon’ny fieritreretako, inona no mety ho voka-dratsin’ilay izy eo amin’ny fahasalamako?

Raha tsy mamela ahy handray azy io kosa ny feon’ny fieritreretako, inona no fitsaboana hafa azo atao?

Hodinihiko tsara aloha io raharaha io, ka rahoviana no hampahafantariko anao ny fanapahan-kevitro?