Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza no nantsoin’i Paoly hoe “tsy mpino”, ao amin’ny 2 Korintianina 6:14?

Izao no vakintsika ao amin’io andininy io: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.” Rehefa jerena ny teny manodidina, dia miharihary fa olona tsy anisan’ny fiangonana kristianina no resahin’i Paoly eo. Manohana an’izany ny andinin-teny hafa, izay nampiasan’i Paoly ny teny hoe “tsy mpino.”

Nananatra mafy ny Kristianina, ohatra, i Paoly, mba tsy hotsaraina “eo anatrehan’ny tsy mpino” izy ireo. (1 Korintianina 6:6) Ireo mpitsara niasa tao amin’ny fitsarana tany Korinto no lazaina hoe tsy mpino eto. Nilaza i Paoly tao amin’ny taratasiny faharoa, fa “manajamba ny sain’ny tsy mino” i Satana. Toy ny hoe misy lamba manarona ny mason’ireny tsy mpino ireny, ka tsy mazava aminy ny vaovao tsara. Tsy maniry hanompo an’i Jehovah izy ireny, satria hoy ny fanazavan’i Paoly talohan’izay: ‘Rehefa misy fiverenana amin’i Jehovah, dia esorina ilay lamba manarona.’—2 Korintianina 3:16; 4:4.

Mandika lalàna na manompo sampy ny sasany amin’ireny tsy mpino ireny. (2 Korintianina 6:15, 16) Tsy izy rehetra anefa no manohitra ny mpanompon’i Jehovah. Liana ny fahamarinana ny sasany. Maro no manambady Kristianina ary tsy te hisaraka amin’ny vadiny. (1 Korintianina 7:12-14; 10:27; 14:22-25; 1 Petera 3:1, 2) ‘Mino ny Tompo’ anefa ireo anisan’ny fiangonana kristianina, ary olona tsy anisan’izy io foana no nantsoin’i Paoly hoe “tsy mpino”, araka ny voalaza tetsy aloha.—Asan’ny Apostoly 2:41; 5:14; 8:12, 13.

Mirakitra toro lalana sarobidy ny 2 Korintianina 6:14. Afaka mitari-dalana ny Kristianina amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainany izy io sady torohevitra tsara, ka resahina matetika rehefa misy Kristianina mitady vady. (Matio 19:4-6) Mampiseho fahendrena ny Kristianina nanolo-tena sy vita batisa, raha tsy mitady vady eo amin’ireo tsy mpino. Samy hafa be amin’ny an’ny Kristianina marina mantsy ny tanjona sy finoana ary fitondran-tenan’ny tsy mpino.

Ahoana kosa ny amin’ireo olona mianatra Baiboly sy miaraka amin’ny fiangonana kristianina? Ahoana ny amin’ireo mpitory tsy vita batisa? Tsy mpino ve izy ireo? Tsia. Tsy tokony hantsoina hoe tsy mpino ny olona efa manaiky ny vaovao tsara sy mandroso ho amin’ny batisa. (Romanina 10:10; 2 Korintianina 4:13) Nantsoina hoe “mpivavaka be sady natahotra an’Andriamanitra” i Kornelio, talohan’ny batisany.—Asan’ny Apostoly 10:2.

Fahendrena ho an’ny Kristianina vita fanoloran-tena àry ve ny miaraka amin’ny olona nekena ho mpitory tsy vita batisa sy manambady azy, satria toa tsy mihatra aminy ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 6:14? Tsy fahendrena izany, araka ny torohevitra mivantana nomen’i Paoly ho an’ireo vehivavy kristianina maty vady. Hoy mantsy izy: “Afaka manambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Izany no antony ampirisihana ny Kristianina vita fanoloran-tena mba hitady vady “ao amin’ny Tompo” ihany.

Inona no hevitr’ilay teny hoe “ao amin’ny Tompo”, sy ilay teny mifandray aminy hoe “ao amin’i Kristy”? Olona “ao amin’i Kristy” na “ao amin’ny Tompo” no resahin’i Paoly, ao amin’ny Romanina 16:8-10 sy ny Kolosianina 4:7. Raha mamaky ireo andininy ireo ianao, dia ho hitanao fa antsoina hoe “mpiara-miasa”, “ankasitrahana”, “rahalahy malala”, “mpanompo mahatoky”, ary “mpiara-manompo”, ireny olona ireny.

Rahoviana no ho lasa “mpanompo ao amin’ny Tompo” ny olona iray? Lasa toy izany izy, rehefa manao an-tsitrapo izay tokony hataon’ny mpanompo, ary mandà ny tenany. Manazava i Jesosy hoe: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Matio 16:24) Manomboka manaraka an’i Kristy sy manaiky tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny olona iray, rehefa manolotra ny tenany ho an’Andriamanitra. Manaiky hatao batisa izy avy eo, ary tonga mpanompo voatokana sy ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. * Ny hoe ‘manambady ao amin’ny Tompo’ àry dia midika hoe, manambady olona iray efa nampiharihary fa tena mpino izy, izany hoe, olona efa nanolo-tena ho “mpanompon’Andriamanitra sy mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo.”—Jakoba 1:1.

Mendri-piderana ny olona iray miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy mandroso tsara. Mbola tsy nanolo-tena ho an’i Jehovah sy nanokana ny fiainany mba hanompoana azy anefa izy. Mbola eo am-panaovana ireo fiovana ilaina izy. Tokony hanao ireo fiovana lehibe mba hahatongavana ho Kristianina nanolo-tena sy vita batisa izy. Aorian’izay izy vao tokony hieritreritra fiovana lehibe hafa, toy ny fanambadiana.

Mety amin’ny Kristianina ve ny miaraka amin’ny olona iray toa mandroso tsara eo amin’ny fianarany Baiboly, raha toa ka vonona ny hiandry azy ho vita batisa ilay Kristianina vao hanambady azy? Tsia, tsy mety izany. Manjary tsy mazava ny antony manosika an’ilay olona ho tonga Kristianina vita batisa, raha fantany hoe misy Kristianina vita fanoloran-tena te hanambady azy. Tsy haka vady azy mantsy ilay Kristianina, raha tsy efa vita batisa izy.

Vetivety ihany mazàna ny fotoana maha mpitory tsy vita batisa ny olona iray, satria handroso hatramin’ny batisa izy. Tsy tafahoatra àry ilay torohevitra mba hanambadiana ao amin’ny Tompo ihany. Ahoana anefa raha efa eo amin’ny taona ahafahany manambady ilay olona, nobeazina teo anivon’ny fianakaviana kristianina, marisika eo anivon’ny fiangonana nandritra ny taona maro, ary mpitory tsy vita batisa? Raha izany no izy, inona no nisakana azy tsy hanolo-tena ho an’i Jehovah? Nahoana izy no miahotra? Misy mampisalasala azy ve? Tsy azo lazaina hoe “ao amin’ny Tompo” izy, na dia tsy iray amin’ny tsy mpino aza.

Mahasoa antsika ny torohevitr’i Paoly momba ny fanambadiana. (Isaia 48:17) Mafy orina ny fifaneken’ny olon-droa mikasa hivady, raha samy efa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo. Mitovy ny tanjony sy ny fitondran-tenany. Hahatonga ny mpivady ho sambatra izany. Mampiseho ny tsy fivadihany amin’i Jehovah koa ny olona iray raha ‘manambady ao amin’ny Tompo.’ Hitondra fitahiana maharitra ho azy izany, satria ny olona tsara na tsy mivadika no isehoan’i Jehovah ho tsy mivadika.—Salamo 18:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Ny Kristianina voahosotra no tena nanoratan’i Paoly. Ho azy ireo, ny hoe “mpanompo ao amin’ny Tompo” dia midika koa hoe nohosorana ho zanak’Andriamanitra sy rahalahin’i Kristy.

[Sary, pejy 31]

Ny olona tsy mivadika no isehoan’i Jehovah ho tsy mivadika