Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Angano sa Tena Nisy?

Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Angano sa Tena Nisy?

Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Angano sa Tena Nisy?

‘NENTINA teo amin’i [Jesosy Kristy] ny olona maro nisy demonia. Namoaka ny fanahy ratsy tamin’ny teny fotsiny ihany izy, ary nanasitrana izay rehetra narary.’ (Matio 8:16) “Niarina [i Jesosy] ka niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: ‘Mangina! Mitonia!’ Ary nitsahatra ny rivotra ka nanjary tony dia tony ny andro.” (Marka 4:39) Araka ny hevitrao, tena nisy ve izany, sa fanoharana fotsiny, sa tantara noforomporonina?

Maro ankehitriny no misalasala be raha nisy tokoa ireny fahagagana nataon’i Jesosy ireny, na tsia. Sarotra amin’ny sasany ny hino azy ireny sy ny asa mahatalanjona hafa ataon’Andriamanitra, satria efa mandroso be ny fikarohana ara-tsiansa. Nahavita teleskaopy sy mikraoskaopy, ohatra, ny olombelona ary tonga hatrany ambony tsy taka-maso any mihitsy aza.

Tantara noforonina ireny fahagagana ireny, hoy ny hafa, na fanoharana ka tsy tokony horaisina ara-bakiteny. Karazana “dokam-barotra” hanelezana ny fivavahana kristianina fotsiny ireny fitantarana ny fahagagana nataon’i Kristy ireny, hoy ny mpanoratra iray, izay mihambo ho manazava ny “marina” momba an’i Jesosy.

Misy koa mihevitra fa famitahana tsotra izao ireny fahagagana ireny. I Jesosy mihitsy aza indraindray no endrikendrehina ho namitaka. “Sahy niampanga azy ho mpanao mazia sy mpamitaka olona” mihitsy ny mpanakiana azy, hoy i Justin Martiora, izay niaina tamin’ny taonjato faharoa. Manantitrantitra ny sasany fa ‘tsy mpaminany jiosy i Jesosy, fa mpanao mazia niofana tany amin’ny tempolin’ny mpanompo sampy.’

Tsy misy tokoa ve ny fahagagana?

Mihevitra angamba ianao fa misy antony lehibe mahatonga ny olona tsy hino ny fahagagana. Sarotra amin’izy ireo ny manaiky fa misy hery miafina mahavita zava-mahatalanjona. Mieritreritra koa angamba izy ireo fa tsy hety hitranga mihitsy izany. Hoy ny tanora iray, izay misalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra: “Tsy misy mihitsy izany fahagagana izany.” Namerina ireto tenin’i David Hume, filozofa ekosey tamin’ny taonjato faha-18, ireto izy avy eo: “Mifanohitra amin’ny lalàn’ny natiora ny fahagagana.”

Maro anefa no tsy sahy hanizingizina hoe tsy hety hitranga mihitsy ny zavatra iray. Araka ny famaritan’ny diksionera iray azy mantsy, ny fahagagana dia “fisehoan-javatra mifanohitra amin’izay lalàn’ny natiora fantatra amin’ny fotoana itrangan’ilay izy.” Raha izany no dikan’io teny io, dia azo inoana fa “fahagagana” ho an’ny olona niaina zato taona lasa izay, ny fankanesana any ambony tsy taka-maso any, ny fampiasana zanabolana, ary na dia ny radio fotsiny aza. Tsy afaka manizingizina àry isika fa tsy hety hitranga mihitsy ny fahagagana, satria fotsiny hoe tsy voazavantsika araka ny fahalalana ananantsika ankehitriny izany.

Inona no ho hitantsika, raha dinihintsika ny porofo sasany omen’ny Soratra Masina, mahakasika ny fahagagana nataon’i Jesosy Kristy? Ho hitantsika amin’izany raha angano fotsiny izy ireny, na tena nisy.