Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankasitraka ny “Lalàn’i Jehovah” ve Ianao?

Mankasitraka ny “Lalàn’i Jehovah” ve Ianao?

Mankasitraka ny “Lalàn’i Jehovah” ve Ianao?

‘Sambatra ny olona, izay mankasitraka ny lalàn’i Jehovah.’—SALAMO 1:1, 2.

1. Nahoana isika mpanompon’i Jehovah no sambatra?

MANAMPY sy mitahy antsika mpanompony mahatoky i Jehovah. Ekena fa maro ny fisedrana iaretantsika, nefa tena sambatra isika. Tsy mahagaga izany, satria “Andriamanitra falifaly” no tompointsika, ary mahatonga antsika ho faly koa ny fanahiny masina. (1 Timoty 1:11; Galatianina 5:22) Ny fifaliana dia fahatsapana fahasambarana marina, noho ny fanantenana na fahazoana zavatra tsara. Ary tsara tokoa ny fanomezana atolotr’ilay Raintsika any an-danitra antsika. (Jakoba 1:17) Tsy mahagaga àry raha sambatra isika!

2. Inona avy no salamo hodinihintsika?

2 Misongadina tsara ao amin’ny bokin’ny Salamo ny fahasambarana. Izany, ohatra, no hita ao amin’ny Salamo 1 sy 2. I Davida mpanjakan’ny Israely no nanoratra ny salamo faharoa, araka ny nolazain’ny mpianatr’i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 4:25, 26) Tsy fantatra kosa hoe iza no nanoratra ilay salamo voalohany, fa toy izao no nanombohany ilay hirany: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy.” (Salamo 1:1) Hojerentsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka ny Salamo 1 sy 2, izay miresaka ny antony mahafaly antsika.

Ny fototry ny fahasambarana

3. Nahoana no sambatra ny olona mankatò ny lalàn’Andriamanitra, araka ny Salamo 1:1?

3 Asehon’ny Salamo 1 hoe nahoana no sambatra ny olona mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Nanome ny antony sasany mahatonga izany fifaliana izany ilay mpanao salamo, rehefa nihira hoe: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira.”—Salamo 1:1.

4. Nahoana no fakan-tahaka i Zakaria sy Elizabeta?

4 Tsy maintsy manao izay takin’i Jehovah isika, mba ho tena sambatra. Faly sy nomem-boninahitra i Zakaria sy Elizabeta, rehefa niteraka an’i Jaona Mpanao Batisa. “Olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady, satria nandeha tsy nisy tsiny araka ny didin’i Jehovah rehetra sy izay notakin’ny lalàny.” (Lioka 1:5, 6) Ho sambatra koa isika raha manahaka azy ireo, sady tapa-kevitra ny ‘tsy handeha amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy’ na hanaraka ny hevi-dratsiny.

5. Inona no hanampy antsika hanalavitra ny ‘lalana falehan’ny mpanota’?

5 Tsy ‘hijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota’ isika, raha tsy manaraka ny toe-tsain’ny ratsy fanahy. Midika izany fa tsy ho any amin’ny toerana fahelany isika, anisan’izany ny toeram-pialam-boly ahitana fitondran-tena maloto, na toeran-kafa malaza ratsy. Ahoana raha alaim-panahy handika ny Soratra Masina miaraka amin’ny mpanota isika? Raha izany no mitranga, dia aoka isika hivavaka mba hampian’Andriamanitra hanaraka ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?” (2 Korintianina 6:14) Mila miantehitra amin’Andriamanitra sy “madio am-po” isika, mba tsy hanaraka ny toe-tsain’ny mpanota sy ny fomba fiainany. Ho tsara koa ny faniriantsika sy ny antony manosika antsika hanao zavatra amin’izay, ary hanana “finoana tsy mihatsaravelatsihy” isika.—Matio 5:8; 1 Timoty 1:5.

6. Nahoana isika no tokony hitandrina amin’ny mpaneso?

6 ‘Tsy tokony hipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira’ na mpaneso mihitsy isika, raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah. Maneso an’izay rehetra mankatò ny lalàn’i Jehovah ny sasany. Ny mpivadi-pinoana anefa matetika no tena maneso sady mamingavinga antsika, amin’izao “andro farany” izao. Nampitandrina ny mpiray finoana taminy ny apostoly Petera hoe: “Ry malala, ... fantatrareo aloha izao: Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany, ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niovan’ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’ ” (2 Petera 3:1-4) Ho afaka hisoroka ny loza tsy maintsy hihatra amin’ny mpaneso isika, raha ‘tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahany.’—Ohabolana 1:22-27.

7. Nahoana isika no tokony hanaraka ny Salamo 1:1?

7 Nanjary nanam-pinoana isika rehefa nianatra ny Soratra Masina. Mety hiala amin’izany anefa isika, raha tsy manaraka izay voalazan’ny Salamo 1. Mety hiharatsy kokoa noho ny teo aloha mihitsy aza ny fiainantsika. Mety hanomboka hanaraka ny torohevitry ny ratsy fanahy isika, ary avy eo, dia hiaraka matetika aminy. Mety ho lasa mpivadi-pinoana sy mpaneso mihitsy isika amin’ny farany. Raha minamana amin’ny ratsy fanahy àry isika, dia mety hanjary tsy hankatò an’i Jehovah Andriamanitra, ka ho simba ny fihavanantsika aminy. (1 Korintianina 15:33; Jakoba 4:4) Enga anie isika tsy hamela izany hitranga mihitsy!

8. Inona no hanampy antsika hifantoka amin’izay ankasitrahan’Andriamanitra?

8 Ny vavaka dia hanampy antsika hifantoka amin’izay ankasitrahan’Andriamanitra sy tsy hiaraka amin’ny ratsy fanahy. Hoy i Paoly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” Nampirisihin’io apostoly io isika mba hihevitra izay marina, zava-dehibe, mahitsy, madio, mahatehotia, tsara laza, misy hatsarana, ary mendri-piderana. (Filipianina 4:6-8) Aoka isika hanaraka an’io torohevitra io, mba tsy hikororosy hiaraka amin’ny ratsy fanahy.

9. Ahoana no anampiantsika ny olona isan-karazany, na dia miezaka tsy hanao ratsy aza isika?

9 Na dia miezaka tsy hanao ratsy aza isika, dia tokony hahay handanjalanja rehefa mitory amin’ny olona. Izany no nataon’ny apostoly Paoly, rehefa niresaka “momba ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy” tamin’i Feliksa Governora romanina. (Asan’ny Apostoly 24:24, 25; Kolosianina 4:6) Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona isan-karazany isika, ary tsara fanahy amin’izy ireo. Matoky isika fa izay ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’, dia ho lasa mpino sy hankasitraka ny lalàn’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 13:48.

Mankasitraka ny lalàn’i Jehovah izy

10. Inona no azontsika atao mba ho latsa-paka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny zavatra ianarantsika?

10 Hoy koa ny mpanao salamo momba ilay olona sambatra: “Ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina.” (Salamo 1:2) ‘Mankasitraka ny lalàn’i Jehovah’ koa isika mpanompony. Vakintsika amin’ny feo avo mihitsy angamba ny teny sasany, rehefa mianatra samirery sy misaintsaina isika. Ho latsa-paka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny teny ao amin’ny Soratra Masina, rehefa vakintsika toy izany.

11. Nahoana isika no tokony hamaky ny Baiboly “andro aman-alina”?

11 Mampirisika antsika hamaky ny Baiboly isan’andro ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Irintsika fatratra ny hahazo tsara kokoa ny hafatra tian’i Jehovah hampitaina amin’ny olombelona. Noho izany, dia tsara raha mamaky ny Baiboly “andro aman-alina” isika, indrindra rehefa tsy mahita tory. Nampirisika antsika i Petera hoe: “Toy ny zaza menavava, dia ataovy izay haniriana fatratra ny ronono tsy misy fangarony, dia ny rononon’ny teny, mba hampitomboan’izy io anareo ho amin’ny famonjena.” (1 Petera 2:1, 2) Moa ve ianao mankafy ny famakiana Baiboly isan’andro? Mankafy ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fikasany koa ve ianao rehefa amin’ny alina? Nahafinaritra ny mpanao salamo tokoa izany.—Salamo 63:6.

12. Inona no hataontsika, raha mankasitraka ny lalàn’i Jehovah isika?

12 Miankina amin’ny fankasitrahantsika ny lalàn’Andriamanitra ny fahasambarantsika mandrakizay. Tsy misy tsiny sy mahitsy izy io, ary ahazoana valisoa lehibe ny fitandremana azy. (Salamo 19:7-11) Hoy i Jakoba mpianatra: “Izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra momba ny fahafahana, ary maharitra amin’izany, ka tonga mpankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino, dia ho sambatra izy rehefa mankatò.” (Jakoba 1:25) Raha tena mankasitraka ny lalàn’i Jehovah isika, dia tsy hisy andro iray tsy hieritreretantsika ny Teniny. Haniry ‘hikaroka ao anatin’ny zava-dalin’Andriamanitra’ mihitsy isika, ary ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika ny Fanjakany.—1 Korintianina 2:10-13; Matio 6:33.

Tahaka ny hazo izy

13-15. Nahoana isika no oharina amin’ny hazo maniry eo amoron’ny loharano miboiboika?

13 Hoy ihany ny mpanao salamo momba ilay olo-marina: “Tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:3) Manan-java-manahirana toy ny olona rehetra tsy lavorary isika mpanompon’i Jehovah. (Joba 14:1) Mety henjehina na hiaritra fisedrana hafa isika, noho ny finoantsika. (Matio 5:10-12) Ampian’Andriamanitra anefa isika, ka afaka miaritra tsara ireny fitsapana ireny, toy ny hazo matanjaka mahatohitra rivo-mahery.

14 Tsy mety malazo ny hazo maniry eo amoron’ny loharano miboiboika, na dia migaingaina aza ny andro, ary na dia misy hain-tany aza. Ho toy izany koa isika raha matahotra an’Andriamanitra, satria manana Loharanon-kery tsy mety ritra, dia i Jehovah. Nangataka fanampiana taminy i Paoly, ka afaka nilaza hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy [dia i Jehovah].” (Filipianina 4:13) Marisika amin’ny fanompoana foana isika, rehefa mitari-dalana sy manohana antsika ny fanahy masin’i Jehovah. Tsy toy ny hazo malazo na efa ho faty isika, fa mamokatra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sady maneho ny vokatry ny fanahiny.—Jeremia 17:7, 8; Galatianina 5:22, 23.

15 Rehefa nampiasa ilay teny hebreo nadika hoe “tahaka ny” ilay mpanao salamo, dia nampitaha zavatra roa samy hafa, nefa manana toetra iray iombonana. Samy hafa ny olona sy ny hazo. Kanefa, rehefa nahita ny fidoroboky ny hazo teo amoron’ny loharano miboiboika ilay mpanao salamo, dia azo inoana fa tonga tao an-tsainy ny fitahiana tondraka azon’izay ‘mankasitraka ny lalàn’i Jehovah.’ Ho tahaka ny andron’ny hazo ny androntsika, raha mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra isika. Afaka hiaina mandrakizay mihitsy aza isika.—Jaona 17:3.

16. Nahoana no mahomby izay rehetra ataontsika, ary inona no akon’izany eo amintsika?

16 Manampy antsika hiaritra ny fitsapana sy ny zava-manahirana i Jehovah, rehefa miezaka hanao ny marina hatrany isika. Faly sy mamokatra isika eo amin’ny fanompoana azy. (Matio 13:23; Lioka 8:15) ‘Lavorary ny asantsika rehetra’, izany hoe mahomby satria ny hanao ny sitrapon’i Jehovah no tanjontsika voalohany indrindra. Mahomby foana koa ny fikasany ary mankasitraka ny didiny isika, ka mahazo fitahiana maro be. (Genesisy 39:23; Josoa 1:7, 8; Isaia 55:11) Izany no izy, na dia mahita olana aza isika.—Salamo 112:1-3; 3 Jaona 2.

Toa miadana ny ratsy fanahy

17, 18. a) Ampitahain’ilay mpanao salamo amin’ny inona ny ratsy fanahy? b) Nahoana no tsy maharitra ny fiadanan’ny ratsy fanahy?

17 Samy hafa tokoa ny fiainan’ny ratsy fanahy sy ny marina! Toa miadana ny ratsy fanahy, nefa tsy manan-karena amin’Andriamanitra izy. Izany no asehon’ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: “Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy, fa toy ny akofa aelin’ny rivotra izy. Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ny fitsarana, na ny mpanota eo amin’ny fiangonan’ny marina.” (Salamo 1:4, 5) Mariho ny teniny hoe “tsy mba toy izany ny ratsy fanahy.” Midika izany fa izy ireo dia tsy toy ny mpankatò an’Andriamanitra, izay oharina amin’ny hazo mamokatra sy mateza.

18 Na dia miadana aza ny ratsy fanahy, dia tsy maharitra izany. (Salamo 37:16; 73:3, 12) Toy ilay lehilahy mpanankarena noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana anankiray izy ireo. Niresaka momba azy izy, rehefa nasaina hitsara ady lova. Hoy izy: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” Naka ohatra i Jesosy avy eo hanazavana izany. Namokatra be, hoy izy, ny tanin’ny lehilahy mpanan-karena anankiray. Nikasa handrava ny trano fitahirizany àry izy, ka hanangana trano lehibe kokoa hasiana ny zava-tsoany rehetra. Nikasa hihinana sy hisotro ary hifalifaly izy, nefa hoy Andriamanitra: “Ry tsy misaina, anio alina dia hisy haka aminao ny ainao, koa ho an’iza ireto zavatra nangoninao?” Nanantitrantitra ny hevitra tiany nampitaina i Jesosy, ka nanao hoe: “Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena amin’Andriamanitra.”—Lioka 12:13-21.

19, 20. a) Natao ahoana ny vary rehefa avy nojinjaina, tany Israely fahiny? b) Nahoana ny ratsy fanahy no toy ny akofa?

19 “Tsy manankarena amin’Andriamanitra” ny ratsy fanahy. Mihelina toy ny akofa àry izy ireo, fa tsy maharitra. Tany Israely fahiny, dia nentina teny am-pamoloana ny vary rehefa avy nojinjaina. Toerana marin-tampona teny amin’ny faritra avo izy io mazàna. Avy eo, dia nampandalovina teo ambonin’ireo tahom-bary ny kalesy tarihin’ny biby. Misy vato maranitra na nifiny vy amin’izy io, ka potika ireo tahom-bary, ary nisaraka ny voam-bary sy ny akofa. Taorian’izay, dia natsipy teny amin’ny rivotra tamin’ny alalan’ny fitaovana fikororohana izany rehetra izany. (Isaia 30:24) Nilatsaka tamin’ny tany ny voam-bary, ary ny mololo nilatsaka lavidavitra kokoa, fa ny akofa kosa lasan’ny rivotra. (Rota 3:2) Nosivanina aloha ilay vary mba hanesorana ny vato kely sy ny fakofako. Azo notehirizina na nototoina amin’izay izy avy eo. (Lioka 22:31) Tsy hita intsony kosa anefa ilay akofa.

20 Toy ireo voam-bary nilatsaka tamin’ny tany sy voatahiry, dia ho voaro ny marina. Horinganina kosa ny ratsy fanahy, toy ilay akofa nentin’ny rivotra. Azo antoka anefa fa faly isika, satria tsy ho ela dia tsy hisy mandrakizay izy ireo. Handray fitahiana tondraka ny olona mankasitraka ny lalàn’i Jehovah, rehefa tsy ho eo intsony izy ireo. Homen’Andriamanitra fiainana mandrakizay mihitsy ny olona mankatò amin’ny farany.—Matio 25:34-46; Romanina 6:23.

Tahina izay manaraka ny ‘lalan’ny marina’

21. Nahoana no lazaina fa ‘fantatr’i Jehovah ny marina’?

21 Mifarana toy izao ilay salamo voalohany: “Fantatr’i Jehovah ny làlan’ny marina, fa ny làlan’ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ny fahaverezana.” (Salamo 1:6) Nahoana no lazaina fa ‘fantatr’Andriamanitra ny marina’? Satria azo antoka hoe hitan’ilay Raintsika any an-danitra ny ezaka ataontsika mba hankatoavana ny lalàny, ary mankasitraka antsika mpanompony izy. Afaka mametraka aminy izay rehetra mampanahy antsika àry isika, sady izany mihitsy no tokony hatao. Azo antoka mantsy fa tena miahy antsika izy.—Ezekiela 34:11; 1 Petera 5:6, 7.

22, 23. Inona no hiafaran’ny ratsy fanahy sy ny marina?

22 Haharitra mandrakizay ‘ny lalan’ny marina’, fa horinganina kosa ny ratsy fanahy tsy mety miova, satria homelohin’i Jehovah. Hifarana miaraka aminy ny ‘lalany’ na ny fomba fiainany. Afaka matoky isika fa ho tanteraka ireto tenin’i Davida ireto: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:10, 11, 29.

23 Ho sambatra tokoa isika, raha mahazo tombontsoa hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany, rehefa tsy hisy intsony ny ratsy fanahy! Hiaina ao anatin’ny tena fiadanana ny mpandefitra sy ny marina amin’izay, satria hankasitraka ny “lalàn’i Jehovah” foana izy ireo. Alohan’izany anefa, dia tsy maintsy manan-kery ny ‘zava-boatendrin’i’ Jehovah, na ny didiny. (Salamo 2:7a) Hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany didy izany, sy ny fiantraikany eo amintsika sy ny olombelona rehetra.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no sambatra ny olona mankatò ny lalàn’Andriamanitra?

• Ahoana no ahitana raha mankasitraka ny lalàn’i Jehovah isika?

• Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no toy ny hazo ampy rano tsara?

• Inona no maha samy hafa ny lalan’ny marina sy ny lalan’ny ratsy fanahy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

Hanampy antsika tsy hiaraka amin’ny ratsy fanahy ny vavaka

[Sary, pejy 12]

Nahoana ny marina no oharina amin’ny hazo?