Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Tanjona mba Hiderana ny Mpamorona

Manàna Tanjona mba Hiderana ny Mpamorona

Manàna Tanjona mba Hiderana ny Mpamorona

“TSY mampaninona ny olona izay izoran’ny rivotra, rehefa tsy fantany ny seranan-tsambo halehany.” Filozofa romanina iray tamin’ny taonjato voalohany, hono, no nilaza izany. Asehon’ireo teny ireo fa tena ilaina mba hitari-dalana eo amin’ny fiainana ny tanjona.

Miresaka ny amin’ny olona sasantsasany, izay nifantoka tamin’ny fanatratrarana tanjona ny Baiboly. Niasa mafy nandritra ny 50 taona i Noa, mba ‘hanamboarana sambo fiara hamonjena ny ankohonany.’ “Nibanjina tsara ny fanomezana ny valisoa” i Mosesy mpaminany. (Hebreo 11:7, 26) Ny handresy ny tany Kanana no tanjona nomen’Andriamanitra an’i Josoa, mpandimby an’i Mosesy.—Deoteronomia 3:21, 22, 28; Josoa 12:7-24.

Tamin’ny taonjato voalohany, dia azo antoka fa nisy heriny lehibe teo amin’ny tanjona ara-panahy tian’ny apostoly Paoly hotratrarina ny tenin’i Jesosy hoe: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.” (Matio 24:14) Nampahery azy ny hafatra sy fahitana avy tamin’i Jesosy Tompo, anisan’izany ny fanendrena azy ‘hitondra ny anaran’i Jesosy tany amin’ny hafa firenena.’ Koa nandray anjara lehibe àry izy tamin’ny fiforonan’ny fiangonana kristianina maro nanerana an’i Azia Minora ka hatrany Eoropa.—Asan’ny Apostoly 9:15; Kolosianina 1:23.

Tena nanana tanjona ambony ireo mpanompon’i Jehovah hatramin’izay, ary nanatratra izany mba hiderana an’Andriamanitra. Ahoana no hananantsika tanjona mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? Inona avy no tanjona azontsika iezahana hotratrarina, sy ireo dingana tokony hatao amin’izany?

Tena ilaina ny antony manosika tsara

Azo asiana tanjona daholo ny asa atao eo amin’ny fiainana. Mifantoka amin’ny fanatratrarana tanjona koa ny olona sasany eto amin’ity tontolo ity, saingy tsy mitovy amin’ny an’ny Kristianina ny azy ireo. Ny fitiavan-karena sy ny hetahetam-pahefana ary ny fitadiavan-tseza matetika no antony lehibe manosika azy. Tena fahadisoana anefa izany, satria ny tanjona mifandray mivantana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny asan’ilay Fanjakana ihany no mitondra fiderana ho an’i Jehovah. (Matio 6:33) Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona mantsy ny olona manana tanjona toy izany, sady mahafoy tena ho an’Andriamanitra.—Matio 22:37-39; 1 Timoty 4:7.

Enga anie ho tsara ny antony manosika antsika, na ny hanompo bebe kokoa no tanjontsika, na ny hanatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Misy tanjona tsy tratra anefa indraindray, na dia tsara aza ny antony manosika. Ahoana àry no ananana tanjona tsara sy anaovana izay hanatratrarana izany?

Tsy maintsy eo ny faniriana mafy

Diniho ny fomba namitan’i Jehovah ny famoronana an’izao rehetra izao. Hoy ny teniny, isaky ny vita ny fe-potoam-pamoronana tsirairay: “Dia nisy hariva, ary nisy maraina.” (Genesisy 1:5, 8, 13, 19, 23, 31) Fantany tsara ny tanjony ho an’ny fe-potoana tsirairay teo am-panombohan’izy ireny, ka nahavita izay nokasainy izy, dia ny famoronana. (Apokalypsy 4:11) Hoy i Joba, loham-pianakaviana fahiny: “Na inona na inona irin’ny fanahiny [ny an’i Jehovah] dia ataony.” (Joba 23:13) Tsy maintsy ho tena afa-po i Jehovah rehefa nahita “izay rehetra nataony”, ka nilaza fa “tsara indrindra” izany!—Genesisy 1:31.

Tsy maintsy maniry mafy ny hanatontosa ny tanjontsika koa isika, raha tiantsika ny hanatratra izany. Inona no hanampy antsika amin’izany? Na mbola tsy nisy endrika sady foana aza ny tany, dia efa tsinjon’i Jehovah fa ho lasa vatosoa kanto eo amin’ny habakabaka izy io, ka hanome voninahitra azy. Toy izany koa isika. Hitombo ny faniriantsika hanatontosa ny tanjontsika, raha saintsainintsika ny soa hoentin’ny fanatratrarana izany. Izany mihitsy no nitranga tamin’i Tony. Tsy hadinony mihitsy ilay fihetseham-pony tamin’izy nitsidika voalohany ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Eoropa Andrefana. Izao no fanontaniana tsy afaka tao an-tsainy, nanomboka teo: ‘Hanao ahoana re izany hoe hipetraka sy hanompo ao amin’ny toerana tahaka an’io izany e?’ Nieritreritra foana izy fa azo tanterahina ny faniriany, ka niezahiny notratrarina. Tena faly izy rehefa nekena ny fangatahany hanompo tao amin’ilay sampana, taona maromaro tatỳ aoriana!

Mety hampitsiry ao amintsika ny faniriana hanatratra tanjona iray koa ny fiarahana amin’ny olona efa nahatratra izany. Telopolo taona i Jayson izao. Tsy tia nitory izy tamin’izy mbola zatovo. Nirotsaka ho mpisava lalana avy hatrany anefa izy, ka tonga mpitory manontolo andro, raha vao vita ny fianarany teny amin’ny lise. Inona no nahatonga azy haniry ho mpisava lalana? Namaly izy hoe: “Niresaka tamin’ireo mpisava lalana aho ary niara-nanompo tamin’izy ireo. Izany no tena nanampy ahy.”

Soraty ireo tanjonao

Mihamazava ny hevitra rehefa soratana. Nilaza i Solomona fa mety hahery toy ny fanindronana omby ny teny mety tsara, ka hitari-dalana eo amin’ny fiainana. (Mpitoriteny 12:11) Latsaka lalina ao am-po sy ao an-tsaina mantsy ireny teny ireny, rehefa voasoratra. Izany no nahatonga an’i Jehovah handidy ireo mpanjakan’ny Israely mba handika ho azy ireo ny bokin’ny Lalàna. (Deoteronomia 17:18) Mety ho tiantsika koa àry ny hanoratra ireo tanjontsika sy izay kasaintsika hatao mba hanatratrarana azy ireny. Hotanisaintsika ao ireo sakana efa ampoizintsika sy ny fomba handresena azy ireny. Tsara koa raha fantatsika izay fahalalana sy fahaizana tokony hananantsika, ary ny olona afaka hanampy sy hanohana antsika.

Mpisava lalana manokana efa hatramin’ny ela tany amin’ny faritany mitokana, any Azia, i Geoffrey. Nampitony azy ny fananana tanjona mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Maty tampoka mantsy ny vadiny. Rehefa nihazatra an’ilay tarehin-javatra anefa izy, dia nanapa-kevitra ny hifantoka tanteraka tamin’ny fanompoany, ka nifidy tanjona hotratrarina. Nosoratany izany, ary nivavaka izy mba ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly vaovao telo tao anatin’ny volana. Nojereny isan’andro ny asa nataony ary nojereny isaky ny folo andro ny fandrosoana vitany. Tratrany ve ilay tanjony? Faly erỳ izy namaly hoe ‘eny’, satria fampianarana Baiboly vaovao efatra no nanaovany tatitra!

Zarao ho tanjona maromaro ny tanjona lavitra ezaka

Mety ho toa sarotra tratrarina ny tanjona sasany amin’ny voalohany. Ho an’i Tony, voaresaka terỳ aloha, dia toa nofinofy ny hoe hanompo ao amin’ny biraon’ny sampana. Ratsy mantsy ny fomba fiainany tamin’izany ary mbola tsy nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy. Nanapa-kevitra ny hampifanaraka ny fiainany tamin’ny lalan’i Jehovah anefa izy, ary nataony tanjona ny hahafeno fepetra ho amin’ny batisa. Rehefa vitany izany, dia niezaka ho mpisava lalana mpanampy indray izy, ary mpisava lalana maharitra avy eo. Nomarihiny teo amin’ny kalandrie mihitsy ny daty nokasainy hanombohana an’izany. Tsy toy ny tanjona tsy azo notratrarina intsony ilay fanompoana ao amin’ny biraon’ny sampana, rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny fotoana elaela izy.

Mety ho tsara koa raha zaraintsika ho tanjona maromaro, ny tanjona lavitra ezaka. Amin’izay, rehefa tratrantsika ny tsirairay aminy, dia midika izany fa mizotra ho amin’ilay tanjona lehibe kokoa isika. Hifantoka hatrany amin’io tanjona io isika, raha mijery tsy tapaka ny fandrosoana vitantsika. Ho afaka hanohy hatrany koa isika, raha mivavaka matetika amin’i Jehovah momba ny fikasantsika. Hoy mantsy ny fananaran’ny apostoly Paoly: “Aza mitsahatra mivavaka.”—1 Tesalonianina 5:17.

Ilaina ny fahatapahan-kevitra sy fikirizana

Misy tanjona tsy azo tratrarina mihitsy, na dia efa nosaintsainina tsara sy nirina mafy aza. Tsy maintsy ho tena diso fanantenana i Jaona Marka, rehefa tsy nety nitondra azy tamin’ny dia misionera faharoa nataony ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 15:37-40) Voatery nandray lesona tamin’io fahadisoam-panantenana io i Marka, ary nanitsy ilay tanjony mahakasika ny fanitarana ny fanompoany. Miharihary fa nanao izany izy, satria nilaza zavatra tsara momba azy i Paoly tatỳ aoriana, ary niaraka akaiky tamin’ny apostoly Petera izy tany Babylona. (2 Timoty 4:11; 1 Petera 5:13) Nanoratra ny tantaram-piainana sy ny fanompoan’i Jesosy koa izy, noho ny herin’ny fanahy masina. Izany angamba no voninahitra lehibe indrindra azony.

Mety ho voasakantsakana koa isika eo am-piezahana hanatratra ny tanjontsika. Aoka anefa isika tsy ho kivy fa hijery ny fandrosoana efa vitantsika. Tokony hodinihintsika koa raha mbola azo tratrarina ilay izy, ary hiova tanjona raha ilaina izany. Tokony hiezaka handroso isika, ka ho tapa-kevitra sy hanana fikirizana, rehefa miatrika zava-manahirana. Hoy mantsy i Solomona Mpanjaka hendry: “Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao.”—Ohabolana 16:3.

Misy toe-javatra tsy azo ialana anefa indraindray. Mety hisakana antsika tsy hanatratra tanjona sasany, ohatra, ny aretina na ny andraikitra ara-pianakaviana. Enga anie isika tsy hanadino mihitsy fa ny fiainana mandrakizay, na any an-danitra na ao amin’ny Paradisa an-tany, no loka lehibe indrindra. (Lioka 23:43; Filipianina 3:13, 14) Ahoana no ahazoana azy io? Hoy ny apostoly Jaona: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Mety tsy hamela antsika hanatratra tanjona iray ny toe-javatra misy antsika, nefa mbola afaka ‘matahotra an’Andriamanitra sy mitandrina ny didiny’ isika. (Mpitoriteny 12:13) Manampy antsika hifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ny tanjona mifandray amin’ny fanompoana azy. Aoka àry isika hampiasa azy ireny mba hiderana ny Mpamorona.

[Efajoro, pejy 22]

Tanjona Azo Saintsainina

○ Mamaky Baiboly isan’andro

○ Mamaky ny nomerao tsirairay amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!

○ Manatsara ny vavaka

○ Maneho ny vokatry ny fanahy

○ Miezaka hanompo bebe kokoa

○ Miezaka ho mpitory sy mpampianatra mahomby kokoa

○ Manatsara ny fahaizana mitory an-telefaonina sy tsy ara-potoana ary any amin’ny faritany be toeram-piasana