Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no mifanitsy amin’ny taona Jobily resahina ao amin’ny Levitikosy toko faha-25?

Voalaza tsara ao amin’ny Lalàn’i Mosesy fa ‘ny taona fahafito dia ho tena fitsaharana ho an’ny tany.’ Izao no didy ho an’ny Israelita momba io taona io: “Aza mamafy amin’ny taninao hianao, ary aza mamboatra ny sahanao. Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ny tany izany.” (Levitikosy 25:4, 5) Tokony ho taona Sabata ho an’ny tany àry ny taona fahafito rehetra. Ary isaky ny taona faha-50, manaraka ny taona Sabata fahafito, dia ho Jobily. Inona no tokony hitranga amin’io taona io?

Hoy i Jehovah tamin’ny Israely tamin’ny alalan’i Mosesy: “Hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ny taninareo avy hianareo sy any amin’ny mpianakavinareo avy. Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy hianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’izay tsy namboarinareo.” (Levitikosy 25:10, 11) Natao ho fitsaharana ho an’ny tany àry ny taona faha-49 sy faha-50. Rehefa mifanarakaraka toy izany ny Sabata roa, dia antsoina hoe Jobily ilay farany. Nitondra fanafahana ho an’ny mponina koa anefa ny Jobily. Nafahana ny Jiosy namidy ho andevo. Naverina tamin’ny olona ny taniny, raha voatery nivarotra izany izy. Taona famerenana tamin’ny laoniny sy fanafahana ho an’ny Israely fahiny àry ny Jobily. Inona no mifanitsy amin’izy io ho an’ny Kristianina?

Nahatonga ny olombelona ho andevon’ny ota ny fikomian’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Ny vidim-panavotan’i Jesosy Kristy no fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny ota. * (Matio 20:28; Jaona 3:16; 1 Jaona 2:1, 2) Oviana ny Kristianina no afaka tamin’ny lalàn’ny ota? Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina voahosotra: “Efa nanafaka anao tamin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana mantsy ny lalàn’ny fanahy. Io fanahy io dia manome fiainana ao amin’i Kristy Jesosy.” (Romanina 8:2) Mahazo an’io fanafahana io àry ireo manantena fiainana any an-danitra, rehefa voahosotra amin’ny fanahy masina. Manambara azy ireo ho marina Andriamanitra ary mandray azy ho zanany ara-panahy, na dia mbola nofo sy ra sady tsy lavorary aza izy ireo. (Romanina 3:24; 8:16, 17) Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 ny Jobily ho an’ny Kristianina voahosotra.

Ahoana kosa ny amin’ny “ondry hafa” manantena fiainana mandrakizay eto an-tany? (Jaona 10:16) Ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy no fotoana hamerenana amin’ny laoniny sy hanafahana azy ireo. Hampihatra ny soa entin’ny vidim-panavotany ho an’izay rehetra mino i Jesosy, ary hanafoana ny vokatry ny ota, mandritra io Jobily Arivo Taona io. (Apokalypsy 21:3, 4) Ho lasa lavorary ny olona, ary ho afaka tanteraka amin’ny ota sy ny fahafatesana nolovana, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Romanina 8:21) Hifarana ny Jobily kristianina rehefa vita izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nirahina “hitory fanafahana amin’ny babo” i Jesosy, raha ny marina. (Isaia 61:1-7; Lioka 4:16-21) Fanafahana amin’ny vokatry ny ota no nambarany.

[Sary, pejy 26]

Fotoana famerenana amin’ny laoniny sy fanafahana ny “ondry hafa” ny Jobily Arivo Taona