Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Atao ny Mahita ny Torohevitra Tsara Indrindra

Azo Atao ny Mahita ny Torohevitra Tsara Indrindra

Azo Atao ny Mahita ny Torohevitra Tsara Indrindra

TENA mahafinaritra izany hoe sambatra izany. Mba hahatsapana izany eto amin’ity tontolo feno zava-manahirana ity, dia tena ilaina ny torohevitra tsara sy ny fahavononana hanaraka izany. Tsy vonona hanao izany foana anefa ny olombelona. Maro no milaza fa tokony hanao izay tiany fotsiny ny olona. Raha ny marina, dia milaza ny Baiboly fa i Satana no nampirisika ny olona voalohany hanao izay tiany. Izy no voalohany nanohitra ny zon’Andriamanitra hitondra. Izao no nolazainy tamin’i Eva, araka ny Genesisy 3:5: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo [ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy] dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.”

Sambatra ary afa-maina ve anefa i Adama sy Eva, rehefa nanao izay saim-pantany fotsiny? Tsy izany mihitsy. Nihevitra izy ireo fa nahalala ny tsara sy ny ratsy, kanjo diso fanantenana. Rariny raha tsy nankasitrahan’Andriamanitra izy mivady. Tsy lavorary intsony izy ireo, nihasarotra ny fiainany, ary maty izy tamin’ny farany. (Genesisy 3:16-19, 23) Mahazo antsika rehetra koa ny fahafatesana. Hoy ny Baiboly: ‘Avy tamin’ny olona iray [Adama] no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’—Romanina 5:12.

Nanao safidy ratsy i Adama sy Eva, kanefa maro no mbola tsy manaiky hoe fahendrena ny manaraka ny torohevitry ny Mpamorona. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra sy mahasoa’ ny teny raketiny, ary afaka manampy antsika ‘hahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.’ (2 Timoty 3:16, 17) Azo antoka fa ho sambatra kokoa isika, raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Hita taratra izany, indrindra fa eo amin’ny sehatry ny fiainam-pianakaviana.

Tsy manitsakitsa-bady

Milaza ny Soratra Masina fa nataon’Andriamanitra haharitra ny fanambadiana. (Genesisy 2:22-24; Matio 19:6) Voalaza ao koa fa “tsy [tokony] ho voaloto ny fandrian’ny mpivady”, izany hoe tsy tokony hiray amin’olon-kafa tsy vadiny izy. (Hebreo 13:4) Kanefa, ekenao angamba fa mpivady maro ankehitriny no tsy manaraka izany fitsipika izany. Misy zatra mijejojejo amin’ny olon-kafa tsy vadiny, any am-piasana. Ny hafa indray mandainga amin’ny vady aman-janany mba hiarahana amin’ny olon-tiany. Misy mihitsy aza mandao ny vadiny, ka lasa miara-mipetraka amin’ny olon-kafa tanora kokoa. Milaza izy ireo fa mahatsiaro ho tanora sy sambatra kokoa rehefa manao izany, toy ilay vadin’i Verónica, tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha.

Tsy mitondra fahasambarana maharitra anefa ny fanaovana izay mahafinaritra ny tena fotsiny, tsy misy firaharahana ny ho vokany. Afaka manamarina izany i Ronald. Nanambady izy, nefa niaraka tamin’ny vehivavy hafa nandritra ny enin-taona, ary tsy nisy nahalala izany. Nilaozany ny vadiny avy eo, ary lasa izy niara-nipetraka tamin’ilay sakaizany, izay efa niterahany roa. Nihevitra izy fa hanatsara ny fiainany izany. Nilaozan’ilay sakaizany anefa izy, taoriana kelin’ny nisarahany tamin’ny vadiny! Lasa nipetraka tany amin’ny ray aman-dreniny i Ronald tamin’ny farany. Nilaza izy fa nahatsiaro tena ho “afa-baraka.” Tsy maningana anefa ny toy izany. Nitombo be ny fisaraham-panambadiana sy ny fisaratsarahan’ny fianakaviana, noho ny fitondran-tena mampiseho fitiavan-tena toy izany. Maro be ny ankizy sy olon-dehibe mijaly vokatr’izany.

Tena mahasambatra kosa anefa ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly. Izany no tsapan’i Roberto, izay nilaza hoe: “Nanampy ahy tsy hisaraka tamin’ny vadiko ny torohevitry ny Baiboly. Tsy afaka ny ho tena sambatra isika, raha resin’ny fakam-panahy hiaraka amin’ny olona tsy vadintsika, na dia mety ho tsara tarehy aza ilay olona. Nanampy ahy ny fianarana ny Baiboly mba ho tia lalina ny vadiko, izay teo anilako foana nandritra ny taona maro.” Zava-dehibe tamin’i Roberto ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.” (Malakia 2:15) Amin’ny lafiny inona koa no mahasoa antsika ny torohevitr’Andriamanitra?

Fitaizan-janaka

Nandritra ny am-polony taona maro, dia nalaza ilay hevitra hoe tsy tokony hametra fitsipika be dia be ho an-janany ny ray aman-dreny. Toa nety ny namelana ny ankizy hieritreritra izay tiany, sy hanapa-kevitra samirery ny amin’izay hataony. Ny hampivelatra ny sain’izy ireo no nokendrena tamin’izay. Natao izay tsy hahahentitra loatra ny fitsipiky ny sekoly sasany. Ireo mpianatra tao ihany, ohatra, no nanapa-kevitra raha ho any an-dakilasy izy ireo na tsia. Afaka nifidy ny habetsahan’ny fialam-boly na ny fianarana tiany hatao koa izy ireo. Nisy koa sekoly “namela ny ankizy hanao ny sitrapony rehetra, ka tsy nisy olon-dehibe niteny azy ireo na nitsabaka tamin’izay nataony.” Mbola misy mpanolo-tsaina milaza ankehitriny fa tsy mety ny mikapoka ankizy, na dia rehefa hitan’ny ray aman-dreniny aza fa mila fehezina amim-pitiavana izy ireo.

Inona no vokany? Maro no mihevitra fa lasa manana fahalalahana be loatra ny ankizy, rehefa milefitra loatra ny olon-dehibe. Ary izany no mampirongatra ny heloka bevava sy ny fidorohana zava-mahadomelina. Araka ny fanadihadiana natao tany Etazonia, dia efa ho ny 70 isan-jaton’ireo nanontaniana no namaly fa tsy ampy ny tari-dalana omen’ny ray aman-dreny ny ankizy sy ny tanora. Maro no milaza fa matoa misy ny fitifirana any an-tsekoly sy ny heloka bevava mahatsiravina hafa, dia satria “tsy manara-maso firy” ny zanany “ny ray aman-dreny.” Na dia tsy tonga hatramin’izany aza anefa ny vokany, dia samy mijinja vokany mangidy na ny ray aman-dreny, na ny zanaka.

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fitaizan-janaka? Manoro hevitra izy io fa tokony haneho fitiavana sady ho hentitra ny ray aman-dreny rehefa mampihatra ny fahefany. Hoy ny Baiboly: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.” (Ohabolana 22:15) Mazava ho azy fa tokony hifanaraka amin’ny toe-javatra foana ny fifehezan’ny ray aman-dreny. Tokony halemy fanahy sy hifehy tena ary haneho fiheverana foana anefa izy ireo. Amin’izay no ahitana fa porofom-pitiavana ilay izy. Azo inoana fa tena hahomby ny ray aman-dreny raha mampihatra ny fahefany amim-pitiavana, fa tsy amin-kerisetra.

Mitondra soa ny fampiharana izany. Nilaza toy izao i Arturo, lehilahy 30 taona mipetraka any Meksika, izay nanambady vao haingana: “Nataon’i Dada mazava tsara taminay mirahalahy avy fa izy sy Neny no nanana fahefana teo anivon’ny fianakaviana. Tsy nisalasala mihitsy izy ireo nifehy anay, kanefa nanam-potoana hiresahana taminay foana koa izy ireo. Mankasitraka ny fiainana milamina ananako aho izao, ary fantatro fa ny tari-dalana tsara azoko no tena anton’izany.”

Araho ny torohevitra tsara indrindra

Hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny torohevitra tsara indrindra ho an’ny olombelona. Tsy voafetra ho an’ny fiainam-pianakaviana fotsiny anefa ny tari-dalana ao. Manampy antsika amin’ny fomba maro koa izy io, satria mampianatra antsika izay tokony hatao eo anivon’ity tontolo ity. Maro mantsy no tsy manaiky hoe misy Loharanom-pahendrena ambony kokoa tokony hifehy ny fiainany, raha tiany ny hahita soa.

Nanome toky tamin’ny alalan’i Davida mpanao salamo i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny olombelona, hoe: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” (Salamo 32:8) Eritrereto ange hoe mandinika antsika ilay Mpamorona mba hiarovana antsika amin’ny loza e! Mila manontany tena àry isika hoe: ‘Hanetry tena ve aho, ka hanaraka ny tari-dalany izay natao hiarovana ahy?’ Milaza amintsika amim-pitiavana ny Teniny hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”—Ohabolana 3:5, 6.

Mitaky ezaka sy fikirizana ny fahafantarana an’i Jehovah, nefa afaka manampy ny Baiboly. Raha manaraka ny fomba fiaina atorony isika, dia hanana ny “fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy.” Ahazoana tombony be tokoa izany, rehefa eritreretina ny soa entiny.—1 Timoty 4:8; 6:6.

Ataovy loha laharana eo amin’ny fiainanao ny famakiana sy fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra, raha manintona anao ny fahendrena raketiny, sy ny fitahiana azo amin’ny fampiharana izany. Hanampy anao izany hiatrika ny zava-tsarotra hitanao ankehitriny sy amin’ny hoavy. Ho hitanao ao koa fa mampanantena tontolo vaovao Andriamanitra. Hampianariny daholo ny olona ao, ka ho be ny fiadanan’izy ireo.—Isaia 54:13.

[Sary, pejy 5]

Afaka manamafy ny fatoram-panambadiana ny torohevitry ny Baiboly

[Sary, pejy 6]

Sady manome torohevitra tsara ny Baiboly no mamela antsika hankafy ny fiainana

[Sary, pejy 7]

Voalanjalanja ny fiainan’ireo manaraka ny torohevitry ny Baiboly