Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Deoteronomia

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Deoteronomia

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Deoteronomia

NY TAONA 1473 T.K., tamin’izay, ary 40 taona no lasa hatramin’ny nanafahan’i Jehovah ny zanak’Israely, tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina. Nivezivezy tany an’efitra izy ireo nandritra io fe-potoana io ka mbola tsy nanana tany. Teo an-tokonan’ny Tany Nampanantenaina ihany anefa izy ireo, tamin’ny farany. Inona izao no miandry azy rehefa haka ilay tany izy ireo? Inona no olana ho hitany, ary ahoana no tokony hiatrehany izany?

Nanomana ny Israely ho amin’ny asa goavana niandry azy i Mosesy, talohan’ny niampitan’izy ireo ny Reniranon’i Jordana sy nidirany tao amin’ny tany Kanana. Inona àry no nataony? Nanao lahateny maromaro hampaherezana sy hananarana ary hampitandremana azy ireo izy. Nampahatsiahy ny Israelita izy, fa mendrika ny hotiavina amin’ny fo manontolo i Jehovah Andriamanitra, ary tsy tokony hanaraka ny fanaon’ny firenena nanodidina izy ireo. Ampahany lehibe amin’ny bokin’ny Deoteronomia ireny lahateny ireny. Tena ilaintsika amin’izao andro izao ny torohevitra ao amin’izy ireny. Tsy mora mantsy ny ho tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, eo anivon’ity tontolo ity.—Hebreo 4:12.

I Mosesy no nanoratra ny bokin’ny Deoteronomia iray manontolo, afa-tsy ny toko farany. * Mahafaoka fe-potoana maharitra roa volana mahery kely izy io. (Deoteronomia 1:3; Josoa 4:19) Andeha hojerentsika ny torohevitra ao fa tena manampy antsika ho tia an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy hanompo azy amim-pahatokiana.

‘AZA HADINOINA NY ZAVATRA EFA HITAN’NY MASONAO’

(Deoteronomia 1:1–4:49)

Notantarain’i Mosesy tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ilay lahateny voalohany, ny zava-nitranga sasany tany an’efitra, indrindra fa ireo izay mety hahasoa ny Israelita teo am-piomanan’izy ireo hiditra ny Tany Nampanantenaina. Azo antoka fa nampahatsiahy azy ireo zavatra ny fitantarana momba ny fanendrena mpitsara. Anisan’izany ny hoe mandamina ny vahoakany i Jehovah, sady mikarakara azy ireo amim-pitiavana. Nolazain’i Mosesy tao koa fa tsy tafiditra tao amin’ny tany nampanantenaina ilay taranaka teo aloha, noho ny tatitra ratsy nataon’ireo mpisafo tany folo. Eritrereto ny akon’izany ohatra fampitandremana izany teo amin’ireo nihaino azy, izay nadiva hiditra ilay tany.

Tsy maintsy ho nahazo hery hanombohana ny fanafihany ny zanak’Israely, rehefa nitadidy ny fandresena azony, talohan’ny niampitany ny Reniranon’i Jordana. Nanjakan’ny fanompoan-tsampy ilay tany efa halain’izy ireo. Tena nety mihitsy àry ny nanomezan’i Mosesy fampitandremana hentitra momba ny fanompoan-tsampy!

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:4-6, 9, 19, 24, 31-35; 3:1-6—Nahoana no naringan’ny Israelita ny olona sasany nipetraka tany atsinanan’i Jordana, fa ny hafa kosa tsy naringany? Nodidian’i Jehovah ny Israely mba tsy hila ady tamin’ny taranak’i Esao. Ny antony dia satria taranaky ny rahalahin’i Jakoba ireo. Tsy tokony handrafy na hila ady tamin’ny Moabita sy ny Amonita koa ny Israelita, satria taranak’i Lota zana-drahalahin’i Abrahama ireo. Tsy havan’ny Israely kosa i Sihona sy Oga, mpanjaka amorita, ka tsy tompon’ilay tany nofeheziny. Tsy navelan’i Sihona hamakivaky ny taniny anefa ny Israely, ary tonga hiady tamin’izy ireo i Oga. Noho izany, dia nodidian’i Jehovah handrava ny tanànan’izy ireo ny Israelita, ka handringana tanteraka azy ireo.

4:15-20, 23, 24—Voarara ny fanaovana sarin-javatra voasokitra. Midika ve izany fa tsy mety ny hanaovan’ny mpanakanto sary? Tsy izany velively. Ny fanaovana sary hivavahana no nandrarana teto. Tsy azo atao mantsy ny ‘miankohoka eo anatrehan’ny sampy sy manompo azy.’ Tsy mandrara ny hanaovan’ny mpanakanto sary sokitra na sary hoso-doko anefa ny Soratra Masina.—1 Mpanjaka 7:18, 25.

Lesona ho antsika:

1:2, 19. Nirenireny tany an’efitra nandritra ny 38 taona teo ho eo ny zanak’Israely, na dia ‘lalana iraika ambin’ny folo andro monja avy ao Horeba [ilay faritra nanodidina ny Tendrombohitra Sinay nanomezana ny Didy Folo] aza i Kadesi-barnea, raha ny lalana mahazo ny Tendrombohitra Seïra no aleha.’ Izany no vokany rehefa tsy mankatò an’i Jehovah Andriamanitra!—Nomery 14:26-34.

1:16, 17. Mitovy amin’izany ihany ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitsarana, amin’izao andro izao. Tsy tokony hiangatra na hatahotra olona ireo nanankinana andraikitra ho anisan’ny komitim-pitsarana.

4:9. Tsy tokony ‘hanadino izay efa hitan’ny masony’ ny Israely raha tiany ny hahomby. Efa akaiky ny tontolo vaovao nampanantenaina. Tokony hifantoka hatrany amin’ireo asa lehiben’i Jehovah àry isika, ka hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra.

TIAVO I JEHOVAH, ARY ANKATOAVY NY DIDINY

(Deoteronomia 5:1–26:19)

Nitantara ny nanomezana ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, ary naveriny notanisaina ny Didy Folo. Firenena fito no voalaza fa ho ringana tanteraka. Nampahatsiahivina izao lesona lehibe nianarany tany an’efitra izao ny zanak’Israely: “Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” Tsy maintsy ‘mitandrina [hatrany] ny lalàna rehetra’ izy ireo, amin’izao fiovana mitranga eo amin’ny fiainany izao.—Deoteronomia 8:3; 11:8.

Hila lalàna momba ny fivavahana ny Israelita, rehefa hanorim-ponenana ao amin’ny tany nampanantenaina. Hila lalàna momba an’ireto koa izy ireo: ny fitsarana, ny fitondrana, ny ady, ary ny fomba fiaina andavanandro na mitokana izany na miaraka amin’olon-kafa. Noresahin’i Mosesy indray ireny lalàna ireny, ary nantitranteriny fa ilaina ny ho tia an’i Jehovah sy hankatò ny didiny.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

8:3, 4—Nahoana no tsy rovitra ny fitafian’ny Israelita ary tsy nivonto ny tongony, nandritra ny diany tany an’efitra? Iray tamin’ireo fahagagana avy tamin’Andriamanitra izany, toy ny nanomezany mana tsy tapaka. Ireo fitafiana sy kiraro nanaovan’ny Israelita teo am-piandohan’ny fivezivezeny tany an’efitra ihany, no azo inoana fa nodimbiasan’ireo ankizy rehefa lehibe izy ireo ary maty ireo olon-dehibe. Hita tamin’ireo fanisam-bahoaka roa, teo am-piandohan’ny diany tany an’efitra sy teo am-pifaranan’izany, fa tsy nitombo ny isan’ny Israelita. Ampy àry ny isan’ireo fitafiana sy kiraro nananan’izy ireo.—Nomery 2:32; 26:51.

14:21—Tsy nahazo nihinana henam-biby tsy nalatsa-dra ny Israelita. Nahoana anefa izy ireo no afaka nanome na nivarotra izany tamin’ny vahiny? Mety hanondro olona tsy Israelita niova ho amin’ny fivavahana jiosy ny teny hoe “vahiny” ao amin’ny Baiboly. Izy io koa dia mety hanondro ireo mpila ravin’ahitra, izay nanaraka ireo lalàna fototra tao amin’ilay tany, nefa tsy lasa mpivavaka tamin’i Jehovah. Tsy teo ambanin’ny Lalàna ireo vahiny sy mpila ravin’ahitra, ka afaka nampiasa ny henam-biby tsy nalatsa-dra tamin’ny fomba samihafa. Azon’ny Israelita natao ny nanome na nivarotra ireny biby ireny tamin’izy ireo. Voafehin’ny fifaneken’ny Lalàna kosa ny olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy. Tsy nahazo nihinana ram-biby izy, araka ny Levitikosy 17:10.

24:6—Nahoana no nampitahaina tamin’ny “maka aina” na mamono olona, ny maka ho antoka ny “fikosoham-bary na ny vatony ambony”? Mifanitsy amin’ny “aina”, na ny fiveloman’ny olona iray, ny fikosoham-bary na ny vatony ambony. Tsy hahazo ny sakafony isan’andro ny fianakavian’ilay olona, raha alaina aminy ny iray amin’ireo fitaovana ireo.

25:9—Raha maty tsy nisy mpandova ny lehilahy iray, dia adidin’ny rahalahiny ny nanambady ilay vehivavy maty vady, mba hahazoan’ilay maty mpandova. Inona àry no dikan’ny hoe hanala ny kapa amin’ny tongo-dralehilahy ilay vehivavy, ary handrora amin’ny tavany, raha tsy mety manao io adidiny io ilay lehilahy? Araka ny “fanao teo amin’Israely fahiny”, raha nisy fanavotana dia tsy maintsy nesorin’ny lehilahy iray ny kirarony, ka nomeny ho an’ny namany. (Rota 4:7, Fandikan-teny Katolika) Ny fanesorana teny amin’ilay lehilahy ny kirarony àry, dia nanamafy fa nanda ny toerany sy ny zony hiteraka mpandova ho an’ny rahalahiny maty izy. Zavatra nahamenatra io natao taminy io. (Deoteronomia 25:10) Fampietrena azy koa ny fandrorana ny tavany.—Nomery 12:14.

Lesona ho antsika:

6:6-9. Nodidiana hamantatra ny Lalàna ny Israelita. Toy izany koa isika. Tsy maintsy mamantatra tsara ny didin’Andriamanitra isika, ary mitadidy sy mampianatra azy ireny ny zanatsika. Tsy maintsy ‘mamehy azy ireny ho famantarana eo amin’ny tanantsika’ isika. Midika izany fa tsy maintsy mankatò an’i Jehovah isika, ary tokony hiharihary eo amin’ny tanantsika, na ny asantsika, izany. Toy ny hahitana ny ‘fehy eo ambonin’ny handrina’ no tokony hahitan’ny rehetra ny fankatoavantsika an’i Jehovah.

6:16. Enga anie isika tsy hitsapa toetra an’i Jehovah mihitsy, toy ny nataon’ireo Israelita tsy nanam-pinoana rehefa nimonomonona noho ny tsy fisian-drano tao Masa izy ireo.—Eksodosy 17:1-7.

8:11-18. Hanadino an’i Jehovah isika raha tia harena.

9:4-6. Tsy maintsy mitandrina mafy isika mba tsy hihevi-tena ho marina.

13:7. Tsy tokony hamela na iza na iza hampiala antsika amin’ny fivavahana amin’i Jehovah isika.

14:1. Tsy fanajana ny vatana ny fanapahana rantsambatana, ary angamba mifandray amin’ny fivavahan-diso, ka tsy maintsy halavirina. (1 Mpanjaka 18:25-28) Manantena fitsanganana amin’ny maty isika, ka tsy misaona amin’ny fomba tafahoatra toy izany.

20:5-7; 24:5. Tokony hanehoana fiheverana ireo ao anatin’ny toe-javatra manokana, na dia lehibe aza ilay asa tokony hatao.

22:23-27. Iray amin’ireo fiarovan-tena mahomby indrindra ho an’ny vehivavy ny miantsoantso, rehefa misy mitady hametaveta azy.

“MIFIDIANA NY FIAINANA”

(Deoteronomia 27:1–34:12)

Nilaza i Mosesy tao amin’ny lahateniny fahatelo, fa tokony hanoratra ny Lalàna teo amin’ny vato lehibe ny Israelita, rehefa avy nita an’i Jordana. Holazain’izy ireo koa amin’izay ny fanozonana ho an’ireo tsy mankatò, sy ny fitahiana ho an’ireo mankatò. Manokatra ny lahateny fahefatra kosa ny fanavaozana ny fifanekena teo amin’i Jehovah sy ny Israely. Mbola nasain’i Mosesy nohalavirina koa ny tsy fankatoavana, ary nampirisihiny ‘hifidy ny fiainana’ ny olona.—Deoteronomia 30:19.

Niresaka tamin’ny Israelita i Mosesy, rehefa avy nanao ireo lahateny efatra, fa hiova ny mpitarika azy ireo. Nampianariny hira kanto hiderana an’i Jehovah koa ny Israelita, sady nasainy nitandrina ny amin’ireo loza ateraky ny tsy fahatokiana. Rehefa avy nitso-drano ny fokon’ny Israely izy, dia maty teo amin’ny faha-120 taonany, ary nalevina. Naharitra telopolo andro ny fisaonana, izany hoe, efa ho ny antsasaky ny fe-potoana voafaoka amin’ny Deoteronomia.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

32:13, 14—Nahoana ny Israelita no nihinana “tavin’ny zanak’ondry”, kanefa tsy nahazo nihinana sabora na tavin-kena izy ireo? Ampiasaina an’ohatra, mba hilazana ny tsara indrindra tamin’ny andian’ondry ny teny hoe “tavy” eto. Ny antony ilazantsika izany, dia satria miresaka momba ny “tavin’ny ... vary” sy ny “ran’ny voaloboka” koa io andininy io.

33:1-29—Nahoana i Simeona no tsy voatonona tamin’ny tso-drano nataon’i Mosesy ho an’ny zanak’Israely? Satria nasiaka i Simeona sy Levy rehefa nanao zavatra, ary “loza” ny fahatezerany. (Genesisy 34:13-31; 49:5-7) Tsy tena nitovy tamin’ny an’ny foko hafa ny lovan’izy ireo. Tanàna 48 no azon’i Levy, ary nahazo anjara tao amin’ny faritanin’i Joda kosa i Simeona. (Josoa 19:9; 21:41, 42) Tsy nitso-drano an’i Simeona manokana àry i Mosesy, kanefa tafiditra tao amin’ny tso-drano ankapobe nomena ny Israely izy.

Lesona ho antsika:

31:12. Tokony hipetraka eo akaikin’ny olon-dehibe ny ankizy rehefa any am-pivoriana, ary hiezaka mafy hihaino sy hianatra.

32:4. Lavorary ny asan’i Jehovah rehetra, satria voalanjalanja tsara ny fanehoany ny fitiavana ny rariny, ny fahendrena, ny fitiavana, ary ny hery.

Mitondra soa lehibe ho antsika

Mampahafantatra an’i Jehovah ho “Jehovah iray ihany” ny bokin’ny Deoteronomia. (Deoteronomia 6:4) Resahina ao ny fifandraisana manokana nisy teo amin’Andriamanitra sy ny vahoaka iray. Mampitandrina antsika mba tsy hanompo sampy koa izy io, sady manantitrantitra fa ilay Andriamanitra marina irery ihany no tokony hivavahantsika.

Azo antoka fa mitondra soa lehibe ho antsika ny Deoteronomia! Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàna aza isika, dia afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’izy io, mba ‘hitiavantsika an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny herintsika rehetra.’—Deoteronomia 6:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Angamba i Josoa na i Eleazara Mpisoronabe no nanampy toko iray farany tamin’ilay boky, mba hitantarana momba ny nahafatesan’i Mosesy.

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

SEÏRA

Kadesi-barnea

T. Sinay (Horeba)

Ranomasina Mena

[Sary nahazoan-dalana]

Miorina amin’ny sarintany nahazoan-dalana tamin’ny Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel

[Sary, pejy 24]

Ampahany lehibe amin’ny Deoteronomia ny lahatenin’i Mosesy

[Sary, pejy 26]

Lesona inona no ianarantsika avy amin’ny nanomezan’i Jehovah mana?

[Sary, pejy 26]

Nampitahaina tamin’ny “maka aina” na mamono olona, ny maka ho antoka ny “fikosoham-bary na ny vatony ambony”