Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasin’i Alejandra

Taratasin’i Alejandra

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Taratasin’i Alejandra

EFA hatramin’ny ela no nandaitra ny fitoriana an-taratasy. Na dia tsy azo antoka aza ny ho vokany indraindray, dia mahazo fitahiana be ireo miezaka mampiasa io fomba fitory io. Tsaroan’izy ireo ilay torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly hoe: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.”—Mpitoriteny 11:6.

Nisy tanora atao hoe Alejandra, nanompo nandritra ny folo taona teo ho eo, tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika. Nanaraka fitsaboana simika izy satria voan’ny kansera. Niharatsy ny fahasalamany ary reraka be izy ka tsy nahavita ny asa fanaony andavanandro intsony. Tsy tiany hatao ambanin-javatra anefa ny fanompoany, ka nanapa-kevitra izy fa hanoratra taratasy. Nosoratany tao ny momba ny fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-trano, sy ny nomeraon-telefaonin’ny reniny. Nomeny an-dreniny ireny taratasy ireny, mba hapetrany any amin’izay trano tsy hahatratrarany olona, rehefa mitory izy.

Nandritra izany fotoana izany dia nisy tovovavy iray atao hoe Diojany, avy any Goatemalà. Nankany Cancún, any Meksika, izy mba hiasa an-tranon’olona. Tafaresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany, ary nahafinaritra azy ny nidinika Baiboly niaraka tamin’izy ireo. Nanapa-kevitra ny hifindra tany Mexico anefa ny mpampiasa azy tatỳ aoriana, ary niriny hiaraka taminy izy. Nisalasala i Diojany satria ho tapaka ny fifandraisany amin’ny Vavolombelona raha mandeha izy.

Hoy anefa ny mpampiasa azy: “Aza matahotra fa misy Vavolombelona hatraiza hatraiza. Itadiavanay ianao raha vao tonga any.” Nanaiky handeha àry i Diojany noho izany fampanantenana izany. Nitady Vavolombelon’i Jehovah ny mpampiasa azy, raha vantany vao tonga tany Mexico. Tsy hay izay tena antony fa tsy nahita izy ireo, na dia misy Vavolombelona maherin’ny 41 000 sy fiangonana 730 aza ao amin’io tanàna io.

Kivy i Diojany satria tsy nahita ireo Vavolombelona, mba hahafahany hanohy ilay dinidinika ara-baiboly. Indray andro anefa, dia nanatona azy ilay vehivavy mpampiasa azy sady niteny hoe: “Jereo ange ity e! Nandre ny vavakao Andriamanitra. Nametraka ity taratasy ity ho anao ny Vavolombelona.” Taratasy nosoratan’i Alejandra ilay izy.

Nanaiky fampianarana Baiboly i Diojany rehefa tafaresaka tamin’i Blanca, rahavavin’i Alejandra, sy ny reniny. Nihaona i Alejandra sy Diojany, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, ka samy faly be. Nampirisika azy hazoto hianatra Baiboly foana i Alejandra, mba hahafahany handroso.

Maty i Alejandra volana vitsivitsy tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny Jolay 2003. Namela ohatra tsara ho an’ireo mpiray finoana taminy izy satria naneho finoana sy herim-po. Nanohina ny fon’ny olona maro ny nahita an’i Diojany teny am-pandevenana, sy nahare azy niteny hoe: “Nanome ohatra tsara ho ahy i Alejandra sy ny fianakaviany. Tapa-kevitra aho fa hanompo an’i Jehovah ary hatao batisa tsy ho ela. Maniry mafy hahita an’i Alejandra indray aho ao amin’ilay Paradisa ho avy!”

Mety hitondra vokany tsara sy maharitra tokoa ny taratasy, na dia fohy aza!