Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Endrey ny Hamaroan’ny Asanao, Jehovah Ô!”

“Endrey ny Hamaroan’ny Asanao, Jehovah Ô!”

Ny Hakanton’ny Zavaboarin’i Jehovah

“Endrey ny Hamaroan’ny Asanao, Jehovah Ô!”

VOAHODIDIN’NY zavaboary kanto sy mahavariana isika, na mipetraka any ambanivohitra na any an-tanàn-dehibe, na any an-tendrombohitra na any amoron-tsiraka. Mifanaraka amin’izany, dia misy sary isan-karazany, mampiseho ny asa mahatalanjon’i Jehovah Andriamanitra, ao amin’ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004.

Liana foana tamin’ny asan’Andriamanitra, ny olona mahay mankasitraka. Diniho, ohatra, i Solomona, ilay ‘hendry nihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra.’ Hoy ny Baiboly: “Nilaza ny amin’ny hazo hatramin’ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ny hysopa izay maniry eny amin’ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin’ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.” (1 Mpanjaka 5:10, 13) Nisaintsaina matetika momba ny sangan’asan’Andriamanitra koa i Davida Mpanjaka, rain’i Solomona. Voatosika hilaza toy izao momba ny Mpamorona azy izy: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.”—Salamo 104:24. *

Tokony handinika sy hisaintsaina ny zavatra noforonina koa isika. Azontsika atao, ohatra, ny ‘manandratra ny masontsika’ eny amin’ny lanitra, ka manontany tena hoe: “Iza no nahary ireny?” Tsy iza fa i Jehovah Andriamanitra, ilay manana ‘tanjaka lehibe’ sy ‘hery tsy toha’!—Isaia 40:26.

Inona no tokony ho vokatry ny fisaintsainana ny asa famoronan’Andriamanitra eo amintsika? Ireto ny telo aminy: 1) mampahatsiahy antsika mba hankamamy ny fiainana, 2) manosika antsika hanampy ny hafa hianatra avy amin’ny zavatra noforonina, ary 3) mandrisika antsika hamantatra sy hankasitraka bebe kokoa ilay Mpamorona antsika.

Tsara lavitra noho ny an’ny “biby tsy misaina” ny fiainantsika olombelona, satria afaka mandinika sy mankafy ireo zavaboary mahatalanjona isika. (2 Petera 2:12) Afaka mahita ny tontolo manodidina tsara tarehy ny masontsika. Afaka mandre siokam-borona mahafinaritra ny sofintsika. Mahatsiaro ny lasa sy ny toerana nalehantsika koa isika, ka tonga fahatsiarovana mahafinaritra ireny. Tena mamy àry ny miaina na dia tsy tonga lafatra aza ny fiainantsika ankehitriny!

Tia zavaboary tokoa ny ankizy, ka finaritra ny ray aman-dreny mahita izany. Faly erỳ, ohatra, ny ankizy mahita akorandriaka eny amoron-dranomasina, manafosafo biby, mianika hazo! Tokony hanampy ny zanany ny ray aman-dreny, mba ho fantany ny ifandraisan’ireny zavatra noforonina ireny amin’ny Mpamorona. Hanaja ny zavatra noforonin’i Jehovah foana izy ireo amin’izay, mandritra ny fiainany.—Salamo 111:2, 10.

Tsy mandinika tsara ny olona tia zavaboary fotsiny, nefa tsy manome voninahitra ny Mpamorona. Mampisaintsaina antsika momba izany indrindra ny faminanian’i Isaia. Hoy izy: “Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.”—Isaia 40:28.

Miharihary amin’ny asan’i Jehovah tokoa fa manana fahendrena sy hery tsy manan-tsahala izy, ary tena tia antsika. Rehefa mahita ny hakanton’ny manodidina antsika sy ny toetran’ilay namorona azy ireny isika, dia voatosika hiteny toa an’i Davida hoe: “Tsy misy tahaka Anao, Tompo [Jehovah] ô, ... ary tsy misy tahaka ny asanao.”—Salamo 86:8.

Azo antoka fa mbola hanintona ny olombelona mankatò foana, ny zavatra noforonin’i Jehovah. Afaka hianatra momba an’i Jehovah foana isika mandrakizay. (Mpitoriteny 3:11) Ary arakaraka ny hianarantsika momba ilay Mpamorona antsika no hitomboan’ny fitiavantsika azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004, Novambra/Desambra.

[Efajoro, pejy 9]

Fiderana ny Mpamorona

Mpahay siansa maro no manaiky fa asa tanan’Andriamanitra ny zavaboary, ka manome voninahitra azy izy ireo. Izao, ohatra, ny tenin’ny sasany:

“Ny fotoana ahitako zava-baovao no hitako hoe miavaka sy mahafaly eo amin’ny asako. Miteny irery aho amin’izay hoe: ‘Izany kay no nanaovan’Andriamanitra an’ity.’ Ny hahafantatra sombiny kely amin’ny fikasany no tanjoko.”—Henry Schaefer, mpampianatra simia.

‘Samy manana ny heviny ny tsirairay raha ny amin’ny hoe iza no mahatonga izao rehetra izao hitatra. Tsy mahita valiny marina kokoa noho [ny hoe Andriamanitra] anefa isika.’—Edward Milne, mpandinika ny any ambony tsy taka-maso.

“Fantatsika fa ny matematika ambony indrindra no nanaovana izao rehetra izao, satria Andriamanitra no namorona azy.”—Alexander Polyakov, mpahay matematika rosianina.

‘Rehefa mianatra momba ny zavaboary izahay dia mandinika ny fisainan’ny Mpamorona, miezaka mamantatra ny fomba namoronany zavatra, ary manazava ny rafitra napetrany.’—Louis Agassiz, biolojista amerikanina.

[Sary, pejy 8, 9]

“Pingouins”, Saikinosin’ny Tendrontany Atsimo

[Sary, pejy 9]

Valam-pirenen’i Grand Teton, Wyoming, Etazonia

[Sary nahazoan-dalana]

Jack Hoehn/Index Stock Photography