Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sahia Mitory ny Tenin’Andriamanitra

Sahia Mitory ny Tenin’Andriamanitra

Sahia Mitory ny Tenin’Andriamanitra

Mandehana, ka maminania amin’ny oloko.’—AMOSA 7:15.

1, 2. Iza i Amosa, ary inona no lazain’ny Baiboly momba azy?

NIFANEHATRA tamin’ny mpisorona ny mpanompon’i Jehovah iray teny am-pitoriana. Nivazavaza ilay mpisorona hoe: ‘Atsaharo ny fitorianao, ary lasa ianao mandeha!’ Inona no nataon’ilay mpitory? Nanaraka ny tenin’ilay mpisorona ve izy, sa mbola sahy nitory ny tenin’Andriamanitra ihany? Ho hitanao ao amin’ny boky nosoratany, izay mitondra ny anarany ny nataony. Tsy inona izany fa ny bokin’i Amosa ao amin’ny Baiboly. Hiresaka bebe kokoa momba ny fihaonan’i Amosa sy ilay mpisorona isika rehefa avy eo, fa hojerentsika kely aloha ny momba an’i Amosa.

2 Iza i Amosa? Taiza izy no nipetraka? Oviana izy no velona? Manome ny valin’izany ny Amosa 1:1, hoe: “Ny tenin’i Amosa, izay isan’ny mpiandry ondry tao Tekoa ... tamin’ny andro nanjakan’i Ozia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andro nanjakan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Isiraely.” Mponina tany Joda i Amosa, ary nipetraka tany Tekoa, 16 kilaometatra atsimon’i Jerosalema. Velona tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy Talohan’i Kristy izy. I Ozia no mpanjakan’ny Joda tamin’izany, ary i Jeroboama II no mpanjakan’ny foko folon’ny Israely. Mpiandry ondry i Amosa. “Mpioty aviavy” koa anefa izy, araka ny Amosa 7:14, ary izany no asany isaky ny fotoam-piotazana. Mpanindrona aviavy no nataony tamin’izany. Natao hanafainganana ny fahamasahan’ny aviavy izany, ary asa nandreraka.

“Mandehana, ka maminania”

3. Nahoana no mampahery antsika ny fianarana momba an’i Amosa, raha mihevitra isika fa tsy hahay hitory?

3 Nitsotra i Amosa hoe: “Tsy mba mpaminany aho, na zanaky ny mpaminany.” (Amosa 7:14) Tsy zanaky ny mpaminany tokoa izy, sady tsy nampiofanina ho mpaminany. Tamin’ny olona rehetra tao Joda anefa, dia izy no nofidin’i Jehovah hanao ny asany, fa tsy mpanjaka mahery, na mpisorona nahita fianarana be, na filoha manankarena. Mampahery antsika izany, satria mety tsy ho olona ambony na nahita fianarana be isika. Tokony hieritreritra ve anefa isika hoe tsy hahay hitory ny tenin’Andriamanitra? Tsy izany mihitsy! Afaka manampy antsika i Jehovah mba hitoriantsika ny hafany, na dia any amin’ny faritany sarotra itoriana aza. Izany no nataony tamin’i Amosa. Noho izany, izay rehetra maniry hitory ny tenin’Andriamanitra amim-pahasahiana, dia handray soa amin’ny fandinihana ny ohatr’io mpaminany be herim-po io.

4. Nahoana no sarotra tamin’i Amosa ny naminany teo amin’ny Israely?

4 Nandidy an’i Amosa i Jehovah hoe: “Mandehana, ka maminania amin’ny Isiraely oloko.” (Amosa 7:15) Sarotra izany, satria niadana sy nilamina ny fiainan’ny vahoaka tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely, ary nanan-karena ny olona. Maro no nanana ‘trano ririnina sy trano fahavaratra’, vita tamin’ny “vato voapaika” lafo vidy fa tsy biriky tsotra. Nanana fanaka tsara tarehy nisy sokitra ivoara ny sasany, ary nisotro divay avy tamin’ny “tanimboaloboka mahafinaritra.” (Amosa 3:15; 5:11) Noho izany, dia tsy niraika tamin’ny hafatra notorina taminy ny ankamaroan’izy ireo. Toa mitovitovy amin’ny faritany itorian’ny sasany amintsika mihitsy ny faritany nanirahana an’i Amosa.

5. Inona no tsy rariny nataon’ny Israelita sasany?

5 Tsy diso ny Israelita raha nanan-karena. Nisy anefa nanambaka ny hafa mba hangoronan-karena. ‘Nampahory ny mahantra sy nanorotoro ny malahelo’ mihitsy aza ny mpanankarena. (Amosa 4:1) Niray tetika handroba ny mahantra ireo mpivarotra sy mpitsara ary mpisorona nanam-pahefana be. Andeha isika hitodika ny lasa, ka hijery izay nataon’izy ireo.

Nodikaina ny Lalàn’Andriamanitra

6. Hazavao fa tena nanararaotra ny namany tokoa ny Israelita mpivarotra.

6 Hijery izay nitranga teny an-tsena aloha isika. Nisy mpivarotra nanao ny tsy marina teny, ka ‘nanakely ny efaha, ary nanalehibe ny sekely.’ Ny “loha-kororoky ny vary” aza no namidiny. (Amosa 8:5, 6) Nambakain’ny mpivarotra ny mpividy, ka nivarotany zavatra tsy ampy fatra sy lafo be ary ratsy karazana. Rehefa tapi-pananana ny mahantra nohararaotin’izy ireo, dia voatery nivarotra ny tenany ho andevo. Ireo mpivarotra ihany no nividy azy ireo avy eo tamin’ny vidin’ny “kiraro iray lomisy.” (Amosa 8:6) Eritrereto ange izany e! Tamin’ireo mpivarotra tia vola ireo, dia nitovy vidy tamin’ny kiraro ny Israelita tahaka azy! Tena fampietrena ny mahantra izany, sady fandikana an-kitsirano ny Lalàn’Andriamanitra! Nitandrina fatratra “ny Sabata” anefa ireny mpivarotra ireny. (Amosa 8:5) Nivavaka tokoa izy ireo, saingy nihatsaravelatsihy.

7. Nahoana ireo mpivarotra no afa-maina, rehefa nandika ny Lalàn’Andriamanitra?

7 Nahoana anefa ireo mpivarotra no afa-maina, rehefa nandika ny Lalàn’Andriamanitra hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”? (Levitikosy 19:18) Satria niray tsikombakomba taminy ny mpitsara, izay tokony hampihatra ny Lalàna. ‘Nandray kolikoly sy namadika’ ny mahantra ny mpitsara teo am-bavahadin’ny tanàna, izay toerana hitondrana ny raharaha hotsaraina. Nandray kolikoly izy ireo, ka tsy niaro ny mahantra fa namadika azy ireo. (Amosa 5:10, 12) Tsy niraharaha ny Lalàn’Andriamanitra koa àry ireo mpitsara.

8. Inona no nodian’ireo mpisorona ratsy fanahy tsy hita?

8 Inona kosa no nataon’ireo mpisoron’ny Israely? Hijery toerana hafa indray isika mba hahafantarana izany. Tao “an-tranon’ireo andriamaniny” mihitsy ny mpisorona no nanao fahotana lehibe! Izao no nolazain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Amosa: “Olona mianaka dia samy mandry amin’ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina.” (Amosa 2:7, 8) Eritrereto kely ange izany e! Nisy mpianaka israelita nijangajanga tamin’ny vehivavy mpivaro-tena iray ihany, tao amin’ny tempoly. Nody tsy nahita izany anefa ireo mpisorona ratsy fanahy!—Levitikosy 19:29; Deoteronomia 5:17; 23:18.

9, 10. Inona ireo Lalàn’Andriamanitra nodikain’ny Israelita, ary inona no zava-mitranga mitovy amin’izany ankehitriny?

9 Niresaka momba ny fahotana hafa i Jehovah, rehefa nilaza hoe: “Amin’ny lamba azony tamin’ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ny sazy ao an-tranon’ireo andriamaniny izy.” (Amosa 2:8) Tsy niraharaha ilay lalàna ao amin’ny Eksodosy 22:25, 26 ny mpisorona sy ny ankamaroan’ny olona. Voalaza ao fa tsy maintsy averina alohan’ny hilentehan’ny masoandro ny lamba nalaina ho antoka. Nitsilailay teo ambonin’ireny lamba ireny anefa izy ireo, rehefa nanao fety sy nisotro divay ho fankalazana andriamani-diso. Nasain’izy ireo nandoa sazy koa ny mahantra, ary izany vola izany no nividianany divay hosotroiny nandritra ireo fetin’ny mpanompo sampy. Niala tanteraka tamin’ny fivavahana marina tokoa izy ireo!

10 Nandika an-kitsirano ny didy roa lehibe indrindra tao amin’ny Lalàna ny Israelita, dia ny didy ho tia an’i Jehovah sy ho tia ny mpiara-belona. Nirahin’Andriamanitra àry i Amosa hanameloka azy ireo, noho izy ireo nivadika. Ratsy fitondran-tena sahala amin’ny Israely fahiny koa ny firenena eran-tany, anisan’izany ny firenena manaraka ny Kristianisma Anarana. Manankarem-be ny olona sasany, nefa maro koa no lasa mahantra fadiranovana sy mijaly, noho ny tsy rariny ataon’ny mpandraharaha sy mpanao politika ary mpitondra fivavahan-diso. Miahy ny olona mijaly sy mitady azy anefa i Jehovah. Noho izany, dia nirahiny hanao asa mitovy amin’ny an’i Amosa ny mpanompony ankehitriny, izany hoe hitory ny teniny amim-pahasahiana.

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Amosa?

11 Misy itoviana ny asa nataon’i Amosa sy ny asantsika, ka tena handray soa be dia be isika rehefa mandinika ny ohatra navelany. Asehon’i Amosa antsika hoe 1) inona ny hafatra tokony hotorintsika, 2) ahoana no tokony hitoriana azy io, ary 3) nahoana no tsy hahavita hampitsahatra ny fitoriantsika ny mpanohitra. Andeha hodinihintsika tsirairay ireo.

Ahoana no hanahafantsika an’i Amosa?

12, 13. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tsy faly tamin’ny Israelita izy, ary inona no nataon’izy ireo?

12 Mifantoka amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra isika Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 28:19, 20; Marka 13:10) Mitory ny fampitandreman’Andriamanitra koa anefa isika, toa an’i Amosa izay nanambara fa handringana ny ratsy fanahy i Jehovah. Voalaza ao amin’ny Amosa 4:6-11, ohatra, fa imbetsaka i Jehovah no nampiseho mazava tsara fa tsy faly tamin’ny Israely izy. Namely ny olona tamin’ny “tsi-fahampian-kanina” izy, “nampihantona ny orana”, nanao ny ‘vary ho mainan’ny rivotra sy maty fotsy’, ary nandefa “areti-mandringana.” Nahatonga ny Israely hibebaka ve izany? “Tsy niverina tamiko ihany hianareo”, hoy Andriamanitra. Nanda an’i Jehovah matetika tokoa ny Israelita.

13 Nofaizin’i Jehovah ireo Israelita tsy nibebaka. Nilazana faminaniana fampitandremana anefa aloha izy ireo. Nanambara Andriamanitra hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” (Amosa 3:7) Nampilaza tamin’i Noa Andriamanitra fa ho avy ny Safodrano, ary naniraka azy hampitandrina ny olona izy. Naniraka an’i Amosa hampitandrina farany ny Israelita koa i Jehovah. Nampalahelo anefa fa tsy niraharaha ny hafatr’Andriamanitra izy ireo, ka tsy nety niova.

14. Inona no itovian’ny andron’i Amosa sy ny androntsika?

14 Azo inoana fa ekenao hoe misy itoviana be ny andron’i Amosa sy ny androntsika. Efa nolazain’i Jesosy Kristy fa hisy loza maro hitranga amin’ny andro farany. Nolazainy koa fa hatao maneran-tany ny asa fitoriana. (Matio 24:3-14) Tsy miraharaha ny famantarana ny fotoana voatondro sy ny hafatra momba ilay Fanjakana anefa ny ankamaroan’ny olona, toy ny tamin’ny andron’i Amosa. Hitovy amin’izay nanjo ny Israelita tsy nibebaka ny hanjo azy ireny. Nampitandrina ny Israelita i Jehovah hoe: “Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao.” (Amosa 4:12) Nihaona tamin’Andriamanitra izy ireo, rehefa niharan’ny didim-pitsarany, izany hoe resin’i Asyria. ‘Hihaona amin’Andriamanitra’ koa ity tontolo ratsy fanahy ity, amin’ny Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14, 16) Raha mbola manam-paharetana anefa i Jehovah, dia mampirisika olona betsaka araka izay azo atao isika hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona hianareo.”—Amosa 5:6.

Misy manohitra koa isika, toa an’i Amosa

15-17. a) Iza i Amazia, ary inona no nataony rehefa nandre ny hafatra notorin’i Amosa izy? b) Inona avy no nolazain’i Amazia hoe notenenin’i Amosa?

15 Tsy ny hafatra notorin’i Amosa ihany anefa no alaintsika tahaka, fa ny fomba nitoriany koa. Manasongadina izany ny toko faha-7. Resahina ao ny momba ilay mpisorona notononintsika terỳ am-piandohana. ‘Amazia mpisorona tao Betela’ ilay izy. (Amosa 7:10) Foiben’ny fivavahan’ny mpivadi-pinoana teo amin’ny Israely i Betela, ary nivavaka tamin’ny ombilahy kely ny olona tao. Mpisoron’ilay fivavahana be mpanaraka tao amin’ilay firenena àry i Amazia. Inona no nataony rehefa nandre ny hafatra notorin’i Amosa tamim-pahasahiana izy?

16 Hoy i Amazia tamin’i Amosa: “Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ny tanin’ny Joda hianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any; fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin’ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.” (Amosa 7:12, 13) Te hilaza izy hoe: ‘Ndeha mody, fa manana ny fivavahanay izahay!’ Nampirisihiny handrara ny asan’i Amosa koa ny fanjakana, ka hoy izy tamin’ny Mpanjaka Jeroboama II: “Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ny taranak’Isiraely.” (Amosa 7:10) Nampangain’i Amazia ho mpamadika i Amosa! Nilaza tamin’ny mpanjaka izy hoe: “Hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin’ny taniny tokoa ny Isiraely.”—Amosa 7:11.

17 Nilaza lainga telo i Amazia tamin’izay. Nilaza izy hoe: “Hoy Amosa.” Tsy nilaza mihitsy anefa i Amosa hoe avy taminy ilay faminaniana. Nilaza foana izy hoe: “Izao no lazain’i Jehovah.” (Amosa 1:3) Nolazain’i Amazia fa niteny koa i Amosa hoe: “Ho fatin-tsabatra Jeroboama.” Araka ny Amosa 7:9 anefa, dia naminany i Amosa hoe: “Hitsangana Aho [i Jehovah] ka hamely sabatra ny taranak’i Jeroboama.” Ny ‘taranak’i’ Jeroboama no nolazain’i Jehovah fa hiharan’izany loza izany. Nolazain’i Amazia koa fa niteny i Amosa hoe: “Hobaboina hiala amin’ny taniny tokoa ny Isiraely.” Naminany koa anefa i Amosa, fa hotahina izay Israelita miverina amin’Andriamanitra. Tsy nilaza ny marina rehetra àry i Amazia, ary namboariny kely ny filazany azy, mba hahatonga ny fanjakana handrara an’i Amosa tsy hitory.

18. Inona no itovian’ny tetik’i Amazia sy ny an’ny mpitondra fivavahana ankehitriny?

18 Voamarikao ve fa misy itoviana ny tetik’i Amazia sy ny an’ny mpanohitra ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny? Niezaka nampangina an’i Amosa i Amazia. Toy izany koa no ataon’ny mpitondra fivavahana isan-karazany ankehitriny, mba hisakanana ny mpanompon’i Jehovah tsy hitory. Nendrikendrehin’i Amazia ho mpamadika i Amosa. Misy koa ankehitriny mpitondra fivavahana, manendrikendrika ny Vavolombelon’i Jehovah ho manohintohina ny filaminam-pirenena. Nitady fanampiana tamin’ny mpanjaka i Amazia mba hamelezana an’i Amosa. Mitady fanampiana amin’ny mpanao politika koa ny mpitondra fivavahana, mba hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy hahavita hampitsahatra ny fitoriantsika ny mpanohitra

19, 20. Inona no nataon’i Amosa rehefa nanohitra azy i Amazia?

19 Inona no nataon’i Amosa rehefa nanohitra azy i Amazia? Nilaza tamin’io mpisorona io aloha izy hoe: “Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely.” Tsy niahotra mihitsy ilay mpaminanin’Andriamanitra avy eo nilaza zavatra tsy tian’i Amazia ho re. (Amosa 7:16, 17) Tsy natahotra i Amosa, fa be herim-po. Tena ohatra tsara ho antsika izany! Hankatò ny Andriamanitsika isika ka hitory ny teniny, na dia any amin’ny tany misy olona toa an’i Amazia, izay manao tetika mba hampiharana fanenjehana mivaivay amintsika aza. Manahaka an’i Amosa kosa isika, ka manohy miteny hoe: “Izao no lazain’i Jehovah.” Tsy hahavita hampitsahatra ny fitoriantsika koa ny mpanohitra, satria momba antsika “ny tanan’i Jehovah.”—Asan’ny Apostoly 11:19-21.

20 Tokony ho fantatr’i Amazia fa ho very maina ny fandrahonany. Efa nolazain’i Amosa mantsy hoe nahoana no tsy hisy olona hahavita hisakana azy tsy hitory. Izay no hevitra fahatelo hodinihintsika. Nampiasa fanontaniana sy fanoharana nifanesy i Amosa ao amin’ny Amosa 3:3-8, mba hampisehoana fa misy antony daholo ny zava-mitranga. Nanazava izy avy eo, hoe: “Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?” Te hilaza tamin’ny mpihaino azy i Amosa hoe: ‘Tsy maintsy matahotra ianareo rehefa mandre liona mierona, ka tsy maintsy mitory ny tenin’Andriamanitra koa aho, rehefa mandre an’i Jehovah mandidy ahy hanao izany.’ Ny tahotra an’Andriamanitra, na ny fanajana azy lalina, no nandrisika an’i Amosa hitory.

21. Inona no ataontsika rehefa didian’Andriamanitra hitory ny vaovao tsara isika?

21 Maniraka antsika hitory koa i Jehovah. Ahoana no ataontsika? Sahy mitory ny tenin’i Jehovah isika, toa an’i Amosa sy ny mpianatr’i Jesosy voalohany. (Asan’ny Apostoly 4:23-31) Tsy hampangina antsika mihitsy, na ny fanenjehan’ny mpanohitra, na ny tsy firaikan’ny olona itoriana. Be zotom-po tahaka an’i Amosa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ka voatosika hitory hatrany ny vaovao tsara amim-pahasahiana. Manana andraikitra isika hampitandrina ny olona fa hampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah. Inona io didim-pitsarana io? Ao amin’ny lahatsoratra manaraka no hahitantsika ny valiny.

Ahoana no Havalinao?

• Nanao ahoana ny fiainana tany Israely, tamin’i Amosa nanao ny asa nanirahan’Andriamanitra azy?

• Sahala amin’i Amosa, inona no tokony hotorintsika?

• Inona no toetra tokony hananantsika rehefa mitory?

• Nahoana ny mpanohitra no tsy mahavita mampitsahatra ny asa fitoriantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Nofidin’Andriamanitra hanao ny asany i Amosa, mpioty aviavy

[Sary, pejy 13]

Sahy mitory ny hafatr’i Jehovah toa an’i Amosa ve ianao?