Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-niseho Tsy Tokony Hohadinoina

Zava-niseho Tsy Tokony Hohadinoina

Zava-niseho Tsy Tokony Hohadinoina

‘Mpamonjy no teraka ho anareo androany, dia i Kristy Tompo.’—Lioka 2:11.

TERA-DAHY ny vehivavy iray tao amin’ny tanànan’i Betlehema, roa arivo taona lasa teo ho eo izay. Vitsy tamin’ny mponina tao no nahatakatra fa fotoan-dehibe izy io. Nahita sy nahare anjely maro nihira toy izao anefa ny mpiandry ondry sasany, izay niaraka tamin’ny ondriny tany an-tsaha tamin’io alina io: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany.”—Lioka 2:8-14.

Nahita an’i Maria sy Josefa vadiny tao an-tranon’omby ireo mpiandry ondry avy eo, araka ny tenin’ireo anjely. Nantsoin’i Maria hoe Jesosy ilay zaza, ary nampandriany tao anaty fihinanam-bilona. (Lioka 1:31; 2:12) Milaza ho mpanara-dia an’i Jesosy Kristy ny ampahatelon’ny olona ankehitriny, roa arivo taona atỳ aoriana. Ary azo inoana fa avy amin’ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nahaterahany, no nakana ny tantara fandre indrindra hatramin’izay.

Katolika hiringiriny sy tia manao fety ny mponin’i Espaina. Maro ny fomba ankalazan’izy ireo an’io alina tsy manan-tsahala tany Betlehema io.

Krismasy any Espaina

Matetika no mampiasa sariolona kely ny Espaniola rehefa Krismasy, mba hampisehoana ny Nahaterahan’i Jesosy. Nanomboka tamin’ireo taona 1200 izy ireo no nanao izany. Maro ny fianakaviana manamboatra fihinanam-bilona kely andrian’i Jesosy. Misy sariolona vita amin’ny tanimanga ampiarahiny aminy, izay mampiseho an’ireo mpiandry ondry, ny Magy (na ny “mpanjaka telo”), i Josefa, Maria, ary Jesosy. Misy sariolona toy izany koa mazàna eo akaikin’ny lapan’ny tanàna, ary efa hitovy habe amin’ny olona mihitsy ilay izy. Toa i François d’Assise no nanomboka nanao izany tany Italia, mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy, ao amin’ny Filazantsara. Ny moanina mpanara-dia azy kosa no nampahalaza izany tany Espaina sy ny firenena maro hafa.

Hindraindraina be ny Magy rehefa Krismasy any Espaina, tsy misy hafa amin’ny Dadabe Noely any an-tany hafa. Mizara fanomezana ho an’ny ankizy espaniola, hono, ny Magy, mandritra ny Día de Reyes (Andron’ny Mpanjaka) ny 6 Janoary. Maro mantsy no mino fa nanolotra fanomezana ho an’i Jesosy zazakely koa ireo Magy. Vitsy anefa no mahalala fa tsy voalaza ao amin’ny Filazantsara hoe firy ny Magy nitsidika an’i Jesosy. Tsy mpanjaka koa izy ireo raha ny marina, fa mpanandro. * Ankoatra izany, dia nasain’i Heroda novonoina ny ankizilahy rehetra “roa taona no ho midina”, rehefa avy nitsidika azy ny Magy. Tiany hovonoina mantsy i Jesosy. Midika izany fa efa teraka elaela i Jesosy, vao tonga nitsidika azy izy ireo.—Matio 2:11, 16.

Nolalaovina an-tsehatra ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy, tany amin’ny tanàna sasany any Espaina, nanomboka tamin’ireo taona 1100. Ireo mpiandry ondry tonga nitsidika an’i Jesosy tany Betlehema aloha no hita tamin’izy ireny, ary nampiana an’ireo Magy, tatỳ aoriana. Misy filaharam-be antsoina hoe cabalgata any amin’ny ankamaroan’ny tanàna any Espaina ankehitriny, isaky ny 5 Janoary. Mitaingina fiara voaravaka ireo “mpanjaka telo”, mamakivaky ny tanàna, ary mizara vatomamy ho an’ny mpijery. Eo koa ireo ravaka fahita amin’ny Krismasy sy ny villancicos (hira fiderana), izay mahatonga ilay fety hanetriketrika tokoa.

Tia manao sakafo manokana ny ankamaroan’ny fianakaviana espaniola, ny alin’ny Krismasy (24 Desambra). Ireto no fihinan’izy ireo: turrón (vatomamy misy tantely sy amandy), marzipan (amandy voatoto nasiana siramamy), voankazo maina, zanak’ondry natsatsika, ary hazandrano. Mety hiezaka mafy mihitsy ny mpianakavy mba ho tafavory amin’io fotoana io, na dia misy mipetraka lavitra aza. Fanaon’ny fianakaviana koa ny miara-misakafo ny 6 Janoary, ary mihinana roscón de reyes na mofomamin’ny “Mpanjaka.” Boribory izy io, ary misy sorpresa (sariolona kely) ao anatiny. Nanao toy izany koa ny Romanina fahiny, ka raha tao amin’ny anjaran’ny andevo iray ilay zavatra nafenina, dia izy no “mpanjaka” tamin’iny andro iny.

“Fotoana mahafaly sy mampisomebiseby indrindra”

Na inona na inona fanao mahazatra ny olona any amin’ny tany sasany, dia ny Krismasy no fety malaza indrindra eran-tany ankehitriny. Araka Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy), dia io no “fotoana mahafaly sy mampisomebiseby indrindra ny Kristianina an-tapitrisany sy ny tsy Kristianina sasany eran-tany, ao anatin’ny taona.” Tsara ve ny mankalaza azy io?

Fotoan-dehibe teo amin’ny tantara tokoa ny nahaterahan’i Kristy. Marina tokoa izany, satria nisy anjely nanambara fa hitondra ‘fiadanana eo amin’ny olona ankasitrahana’ izy io.

Nilaza anefa ilay Espaniola Juan Arias, mpanao gazety, fa “tsy nanao fety hankalazana ny Nahaterahan’i Jesosy ny Kristianina voalohany.” Raha izany no izy, taiza àry no niandohan’ny Krismasy? Inona no fomba tsara indrindra ahatsiarovana ny nahaterahan’i Jesosy sy ny fiainany? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Manazava ny boky iray momba ny Soratra Masina, fa “mpisorona nanao ny asan’ny maizina sy nanandro ary nanao fanafody, ny Magy tany Persia, Media ary Kaldea.” Nolazaina anefa tatỳ aoriana, fa olo-masina ireo Magy nitsidika an’i Jesosy zaza, ka nantsoina hoe Melkiora, Gaspara, ary Baltazara. Voatahiry ao amin’ny katedralin’i Cologne any Alemaina, hono, ny taolam-patin’izy ireo.