Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Naman’Andriamanitra any Amin’ny “Nosy Sariaka”

Naman’Andriamanitra any Amin’ny “Nosy Sariaka”

Naman’andriamanitra any Amin’ny “Nosy Sariaka”

Nisy sambo iray nitondra voa sarobidy teto Tonga, tamin’ny 1932. Nomen’ilay kapiteny bokikely “Aiza moa Ireo Maty?” (anglisy), i Charles Vete. Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana. Taoriana kelin’izay, dia neken’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fangatahan’i Charles handika ilay bokikely amin’ny fiteniny. Nanomboka nizara ilay bokikely izy avy eo, rehefa voadikany sy vita pirinty ilay izy. Nisy 1 000 tamin’izany nalefa tany aminy. Toy izany no namafazana ny voan’ny fahamarinana momba ny Fanjakan’i Jehovah, teto amin’ny fanjakan’i Tonga.

HO HITANAO any Pasifika Atsimo i Tonga, rehefa mijery sarintany ianao. I Tongatapu no nosy lehibe indrindra ao aminy. Any amin’ny 2 000 kilaometatra avaratratsinanan’i Auckland, any Nouvelle-Zélande, no misy azy io. Misy 171 ireo nosy eto Tonga, ary 45 no misy mipetraka. Britanika nalaza mpikaroka tany vaovao tamin’ny taonjato faha-18 i James Cook, ary nantsoiny hoe Nosy Sariaka io vondronosy io.

Misy mponina 106 000 eo ho eo ao amin’ireo vondronosy telo eto Tonga. I Tongatapu sy Haapai ary Vavau izany. Misy dimy ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto, ka ny telo ao Tongatapu be mponina indrindra, ny iray eto Haapai, ary ny iray ao Vavau. Misy tranona misionera sy biraon’ny fandikan-teny an’ny Vavolombelon’i Jehovah, any akaikin’i Nukualofa renivohitra, mba hanampiana ny olona ho lasa sakaizan’Andriamanitra.—Isaia 41:8.

Vavolombelon’i Jehovah no nahafantaran’ny olona an’i Charles Vete, nanomboka tamin’ireo taona 1930. Tamin’ny 1964 anefa izy vao natao batisa. Niara-nitory taminy ny olona sasany, ary nisy Efitrano Fanjakana nahazaka olona 30, naorina tamin’ny 1966. Niforona tao Nukualofa àry ny fiangonana nisy mpitory 20, tamin’ny 1970.

Nanomboka tamin’izay, dia hita fa tanteraka atỳ amin’ny nosy Tonga ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Aoka hanome voninahitra an’i Jehovah izy ary hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.” (Isaia 42:12) Nandroso foana ny asan’ilay Fanjakana, ka nanampy olona maro hifandray tamin’i Jehovah. Nisy 407 àry ny tampon’isan’ny mpanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Nukualofa, tamin’ny 2003, ary 5 no natao batisa. Antenaina fa mbola hisy ny fitomboana, satria 621 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2004.

Mponina tso-piaina

Mbola mila mpitory betsaka anefa ny faritra lavitra ny renivohitra. Mila mandre bebe kokoa ny fahamarinana ara-baiboly, ohatra, ny mponina 8 500 eto amin’ireo nosy 16, eto amin’ny vondronosy Haapai. Vondronosy tsy dia misy havoana sy feno palmie i Haapai, ary misy torapasika fotsy lava be. Madio be ny ranomasina, ka hita daholo ny any amin’ny 30 metatra any ambany any. Mahafinaritra erỳ ny milomano eo anelanelan’ireo vato harana, ary mahita ireo karazan-trondro maherin’ny zato miloko isan-karazany. Kely ny tanàna eto, amin’ny ankapobeny. Mahatohitra rivo-doza anefa ireo trano, na dia tsotra aza.

Manome alokaloka sy sakafo, ny soanambo sy manga. Lany hanangonana sy hikarakarana sakafo ny ankamaroan’ny fotoanan’ny olona. Tena tia henan-kisoa sy hazan-dranomasina izy ireo. Mamboly legioma sy zavatra hafa azo hanina ny olona, ao an-tanimboliny. Maniriniry ho azy ny voasary, ary betsaka koa ny voaniho sy ny akondro. Saika mahay mitsabo amin’ny raokandro avokoa ireo taranaka mifandimby.

Tena mahafinaritra ny mahita ny olona eto Haapai sariaka sy mahay miaina eo amin’ny tontolo milamina misy azy. Tso-piaina ny olona eto. Manao asa tanana toy ny harona sy tsihy ary lamba atao hoe tapa, ny ankabeazan’ny vehivavy. Miresaka sy mihomehy ary mihira izy ireo, rehefa miasa eo ambany hazo. Matory na milalao eo akaiky eo matetika ny ankizy sy ny zazakely. Maka hazandrano fihinana isan-karazany izy ireo, amin’ny ankapobeny, rehefa misintona ny ranomasina. Alainy amin’izany ireo misy akorany sy ireo ahidrano mikarepoka, izay tena matsiro rehefa atao salady.

Mamboly, manjono, manao sokitra, ary manamboatra lakana sy harato no tena asan’ny lehilahy. Mandeha lakana fanjonoana misy tafony ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy, rehefa mivezivezy amin’ireo nosy maro. Mamangy havana sy mitady mpitsabo izy ireo amin’izany, ary mividy na mivarotra entana.

Mahare ny vaovao tsara ny faritra faran’ny lavitra

Tonga tao amin’io toerana mahafinaritra io ny misionera roa sy mpisava lalana roa, tamin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana 2002. Efa nifandray sy nahazo boky aman-gazety ary nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aza ny olona sasany teto Haapai talohan’izay.

Nanana tanjona telo ireo mpampianatra Baiboly ireo: hametraka boky sy gazety, hanomboka fampianarana Baiboly, ary hanasa ny olona hanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tratrany daholo ireo tanjony ireo. Olona 97 no tonga nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Nandeha lakana ny sasany, na dia nandrivotra sy nanorana be aza ny andro. Noho ilay andro ratsy, dia maro no nijanona teo amin’ilay toerana nandritra ny alina, ary ny ampitso vao nody.

Tsy mora ny zavatra niandry an’ilay misionera nandaha-teny. Hoy izy: “Natahotra sy nitebiteby be aho, satria hanao lahateny indroa amin’ny teny vahiny, iny takariva iny. Tena nanampy ny vavaka! Tsy nampoiziko fa nanjary tadidiko ireo teny sy ny firafitry ny fehezanteny.”

Natao batisa ny mpivady roa teto amin’ny nosy Haapai, noho ny fanampian’ireo mpitory. Nahaliana ny iray tamin’ireo rangahy ireo, ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’izy niofana ho mpitondra fivavahana teo an-toerana.

Nahantra izy mivady, nefa nanome vola be foana rehefa nantsoina ny anarany, isaky ny voka-dehibe fanao isan-taona tao am-piangonany. Efa nisy Vavolombelona nitsidika azy ireo teo aloha. Nasainy àry ilay rangahy mba hamaky izay lazain’ny Baiboliny, ao amin’ny 1 Timoty 5:8. Hoy ny apostoly Paoly ao amin’io andininy io: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” Nanohina ny fony ilay toro lalan’ny Baiboly. Takany fa tsy afaka nanome izay tena nilain’ny ankohonany izy, noho ny vola be notakin’ny fiangonany. Rehefa tonga indray ny voka-dehibe ny taona nanaraka, dia tsaroany foana ny 1 Timoty 5:8, na dia nisy vola aza tany am-paosiny. Sahy nilaza tamin’ilay pretra izy rehefa nantsoina ny anarany, fa izay ilain’ny ankohonany no zava-dehibe kokoa. Noho izany, dia nanala baraka sy nivazavaza azy mivady ireo mpitondra fivavahana.

Lasa mpitory ny vaovao tsara izy mivady, rehefa avy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ilay rangahy: “Nanova ahy ny fahamarinana ara-baiboly. Tsy lozabe sy masiaka amin’ny fianakaviako intsony aho, sady tsy mamo lava intsony. Hitan’ny olona eto an-tanànanay fa nanova ny fiainako ny fahamarinana. Tiako erỳ raha mba tia ny fahamarinana toa ahy koa izy ireo!”

Nampiasaina tamin’ny fitoriana ny Quest

Nisy sambo iray hafa nitondra entana sarobidy nankatỳ Haapai, volana vitsivitsy taorian’ny Fahatsiarovana tamin’ny 2002. Nivezivezy teo amin’ireo nosin’i Tonga io sambo mirefy 18 metatra io. Avy any Nouvelle-Zélande izy io, ary antsoina hoe Quest. Nandeha tamin’io sambo io i Gary sy Hetty, ary Katie zanany. Nisy rahalahy sy anabavy sivy avy eto Tonga, sy misionera roa, niaraka tamin’izy ireo indroa. Nanampy tamin’ny familiana ilay sambo ireo Vavolombelona tompon-tany, satria nilana fahaizana izany, ary nisy haram-bato tsy nampoizina koa indraindray. Tsy hitsangantsangana akory izy ireo fa hampianatra ny olona ny fahamarinana ara-baiboly. Namakivaky ilay ranomasina midadasika izy ireo mba hitetezana nosy 14. Mbola tsy nitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana mihitsy ny nosy sasany.

Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona? Liana te hahafanta-javatra sy tsara fanahy ary tia mandray vahiny ny mponin’ireo nosy. Noraisin’izy ireo tsara àry ireo mpitory. Nankasitraka lalina izy ireo rehefa fantany ny antony hitsidihana azy. Hitan’ireo Vavolombelona fa nanaja ny Baiboly ny olona eto, sady nahatsapa hoe mila an’Andriamanitra.—Matio 5:3.

Imbetsaka ny mpitory no nipetraka teny ambany hazo, ary nisy olona nanana fanontaniana maro momba ny Soratra Masina nanodidina azy. Notohizina tany an-trano ny resaka rehefa alina. Niangavy mafy toy izao ny olona teo amin’ny nosy iray, rehefa handeha ny Vavolombelona: “Aza mandeha moa e! Iza no hamaly ny fanontanianay raha lasa ianareo?” Hoy ny Vavolombelona iray: “Tsy mora ny mandao ireo olona toy ny ondry mangetaheta ny fahamarinana. Nisy voan’ny fahamarinana be dia be nafafy.” Nanao akanjo fisaonana daholo ny olona teo amin’ny nosy iray hafa, rehefa tonga tany ny Quest, satria vao maty ny vadin’ny ben’ny tanàna. Ilay ben’ny tanàna mihitsy no nisaotra an’ireo rahalahy, noho izy ireo nitondra hafatra mampionona avy ao amin’ny Baiboly.

Sarotra ny mankany amin’ny nosy sasany. Hoy i Hetty nanazava izany: “Tsy nisy toeram-piantsonana ny nosy iray, fa haram-bato avoavo no teo amorony. Lakan’aina ihany no afaka nanamorona izany. Tsy maintsy natsipinay hotantazan’ny olona aloha ny kitaponay. Mitsambikina mankeo amin’ilay haram-bato izahay avy eo, rehefa miakatra kely iny ny haavon’ny ranomasina.”

Tena manam-paharetana ny tantsambo. Tsy toy izany daholo anefa ny olona nandeha tamin’ilay sambo. Tapa-bolana taorian’ny nandehanan’izy io, dia nanoratra ilay kapiteny, ary niresaka momba ilay dia niverina ho any amin’ilay nosy lehiben’i Tongatapu. Hoy izy: “Mbola haharitra 18 ora ny dia. Tsy afaka hanao izany indray mandeha anefa izahay, satria betsaka no tsy mahazaka ranomasina. Faly izahay fa handeha hody. Tena nalahelo koa anefa izahay nandao an’ireo olona maro nahare ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ankininay amin’i Jehovah ny fikarakarana azy ireo, amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy ny anjeliny, mba handrosoan’izy ireo.”

Nosy mahavelom-panantenana

Mpisava lalana manokana (mpitory manontolo andro) i Stephen sy Malaki, ary voatendry hitory tao amin’ny vondronosy Haapai, enim-bolana teo ho eo taorian’ny nandehanan’ny Quest. Niara-nampianatra Baiboly tamin’ireo mpivady roa vao vita batisa izy ireo. Nisy resaka nahafinaritra momba ireo fampianarana fototra natao, ary nahay nampiasa tsara ny Baiboly ny mpitory.

Niorina teto Haapai tamin’ny 1 Desambra 2003, ny fiangonana fahadimy eto Tonga. Betsaka ny ankizy tonga mivory. Mianatra mifantoka sy mipetraka tsara izy ireo, ka tsy andriny izay hanomezana valin-teny. Nilaza ny mpiandraikitra ny faritra fa “tena hain’izy ireo tsara izay lazain’ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Manaporofo izany fa manao tsara ny andraikiny ireo ray aman-dreny, ka mandentika ny fahamarinana ao am-pon’ny zanany.” Antenaina àry fa hitombo foana ny isan’ny naman’i Jehovah ao amin’io nosy io.

Efa 70 taona izay no lasa, hatramin’ny nandikan’i Charles Vete ilay bokikely Aiza moa Ireo Maty? Tsy azony sary an-tsaina mihitsy tamin’izany, fa hamaka tsara ao am-pon’ireo mpiray tanindrazana aminy ny voan’ilay Fanjakana. Mitahy foana ny fitaran’ny fitoriana ny vaovao tsara ao amin’io faritra lavitra io i Jehovah, hatramin’ny voalohany. Anisan’ny nosy lavitra mitady an’i Jehovah tokoa i Tonga, raha azo atao ny milaza izany. (Salamo 97:1; Isaia 51:5) Misy naman’i Jehovah maro ankehitriny eto amin’ny “Nosy Sariaka.” 

[Sary, pejy 8]

Charles Vete, 1983

[Sary, pejy 9]

Fanamboarana lamba “tapa”

[Sary, pejy 10]

Nampiasaina tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara ny “Quest”

[Sary, pejy 11]

Ekipa mpandika teny any Nukualofa

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

Fanamboarana lamba tapa: © Jack Fields/CORBIS; eo andamosina, pejy 8 sy 9, ary ilay mpanjono: © Fred J. Eckert