Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekenao ve ny Fanampian’i Jehovah?

Ekenao ve ny Fanampian’i Jehovah?

Ekenao ve ny Fanampian’i Jehovah?

“Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.”—HEBREO 13:6.

1, 2. Nahoana no zava-dehibe ny hanekena ny fanampian’i Jehovah sy ny tari-dalany?

ALAO sary an-tsaina hoe mianika tendrombohitra ianao. Tsy irery anefa ianao, satria nisy olona nanolo-tena hitari-dalana anao, sady izy no mahafantatra tsara indrindra an’ilay lalana. Za-draharaha sy matanjaka lavitra noho ianao izy, nefa miara-mandeha aminao eny foana. Tsikariny fa tafintohina ianao indraindray. Mba hiarovana anao, dia manampy anao izy rehefa mandalo toerana tena mampidi-doza ianareo. Handa ny fanampiany ve ianao? Mazava ho azy fa tsia, satria hiaro anao izany!

2 Mandeha amin’ny lalan-tsarotra koa isika Kristianina. Voatery handeha irery amin’io lalana ety io ve anefa isika? (Matio 7:14) Tsia, satria milaza ny Baiboly fa mamela ny olona hiara-mandeha aminy i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpitari-dalana faran’izay mahay. (Genesisy 5:24; 6:9) Manampy ny mpanompony ve izy? Hoy izy: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana, dia Ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.” (Isaia 41:13) Tsara fanahy toy ilay mpitari-dalana tao amin’ilay fanoharana teo i Jehovah, ka manampy ny olona miezaka hiara-mandeha aminy sady maniry hinamana amin’izy ireo. Azo antoka fa tsy misy amintsika handa ny fanampiany!

3. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

3 Nodinihintsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha ny fomba efatra nanampian’i Jehovah ny vahoakany fahiny. Mbola manampy ny vahoakany amin’izany fomba izany ihany ve izy ankehitriny? Ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fanampiany? Handinika ireo fanontaniana ireo isika, mba hahazoana toky kokoa fa tena manampy antsika i Jehovah.—Hebreo 13:6.

Fanampian’ny anjely

4. Nahoana no matoky ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, fa manampy azy ireo ny anjely?

4 Manampy ny mpanompon’i Jehovah ve ny anjely ankehitriny? Eny. Marina aloha fa tsy miseho mivantana izy ireo mba hamonjena ny tena mpivavaka tsy hiharan-doza. Mahalana izy ireo no nanao izany, na dia taloha aza. Tsy hita maso ny ankamaroan’ny zavatra nataony, ary toy izany koa amin’ny androntsika. Tena nampahery ny mpanompon’Andriamanitra anefa ny nahalala fa vonona hanampy azy ireo ny anjely. (2 Mpanjaka 6:14-17) Misy antony matoa isika matoky izany koa.

5. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa mandray anjara amin’ny asa fitoriana ny anjely ankehitriny?

5 Tena liana amin’ny asa manokana iray ataontsika ny anjelin’i Jehovah. Inona izany? Mamaly toy izao ny Apokalypsy 14:6: “Hitako fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Ary nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponina amin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” Misy ifandraisana amin’ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” noresahin’i Jesosy, io “vaovao tsara mandrakizay” io. Nilaza izy fa “ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana” azy io, alohan’ny hifaranan’ity tontolo ity. (Matio 24:14) Mazava ho azy fa tsy mitory mivantana ny anjely, satria ny olona no nanankinan’i Jesosy an’io asa lehibe io. (Matio 28:19, 20) Tsy mampahery ve ny mahalala fa manampy antsika hanatanteraka an’io asa io ireo anjely masina, izay hendry sady mahery?

6, 7. a) Inona no mampiseho fa manohana ny asa fitoriantsika ny anjely? b) Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fanampian’ny anjelin’i Jehovah?

6 Maro be ny porofo manamarina fa tena manohana ny asantsika ny anjely. Matetika isika, ohatra, no mahare hoe nisy olona nangataka tamin’Andriamanitra mba hampiany hahita ny fahamarinana, ary nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah, taoriana kelin’izay. Mitranga imbetsaka eny amin’ny fanompoana izany, ka tsy azo lazaina hoe fifanandrifian-javatra fotsiny. Noho ny fanampian’ny anjely, dia mihamaro ny olona manaraka ny voalazan’ilay ‘anjely manidina eny afovoan’ny lanitra’ hoe: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy.”—Apokalypsy 14:6, 7.

7 Irinao mafy koa ve ny hampian’ny anjely maherin’i Jehovah? Ataovy àry izay rehetra azonao atao mba hifantohana tanteraka amin’ny fanompoana. (1 Korintianina 15:58) Azo antoka fa hanampy antsika ny anjelin’i Jehovah, raha mahafoy tena hanao an’io asa manokana nanendreny antsika io isika.

Fanampian’ny filohan’ny anjely

8. Inona no toerana ambony tanan’i Jesosy any an-danitra, ary nahoana izany no mampahery?

8 Manampy antsika amin’ny alalan’ny anjely hafa koa i Jehovah. Milaza ny Apokalypsy 10:1 fa misy “anjely mahery” iray mahatalanjona, izay manana ‘tarehy tahaka ny masoandro.’ Azo inoana fa i Jesosy Kristy nomem-boninahitra sy fahefana any an-danitra izy io. (Apokalypsy 1:13, 16) Fa angaha moa i Jesosy anjely? Izany tokoa, satria arkanjely izy. (1 Tesalonianina 4:16) Inona no dikan’izany? Midika izany hoe “anjely ambony indrindra” na “filohan’ny anjely” i Jesosy. Izy no mahery indrindra amin’ny zanak’i Jehovah tsy hita maso. Notendreny hifehy ny tafiky ny anjeliny rehetra izy. Manampy antsika tokoa io arkanjely mahery io. Amin’ny fomba ahoana?

9, 10. a) Nahoana no lazaina fa “mpanampy” antsika i Jesosy rehefa manota isika? b) Manampy antsika hanao inona ny modely nomen’i Jesosy?

9 Hoy ny apostoly Jaona be taona: ‘Raha misy sendra manota, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina.’ (1 Jaona 2:1) Nahoana izy no nilaza fa “mpanampy” antsika i Jesosy, indrindra rehefa “sendra manota” isika? Manota foana isika isan’andro, ary mahafaty ny ota. (Mpitoriteny 7:20; Romanina 6:23) Nanolotra ny ainy ho sorona noho ny fahotantsika anefa i Jesosy. Eo anilan’ilay Raintsika be famindram-po izy, mba hiangavy ho antsika. Mila izany fanampiana izany isika tsirairay. Ahoana no ahazoantsika izany? Mila mibebaka noho ny fahotantsika isika, ary mangata-pamelana miorina amin’ny soron’i Jesosy. Mila mitandrina koa isika mba tsy hamerimberina ny fahotantsika.

10 Tsy maty ho antsika fotsiny i Jesosy, fa nanome modely lavorary ho antsika koa. (1 Petera 2:21) Mitari-dalana antsika izany, satria manampy antsika hahita izay tokony hatao, mba hampifaliana an’i Jehovah Andriamanitra, sy hanalavirana fahotana lehibe. Tsy mahafaly antsika ve izany fanampiana izany? Nampanantena ny mpanara-dia azy i Jesosy, fa homena mpanampy hafa koa izy ireo.

Fanampian’ny fanahy masina

11, 12. Inona ny fanahin’i Jehovah, manao ahoana ny herin’izy io, ary nahoana isika no mila azy io?

11 Nampanantena i Jesosy hoe: “Izaho hangataka amin’ny Ray ary izy hanome anareo mpanampy hafa, mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao.” (Jaona 14:16, 17) Tsy olona io “fanahin’ny fahamarinana” na fanahy masina io, fa ny hery ampiasain’i Jehovah. Tsy manam-petra izy io. Nampiasa azy io i Jehovah fony namorona izao rehetra izao, nanao fahagagana, ary nanome fahitana mba hampahafantarana ny sitrapony. Tsy mampiasa ny fanahiny amin’izany fomba izany intsony anefa izy ankehitriny. Midika àry ve izany fa tsy mila azy io isika?

12 Tsy izany mihitsy! Vao mainka isika mila ny fanahin’i Jehovah amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Manome hery hiatrehana fitsapana izy io. Ampian’izy io koa isika mba hanana toetra tsara, ka lasa mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah ary ny rahalahy sy anabavintsika kristianina. (Galatianina 5:22, 23) Inona àry no tokony hataontsika mba hahazoana io fanampiana tena lehibe avy amin’i Jehovah io?

13, 14. a) Nahoana no azontsika antoka fa vonona hanome ny fanahiny masina ho an’ny vahoakany i Jehovah? b) Ahoana no mety hampisehoantsika fa tsy tena manaiky ny fanahy masina isika?

13 Voalohany, mila mangataka amim-bavaka ny fanahy masina isika. Hoy i Jesosy: “Raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka ve ilay Ray any an-danitra, no hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy!” (Lioka 11:13) I Jehovah tokoa no Ray tsara indrindra. Azo antoka fa hanome antsika ny fanahy masina izy, raha mangataka izany amim-pinoana isika. Mangataka azy io àry ve isika? Tokony hangataka azy io isan’andro isika, rehefa mivavaka.

14 Faharoa, manaiky io fanomezana io isika rehefa manaraka ny tari-dalany. Aoka hatao hoe miady mafy mba tsy hijery boky sy sary mamoafady ny Kristianina iray. Nangataka fanahy masina tamin’i Jehovah izy, mba hanampy azy hiala amin’io fahazaran-dratsy io. Niresaka tamin’ny anti-panahy koa izy, ary nanoro hevitra azy izy ireo mba hanao zavatra hentitra, ka hanalavitra an’ireo zavatra mampietry ireo. (Matio 5:29) Ahoana anefa raha tsy miraharaha izany ilay Kristianina, fa mbola mijery ihany? Manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataony ve izy, mba hanampian’ny fanahy masina azy? Sa mety hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra izy, ka tsy hahazo an’io fanomezana io? (Efesianina 4:30) Mila manao izay rehetra azontsika atao àry isika rehetra, mba hahazoana hatrany an’io fanomezana tena tsara avy amin’i Jehovah io.

Fanampian’ny Tenin’Andriamanitra

15. Ahoana no ahitana fa tsy mihevitra ny Baiboly ho toy ny boky rehetra fotsiny isika?

15 Nanampy ny mpanompon’i Jehovah nahatoky nandritra ny taonjato maro ny Baiboly. Tsy toy ny boky rehetra fotsiny anefa izy io amintsika, fa tena manampy antsika. Mila miezaka anefa isika, mba hahazoana izany fanampiana izany. Mila mizatra mamaky Baiboly tsy tapaka isika.

16, 17. a) Inona no valisoa ho azon’izay mamaky ny lalàn’Andriamanitra, araka ny Salamo 1:2, 3? b) Ahoana no ampisehoan’ny Salamo 1:3 fa tsy maintsy miasa mafy isika?

16 Hoy ny Salamo 1:2, 3 momba ny olona mampifaly an’Andriamanitra: “Ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” Hitanao ve ny hevi-dehibe amin’io andinin-teny io? Mety hanatsoaka hevitra isika eo am-pamakiana azy io, fa miresaka toerana mahafinaritra sy milamina fotsiny izy io. Hahafinaritra erỳ ny hatoritory eo ambany alokalok’ilay hazo amoron-drano, rehefa amin’ny tolakandro! Asa mafy anefa no tian’io salamo io hasongadina, fa tsy fialan-tsasatra. Nahoana isika no milaza izany?

17 Mariho fa tsy hoe sendra naniry teo amoron-drano fotsiny ilay hazo manome alokaloka. ‘Nambolena’ tamin’ny toerana voafidy tsara, eo amoron’ny “rano velona”, io hazo fihinam-boa io. Mety handavaka lakan-drano maromaro, ohatra, ny olona iray manana saha misy hazo fihinam-boa, mba ho ampy rano tsara ny hazony. Hay ve izany no tiany holazaina e! Afaka ny handrobona toa an’io hazo io koa isika, satria be dia be ny asa atao mba hanampiana antsika. Manome antsika ny rano madion’ny fahamarinana ny fandaminana misy antsika, nefa tsy maintsy manao ny anjarantsika isika. Mila misotro an’io rano sarobidy io isika, izany hoe misaintsaina sy manao fikarohana mba hilentika ao an-tsaina sy ao am-pontsika ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Hamoa voa tsara koa isika amin’izay.

18. Inona no ilaina hatao mba hahitana ny valin’ny fanontaniantsika ao amin’ny Baiboly?

18 Tsy mitondra soa ho antsika ny Baiboly raha mipetra-potsiny eo ambony talantalana. Tsy fitaovana mahatsara vintana koa izy io, ka hanantena isika hoe raha vao mikimpy sy manokatra Baiboly fotsiny, dia hahita ny valin’ny fanontaniantsika eo amin’izay pejy misokatra eo. Mila hadina toy ny harena an-kibon’ny tany ny “fahalalana an’Andriamanitra”, rehefa misy fanapahan-kevitra horaisina. (Ohabolana 2:1-5) Mila mandalina sy mikaroka tsara isika matetika, vao mahita ny torohevitra ara-baiboly mifanentana amin’izay tena ilaintsika. Manampy antsika hanao izany ireo boky sy gazety ara-baiboly maro be. Tena mandray soa avy amin’ny fanampian’i Jehovah isika, rehefa mampiasa azy ireny mba hitrandrahana ny fahendrena sarobidy raketin’ny Teniny.

Fanampian’ny mpiray finoana

19. a) Nahoana no azo raisina ho toy ny fanampiana avy amin’ny mpiray finoana amintsika ny lahatsoratry ny Tilikambo sy Mifohaza!? b) Efa nisy lahatsoratra iray tao amin’ny gazetintsika ve nanampy anao? Tantarao.

19 Nifanampy foana ny olona nanompo an’i Jehovah hatramin’izay. Mbola manampy antsika amin’izany fomba izany ve i Jehovah, sa niova izy? Tsia. Azo antoka fa efa nampian’ny mpiray finoana tamintsika isika rehetra, tamin’ny fotoana nilantsika izany indrindra. Tsaroanao ve, ohatra, ny lahatsoratra sasany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza!, izay tena nampahery anao tamin’ny fotoana nilanao izany, na nanampy anao hamaha olana, na hiatrika fitsapam-pinoana? Manampy antsika toy izany i Jehovah amin’ny alalan’ilay “mpanompo mahatoky sy malina” voatendry hanome ‘sakafo amin’ny fotoana mety.’—Matio 24:45-47.

20. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy fa “lehilahy ho fanomezana” izy?

20 Mivantana kokoa anefa matetika ny fanampian’ny mpiray finoana amintsika. Mety hanao lahateny manohina ny fontsika, ohatra, ny anti-panahy, na hitsidika antsika ka hanampy antsika handia fotoan-tsarotra. Mety hanoro hevitra antsika amin-katsaram-panahy koa izy, mba hahitantsika ny fahalementsika sy handresentsika izany. Velom-pankasitrahana ny Kristianina iray noho izy nampian’ny anti-panahy, ka nanoratra hoe: “Nampirisika ahy hilaza izay tao an-tsaiko izy tamin’izahay niara-nanompo. Vao ny alina talohan’izay anefa aho no nangataka tamin’i Jehovah, mba handefasany olona azoko iresahana. Niresaka tamiko ilay anadahy ny ampitson’iny, ary tena nangoraka ahy. Nataony izay hahatakarako ny fomba nanampian’i Jehovah ahy nandritra ny taona maro. Misaotra an’i Jehovah aho nandefa iny anti-panahy iny hiresaka tamiko.” Amin’izany fomba rehetra izany, no ampisehoan’ny anti-panahy fa “lehilahy ho fanomezana” izy. Nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy ireo, mba hanampy antsika handeha hatrany amin’ny lalan’ny fiainana.—Efesianina 4:8.

21, 22. a) Inona no vokany rehefa mampihatra ny Filipianina 2:4 ny fiangonana? b) Nahoana no zava-dehibe na dia ny fihetsika kely maneho hatsaram-panahy aza?

21 Tsy ny anti-panahy ihany, fa ny Kristianina mahatoky tsirairay mihitsy no maniry hampihatra ilay torohevitr’Andriamanitra hoe: “Asio fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenanareo ihany.” (Filipianina 2:4) Lasa maneho fihetsika feno hatsaram-panahy sy manohina ny fo ny fiangonana kristianina, rehefa mampihatra izany. Nisy fianakaviana iray, ohatra, niharan-doza tampoka sy nifanesy. Nentin’ny rainy nividy zavatra ny zanany vavikely. Tratran’ny lozam-piarakodia anefa izy mianaka, rehefa nody. Maty ilay zaza fa ny rainy kosa naratra mafy. Mbola tsy afaka nanao na inona na inona izy, rehefa nivoaka ny hopitaly. Tsy nahavita nikarakara azy koa ny vadiny, satria ory dia ory. Naka azy ireo nipetraka tany aminy àry ny mpivady iray teo amin’ny fiangonana, ka nikarakara azy ireo nandritra ny herinandro maromaro.

22 Mazava ho azy fa tsy ny fahafoizan-tena ao anatin’ny loza toy izany ihany no atao hoe hatsaram-panahy. Kely lavitra noho izany ny fanampiana azontsika indraindray. Ankasitrahantsika foana anefa izy ireny, sa tsy izany? Tadidinao ve ny fotoana nilanao fanampiana, ka tamin’izay indrindra no nisy rahalahy na anabavy nanao teny na fihetsika feno hatsaram-panahy taminao? Miahy antsika amin’izany fomba izany i Jehovah matetika.—Ohabolana 17:17; 18:24.

23. Ahoana no fiheveran’i Jehovah antsika rehefa miezaka mifanampy isika?

23 Tianao ve raha ampiasain’i Jehovah hanampy ny hafa ianao? Afaka ny hanana izany tombontsoa izany ianao. Tena mankasitraka ny ezaka ataonao amin’izany lafiny izany i Jehovah. Hoy ny Teniny: “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.” (Ohabolana 19:17) Mahafaly be ny mahafoy tena ho an’ny rahalahy sy anabavintsika. (Asan’ny Apostoly 20:35) Tsy hahatsapa izany fifaliana izany ny olona mitokantokana, sady tsy hahazo fampaherezana avy amin’ny hafa. (Ohabolana 18:1) Aoka àry isika hanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina, mba hifampaherezana.—Hebreo 10:24, 25.

24. Nahoana isika no tsy tokony hahatsiaro tena ho maty antoka, na dia tsy nahita ny fahagagana nataon’i Jehovah fahiny aza?

24 Tsy mahafinaritra ve ny misaintsaina ny fomba anampian’i Jehovah antsika? Tsy maty antoka isika, na dia tsy manao fahagagana intsony aza izy ankehitriny mba hanatanterahana ny sitrapony. Ny tena zava-dehibe dia hoe omeny antsika ny fanampiana rehetra ilaintsika mba tsy hivadihana aminy. Raha miaritra sy manam-pinoana isika rehetra, dia hahita an’i Jehovah hanao ny fahagagana lehibe sy mahavariana indrindra hatramin’izay! Aoka àry isika hanaiky sy hanararaotra ny fanampiany amim-pitiavana, ka hilaza toy izao, araka ny andinin-teny ho an’ny taona 2005: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.”—Salamo 121:2.

Ahoana no Hevitrao?

Ahoana no anampian’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny:

• anjely?

• fanahiny masina?

• Teniny?

• mpiray finoana amintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Mampahery ny mahalala fa manohana ny asa fitoriana ny anjely

[Sary, pejy 21]

Mety hampiasa ny iray amin’ny mpiray finoana amintsika i Jehovah mba hampaherezana antsika