Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafinaritra Ilay Andro Nizarana Diplaoma

Nahafinaritra Ilay Andro Nizarana Diplaoma

Nahafinaritra Ilay Andro Nizarana Diplaoma

“NITAHY antsika i Jehovah androany. Tsara ny andro, mibaliaka ny masoandro, manga ny lanitra, maitso mavana ny manodidina, ary velon-kira ny vorona. Tsy ho diso fanantenana àry isika. Tsy mba mandiso fanantenana mantsy i Jehovah, fa mandrotsaka fitahiana.”

Izany no nanombohan’ny Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fandaharana fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-117 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana. Natao tamin’ny 11 Septambra 2004 izy io. Nisy torohevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly sy fitantarana ny zavatra hitan’ny misionera nandritra ny fianarany sy ny an’ny misionera efa za-draharaha, tamin’ilay fandaharana. Nahafinaritra tokoa iny andro iny, ho an’ireo mpanatrika tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, New York, sy ireo nanaraka izany tamin’ny telefaonina sy video tany Brooklyn sy Wallkill. Nisy 6 974 izy ireo.

Teny mampahery ho an’ireo mpianatra

Nampahery ilay lahatenin’i John Kikot, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, hoe “Mifalia Foana, ry Misionera.” Nasongadiny fa ny fifaliana no mampiavaka ny mpianatr’i Gileada, toy izay hita tamin’io andro io. Nahafaly azy ireo ny toromarika avy amin’ny Soratra Masina nandritra ilay fianarana. Vonona hanampy ny hafa hanana izany fifaliana izany izy ireo izao. Manao izany izy rehefa mahafoy tena amin’ny asa misionera. Hoy mantsy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Ho faly foana ireo misionera vaovao, raha manahaka an’i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly” sy malala-tanana, ka mizara ny fahamarinana amin’ny olona.—1 Timoty 1:11.

I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana koa, no nanao ilay lahateny nanaraka hoe “Ahoana no Hifandraisanao Tsara Amin’ny Hafa?” Tsara sady mahafinaritra tokoa raha ny mpirahalahy no miara-monina, na dia tsy maintsy “tonga zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra” aza izy ireo indraindray. (1 Korintianina 9:22; Salamo 133:1) Nilaza ny Rahalahy Splane fa hifanerasera amin’ny olona maro ireo misionera vaovao, any amin’ny tany hanendrena azy. Anisan’izany ny olona eny amin’ny faritany, ny misionera hafa, ny rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonany, ary ireo rahalahy ao amin’ny biraon’ny sampana, izay miandraikitra ny asa fitoriana sy fampianarana. Nanome torohevitra mahasoa izy mba ho tsara foana ny fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa. Ilaina ny mianatra ny fiteny eo an-toerana, mizatra amin’ny fomba amam-panaon’ny mponina, tsy miditra amin’ny fiainan’ny misionera hafa, ary mankatò an’ireo mitarika.—Hebreo 13:17.

Nanontany avy eo i Lawrence Bowen, mpampianatra any Gileada, hoe “Manana ny Fomba Fihevitr’Andriamanitra ve Ianao?” Nampahatsiahy ny mpianatra izy tamin’io lahateniny io, fa tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ireo olona ‘nitsara ivelany.’ (Jaona 7:24) Olombelona tsy lavorary isika rehetra, ka mila mitandrina mba tsy hanana ny fomba fihevitr’olombelona, fa ny an’Andriamanitra. (Matio 16:22, 23) Tsy maintsy manitsy foana ny fomba fiheviny, na dia ny olona matotra aza. Tsy ho tody any amin’ny toerana tiany haleha ny sambo, ary mety ho rendrika mihitsy aza, raha tsy ahitsy foana. Toy izany koa ny Kristianina. Ilaina àry ny mianatra tsy tapaka ny Baiboly, mba hahazoana tsara ny hevitr’izy io. Hanana ny fomba fihevitr’Andriamanitra isika amin’izay.

I Wallace Liverance, mpampianatra iray hafa any Gileada, no namarana ny fizarana voalohany tamin’ilay fandaharana. Niorina tamin’ny Isaia 55:1 ilay lahateniny hoe “Inona no Hovidinao?” Nampirisihiny ireo mpianatra mba ‘hividy’ famelombelomana sy fifaliana ary hery avy amin’ny faminanian’Andriamanitra ho an’ny androntsika. Nampitahain’i Isaia tamin’ny rano sy divay ary ronono io faminaniana io. Ahoana no ividianana azy io “tsy amim-bola, na amin-karena”? Nohazavain’ny Rahalahy Liverance, fa mila mandinika azy io isika. Tokony hiala amin’ny lalana sy fomba fihevitra ratsy koa isika, ka hanaraka ny lalana sy fomba fihevitr’Andriamanitra. (Isaia 55:2, 3, 6, 7) Hahazo hery ireo misionera vaovao, any amin’ny tany hanendrena azy, raha manao izany. Mazàna ny olona tsy lavorary no mihevitra fa mahasambatra ny fikatsahana harena. Hoy ilay mpandahateny: “Aza manaraka izany fomba fihevitra izany. Ataovy izay hananana fotoana hianarana tsara ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra. Hamelombelona sy hampahery ary hahafaly anao izany amin’ny asa misionera ataonao.”

Fitantarana sy fanadinadinana nahafinaritra

Nitory foana ireo mpianatra. Nanao ilay lahateny hoe “Tsy Menatra ny Vaovao Tsara” i Mark Noumair, mpampianatra iray hafa. (Romanina 1:16) Nataon’ny mpianatra sasany fampisehoana ny zavatra hitany teny am-pitoriana, tamin’io lahateny io. Nahafinaritra ny mpanatrika ny nahita ny fomba nitorian’ireo mpitory za-draharaha ireo, isan-trano sy teny an-dalana ary tany amin’ny toerana be fivarotana. Nanapa-kevitra ny hitory tamin’ny olona miteny vahiny tany amin’ny faritanin’ny fiangonany, ireo mpianatra mahay fiteny hafa. Nampiasa tsara ny boky ara-baibolin’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa ny hafa, rehefa niverina nitsidika sy nanomboka fampianarana Baiboly. “Tsy menatra” nitory ny vaovao tsara tokoa izy ireo.

Ny Rahalahy William Nonkes, miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, no nanao ilay lahateny hoe “Tia sy Mamaly Soa Ireo Mahatoky i Jehovah.” Nanadinadina misionera za-draharaha avy any Burkina Faso sy Letonia ary Rosia izy. Nanome torohevitra mahasoa ireo misionera nadinadinina. Nampirisika an’ireo mpianatra ny iray tamin’izy ireo, mba hitadidy an’ireo miaramila 300 tao amin’ny tafik’i Gideona. Samy nanao ny asa nanendrena azy ny miaramila tsirairay, ka nandresy ny tafik’i Gideona. (Mpitsara 7:19-21) Handray valisoa koa ireo misionera manatontosa foana ny asa nanendrena azy.

Nanao ilay lahateny hoe “Aoka Ianao ho Tonga Zava-drehetra ho An’ny Karazan’olona Rehetra” i Samuel Roberson, mpampianatra any Patterson. Nanadinadina rahalahy efatra anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Sénégal, Guam, Liberia, ary Madagasikara izy. Misy 170 ny misionera any amin’ireo tany ireo. Noresahin’ireo rahalahy ireo ny fomba anampian’ny Komitin’ny Sampana ny misionera vaovao mba ho zatra amin’ny fiainana ao amin’ilay tany. Anisan’izany ny fomba amam-panao tsy mitovy amin’ny an’ny tany tandrefana. Fahita, ohatra, any amin’ny tany sasany, ny lehilahy mpinamana mifampitantana eny an-dalana, na dia samy Kristianina aza. Mandroso sakafo tsy mahazatra koa ny olona any amin’ny toerana sasany iandraiketan’ny sampan’i Guam. Afaka nizatra tamin’izany ny misionera hafa, ka azo antoka fa hahavita izany koa ireo misionera vaovao.

I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ilay lahateny hoe “Aza Mivadika Amin’ny ‘Fanjakan’ny Tompontsika.’ ” Nampahatsiahy ny mpanatrika izy hoe: “Nanan-java-kendrena i Jehovah rehefa namorona ny zava-drehetra. Tsy niova ny fikasany momba ny tany. Kely sisa izy io dia ho tanteraka, ary tsy misy mahasakana izany.” (Genesisy 1:28) Nampirisihin’ny Rahalahy Pierce ny rehetra mba hanaiky ny zon’Andriamanitra hitondra, na dia eo aza ny olana vokatry ny fahotan’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Hoy ihany izy: “Efa miaina ao anatin’ny ora fitsarana isika izao. Kely sisa ny fotoana ananantsika mba hanampiana ny olona tso-po hianatra ny fahamarinana. Ampiasao tsara amin’ny fitoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana àry io fotoana io.” Afaka matoky ny fanampian’Andriamanitra ireo manohana ny Fanjakany.—Salamo 18:25.

Teo am-pamaranana, dia nampita ny fiarahabana sy firarian-tsoa avy amin’ny sampana maro ny mpitari-draharaha. Nizara ny diplaoman’ireo mpianatra izy avy eo. Nisy mpianatra iray namaky taratasy avy tamin’ny iray kilasy, ho fanehoan’izy ireo fa tena nankasitrahany ny fampiofanana azony. Nety tsara mihitsy izany mba hamaranana ilay andro tena nahafinaritra, izay tsy hohadinoin’ny mpanatrika rehetra mihitsy.

[Efajoro, pejy 23]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 11

Tany nanendrena: 22

Mpianatra: 48

Salanisan’ny taona: 34,8

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 18,3

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13,4

[Sary, pejy 24]

Ny Kilasy Faha-117 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Thompson, E.; Norvell, G.; Powell, T.; Kozza, M.; McIntyre, T. 2) Reilly, A.; Clayton, C.; Allan, J.; Blanco, A.; Muñoz, L.; Rustad, N. 3) Guerrero, Z.; Garcia, K.; McKerlie, D.; Ishikawa, T.; Blanco, G. 4) McIntyre, S.; Cruz, E.; Guerrero, J.; Ritchie, O.; Avellaneda, L.; Garcia, R. 5) Powell, G.; Fiskå, H.; Muñoz, V.; Baumann, D.; Shaw, S.; Brown, K.; Brown, L. 6) Shaw, C.; Reilly, A.; Peloquin, C.; Münch, N.; McKerlie, D.; Ishikawa, K. 7) Münch, M.; Peloquin, J.; Kozza, T.; Avellaneda, M.; Allan, K.; Ritchie, E.; Norvell, T. 8) Cruz, J.; Baumann, H.; Clayton, Z.; Fiskå, E.; Thompson, M.; Rustad, J.