Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Jehovah no Famonjena Ahy’

‘Jehovah no Famonjena Ahy’

“Andriamanitra, fa Tsy Olona, no Tsy Maintsy Ankatoavinay Satria Izy no Mpitondra Anay”

‘Jehovah no Famonjena Ahy’

TSY maintsy nifidy ny vahoakan’i Jehovah, na hankatò ny mpanjakan’i Ejipta ratsy fanahy, na hankatò an’i Jehovah Andriamanitra, ka hiala tao amin’ilay toerana nanandevozana azy ary honina any amin’ny Tany Nampanantenaina.

Nandefa Loza Folo tany Ejipta i Jehovah, satria tsy namela ny vahoakany handeha i Farao niavonavona. Tena nampiharihary ny herin’i Jehovah izany! Tsy nahasakana ireny loza ireny ireo andriamanitry ny Ejipsianina.

Naneso toy izao i Farao rehefa nasaina nandefa ny vahoakan’Andriamanitra: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? Tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.” (Eksodosy 5:2) Noho izany, dia niharan’ireto loza ireto i Ejipta: 1) ny rano lasa ra, 2) ny sahona, 3) ny moka, 4) ny lalitra, 5) ny aretina tamin’ny biby, 6) ny vay tamin’ny olona sy biby, 7) ny havandra, 8) ny valala, 9) ny haizim-pito, ary 10) ny fahafatesan’ny lahimatoan’i Ejipta, anisan’izany ny an’i Farao. Navelan’io mpanjaka io handeha ihany ny Hebreo tamin’ny farany. Nododonany mihitsy aza izy ireo!—Eksodosy 12:31, 32.

Niainga avy hatrany àry ny olona telo tapitrisa teo ho eo, anisan’izany ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy israelita, ary olona maro samy hafa firenena. (Eksodosy 12:37, 38) Tsy ela taorian’izay anefa, dia nanenjika azy ireo i Farao sy ny tafiny natanjaka be. Toy ny hoe tapi-dalan-kaleha ny Israelita teo anelanelan’ny Ranomasina Mena sy ny tany efitra ary ny miaramilan’i Farao. Hoy anefa i Mosesy tamin’ilay vahoaka: “Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah.”—Eksodosy 14:8-14.

Nanao fahagagana i Jehovah, ka nampisaraka ny Ranomasina Mena mba handosiran’ny Israely. Naveriny tamin’ny laoniny anefa ilay rano, rehefa nanaraka ny Ejipsianina. ‘Natsipin’i [Jehovah] tao amin’ny ranomasina ny kalesin’i Farao sy ny miaramilany.’ (Eksodosy 14:26-28; 15:4) Nahatsiravina ny niafaran’ny fiainan’i Farao niavonavona, izay tsy nety nanome voninahitra an’i Jehovah.

Hita teo amin’ny Ranomasina Mena fa “mpiady mahery” i Jehovah. (Eksodosy 15:3) Hoy ilay fitantarana: “Rehefa hitan’ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ny tànan’i Jehovah tamin’ny Egyptiana, dia natahotra an’i Jehovah ny olona ka nino an’i Jehovah.” (Eksodosy 14:31; Salamo 136:10-15) Naneho ny fankasitrahany an’Andriamanitra tamin’ny fo manontolo àry izy ireo: Ny lehilahy nanao hiram-pandresena niaraka tamin’i Mosesy, ary ny vehivavy kosa notarihin’i Miriama handihy. *

Mbola Mpamonjy foana i Jehovah

Afaka mandray fianarana manatanjaka finoana avy amin’iny asam-pamonjena niavaka iny, ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Ianaran’izy ireo, ohatra, fa manana hery tsy manam-petra i Jehovah ka afaka manohana tanteraka ny vahoakany. Nanao hiram-pandresena toy izao i Mosesy sy ny Israelita: “Ny tànanao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ny hery; ny tànanao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.”—Eksodosy 15:6.

Ianaran’izy ireo koa fa tena maniry hiaro ny vahoakany ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Nihira toy izao ny Israelita: “Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; Izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho.” Mbola ianaran’izy ireo koa fa tsy misy mahatohitra ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra. Toy izao ny hiram-pandresena nataon’ilay vahoaka novonjeny: “Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?”—Eksodosy 15:2, 11.

Manenjika ny vahoakan’i Jehovah, toy ny nataon’i Faraon’i Ejipta fahiny, koa ireo mpitondra miavonavona eo amin’ity tontolo ity. Mety “hiteny hanohitra ny Avo Indrindra sy hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra”, izy ireo. (Daniela 7:25; 11:36) Manome toky ny vahoakany toy izao anefa i Jehovah: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah.”—Isaia 54:17.

Tsy hahomby toa an’i Farao sy ny tafiny ireo mpanohitra an’Andriamanitra. Ireo asa famonjen’i Jehovah, anisan’izany ny nifindran’ny Israelita avy tany Ejipta, dia manaporofo fa tsara ny manaraka ilay toro lalana nolazain’ny apostolin’i Jesosy hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006, Janoary/Febroary.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

FANTATRAO VE?

• Nampitsoka rivo-mahery nandritra ny alina i Jehovah, mba hahafahan’ny Israely hiampita ny Ranomasina Mena tamin’ny tany maina. —Eksodosy 14:21, 22.

• Nirefy iray kilaometatra sy sasany ny sakan’ny lalana nilaina, mba hiampitan’ny Israelita an-tapitrisany ny Ranomasina Mena, tao anatin’ny fotoana fohy toy izany.

[Sary, pejy 9]

Tsy nahasakana ny Loza Folo nalefan’i Jehovah ireo andriamani-dison’i Ejipta

[Sary, pejy 9]

Sarivongana telo: Photograph taken by courtesy of the British Museum