Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Mpisoronabe Nanameloka An’i Jesosy

Ilay Mpisoronabe Nanameloka An’i Jesosy

Ilay Mpisoronabe Nanameloka An’i Jesosy

NISY lehilahy niasa teo amin’ny lalana sy zaridainam-panjakana iray, tokony ho iray kilaometatra tany atsimon’ny tanànan’i Jerosalema fahiny, tamin’ny Novambra 1990. Nahita zavatra tena nahaliana izy ireo. Sendra voadonan’ny traktera mantsy ny tafon’ny lava-bato fandevenana tranainy iray, ka nianjera. Nisy toeram-pandevenana lehibe teo amin’io faritra io, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany T.K., ka hatramin’ny taonjato voalohany A.K. Nahaliana tokoa ny zavatra hitan’ny mpikaroka ambanin’ny tany tao anatin’ilay lava-bato.

Nisy vata 12 fitahirizana taolam-paty tao. Natao tao anatin’izy ireny ny taolan’ny maty rehefa nihintsana ny nofony, herintaona teo ho eo taorian’ny nandevenana azy tao am-pasana. Nisy soratra hoe Yehosef bar Caiapha (Josefa zanak’i Kaiafa) teo amin’ny sisin’ny vata iray, izay nisy sary sokitra niavaka. Io no anisan’ny tsara indrindra tamin’ireo vata hita hatramin’izay.

Io angamba no fasan’ilay mpisoronabe nitarika an’ilay fitsarana lehibe indrindra hatramin’izay, dia ny an’i Jesosy Kristy. Nilaza i Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa i “Josefa, nantsoina hoe Kaiafa” izany mpisoronabe izany. Kaiafa fotsiny no iantsoana azy ao amin’ny Soratra Masina. Nahoana ny tantaran’i Kaiafa no tokony hahaliana antsika? Nahoana izy no nanameloka an’i Jesosy?

Ny fianakaviany sy ny saranga nisy azy

Nanambady ny zanakavavin’i Anasy, mpisoronabe hafa, i Kaiafa. (Jaona 18:13) Azo inoana fa efa taona maro talohan’ny fampakaram-bady no nandaminana ny fanambadian’izy ireo. Tsy maintsy ho nanao izay hahazoana antoka mantsy ny fianakaviana roa tonta fa nety tsara ny hivadian’izy ireo. Nodinihina tsara àry ny tantaram-pirazanan’ny andaniny sy ny ankilany, mba ho azo antoka fa tena taranaka mpisorona madiodio izy ireo. Toa samy mpanankarena sy olona ambony ireo fianakaviana ireo. Nanana tany lehibe maro tao amin’ny faritr’i Jerosalema izy ireo, ary azo inoana fa izany no nampanan-karena azy. Tian’i Anasy ho azo antoka aloha raha ho azony ianteherana sy hanohana azy eo amin’ny lafiny ara-politika, ilay ho vinantolahiny. Toa samy anisan’ilay sekta nanan-kery atao hoe Sadoseo i Anasy sy Kaiafa.—Asan’ny Apostoly 5:17.

Avy tamin’ny fianakaviana mpisorona nanana ny naha izy azy i Kaiafa, ka azo antoka fa nampianarina ny Soratra Hebreo sy ny dikany. Nanomboka nanompo tao amin’ny tempoly izy, tamin’izy 20 taona. Tsy fantatra anefa hoe firy taona izy no lasa mpisoronabe.

Mpisoronabe sy lohan’ny mpisorona

Fahefana nifandovana sy mandra-maty ny an’ny mpisoronabe tany am-boalohany. Nandrombaka ny fahefan’ny mpisoronabe anefa ny Hasmonianina, tamin’ny taonjato faharoa T.K. * Nanendry sy nanaisotra mpisoronabe i Heroda Lehibe. Izany no nampiseho fa izy no tena tompon’antoka tamin’ny fanendrena azy ireny. Nanao toy izany koa ny governora romanina.

Niforona àry ny antokon’olona antsoin’ny Soratra Masina hoe “lohan’ny mpisorona.” (Matio 26:3, 4) Ireto avy no tao anatin’io antokon’olona io: Kaiafa, ireo mpisoronabe teo aloha, toa an’i Anasy izay mbola nitondra io anaram-boninahitra io, ary ny fianakaviana akaikin’ny mpisoronabe teo aloha sy am-perinasa.

Ireo olona ambony jiosy, anisan’izany ny lohan’ny mpisorona, no navelan’ny Romanina hitantana ny raharaha andavanandro tany Jodia. Izany no nahafahan’i Roma nifehy an’io faritany io sy nandray hetra, na dia tsy nandefa miaramila maro tany aza. Ireo mpitarika jiosy no nantenain’i Roma hitandro ny filaminana sy hiaro ny tombontsoany. Tsy tian’ny mpitondra romanina loatra ny mpitarika jiosy, satria nankahala ny fitondrana romanina izy ireo. Samy nandray soa anefa ny roa tonta raha niara-niasa, satria ho mafy orina ny fitondrana.

Ny mpisoronabe no mpitondra tany Jodia, tamin’ny andron’i Kaiafa. I Quirinius, governora romanina tany Syria, no nanendry an’i Anasy ho mpisoronabe tamin’ny taona 6 na 7 A.K. Nampiavaka ny fianakavian’ny mpitondra jiosy, araka ny lovantsofin’ireo raby, ny fitiavan-karena, fizahan-tavan’olona, tsindry hazo lena, ary herisetra. Milaza ny mpanoratra iray fa noho i Anasy mpisoronabe, dia nataony izay hahazoana antoka fa “hahazo toerana ambony haingana tao amin’ny tempoly [ny vinantolahiny]. Hisy tombony kokoa ho azy mantsy, raha mitana toerana ambony kokoa i Kaiafa.”

Nesorin’i Valerius Gratus, governoran’i Jodia, teo amin’ny toerany i Anasy, tokony ho tamin’ny taona 15. Mpisoronabe telo no nifandimby tao aoriany, anisan’izany ny zanany lahy iray. Tsy nisy naharitra teo amin’ny toerany anefa izy ireo. Voatendry ho mpisoronabe i Kaiafa, tamin’ny taona 18 tany ho any. Voatendry ho governoran’i Jodia i Pontio Pilato tamin’ny taona 26, ary tsy nesoriny teo amin’ny toerany i Kaiafa nandritra ny folo taona nitondrany. I Kaiafa no mpisoronabe nandritra ny fotoana nanompoan’i Jesosy sy ireo taona voalohandohany nitorian’ny mpianany. Nanohitra ny hafatra nentin’ny Kristianina anefa i Kaiafa.

Tahotra an’i Jesosy sa tahotra an’i Roma?

Nihevitra an’i Jesosy ho mpanakorontana i Kaiafa. Nokianin’i Jesosy mantsy ny fomba nampiharan’ny mpitondra fivavahana ny lalàna momba ny Sabata. Noroahiny avy tao amin’ny tempoly koa ny mpivarotra sy mpanakalo vola, sady nilazany fa nataon’izy ireo ho “lava-bato fieren’ny jiolahy” izy io. (Lioka 19:45, 46) Nilaza ny mpahay tantara sasany fa an’ny ankohonan’i Anasy ireo tsena tao amin’ny tempoly ireo. Mety ho antony iray nahatonga an’i Kaiafa hitady hamono an’i Jesosy izany. Naniraka mpiambina hisambotra an’i Jesosy ny lohan’ny mpisorona. Niverim-potsiny anefa izy ireo, satria tena talanjona tamin’ny zavatra nolazainy.—Jaona 2:13-17; 5:1-16; 7:14-49.

Diniho izay nitranga, rehefa ren’ny mpitarika jiosy fa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty i Lazarosy. Hoy ny Filazantsaran’i Jaona: “Namory ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo, ka nanao hoe: ‘Inona no hataontsika, fa manao famantarana maro iny lehilahy iny? Raha avelantsika amin’izao izy, dia hino azy avokoa ny rehetra, ary ho avy ny Romanina ka haka ilay toeram-pivavahantsika sy ny firenentsika.’ ” (Jaona 11:47, 48) Nihevitra ireo anisan’ny Fitsarana Avo fa nanohintohina ny fahefan’ny mpitondra fivavahana sy ny filaminam-bahoaka, izay efa nasain’i Pilato niandraiketan’izy ireo, i Jesosy. Hiditra amin’ny raharahan-tokantranon’ny Jiosy ny Romanina, raha vao misy fihetseham-bahoaka heveriny ho fikomiana. Izany indrindra anefa no tian’ny Fitsarana Avo hohalavirina, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.

Tsy azon’i Kaiafa nolavina fa nanao famantarana maro i Jesosy. Tsy nino azy anefa izy, fa izay hihazonany ny toerany sy ny fahefany no nimasoany. Ahoana tokoa moa hanekeny fa nitsangana tamin’ny maty i Lazarosy? Sadoseo i Kaiafa, ka tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty!—Asan’ny Apostoly 23:8.

Niharihary ny haratsiam-panahin’i Kaiafa, rehefa nilaza tamin’ny mpitondra namany izy hoe: “Tsy eritreretinareo fa tsara ho anareo raha olona iray no maty ho an’ny vahoaka, toy izay ny firenena iray manontolo no ho rava.” Hoy ny tohin’ilay fitantarana: “Tsy araka ny nahim-pony anefa no nilazany izany. Fa satria mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa efa voatendry ho faty ho an’ilay firenena i Jesosy, ary tsy ho an’ilay firenena ihany, fa mba hanangonany ho iray koa ireo zanak’Andriamanitra any am-pielezana. Nanomboka tamin’izay andro izay àry, dia nikaon-doha hamono an’i Jesosy ireo.”—Jaona 11:49-53.

Tsy takatr’i Kaiafa ny tena dikan’ny zavatra nolazainy. Naminany tokoa izy, satria izy no mpisoronabe. * Tena hitondra soa ny fahafatesan’i Jesosy, nefa tsy ho an’ny Jiosy irery. Ny sorom-panavotany no hanafaka ny olombelona rehetra amin’ny ota sy ny fahafatesana.

Niray tetika handatsa-dra

Nivory tao an-tranon’i Kaiafa ny lohan’ny mpisorona sy anti-panahy jiosy, mba handinika ny fomba hisamborana sy hamonoana an’i Jesosy. Azo inoana fa nanampy ny mpisoronabe, rehefa notapahina izay ho karaman’i Jodasy hanolotra an’i Jesosy. (Matio 26:3, 4, 14, 15) Mbola tsy tanteraka anefa ny teti-dratsin’i Kaiafa, raha olona iray ihany no ho faty. “Nikaon-doha hamono an’i Lazarosy koa ny lohan’ny mpisorona, satria izy no ... ninoan’[ny Jiosy maro] an’i Jesosy.”—Jaona 12:10, 11.

Niaraka tamin’ireo vahoaka nirahina hisambotra an’i Jesosy i Malko, mpanompon’i Kaiafa. Nentina tany amin’i Anasy aloha ilay voafonja mba halaina am-bavany. Avy eo izy dia nentina tany amin’i Kaiafa, izay efa nampiantso ny anti-panahy jiosy mba hanao fitsarana mandritra ny alina, na dia tsy ara-dalàna aza izany.—Matio 26:57; Jaona 18:10, 13, 19-24.

Nifanohitra ny zavatra nolazain’ireo vavolombelona sandoka nanameloka an’i Jesosy. Tsy nahasakana an’i Kaiafa anefa izany. Fantatr’ilay mpisoronabe fa homelohin’ireo mpiray tsikombakomba aminy ho faty izay mitonona ho Mesia. Nanontaniany àry i Jesosy raha izy no Mesia. Nilaza i Jesosy fa ‘hahita [azy] hipetraka eo ankavanan’ilay mahery ary ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra’ ireo mpiampanga azy. Niseho ho tia fivavahana ilay mpisoronabe, ka “nandrovitra ny akanjony ivelany” sady niteny hoe: “Nanevateva an’Andriamanitra izy! Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona?” Niaiky ny Fitsarana Avo, fa mendrika ny ho faty i Jesosy.—Matio 26:64-66.

Tsy azo notanterahina anefa ilay fanamelohana ho faty, raha tsy neken’ny Romanina. Mpanelanelana ny Romanina sy ny Jiosy i Kaiafa, ka izy angamba no niresaka ilay raharaha tamin’i Pilato. Nitady fomba hanafahana an’i Jesosy anefa i Pilato. Angamba i Kaiafa tamin’izay niaraka tamin’ireo lohan’ny mpisorona niantsoantso hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy! Fantsiho!” (Jaona 19:4-6) Ilay mpamono olona no nangatahin’ny vahoaka hafahana fa tsy i Jesosy. Azo inoana fa i Kaiafa no nampirisika azy ireo hanao izany. Angamba koa izy anisan’ireo lohan’ny mpisorona nihatsaravelatsihy nilaza hoe: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.”—Jaona 19:15; Marka 15:7-11.

Tsy neken’i Kaiafa ny porofo fa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nanohitra an’i Petera sy Jaona ary Stefana izy. Nomeny alalana koa i Saoly mba hisambotra izay Kristianina hitany tany Damaskosy. (Matio 28:11-13; Asan’ny Apostoly 4:1-17; 6:8–7:60; 9:1, 2) Nesorin’i Vitellius, governora romanina tany Syria, teo amin’ny toerany anefa i Kaiafa, tamin’ny taona 36 tany ho any.

Tsy hita taratra ao amin’ny asa soratra jiosy ny fankasitrahana ny fianakavian’i Kaiafa. Nitaraina toy izao, ohatra, ny Talmoda babylonianina: “Nidiran-doza aho noho ny ankohonan’i Hanin [Anasy], nidiran-doza aho noho ny ... fanendrikendrehany.” Misy mihevitra fa ireo “fivoriana miafina nitadiavana tetika hampahoriana [ny hafa]” no resahin’io fitarainana io.

Fianarana avy amin’ny fiainan’i Kaiafa

Nisy manam-pahaizana nilaza fa ny mpisoronabe dia olona “hentitra, fetsy, nahira-tsaina, ary azo inoana fa niavonavona.” Ny avonavona no nahatonga an’i Kaiafa tsy hanaiky ny Mesia. Tsy tokony hahakivy antsika àry, raha misy olona tsy mandray ny hafatra ara-baiboly ankehitriny. Tsy tena liana amin’ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina ny olona sasany, ka tsy vonona hamela ireo zavatra inoany tena ankamaminy. Ao indray ny mihevitra fa lasa ambany izy raha tonga mpitory ny vaovao tsara manetry tena. Tsy manintona an’ireo tsy manao ny marina na manana faniriana tsy mety afa-po koa, ny fitsipika kristianina.

Afaka nanampy ny Jiosy namany hanaiky ny Mesia i Kaiafa, noho izy mpisoronabe, saingy tia fahefana loatra izy, ka nanameloka an’i Jesosy. Azo inoana fa nitohy mandra-pahafatin’i Kaiafa izany fanoherany ny Mesia izany. Asehon’ny tantarany, fa tsy ny taolambalo ihany no ahatsiarovana antsika rehefa maty, fa ny zavatra nataontsika koa. Hanana laza tsara na ratsy mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra isika, arakaraka ny zavatra nataontsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2001, pejy 27-30, mba hahitana ny tantaran’ny Hasmonianina.

^ feh. 19 Nampiasa an’i Balama ratsy fanahy koa i Jehovah taloha, mba hilaza faminaniana araka ny marina momba ny Israelita.—Nomery 23:1–24:24.

[Sary, pejy 10]

Josefa zanak’i Kaiafa

[Sary, pejy 10]

Ilay vata hita vao haingana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Vata, soratra, ary lava-bato eo andamosiny: Courtesy of Israel Antiquities Authority