Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midera An’i Jehovah ny Biby

Midera An’i Jehovah ny Biby

Midera An’i Jehovah ny Biby

MAMPIHARIHARY ny fahambonian’i Jehovah ny biby. Karakarainy tsara izy ireny, toy ny ataony amin’ny olombelona ihany. (Salamo 145:16) Tsy mety mihitsy ny hanakianana ny Mpamorona ny biby sy ny olona! “Nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra” i Joba, na dia lehilahy marina aza, ka nila nandray lesona!—Joba 32:2; 33:8-12; 34:5.

Takatr’i Joba avy tamin’ireo biby noresahina taminy, fa tsy misy manan-jo hanakiana ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra. Hazava amintsika izany, rehefa mandinika izay nolazain’i Jehovah tamin’i Joba isika.

Tsy mila ny fanampian’ny olona izy ireo

Tsy nahita havaly i Joba, rehefa nanontanian’Andriamanitra momba ny fiainan’ny biby. (Joba 38:39-41) Tsy mila ny fanampian’ny olona tokoa i Jehovah, rehefa mamahana ny liona sy ny goaika. Avy aminy mantsy ny sakafon’ny goaika, na dia izy ireo ihany aza no mandeha manidina mitady izany.—Lioka 12:24.

Tsy nanan-kolazaina koa i Joba, rehefa nanontaniana momba ny bibidia. (Joba 39:1-8) Tsy misy olona maharo ny osidia sy ny dieravavy. Iza tokoa moa no ho sahy hanakaiky osidia? (Salamo 104:18) Efa voajanahary amin’ny dieravavy ny mitoka-monina any an’ala rehefa hiteraka. Mikarakara tsara ny zanany izy, nefa rehefa mihamatanjaka izy ireny dia lasa, ka ‘tsy miverina intsony.’ Mahaleo tena izy ireo amin’izay.

Mikarenjy ny zebra, ary any an-tany efitra no misy ny borikidia. Tsy azon’i Joba ampitondraina entana ny borikidia. Mitady “ny zava-maitso rehetra” fihinany eny an-tendrombohitra izy, ary aleony mikarenjy sy tsy voafehifehy, toy izay mipetraka any an-tanàna ka hahazo sakafo mora foana. ‘Tsy reny akory ny feon’ny [mpihaza].’ (Fandikan-teny Katolika) satria mitsoaka avy hatrany izy, raha vao misy olona manatona azy.

Niresaka momba ny ombimanga Andriamanitra avy eo. (Joba 39:9-12) Hoy i Austen Layard, mpanao fikarohana ambanin’ny tany: “Asehon’ny sary sokitra matetika, fa haza mampahatahotra sy miavaka toy ny liona ny ombimanga. Hita miady amin’izy ireny mazàna ny mpanjaka, ary manenjika azy an-tsoavaly sy an-tongotra ny miaramila.” (Ninive sy ny Sisa Tavela Tao, anglisy, 1849, Boky 2, pejy 326) Tsy hanandrana hanisy zioga ny ombimanga tsy laitra fehezina anefa ny olon-kendry.—Salamo 22:21.

Midera an’i Jehovah ny vorona

Nanontany an’i Joba momba ny vorona Andriamanitra avy eo. (Joba 39:13-18) Afaka manidina ambony be ny vano, noho ny elany matanjaka. (Jeremia 8:7) Tsy afa-manidina kosa ny aotirisy, na dia mikopaka elatra aza. Tsy manatody ao anaty akany eny ambony hazo, toy ny vano izy. (Salamo 104:17) Mandavaka eny amin’ny fasika kosa izy, ary ataony ao ny atodiny. Miahy azy ireo anefa izy. Ataony mafana tsara foana ny atodiny, izany hoe totofany fasika ary mifandimby mikotrika azy izy mivady.

Toa ‘manadino fahendrena’ ny aotirisy, satria mitsoaka izy rehefa mahatazana mpiremby. Hoy anefa ny Rakipahalalana Momba ny Biby ao Amin’ny Baiboly (anglisy): “Tetikady fotsiny izany: mankeny amin’ny toerana talaky maso izy, akopakopany ny elany mba hisarihana ny sain’ilay olona na ilay biby mitady [haka ny atodiny], ary tarihiny lavitra hiala teo avy eo.”

Nahoana no lazaina fa “ihomehezan[’ny aotirisy] ny soavaly sy ny mpitaingina azy”? Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Tsy mahay manidina ny aotirisy, nefa malaza ho haingam-pandeha. Lava be ny tongony, ka mety hahavita 4,6 metatra isaky ny indray mandingana izy rehefa mihazakazaka, ary hatramin’ny 64 kilaometatra isan’ora.”

Manome hery ny soavaly i Jehovah

Nanontany an’i Joba momba ny soavaly Andriamanitra avy eo. (Joba 39:19-25) Nitaingin-tsoavaly ny miaramila fahiny, rehefa nandeha niady. Tao koa ny soavaly nitarika kalesy, izay nisy mpitondra sy miaramila roa angamba. Tsy andrin’ny soavaly izay hahatongavana any an’ady, ka mihiaka sy manakatrokatroka ny kitrony amin’ny tany izy. Tsy matahotra izy ary tsy mampihemotra azy ny sabatra. “Mihiaka” izy rehefa maneno ny anjomara. “Miriotra mafy” izy, nefa mankatò ny mpitaingina azy ihany.

Nilaza zavatra toy izany i Layard, mpanao fikarohana ambanin’ny tany. Hoy izy: “Biby malemy paika toy ny zanak’ondry ny soavaly arabo, ary lamboridy ihany dia azo ibaikoana azy. Rehefa mandre akoran’ady anefa izy, sady mahita ny fihetsiketsiky ny lefon’ny mpitaingina azy, dia manjelanjelatra toy ny afo ny masony, misanasana ny vavorony mivoaramena, atrakany ny lohany sady somary mianjona izy, ary atsangany ny volo ao an-katony sy ny rambony ka ahofahofan’ny rivotra.”—Sisa Tavela Tamin’i Ninive sy Babylona, anglisy, 1853, pejy 330.

Diniho ny voromahery

Niresaka tamin’i Joba momba ny vorona sasany i Jehovah. (Joba 39:26-30) ‘Manidina sy mamelatra ny elany ny [voromahery, Kat.].’ Miresaka momba ny vorona haingam-panidina indrindra Ny Boky Guinness Momba ny Zavatra Niavaka Indrindra (anglisy). Lazainy fa “rehefa misambotra haza [io karazana voromahery io] no haingam-panidina indrindra, na koa rehefa midina tampoka avy eny ambony be eny mba hampiseho amin’ny hafa ny faritaniny.” Mahavita 349 kilaometatra isan’ora izy io, rehefa mitsontsorika avy any ambony, ka somary misompirana!

Maherin’ny 130 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-panidin’ny voromahery. Nampitahain’i Joba tamin’ny hafainganam-panidin’ny voromahery misambotra haza, ny fihelin’ny androm-piainan’ny olona. (Joba 9:25, 26) Manome antsika hery hiaretana Andriamanitra, ka toy ny hoe eny ambony elatra tsy mety reraky ny voromahery isika. (Isaia 40:31) Manararaotra ny fisian’ny rivotra mafana ny voromahery rehefa manidina. Mihodinkodina ao anatin’ilay rivotra izy, ary entiny miakatra. Mifindra mankao amin’ny rivotra mafana hafa eo akaiky eo izy, rehefa tonga eny ambonimbony, ary afaka mijanona eny mandritra ny ora maro, nefa tsy mandany hery firy.

‘Manao ny akaniny eny an-dringiringy’ ny voromahery. Apetrany any amin’ny toerana sarotra aleha toy izany ny zanany, mba tsy ho tratran’ny loza. Voajanahary aminy izany. Nataon’Andriamanitra “mahatsinjo lavitra [koa] ny masony.” Afaka mihetsika haingana be ny mason’ny voromahery, ka mahita tsara foana ny zavatra ifantohany. Noho izany, dia voarany maso tsara ny rembiny, rehefa mitsontsorika haka azy io avy eny ambony eny izy. Mety hihinana fatim-biby koa ny voromahery, ka any amin’izay “itoeran’ny faty” no ahitana azy. Misambotra biby madinika izy, ary entiny ho an-janany izany.

Mananatra an’i Joba i Jehovah

Nananatra an’i Joba Andriamanitra, talohan’ny nametrahany fanontaniana hafa momba ny biby. Ahoana no nandraisan’i Joba an’izany? Nanetry tena izy, sady vonona handray torohevitra fanampiny.—Joba 40:1-14.

Mandray fianarana lehibe avy amin’ny tantaran’i Joba isika hatreo, dia ny hoe: Tsy misy olona manan-jo hanakiana an’ilay Mahery Indrindra. Tokony hampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra, ny teny sy ny ataontsika. Ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra, sy ny fanamasinana ny anarany masina koa no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika.

Manome voninahitra an’Andriamanitra ny behemota

Niresaka momba ny biby indray Andriamanitra. Nanontaniany momba ny behemota, na hipopotama, i Joba. (Joba 40:15-24) Mety ho efatra na dimy metatra ny halavan’ny hipopotama lehibe iray, ary mety hahatratra 3 600 kilao ny lanjany. “Eo amin’ny [hozatry ny] valahany ny heriny.” Tena mila ilay hoditra matevina eo amin’ny kibony izy, rehefa mandeha any anaty rano ka mikasoka amin’ny vato ny vatany, satria fohy ny tongony. Tsy misy olona afaka mifampitaha amin’ny behemota mihitsy. Vaventy izy, ngezabe ny vavany, ary matanjaka ny valanoranony.

Mivoaka avy ao anaty rano ny behemota, rehefa hihinana “ahitra.” Zava-maitso eran’ny tendrombohitra iray angamba vao ampy azy! Zavamaniry 90 ka hatramin’ny 180 kilao eo ho eo no haniny isan’andro. Matory eny ambany lamoty (mokonazy) izy rehefa voky, na eny ambany hazomalahelo. Afaka manapoitra ny lohany eny ambony rano ny hipopotama sady milomano, raha tondraka ny rano. Tsy ho sahy hanisy farango eo amin’ny oron’ny behemota i Joba, rehefa mahita ny haben’ny vavany sy ny vanginy.

Midera an’Andriamanitra ny mamba

Momba ny mamba indray no ren’i Joba avy eo. (Joba 40:25–41:26) Manondro “biby marokoroko hoditra” ny teny hebreo ampiasaina eo. Voay angamba no tiany holazaina. Azon’i Joba nalaina natao kilalaon’ankizy ve ny mamba? Tsia dia tsia! Maro ny porofo mampiseho fa mampidi-doza ny mifanehatra amin’io biby io. Hahita raharaha tokoa izay manandrana miady amin’ny mamba, ka tsy ho sahy hamerina intsony!

Manjopiaka toy ny masoandro vao miposaka ny mason’ny mamba, amin’ny maraina, rehefa avoakany avy ao anaty rano ny lohany. Mifanetinety kely ny kirany, ary mafy be tsy laitram-bala ny hodiny sady tsy tanteraky ny sabatra sy ny lefona. Mamela soritra eny amin’ny fotaka ny kirany maranitra eo amin’ny kibony, toy ny soritra avelan’ny “fivelezam-bary.” Ataony mandroatra ny rano rehefa tezitra izy. Tsy matahotra mihitsy izy satria vaventy sy mafy hoditra. Manana fitaovam-piadiana koa izy, dia ny vavany mampahatahotra sy ny rambony matanjaka be.

Miaiky i Joba fa diso

Niaiky i Joba fa ‘nilaza izay tsy fantany, dia zava-mahagaga loatra aminy.’ (Joba 42:1-3) Nanaiky hahitsin’Andriamanitra izy ary nibebaka. Notenenina mafy ny namany, fa izy kosa nahazo fitahiana tondraka.—Joba 42:4-17.

Fahendrena tokoa ny mitadidy ny tantaran’i Joba! Azo antoka fa tsy haintsika valiana ny fanontaniana rehetra napetrak’Andriamanitra taminy. Afaka maneho ny fankasitrahantsika anefa isika sady tokony hanao izany, noho ireo zavaboary mahatalanjona isan-karazany, izay midera an’i Jehovah.

[Sary, pejy 13]

Osidia

[Sary, pejy 13]

Goaika

[Sary, pejy 13]

Liona vavy

[Sary, pejy 14]

Zebra

[Sary, pejy 14]

Mbola miahy ny atodiny ny aotirisy na dia mitsoaka aza

[Sary, pejy 14]

Atodin’ny aotirisy

[Sary, pejy 14, 15]

Karazana voromahery

[Sary nahazoan-dalana]

Voromahery: © Joe McDonald/Visuals Unlimited

[Sary, pejy 15]

Soavaly arabo

[Sary, pejy 15]

Voromahery mivolombolamena

[Sary, pejy 16]

Hipopotama, matetika, no ahafantarana ny behemota

[Sary, pejy 16]

Voay matanjaka be ny mamba