Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Omena Toerana ny Devoly

Aza Omena Toerana ny Devoly

Aza Omena Toerana ny Devoly

“Aza omena toerana ny Devoly.”—EFESIANINA 4:27.

1. Nahoana no maro no misalasala raha tena misy ny Devoly?

MANAN-TANDROKA, mivaky kitro toy ny omby, miakanjo mena, ary mampiasa farango vy mba hanipazana ny olon-dratsy any amin’ny afobe. Izany no fiheveran’ny olona maro ny Devoly hatry ny ela. Tsy mifototra amin’ny Baiboly anefa izany. Ireo hevi-diso ireo aza no nahatonga ny olona maro hisalasala raha tena misy ny Devoly, na hihevitra fa faharatsiana fotsiny izy io.

2. Inona avy no lazain’ny Baiboly momba ny Devoly?

2 Milaza ny Baiboly fa nisy nahita maso ny Devoly, ary misy porofo mazava ao fa tena misy izy. Nahita an’io anjely io i Jesosy Kristy tany an-danitra, ary niresaka taminy teto an-tany. (Joba 1:6; Matio 4:4-11) Tsy milaza ny anarany tamin’izy mbola tsy nivadika ny Baiboly, fa miantso azy hoe Devoly (na “Mpanendrikendrika”), satria manendrikendrika an’Andriamanitra izy. Nomena anarana hoe Satana (na “Mpanohitra”) koa izy, satria manohitra an’i Jehovah. Fanampin’izany, dia lazaina fa izy “ilay menarana tany am-boalohany”, angamba noho izy nampiasa bibilava hamitahana an’i Eva. (Apokalypsy 12:9; 1 Timoty 2:14) Ary mbola izy ihany no atao hoe “ilay ratsy.”—Matio 6:13. *

3. Inona no fanontaniana hodinihintsika?

3 Tsy irintsika mpanompon’i Jehovah mihitsy ny hitovy amin’i Satana, fahavalo lehibe indrindran’Andriamanitra. Tsy maintsy manaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly àry isika hoe: “Aza omena toerana ny Devoly.” (Efesianina 4:27) Misy Baiboly mandika azy io hoe: “Aza omena hirika mihitsy ny Devoly.” (Fandikan-tenin’i Byington, anglisy) Inona avy no toetran’i Satana tsy tokony hotahafintsika?

Aza manahaka ny lehiben’ny mpanendrikendrika

4. Ahoana no nanendrikendrehan’ilay “ratsy” an’Andriamanitra?

4 Mety tokoa raha Devoly no iantsoana ‘an’ilay ratsy’, satria mpanendrikendrika izy. Ny manendrikendrika dia midika hoe manaratsy, na milaza lainga momba ny olona iray noho ny hasomparana. Nandidy an’i Adama Andriamanitra hoe: “Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17) Nampahafantarina an’i Eva izany, nefa nampiasa bibilava ny Devoly mba hilazana taminy hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:4, 5) Tena fanendrikendrehana natao an-kasomparana hamelezana an’i Jehovah izany!

5. Nahoana no rariny raha nampamoahina noho ny fanendrikendrehana nataony i Diotrefa?

5 Nomena didy ny Israelita hoe: “Aza mandehandeha manaratsy [na manendrikendrika] eo amin’ny firenenao.” (Levitikosy 19:16) Hoy koa ny apostoly Jaona momba ny mpanendrikendrika iray tamin’ny androny: “Nisy zavatra nosoratako ho an’ny fiangonana, saingy te ho voalohany eo amin’izy ireo i Diotrefa, ka tsy nety nandray tamim-panajana na inona na inona avy taminay. Raha tonga àry aho, dia hampahatsiahiviko ny nataony, izay mbola tohiziny ihany. Manaratsy anay tsy an-kijanona izy.” (3 Jaona 9, 10) Nanendrikendrika an’i Jaona i Diotrefa, ka rariny raha nampamoahina. Azo antoka fa tsy misy Kristianina mahatoky te hitovy amin’i Diotrefa ka hanahaka an’i Satana, ilay lehiben’ny mpanendrikendrika.

6, 7. Nahoana isika no tsy tokony hanendrikendrika an’iza na iza?

6 Fanendrikendrehana sy fiampangana lainga matetika no amelezana ny mpanompon’i Jehovah. “Nitsangana matetika”, ohatra, “ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka niampanga mafy” an’i Jesosy. (Lioka 23:10) Niampanga lainga an’i Paoly i Ananiasy Mpisoronabe sy ny olon-kafa. (Asan’ny Apostoly 24:1-8) Milaza koa ny Baiboly fa “mpiampanga ny rahalahintsika” i Satana, sady “miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika!” (Apokalypsy 12:10) Ny Kristianina voahosotra eto an-tany amin’izao andro farany izao ireo ampangainy ireo.

7 Tsy tokony hanendrikendrika na hiampanga lainga an’iza na iza ny Kristianina. Izany anefa no hitranga, raha mijoro ho vavolombelona hiampanga olona isika, nefa tsy fantatsika tsara ny zava-misy rehetra. Mety ho nohelohina ho faty ny vavolombelona mandainga teo ambany Lalàn’i Mosesy, raha nanao fanahy iniana. (Eksodosy 20:16; Deoteronomia 19:15-19) Maharikoriko an’i Jehovah koa “ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina.” (Ohabolana 6:16-19) Azo antoka àry fa tsy te hitovy amin’ilay lehiben’ny mpanendrikendrika sy mpiampanga lainga isika.

Aza manaraka ny fanaon’ilay mpamono olona voalohany

8. Nahoana ny Devoly no lazaina fa “mpamono olona hatrany am-piandohana”?

8 Mpamono olona ny Devoly. Nilaza i Jesosy fa “mpamono olona hatrany am-piandohana izy.” (Jaona 8:44) Lasa mpamono olona izy, raha vao nanomboka nampirisika an’i Adama sy Eva hiala tamin’Andriamanitra. Izy no nahatonga ny mpivady voalohany sy ny taranak’izy ireo ho faty. (Romanina 5:12) Mariho fa tsy maintsy ho zavaboary manan-tsaina no mahavita izany, fa tsy hoe ny faharatsiana fotsiny.

9. Araka ny 1 Jaona 3:15, ahoana no mety hahatonga antsika ho mpamono olona?

9 Iray amin’ny Didy Folo nomena ny Israely ny hoe: “Aza mamono olona.” (Deoteronomia 5:17) Nanoratra ho an’ny Kristianina koa ny apostoly Petera hoe: “Aoka ... tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona.” (1 Petera 4:15) Noho izany, dia tsy mamono olona isika mpanompon’i Jehovah. Ho meloka ihany anefa isika eo anatrehany, raha mankahala ny mpiray finoana amintsika ka maniry ny hahafatesany. Hoy mantsy ny apostoly Jaona: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao aminy.” (1 Jaona 3:15) Nomena izao didy izao koa ny Israelita: “Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao.” (Levitikosy 19:17) Enga anie isika handamina haingana izay mety ho olana misy eo amintsika samy mpino, mba tsy handrava ny firaisan-tsaintsika i Satana, ilay mpamono olona.—Lioka 17:3, 4.

Tohero mafy ilay rain’ny lainga

10, 11. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha tiantsika ny hahatohitra an’i Satana, rain’ny lainga?

10 Mpandainga ny Devoly. Nilaza i Jesosy fa “rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Nandainga tamin’i Eva i Satana, fa i Jesosy kosa tonga teto amin’izao tontolo izao mba hanambara ny marina. (Jaona 18:37) Tsy tokony handainga na hamitaka isika mpanara-dia an’i Kristy, raha te hahatohitra ny Devoly. Tsy maintsy ‘milaza ny marina’ isika. (Zakaria 8:16; Efesianina 4:25) Ny Vavolombelony milaza ny marina ihany no tahin’i ‘Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana.’ Tsy manan-jo ho solontenany ny ratsy fanahy.—Salamo 31:5; 50:16; Isaia 43:10.

11 Nanafaka antsika tamin’ny laingan’i Satana ny fahamarinana ara-baiboly. Tsy hiala amin’ny Kristianisma “lalan’ny fahamarinana” mihitsy isika, raha sarobidy amintsika izany fahafahana izany. (2 Petera 2:2; Jaona 8:32) Ny “fahamarinan’ny vaovao tsara” dia ny fitambaran’ny fampianarana kristianina. (Galatianina 2:5, 14) Tsy ho voavonjy mihitsy isika raha tsy ‘mandeha ao amin’ny fahamarinana’, izany hoe mampihatra azy io sy manohitra mafy ilay “rain’ny lainga.”—3 Jaona 3, 4, 8.

Tohero ilay mpivadi-pinoana raindahiny

12, 13. Ahoana no tokony hataontsika manoloana ny mpivadi-pinoana?

12 Tao amin’ny fahamarinana taloha ny Devoly. Nilaza anefa i Jesosy fa “tsy nifikitra tamin’ny marina [izy], satria tsy ao aminy ny marina.” (Jaona 8:44) Tsy nitsahatra nanohitra an’ilay “Andriamanitry ny fahamarinana” io mpivadi-pinoana raindahiny io. Latsaka tao amin’ny “fandriky ny Devoly” ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Voafitaka angamba izy ireo, ka niala tamin’ny fahamarinana. Izany no nahatonga an’i Paoly hampirisika an’i Timoty hampianatra azy ireo amim-pahalemem-panahy, mba hiverenan’izy ireo amin’ny fahamarinana, ka ho afaka amin’ny fandrik’i Satana. (2 Timoty 2:23-26) Mazava ho azy aloha fa tsara kokoa raha tsy voafandrika hanaraka ny hevitry ny mpivadi-pinoana mihitsy isika, fa manaraka hatrany ny fahamarinana.

13 Nivadi-pinoana ny mpivady voalohany, satria nihaino ny Devoly sy nino ny laingany. Koa isika indray ve no hanahaka azy ireo, ka hihaino ny mpivadi-pinoana, na hamaky ny bokiny sy izay lazainy ao amin’ny Internet? Tsy hanao izany isika, raha tia an’Andriamanitra sy ny fahamarinana. Tsy tokony havelantsika hiditra ao an-tranontsika na hoarahabaintsika akory izy ireny, satria “miombona amin’ny ratsy ataony” isika, raha manao izany. (2 Jaona 9-11) Enga anie isika tsy ho voambakan’ny Devoly mihitsy, ka tsy hiala amin’ny “lalan’ny fahamarinana” mba hanarahana mpampianatra sandoka, izay mitady hampiditra hevitra “manimba” sy ‘hanararaotra antsika amin’ny teny mamitaka.’—2 Petera 2:1-3.

14, 15. Inona no fampitandremana nolazain’i Paoly tamin’ny anti-panahy avy tany Efesosy sy Timoty?

14 Hoy i Paoly tamin’ny anti-panahy avy tany Efesosy: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany. Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:28-30) Nipoitra tokoa ny mpivadi-pinoana taorian’izay, ary ‘nanolana hevi-teny.’

15 Nampirisika an’i Timoty mba ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’ i Paoly, tamin’ny taona 65 tany ho any. Nampitandrina anefa izy hoe: “Ialao kosa ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, satria vao mainka koa tsy hatahotra an’Andriamanitra ireny, ary ny teniny dia hiely toy ny fery mandoaka. Anisan’izy ireny i Hymeneo sy Fileto. Niala tamin’ny fahamarinana ireo lehilahy ireo ka nilaza fa efa nitranga sahady, hono, ny fitsanganana amin’ny maty. Koa nandrava ny finoan’ny sasany izy ireo.” Nanomboka ny fivadiham-pinoana! Na izany aza, dia nilaza i Paoly “fa mbola mijoro ihany ny fototra mafy nataon’Andriamanitra.”—2 Timoty 2:15-19.

16. Nahoana isika no tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny Teniny, na dia manao tetika hamitahana antsika aza ilay mpivadi-pinoana raindahiny?

16 Mampiasa mpivadi-pinoana i Satana matetika, mba hanimbana ny fivavahana marina. Tsy mahomby anefa izy. Nanomboka namakafaka ny foto-pinoana neken’ny Kristianisma Anarana hatry ny ela i Charles Russell, tany amin’ny taona 1868. Hitany fa diso ny fomba fanazavan’izy ireo ny Baiboly. Nanomboka niara-nianatra Baiboly tany Pittsburgh, any Pennsylvanie (Etazonia) i Russell sy ny olona vitsivitsy nitady ny fahamarinana. Efa ho 140 taona izay no lasa, ary nitombo ny fahalalan’ny mpanompon’i Jehovah, sy ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny Teniny. Tsy mivadika hatrany amin’i Jehovah sy ny Teniny ireo tena Kristianina ireo, satria mailo ny mpanompo mahatoky sy malina ka manampy azy, na dia manao tetika hamitahana azy aza ilay mpivadi-pinoana raindahiny.—Matio 24:45.

Aza avela hanana fahefana aminao ilay mpitondra an’ity tontolo ity

17-19. Inona ilay tontolo eo ambany fahefan’ny Devoly, ary nahoana isika no tsy tokony ho tia azy io?

17 Fandrika hafa ampiasain’i Satana koa ny fisarihana antsika mba ho tia an’izao tontolo izao, izany hoe ny olona tsy marina rehetra tafasaraka amin’Andriamanitra. Niantso ny Devoly hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” i Jesosy, ary nilaza hoe: “Tsy manana fahefana amiko ... izy.” (Jaona 14:30) Enga anie ka tsy hanana fahefana amintsika mihitsy koa i Satana! Fantatsika anefa fa “izao tontolo izao manontolo ... dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) Izany no nahafahan’ny Devoly nanolotra “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao” ho an’i Jesosy, raha nanompo azy indray mandeha monja izy ka nivadi-pinoana. Nanda tanteraka izany ilay Zanak’Andriamanitra. (Matio 4:8-10) Mankahala ny mpanara-dia an’i Kristy ny tontolo eo ambany fahefan’i Satana. (Jaona 15:18-21) Tsy mahagaga àry raha nampitandrina antsika mba tsy ho tia an’izao tontolo izao ny apostoly Jaona!

18 Hoy izy: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray, satria ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:15-17) Tsy tokony ho tia an’izao tontolo izao mihitsy isika, satria ny fitadiavana izay mahafinaritra ny nofo mpanota no mibahana eo amin’ny fomba fiainan’izy ireo, ary mifanohitra tanteraka amin’ny fitsipik’i Jehovah izany.

19 Ahoana anefa raha misy fitiavana an’izao tontolo izao ao am-pontsika? Mila mivavaka isika mba hampian’Andriamanitra hanaisotra izany sy izay fanirian’ny nofo aterany. (Galatianina 5:16-21) Raha mitadidy isika fa “fanahy ratsy” tsy hita maso no ‘mpanjakan’ny’ olon-dratsy eran-tany, dia azo antoka fa hiezaka hiaro tena hatrany isika, mba “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.”—Jakoba 1:27; Efesianina 6:11, 12; 2 Korintianina 4:4.

20. Nahoana no azo lazaina fa “tsy anisan’izao tontolo izao” isika?

20 Hoy i Jesosy momba ny mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Miezaka ho tsara fitondran-tena foana sy tsy hanaraka ny fivavahan-diso ny Kristianina voahosotra sy ireo namany, mba ho tafasaraka amin’ity tontolo ity. (Jaona 15:19; 17:14; Jakoba 4:4) Mankahala antsika ity tontolo ratsy ity, satria misaraka aminy isika, sady “mpitory ny fahamarinana.” (2 Petera 2:5) Marina fa misy mpijangajanga, mpanitsakitsa-bady, mpanao an-keriny, mpanompo sampy, mpangalatra, mpandainga, ary mpimamo ny olona manodidina antsika. (1 Korintianina 5:9-11; 6:9-11; Apokalypsy 21:8) Tsy mandray ny “fanahin’izao tontolo izao” na ny toe-tsainy anefa isika, izany hoe tsy manaiky hotaomin’io hery mampirisika hanota io.—1 Korintianina 2:12.

Aza omena toerana ny Devoly

21, 22. Ahoana no azonao ampiharana ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Efesianina 4:26, 27?

21 Tsy ny “fanahin’izao tontolo izao” no mitarika antsika, fa ny fanahin’Andriamanitra. Mahatonga antsika haneho toetra tsara toy ny fitiavana sy fifehezan-tena izy io. (Galatianina 5:22, 23) Manampy antsika ireo toetra ireo, mba hanohitra ny Devoly, izay mitady handrava ny finoantsika. Tiany ‘hirehitra [mantsy] ny fahatezerantsika ka hanao ratsy’ isika. Ny fanahin’Andriamanitra anefa manampy antsika ‘hitsahatra amin’ny fahatezerana sy hahafoy ny fahavinirana.’ (Salamo 37:8) Mety ho rariny tokoa ny antony mahatezitra antsika indraindray, nefa manoro hevitra antsika i Paoly hoe: “Tezera nefa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.”—Efesianina 4:26, 27.

22 Mety hitarika antsika hanota ny fahatezerana, raha maharitra. Manome hirika ho an’ny Devoly izany, ka hohararaotiny mba hanisiana disadisa eo anivon’ny fiangonana, na hitaomana antsika hanao ratsy. Noho izany, dia mila alamina haingana sy araka ny fomba atoron’Andriamanitra ny tsy fifanarahana. (Levitikosy 19:17, 18; Matio 5:23, 24; 18:15, 16) Aoka àry isika hanaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra. Hahay hifehy tena isika amin’izay, ka na rariny aza ny fahatezerantsika, dia tsy havelantsika mihitsy ho lasa lolompo sy hasomparana ary fankahalana.

23. Inona no fanontaniana hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

23 Nodinihintsika teo ny toetra sasany ananan’ny Devoly, izay tsy tokony hotahafintsika. Mety hisy hanontany tena koa anefa hoe: Tokony hatahotra an’i Satana ve isika? Nahoana izy no manenjika ny Kristianina? Ary inona no azo atao mba tsy ho voafitany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Tena Misy ve ny Devoly?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2005.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no tsy tokony hanendrikendrika an’iza na iza?

• Araka ny 1 Jaona 3:15, inona no tokony hataontsika mba tsy ho lasa mpamono olona?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny mpivadi-pinoana, ary nahoana?

• Nahoana isika no tsy tokony ho tia an’izao tontolo izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Tsy havelantsika handrava ny firaisan-tsaintsika mihitsy ny Devoly

[Sary, pejy 24]

Nahoana i Jaona no nananatra antsika mba tsy ho tia an’izao tontolo izao?