Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tohero i Satana, dia Handositra Izy!

Tohero i Satana, dia Handositra Izy!

Tohero i Satana, dia Handositra Izy!

“Maneke an’Andriamanitra ianareo, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.”—JAKOBA 4:7.

1, 2. a) Inona no toetran’ny Devoly voalaza ao amin’ny Isaia toko faha-14? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

RAHA misy ny mpiavonavona, dia ny Devoly no mpiavonavona indrindra. Miharihary io toetrany io ao amin’ny teny nambaran’i Isaia, zato taona mahery talohan’ny naha lasa firenena matanjaka indrindra an’i Babylonia. Naminany i Isaia fa hiteny toy izao amin’ny “mpanjakan’ny Babylona” ny vahoakan’i Jehovah: “Hianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra [izany hoe ireo mpanjaka taranak’i Davida] no hanandratako ny seza fiandrianako; ... ho tahaka ny Avo Indrindra [aho].” (Isaia 14:3, 4, 12-15; Nomery 24:17) Niavonavona “ny mpanjakan’i Babylona”, ary tsy misy hafa amin’izany i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2 Korintianina 4:4) Loza anefa no ho fiafaran’ny avonavon’i Satana, toa an’ireo mpanjaka babylonianina izay niafara tamin’ny fahafaham-baraka.

2 Mbola eo anefa i Satana hatramin’izao, ka mety hisy hanontany tena hoe: Tokony hatahotra azy ve isika? Nahoana izy no mampirisika ny olona hanenjika ny Kristianina? Ahoana no hatao mba tsy ho voafitany?

Tokony hatahotra ny Devoly ve isika?

3, 4. Nahoana ny Kristianina voahosotra sy ireo namany no tsy matahotra ny Devoly?

3 Tena mampahery ny Kristianina voahosotra ireto tenin’i Jesosy Kristy ireto: “Aza matahotra izay fijaliana efa hiaretanao. Indro, ny Devoly tsy hitsahatra hanao ny sasany aminareo any am-ponja mba hotsapain-toetra tanteraka ianareo, ary mba hiaretanareo fahoriana folo andro. Aoka hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.” (Apokalypsy 2:10) Tsy matahotra ny Devoly ny voahosotra sy ireo namany manantena hiaina eto an-tany. Tsy hoe izy ireo mihitsy akory no efa be herim-po. Manana herim-po kosa izy ireo, satria matahotra sy manaja an’Andriamanitra, ary ‘mialoka eo amin’ny aloky ny elany.’—Salamo 34:9; 36:7.

4 Tsy natahotra ny mpianatr’i Jesosy Kristy voalohany, ka tsy nivadika mandra-maty na dia nijaly aza. Tsy natahoran’izy ireo izay zavatra mety ho vitan’i Satana Devoly, satria fantany fa tsy handao an’ireo tsy mivadika aminy mihitsy i Jehovah. Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’Andriamanitra koa ny Kristianina voahosotra sy ny namany, na dia hiharan’ny fanenjehana mahery vaika aza izy ireo ankehitriny. Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa mahavita mamono olona ho faty ny Devoly. Tokony hampahatahotra antsika ve izany?

5. Inona no ianarantsika ao amin’ny Hebreo 2:14, 15?

5 Nilaza i Paoly fa “tonga nofo aman-dra” i Jesosy, “mba ho ny fahafatesany no hanafoanany an’ilay manan-kery hahatonga fahafatesana, dia ny Devoly, ary mba hanafahany an’ireo rehetra nandevozina nandritra ny androm-piainany noho ny tahotra ny fahafatesana.” (Hebreo 2:14, 15) Hita eo fa “manan-kery hahatonga fahafatesana” i Satana. Niharihary izany rehefa nampiasa an’i Jodasy Iskariota sy ireo mpitondra jiosy sy romanina izy, mba hamonoana an’i Jesosy. (Lioka 22:3; Jaona 13:26, 27) Na izany aza, dia manafaka ny olona mpanota amin’ny fahefan’i Satana ny sorom-panavotan’i Jesosy, ary mahatonga antsika ho afaka hiaina mandrakizay.—Jaona 3:16.

6, 7. Tsy misy fetrany ve ny fahafahan’i Satana mamono olona? Hazavao.

6 Tsy misy fetrany ve ny fahafahan’i Satana mamono olona? Vao nanomboka nanao ratsy izy, dia efa nahafaty olona ny laingany sy ny famitahany. Voatariny hanota mantsy i Adama, ary izany no nahatonga ny ota sy ny fahafatesana hiely tamin’ny olon-drehetra. (Romanina 5:12) Ankoatra izany, dia manenjika ny mpivavaka amin’i Jehovah ny mpanompon’i Satana eto an-tany, ary mihatra aman’aina mihitsy izany indraindray, toy ny tamin’i Jesosy Kristy.

7 Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe mahafaty an’izay rehetra tiany hovonoina ny Devoly. Fananan’i Jehovah ny tena mpanompony ka arovany, fa tsy havelany haripak’i Satana tanteraka. (Romanina 14:8) Marina fa avelan’i Jehovah hiharam-panenjehana ny mpanompony rehetra, ary misy avelany hindaosin’ny fahafatesana vokatry ny fanafihan’ny Devoly. Manome fanantenana faran’izay tsara anefa ny Soratra Masina: Hatsangana amin’ny maty ireo olona ao amin’ny ‘bokin’ny fahatsiarovan’Andriamanitra.’ Tsy hahasakana an’izany mihitsy ny Devoly!—Malakia 3:16; Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Nahoana i Satana no manenjika antsika?

8. Nahoana ny Devoly no manenjika ny mpanompon’Andriamanitra?

8 Misy antony lehibe iray mahatonga ny Devoly hanenjika antsika mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika. Ny hampiala antsika amin’ny finoantsika no tanjony. Manana fifandraisana sarobidy amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, ary te handrava azy io i Satana. Tsy tokony hahagaga izany. Nilaza i Jehovah, tany Edena, fa hisy fifandrafiana eo amin’ilay “vehivavy” vadiny an’ohatra sy ilay “menarana”, ary eo amin’ny ‘taranak’izy ireo.’ (Genesisy 3:14, 15) Milaza ny Soratra Masina fa ny Devoly ilay “menarana tany am-boalohany”, ary kely sisa ny fotoana ananany ka tezitra mafy izy. (Apokalypsy 12:9, 12) Mbola mitohy hatramin’izao ny fifandrafiana eo amin’ireo ‘taranaka’ roa, ka azo ampoizina fa henjehina ny olona tsy mivadika amin’i Jehovah. (2 Timoty 3:12) Azonao tsara àry ve ny tena anton’izany fanenjehan’i Satana izany?

9, 10. Inona no fiampangana nataon’ny Devoly tamin’Andriamanitra, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny fitondran-tenan’ny olombelona?

9 Miampanga an’Andriamanitra i Satana hoe tsy manana zo ho mpanjakan’izao rehetra izao izy. Ary mifandray amin’izany, dia lazainy fa hivadika amin’ny Mpamorona ny olombelona rehetra. Nahoana tokoa moa i Satana no nanenjika an’i Joba, lehilahy marina? Satria tiany hivadika tamin’i Jehovah izy. Nataony fitaovana ny vadin’i Joba sy ireo “mpampionona mahasorisorena.” Nilaza tamin’Andriamanitra aza izy fa ho voataonany hivadika aminy ny olon-drehetra, raha avela hitsapa azy ireo izy. Tsy nivadika mihitsy anefa i Joba, ka voaporofo fa mpandainga i Satana. (Joba 1:8–2:9; 16:2; 27:5; 31:6) Mbola manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny Devoly ankehitriny, mba hahatonga azy ireo hivadika, ka ho voaporofony amin’izay fa marina ny fiampangany.

10 Raha ny marina, dia manampy antsika hatanjaka sy ho be herim-po ny fahafantarana fa ny hampivadika antsika amin’Andriamanitra no antony anenjehan’ny Devoly antsika. (Deoteronomia 31:6) Ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao no Andriamanitsika, ary hanampy antsika tsy hivadika izy. Enga anie isika tsy hivadika mihitsy ka hampifaly foana ny fon’i Jehovah. Amin’izay izy dia ho afaka hamaly an’i Satana Devoly, ilay mpiteny ratsy azy.—Ohabolana 27:11.

“Manafaha anay amin’ilay ratsy”

11. Inona no dikan’ilay fangatahana hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”?

11 Tsy mora ny hoe tsy mivadika. Mila mivavaka mafy isika mba hahavitana izany, ary tena afaka manampy antsika ilay vavaka modely. Hoy i Jesosy tao amin’izy io: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.” (Matio 6:13) Tsy maka fanahy antsika i Jehovah. (Jakoba 1:13) Avelany hitranga fotsiny, raha ny marina, ny zavatra sasany, na dia milaza aza indraindray ny Soratra Masina fa izy no nahatonga azy na nanao ilay izy. (Rota 1:20, 21) Rehefa mivavaka àry isika hoe “aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”, dia midika izany fa mangataka amin’i Jehovah isika mba tsy hamela antsika ho resin’ny fakam-panahy. Hamaly an’izany vavaka izany tokoa izy, satria manome toky antsika ny Soratra Masina hoe: “Mahatoky ... Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.”—1 Korintianina 10:13.

12. Nahoana isika no mila mivavaka hoe: “Manafaha anay amin’ilay ratsy”?

12 Rehefa avy nampirisika antsika hivavaka momba ny fakam-panahy i Jesosy, dia nasainy notohizina toy izao ilay vavaka: “Manafaha anay amin’ilay ratsy.” Izao no ilazana izany ao amin’ny Baiboly hafa: “Manafaha anay amin’ny ratsy.” (Fandikan-teny Katolika) Tsy ny faharatsiana anefa no tiana horesahina eo fa ny Devoly. Raha ny marina mantsy, dia ampifandraisina amin’olona fa tsy amin’ny toetra ilay teny grika nadika hoe ‘manafaka’ ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao amin’ny Filazantsaran’i Matio koa fa “Mpaka fanahy” ny Devoly. (Matio 4:3, 11) Tena ilaina àry ny mivavaka mba hanafahana antsika “amin’ilay ratsy”, dia i Satana Devoly. Manao hafetsena izy mba hitaomana antsika hanota amin’Andriamanitra. (1 Tesalonianina 3:5) Rehefa mivavaka isika hoe: “Manafaha anay amin’ilay ratsy”, dia midika izany fa mangataka tari-dalana sy fanampiana amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, mba tsy ho voafitaky ny Devoly.

Aza manaiky ho voafitaky ny Devoly

13, 14. Nahoana ny Korintianina no nila nanova ny fomba nitondrany ny lehilahy iray naloto fitondran-tena?

13 Nampirisika ny Kristianina tany Korinto mba hamela heloka i Paoly, ka nanoratra hoe: “Izay heloka avelanareo amin-katsaram-panahy, dia mba avelako koa. Eny, raha ny amiko, izay heloka navelako tamin-katsaram-panahy, raha nisy navelako tamin-katsaram-panahy, dia noho ny aminareo eo imason’i Kristy izany, mba tsy ho voafitak’i Satana ianareo, fa fantatsika ny teti-dratsiny.” (2 Korintianina 2:10, 11) Nahoana i Paoly no nilaza ireo teny ireo, nefa maro ny fomba mety hamitahan’i Satana antsika?

14 Nananatra ny Korintianina izy, satria mbola neken’izy ireo ho anisan’ny fiangonana ny lehilahy iray naloto fitondran-tena. Azo antoka fa faly i Satana tamin’izany, satria afa-baraka ilay fiangonana noho izy ireo nilefitra tamin’ny ‘fijangajangana izay tsy fahita na dia teo amin’ny hafa firenena aza.’ Noroahina ilay mpanao ratsy tamin’ny farany. (1 Korintianina 5:1-5, 11-13) Nibebaka izy io tatỳ aoriana. Mbola nety ho voafitaky ny Devoly ihany anefa tamin’izay ireo Korintianina, raha tsy nety namela sy nandray azy. Nahoana? Satria ho lasa masiaka sy tsy misy indrafo toa an’i Satana izy ireo. Ny anti-panahy indrindra indrindra no ho meloka teo anatrehan’i Jehovah, Andriamanitra mpamindra fo, raha lasa “difotry ny alahelo be loatra” ilay lehilahy nibebaka, ka tsy nanompo an’i Jehovah intsony. (2 Korintianina 2:7; Jakoba 2:13; 3:1) Mazava ho azy fa tsy misy te ho ratsy fanahy sy masiaka ary tsy misy indrafo toa an’i Satana ny tena Kristianina.

Miaro antsika ny fiadiana avy amin’Andriamanitra

15. Inona no ady ataontsika, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba handresena?

15 Tsy maintsy miady amin’ny fitaoman’ireo fanahy ratsy isika, mba tsy ho azon’ny Devoly. Tsy maintsy mitafy “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” isika, raha te handresy ireo fahavalo mahery ireo. (Efesianina 6:11-18) Anisan’izany fiadiana izany “ny fahitsiana” izay toy ny “fiarovan-tratra.” (Efesianina 6:14) Tsy nankatò an’Andriamanitra i Saoly mpanjakan’ny Israely fahiny, ka niala taminy ny fanahy masina. (1 Samoela 15:22, 23) Raha manao hatrany izay mahitsy anefa isika, sady mitafy ny fiadiana ara-panahy rehetra, dia hanome antsika ny fanahiny masina izy, sady hiaro antsika amin’i Satana sy ireo anjeliny ratsy atao hoe demonia.—Ohabolana 18:10.

16. Inona no ilaintsika hatao, mba ho voaro hatrany amin’ny fanahy ratsy isika?

16 Mila mamaky sy mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, ohatra, isika raha te ho voaro hatrany amin’ny fanahy ratsy. Manampy antsika amin’izany ireo boky avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ka tokony hampiasaintsika tsara. (Lioka 12:42) Ho feno zavatra tsara ny saintsika amin’izay, araka ny torohevitr’i Paoly hoe: “Ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.”—Filipianina 4:8.

17. Inona no hanampy antsika hahay hanambara ny vaovao tsara?

17 Manampy antsika i Jehovah, mba ‘hikiraro ny fahavononana mitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotsika.’ (Efesianina 6:15) Ho vonona hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, raha mandray anjara tsy tapaka amin’ny fivoriana. Tena mahafaly ny manampy ny olona hahafantatra an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana, sy manampy azy ho afaka amin’ny fanao ratsy sy ny fampianaran-diso! (Jaona 8:32) Zava-dehibe “ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra”, mba hanoherana ny fampianaran-diso sy “handravana zavatra efa mafy orina.” (Efesianina 6:17; 2 Korintianina 10:4, 5) Hahay hampianatra ny fahamarinana isika, ary tsy ho voafitaky ny Devoly, raha mahay mampiasa ny Tenin’Andriamanitra.

18. Ahoana no hahatonga antsika ho “mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly”?

18 Hoy i Paoly rehefa nanomboka niresaka momba ny fiadiantsika ara-panahy: “Aoka ianareo hahazo hery mandrakariva ao amin’ny Tompo sy ao amin’ny tanjaky ny heriny. Tafio avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly”, na ny hafetseny. (Efesianina 6:10, 11) Ilay teny grika nadika hoe “mafy orina” dia milaza miaramila iray tsy miamboho fahavalo fa tapa-kevitra hifanandrina aminy. Izany koa no ataontsika manoloana an’i Satana, na dia mampiasa hafetsena isan-karazany aza izy mba handravana ny firaisan-tsaintsika, hampidirana hevi-diso ao amin’ny fampianarantsika, na hitarihana antsika hivadika amin’Andriamanitra. Tsy nahomby mihitsy ny fanafihan’i Satana hatramin’izao, sady tsy hahomby mihitsy koa! *

Tohero ny Devoly, dia handositra izy

19. Raha te hanohitra mafy ny Devoly isika, inona no tsy tokony hataontsika?

19 Azontsika atao tokoa ny mandresy ny Devoly sy ny fanahy ratsy eo ambany fahefany. Tsy misy antony tokony hahatoran-kovitra antsika manoloana an’i Satana, satria hoy i Jakoba: “Maneke an’Andriamanitra ianareo, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7) Mila manohitra mafy ny Devoly sy ireo fanahy ratsy iray tarika aminy isika. Koa aza mitsabatsabaka mihitsy amin’ny asan’ny maizina na ny mazia, na mifandray amin’ny olona manao an’izany. Milaza mazava tsara ny Soratra Masina fa tsy mahazo mitady fambara, na manandro na misikidy, na manao na inona na inona misy ifandraisana amin’ny fanahy ratsy ny mpanompon’i Jehovah. Tsy hatahotra ny hisy hamosavy isika, raha revo amin’ny fanompoana sy manana finoana matanjaka.—Nomery 23:23; Deoteronomia 18:10-12; Isaia 47:12-15; Asan’ny Apostoly 19:18-20.

20. Ahoana no hanoherantsika ny Devoly?

20 Fomba hafa ‘hanoherana ny Devoly’, ny fanarahana ny fitsipika sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mila tapa-kevitra ny handresy azy koa isika. Manahaka an’i Satana ity tontolo ity, satria izy no andriamaniny. (2 Korintianina 4:4) Noho izany, dia tsy manaraka ny toetra sy fanaon’ity tontolo ity isika. Anisan’izany ny avonavona, fitiavan-tena, fitondran-tena maloto, herisetra, fitiavan-karena, sy ny toy izany. Naka fanahy an’i Jesosy ny Devoly tany an-tany efitra, ary fantatsika fa nampiasa ny Soratra Masina i Jesosy mba hanoherana azy, hany ka nandositra izy. (Matio 4:4, 7, 10, 11) Ho resintsika koa i Satana ka ‘handositra antsika’, raha manaiky tanteraka an’i Jehovah isika, sady miantehitra aminy am-bavaka. (Efesianina 6:18) Manampy antsika i Jehovah Andriamanitra sy ilay Zanany malala, ka na iza na iza hanisy ratsy antsika, na ny Devoly aza, dia tsy haharitra izany!—Salamo 91:9-11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fiadiana ara-panahy avy amin’Andriamanitra ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2004, pejy 15-20.

Ahoana no Havalinao?

• Tokony hatahotra an’i Satana Devoly ve isika?

• Nahoana i Satana no manenjika ny Kristianina?

• Nahoana isika no mila mivavaka hoe: “Manafaha anay amin’ilay ratsy”?

• Ahoana no hahafahantsika handresy amin’ilay ady amin’ny fitaoman’ny fanahy ratsy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Tsy natahotra ny mpianatr’i Kristy, ka tsy nivadika mandra-maty

[Sary, pejy 27]

Tsy hahasakana ny fitsanganan’ireo maty ao amin’ny fitadidian’i Jehovah ny Devoly

[Sary, pejy 28]

Mivavaka ve ianao hoe: “Manafaha anay amin’ilay ratsy”?

[Sary, pejy 29]

Mitafy ny “fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” ve ianao?