Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iray Monja ny Vahaolana!

Iray Monja ny Vahaolana!

Iray Monja ny Vahaolana!

NIPETRAKA tany Betania, tsy lavitra an’i Jerosalema, i Marta sy Maria ary Lazarosy anadahin’izy ireo. Narary mafy i Lazarosy indray mandeha, ary tsy teo i Jesosy, ilay naman’izy ireo. Nampandre azy àry izy mirahavavy, fa nitebiteby loatra. Nandeha namangy an’i Lazarosy i Jesosy, taoriana kelin’izay. Nilaza tamin’ny mpianany izy teny an-dalana, fa handeha hamoha an’i Lazarosy amin’ny torimasony. Nihevitra ireo mpianatra tamin’izay fa tena natory i Lazarosy. Nohazavain’i Jesosy tsara anefa ny tiany holazaina. Hoy izy: “Maty i Lazarosy.”—Jaona 11:1-14.

Nankeny amin’ny fasan’i Lazarosy i Jesosy, ary nasainy nesorina ilay varavaram-pasana. Nivavaka tamin’ny feo avo izy avy eo, ary nanome baiko hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Nivoaka tokoa i Lazarosy. Velona indray ilay lehilahy efa maty nandritra ny efatra andro.—Jaona 11:38-44.

Asehon’io tantara io fa ny fitsanganana amin’ny maty no tena fomba handresena ny fahafatesana. Nitsangana tamin’ny maty tokoa ve anefa i Lazarosy? Tena nisy ve izany fahagagana izany? Milaza ny Baiboly fa tena nisy izany. Vakio ny Jaona 11:1-44, dia ho hitanao fa voatantara tsara amin’ny an-tsipiriany ilay zava-nitranga. Sarotra aminao ve ny mino an’izany? Raha tsy manaiky izany ianao, dia mety hisalasala koa raha tena nitranga ireo fahagagana rehetra tantaraina ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Ary “raha tsy natsangana i Kristy, dia zava-poana ny finoanareo”, hoy ny Baiboly. (1 Korintianina 15:17) Fampianarana fototra ao amin’ny Soratra Masina, ny fitsanganana amin’ny maty. (Hebreo 6:1, 2) Inona anefa no dikan’ny hoe “fitsanganana amin’ny maty”?

Inona no dikan’ny hoe “fitsanganana amin’ny maty”?

Miseho in-40 mahery ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty.” Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “mitsangana indray” izy io. Midika hoe “fahaveloman’ny maty indray” ny teny hebreo mifanitsy aminy. Inona anefa no atsangana amin’ny maty? Tsy ny vatana no hatsangana satria lo izy io ary miverina ho vovoka, rehefa maty ilay olona. Homena vatana vaovao kosa izy, saingy ho toy ny taloha ihany ny toetra mampiavaka azy sy ny tsipiriany rehetra momba azy, ary ho tadidiny koa ny zavatra niainany taloha.

Tonga lafatra ny fitadidian’i Jehovah Andriamanitra, ka tsy hanahirana azy ny hitadidy izany rehetra izany. (Isaia 40:26) Izy no Loharanon’aina, ka tsy ho sarotra aminy ny hamelona indray ny olona efa maty, miaraka amin’ny maha izy azy rehetra, ao anaty vatana vaovao. (Salamo 36:9) Voalaza ao amin’ny Baiboly koa fa ‘malahelo’ an’ireo maty i Jehovah Andriamanitra. Midika izany fa maniry mafy ny hamelona indray azy ireny izy. (Joba 14:14, 15) Tena faly tokoa isika fa sady afaka mamelona ny maty i Jehovah, no maniry hanao izany koa!

Mandray anjara lehibe amin’ny fananganana ny maty koa i Jesosy Kristy. Hoy izy, herintaona teo ho eo taorian’ny nanombohany ny fanompoany: “Toy ny ananganan’ny Ray ny maty ka amelomany azy indray, dia toy izany koa no ameloman’ny Zanaka an’izay tiany hovelomina.” (Jaona 5:21) Rehefa mamaky ny tantaran’i Lazarosy ianao, moa ve ianao tsy miaiky fa tena manana hery hananganana ny maty i Jesosy Kristy, sady maniry hanao izany koa?

Ahoana anefa ilay finoana hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona? Marina ve izany? Mifanohitra amin’ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty izany, raha ny marina. Inona moa no hilana fananganana amin’ny maty, raha toa ka efa misy fanahy tsy mety maty ao anatintsika ao? Tsy nieritreritra i Marta hoe mbola velona tany ankoatra i Lazarosy anadahiny, rehefa maty. Nino kosa izy fa hatsangana i Lazarosy. Rehefa nanome toky azy mantsy i Jesosy hoe “hitsangana ny anadahinao”, dia hoy izy: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:23, 24) Tsy niresaka momba ny fiainana tany ankoatra koa i Lazarosy, rehefa velona indray. Maty tsinona izy. Hoy ny Baiboly: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona. ... Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola, na fasan’ny olona rehetra] izay alehanao.”—Mpitoriteny 9:5, 10.

Asehon’ny Baiboly, araka izany, fa ny fananganana amin’ny maty no fomba handresena ny fahafatesana. Io ihany no vahaolana. Iza amin’ireo maty an-tapitrisany anefa no hatsangana, ary aiza izy ireo no hiaina aorian’izay?

Iza no hatsangana amin’ny maty?

Nilaza i Jesosy fa “ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Midika ara-bakiteny hoe fasana atao ho fahatsiarovana, ilay teny grika nampiasain’i Jesosy eo. Araka izany, dia nampanantena izy fa hatsangana amin’ny maty ny olona rehetra tsaroan’i Jehovah. Koa iza amin’ireo olona rehetra efa maty àry no hotsaroany, ka miandry ny hatsangana?

Misy anaran-dehilahy sy vehivavy tsy nivadika tamin’Andriamanitra, tanisaina ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Anisan’ny hatsangana amin’ny maty izy ireo, mbamin’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, izay nodimandry tatỳ aoriana. Ahoana kosa ny amin’ireo olona nandika ny fitsipika marin’Andriamanitra, angamba noho ny tsy fahalalany? Ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra koa ve izy ireo? Maro amin’izy ireo tokoa no ao amin’ny fitadidiany, satria hoy ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

Tsy ny maty rehetra anefa no hatsangana, satria milaza ny Baiboly hoe: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana fanamelohana kosa.” (Hebreo 10:26, 27) Nisy olona nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka. Tsy any amin’ny Hadesy (fasan’ny olona rehetra) izy ireny, fa any amin’ny Gehena, izay midika ho fandringanana mandrakizay. (Matio 23:33) Tsy anjarantsika anefa ny manombantombana hoe hatsangana ny olona iray na tsia. Andriamanitra no mitsara. Fantany hoe iza no ao amin’ny Hadesy, ary iza no ao amin’ny Gehena. Ny tena tokony hataontsika kosa dia ny miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Iza no hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra?

Ny fananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty no niavaka indrindra. “Nofo izy rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.” (1 Petera 3:18) Mbola tsy nisy mihitsy olona nodimandry ka natsangana toy izany, talohany. I Jesosy mihitsy aza no nilaza hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy tany, dia ny Zanak’olona.” (Jaona 3:13) Ny Zanak’olona tokoa no voalohany natsangana tamin’ny maty ka lasa fanahy. (Asan’ny Apostoly 26:23) Nisy olon-kafa lasa fanahy koa anefa, tatỳ aoriana, rehefa natsangana. Hoy ny Soratra Masina: “Samy araka ny filaharany avy anefa: i Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany.”—1 Korintianina 15:23.

Hisy olona vitsivitsy “an’i Kristy” hatsangana amin’ny maty, mba ho any an-danitra sy hanao asa manokana. (Romanina 6:5) Ho “mpanjaka hitondra ny tany” hiaraka amin’i Kristy izy ireo. (Apokalypsy 5:9, 10) Ho mpisorona koa izy ireo, izany hoe handray anjara amin’ny fanesorana ny vokatry ny fahotana nolovan’ny olombelona avy tamin’i Adama, lehilahy voalohany. (Romanina 5:12) Miisa 144 000 ireo mpanjaka sady mpisorona hiaraka amin’i Kristy ireo. (Apokalypsy 14:1, 3) Vatana manao ahoana no omena azy ireo, rehefa atsangana amin’ny maty? Milaza ny Baiboly fa omena “vatana ara-panahy” izy ireo, mba ho afaka hiaina any an-danitra.—1 Korintianina 15:35, 38, 42-45.

Rahoviana izy ireo no hatsangana amin’ny maty ka ho any an-danitra? “Mandritra ny fanatrehan[’i Kristy]”, hoy ny 1 Korintianina 15:23. Ny zava-nitranga eran-tany nanomboka tamin’ny 1914 dia mampiseho mazava tsara, fa nanomboka tamin’io taona io ny fanatrehan’i Kristy sy “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3-7) Azo lazaina, araka izany, fa efa nanomboka natsangana tamin’ny maty sy nankany an-danitra ireo Kristianina nahatoky sasany, na dia tsy nisy olombelona nahita aza. Azo inoana àry fa efa natsangana mba ho any an-danitra ireo apostoly sy ireo Kristianina voalohany. Ahoana kosa ny amin’ireo Kristianina velona ankehitriny, ka nomen’Andriamanitra fanantenana azo antoka fa hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra? Hatsangana amin’ny maty “ao anatin’ny indray mipy maso” izy ireo, izany hoe hatsangana avy hatrany aorian’ny hahafatesany. (1 Korintianina 15:52) Ireo olona vitsivitsy 144 000 no atsangana amin’ny maty, alohan’ireo olona maro hatsangana hiaina eto an-tany. Izany no iantsoana ny fitsanganan’izy ireo hoe “fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa” sy “fitsanganana voalohany.”—Filipianina 3:11; Apokalypsy 20:6.

Iza no hatsangana amin’ny maty mba hiaina eto an-tany?

Milaza ny Soratra Masina fa hovelomina indray mba hiaina eto an-tany, ny ankamaroan’ireo maty. (Salamo 37:29; Matio 6:10) Nahazo fahitana nampitolagaga momba ny fitsanganana amin’ny maty ny apostoly Jaona. Hoy izy nitantara izany: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny fasana namoaka ny maty tao aminy, ka samy notsaraina araka izay nataony avy izy ireny. Ary natsipy mafy tany amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny fasana. Tsy inona ny farihy afo fa fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 20:11-14) Ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra ireo maty ao amin’ilay fasana resahina eto, izay antsoina koa hoe Hadesy na Sheola. Hafahana amin’ny fangejan’ny fahafatesana ny tsirairay amin’ireo olona ireo. (Salamo 16:10; Asan’ny Apostoly 2:31) Samy hotsaraina araka izay hataony aorian’izay izy ireo. Hanao ahoana kosa ny hiafaran’ny fahafatesana sy ny fasana na Hadesy? Hatsipy ao amin’ny “farihy afo” ireo. Midika izany fa tsy hisy intsony ny fahafatesana, izay nolovan’ny olombelona avy tamin’i Adama.

Mba eritrereto ange ny hasambaran’ireo manana havana nodimandry, rehefa ho tonga ny fitsanganana amin’ny maty e! Azo antoka fa faly be ilay mpitondratena tao Naina, rehefa natsangan’i Jesosy ny zanany lahitokana! (Lioka 7:11-17) Tantaraina ao amin’ny Baiboly koa fa “faly tsy nisy ohatra izany” ny mpivady iray, rehefa novelomin’i Jesosy ny zanakavavin’izy ireo 12 taona. (Marka 5:21-24, 35-42; Lioka 8:40-42, 49-56) Ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, dia ho faly be isika hihaona indray amin’ireo havantsika nodimandry.

Inona kosa ankehitriny no vokatr’izany fanantenana fitsanganana amin’ny maty izany eo amintsika? Milaza Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy), fa “atahoran’ny ankamaroan’ny olona ny fahafatesana, ka tsy te hieritreritra an’izany izy.” Nahoana? Satria mihevitra izy ireo fa zava-miafina ny fahafatesana, ka sady tsy fantatra no mampahatahotra. Isika kosa anefa mahafantatra hoe manao ahoana marina ny maty, ary manantena isika fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty. Noho izany, dia manana herim-po hiatrehana “ny fahafatesana, izay fahavalo farany” isika, raha sanatria mifanehatra amin’izy io. (1 Korintianina 15:26) Noho ny fahafantarantsika an’izany koa, dia mora kokoa amintsika ny mizaka ny fahoriana, rehefa sendra misy namantsika akaiky na havantsika indaosin’ny fahafatesana.

Rahoviana àry no hanomboka ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany? Feno herisetra sy ady ary ra mandriaka eto an-tany, ary mihamaloto foana ny tontolo iainana. Hihelina ihany ny fahasambaran’ny olona, raha ao anatin’izany toe-piainana izany izy no hatsangana amin’ny maty. Nampanantena kosa anefa ny Mpamorona, fa tsy ho ela dia haringany ity tontolo fehezin’i Satana ity. (Ohabolana 2:21, 22; Daniela 2:44; 1 Jaona 5:19) Kely sisa dia ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany, ary hanorina tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana izy. Ao anatin’izany toe-piainana izany no hifohazan’ireo olona an’arivony tapitrisa matory ao amin’ny fahafatesana.

[Sary, pejy 7]

Hiaina eto an-tany ny ankamaroan’ny olona hatsangana amin’ny maty