Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nafahana Tamin’ny Alalan’ny “Ra Sarobidy”

Nafahana Tamin’ny Alalan’ny “Ra Sarobidy”

“Andriamanitra, fa Tsy Olona, no Tsy Maintsy Ankatoavinay Satria Izy no Mpitondra Anay”

Nafahana Tamin’ny Alalan’ny “Ra Sarobidy”

NIRAHIN’I Jehovah ny Zanany lahitokana, mba hanolotra ny ainy lavorary ho vidim-panavotana. Izany no fomba lehibe indrindra nanehoany ny fitiavany antsika. Tena mila izany fanafahana izany ny olombelona, satria mpanota sy tsy lavorary ka “tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony ..., mba ho velona mandrakizay izy.” (Salamo 49:6-9) Tena velom-pankasitrahana an’Andriamanitra isika, noho izy nanome ny “Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Manafaka antsika amin’inona ny vidim-panavotana? Manafaka antsika amin’ny lafin-javatra efatra, io fanehoam-pitiavana lehibe avy amin’i Jehovah Andriamanitra io. Andeha hodinihintsika ny amin’izany.

Manafaka antsika ny vidim-panavotana

Voalohany, manafaka antsika amin’ny ota nolovana ny soron’i Jesosy. Teraka mpanota isika rehetra. Efa mpanota isika, na dia mbola tsy nandika ny lalàn’i Jehovah aza. Nahoana? Hoy ny Romanina 5:12: ‘Avy tamin’ny olona iray [Adama] no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.’ Taranak’i Adama mpanota isika, ka nandova tsy fahalavorariana. Manafaka antsika amin’ny ota nolovana anefa, ny nandoavana ny vidim-panavotana. (Romanina 5:16) ‘Maty ho an’ny rehetra’ i Jesosy, ka nizaka ny vokatry ny fahotana izy mba hamonjena ny taranak’i Adama.—Hebreo 2:9; 2 Korintianina 5:21; 1 Petera 2:24.

Faharoa, manafaka antsika amin’ny fahafatesana vokatry ny fahotana, ny vidim-panavotana. “Fahafatesana no karama omen’ny ota.” (Romanina 6:23) Voaheloka ho faty ny mpanota. Afaka hiaina mandrakizay anefa ny olombelona mankatò, noho ny fahafatesan’ilay Zanak’Andriamanitra ho sorona. Eny, “izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana.”—Jaona 3:36.

Mariho fa rehefa maneho finoana ny Zanak’Andriamanitra ihany isika, vao ho afaka amin’ny vokatry ny fahotana. Midika izany fa mila manova ny fomba fiainantsika isika, ka mampifanaraka izany amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy maintsy miala amin’ny zava-dratsy fanaontsika taloha isika, ary miezaka mampifaly an’Andriamanitra. Nilaza ny apostoly Petera fa mila ‘mibebaka [isika], ka miverina hamonoana ny fahotantsika.’—Asan’ny Apostoly 3:19.

Fahatelo, mahatonga antsika tsy henjehin’ny eritreritra ny soron’i Jesosy. Mahazo fanamaivanana izay rehetra manolo-tena ho an’i Jehovah, ka tonga mpianatr’i Kristy vita batisa. (Matio 11:28-30) Na tsy lavorary aza isika, dia tena faly manompo an’Andriamanitra amin’ny feon’ny fieritreretana madio. (1 Timoty 3:9; 1 Petera 3:21) Mahazo famindram-po isika ary tsy enjehin’ny eritreritsika intsony, raha miaiky ny fahotantsika sy tsy mamerina izany.—Ohabolana 28:13.

Manampy sy manome fanantenana

Farany, manafaka antsika amin’ny tahotra sao tsy hankasitrahan’Andriamanitra, ny finoana ny vidim-panavotana. Hoy ny apostoly Jaona: “Raha misy ... sendra manota, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy.” (1 Jaona 2:1) Mpanampy no anjara asan’i Jesosy. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany koa izy, satria velona mandrakariva mba hiangavy ho azy ireo.” (Hebreo 7:25) Ilaintsika ny fanompoana ataon’i Jesosy Kristy, ilay Mpisoronabe, mba hahafahantsika hifandray tsara amin’Andriamanitra, raha mbola voapentimpentin’ny fahotana koa isika. Inona no nataon’i Jesosy, mba hampisehoana fa mpisoronabe ho antsika izy?

Niakatra tany an-danitra izy, 40 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, tamin’ny taona 33, ary natolony an’Andriamanitra ny vidin’ny ‘rany sarobidy.’ Tsy ho ela àry dia hafahan’i Jesosy amin’ny ota sy ny fahafatesana, ny olombelona mankatò. * (1 Petera 1:18, 19) Tsy ekenao ve fa mendrika ny hotiavintsika sy hankatoavintsika i Jesosy Kristy?

Mendrika ny hotiavintsika sy hankatoavintsika koa i Jehovah Andriamanitra. Tia antsika izy, ka nataony izay ‘hanafahana antsika tamin’ny alalan’ny avotra.’ (1 Korintianina 1:30) Izy no manome antsika ny fiainana ankehitriny sy ny fanantenana fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. Noho izany dia ‘Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavintsika satria izy no mpitondra antsika.’—Asan’ny Apostoly 5:29.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006, Martsa/Aprily.

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

FANTATRAO VE?

• Avy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy no niakatra tany an-danitra.—Asan’ny Apostoly 1:9, 12.

• Ireo apostoly nahatoky ihany no nahita ny niakarany.—Asan’ny Apostoly 1:2, 11-13.