Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joba

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joba

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Joba

NONINA tany Oza, any amin’ny Saikinosin’i Arabia ankehitriny, i Joba, loham-pianakaviana fahiny. Israelita maro no nonina tany Ejipta, tamin’izany. Mpivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra i Joba, na dia tsy Israelita aza. Hoy ny Baiboly momba azy: “Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” (Joba 1:8) Ny vanim-potoana niainan’i Joba dia tsy maintsy ho taorian’i Josefa zanak’i Jakoba, nefa talohan’i Mosesy mpaminany, izay samy mpanompon’i Jehovah niavaka.

I Mosesy no heverina fa nanoratra ny bokin’i Joba. Toa nandritra ireo 40 taona niainany tany Midianina, any akaikin’i Oza, no nahafantarany momba an’i Joba. Nety ho nandre momba ireo taona farany niainan’i Joba izy, tamin’ny Israelita tonga teo akaikin’i Oza, rehefa nadiva hifarana ilay dian’izy ireo naharitra 40 taona tany an-tany efitra. * Tsara erỳ ny fomba nanoratana ny tantaran’i Joba ka mahatonga azy io ho haisoratra kanto. Tsy izany ihany anefa fa valiana ao koa ny fanontaniana toy ireto: Nahoana ny olona tsara no mijaly? Nahoana no avelan’i Jehovah hisy ny faharatsiana? Afaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy ve ny olona tsy lavorary? Velona sy mahery ny hafatra ao amin’ny bokin’i Joba hatramin’izao, satria anisan’ny boky nampanoratin’Andriamanitra izy io.—Hebreo 4:12.

“HO FOANA ANIE NY ANDRO NAHATERAHAKO”

(Joba 1:1–3:26)

Nolazain’i Satana tamin’Andriamanitra, indray mandeha, fa mampisalasala ny tsy fivadihan’i Joba. Neken’i Jehovah ny hamaliana izany, ary navelany hitondra loza nifanesy tamin’i Joba i Satana. Tsy nety ‘nahafoy an’Andriamanitra’ anefa i Joba.—Joba 2:9.

Tonga “hitsapa alahelo” an’i Joba ireo namany telo lahy. (Joba 2:11) Niara-nipetraka taminy izy ireo, nefa tsy nisy niteny mandra-pilazan’i Joba hoe: “Ho foana anie ny andro nahaterahako.” (Joba 3:3, Fandikan-teny Katolika) Naniry ho “toy ireo zaza tsy nahita masoandro” na maty tany am-bohoka i Joba.—Joba 3:11, 16, Kat.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:4—Nankalaza aniversera ve ny zanak’i Joba? Tsia, tsy nanao izany izy ireo. Tsy mitovy ireo teny tany am-boalohany nadika hoe ‘andro’ sy ‘andro niherenan’ny taona nahaterahana’, fa samy manana ny heviny. (Genesisy 40:20) Nampiasaina tao amin’ny Joba 1:4 ny teny hoe ‘andro’, mba hanondroana ny fotoana manomboka eo amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany. Toa nanao fivoriam-pianakaviana naharitra fito andro isan-taona, ny zanak’i Joba fito lahy. Nifanasa tao an-tranony izy ireo, ‘isaky ny androny’ avy, izany hoe isaky ny anjara fanasany.

1:6; 2:1—Iza avy no navela hiditra teo anatrehan’i Jehovah? Anisan’ireo nijoro teo anatrehany ny Zanany lahitokana na ny Teny, sy ireo anjely mahatoky, ary ireo “zanak’Andriamanitra” tsy nankatò, toa an’i Satana Devoly. (Jaona 1:1, 18) Tsy noroahina avy tany an-danitra izy sy ny demoniany, raha tsy taoriana kelin’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. (Apokalypsy 12:1-12) Mbola navelan’i Jehovah hiditra teo anatrehany izy ireo, ka nanjary fantatry ny anjely rehetra ny fiampangan’i Satana sy ireo adihevitra nipoitra.

1:7; 2:2—Niresaka nivantana tamin’i Satana ve i Jehovah? Tsy dia manome tsipiriany mahakasika ny fomba ifampiresahan’i Jehovah amin’ny anjely ny Baiboly. Nahazo fahitana anefa i Mikaia mpaminany, ary nahita anjely niresaka nivantana tamin’i Jehovah. (1 Mpanjaka 22:14, 19-23) Toa tsy nisy mpanelanelana àry izy, rehefa niresaka tamin’i Satana.

1:21—Ahoana no hiverenan’i Joba any “an-kibon’ineny”? Manondro ny tany ny teny hoe “ineny” eto, satria “vovo-tany” no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona.—Genesisy 2:7.

2:9—Inona avy no mety ho tao an-tsain’ny vadin’i Joba, rehefa nilaza izy fa tokony hanozona an’Andriamanitra sy ho faty i Joba? Niaritra an’ireo fahavoazana nanjo an’i Joba koa ny vadiny. Tsy maintsy ho nalahelo mafy izy, rehefa nahita ny vadiny nampahorin’ny aretina nahatsiravina, nefa natanjaka tsara taloha. Namoy ireo zanany malalany izy. Nety ho kivy tanteraka àry izy, ka nanadino fa ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra no tena zava-dehibe.

Lesona ho antsika:

1:8-11; 2:3-5. Tsara fitondran-tena sy tsy miteny ratsy ny olona tsy mivadika, ary manompo an’i Jehovah noho ny antony manosika tsara, araka ny hitantsika tamin’i Joba.

1:21, 22. Porofointsika fa mpandainga i Satana, raha tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy isika, na amin’ny mora na amin’ny sarotra.—Ohabolana 27:11.

2:9, 10. Tokony hiorina mafy hatrany amin’ny finoana isika, toa an’i Joba, na dia tsy mihevitra ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ho sarobidy aza ny havana, na manery antsika hampandefitra ny finoantsika na hiala amin’izany.

2:13. Tsy nahita teny hampiononana an’i Joba ireo namany. Tsy olona araka ny fanahy mantsy izy ireo, ka tsy nanan-kolazaina momba an’Andriamanitra sy ny fampanantenany.

“TSY HANAIKY NY TENAKO  HO MANAN-TSINY AHO”

(Joba 4:1–31:40)

Izao no hevi-dehibe tamin’ny lahatenin’ireo naman’i Joba telo lahy: Tsy maintsy ho nanao zavatra tena ratsy i Joba, matoa nahazo sazy henjana avy tamin’Andriamanitra. I Elifaza no niteny voalohany. Nanaraka azy i Bildada, izay nampiasa fiteny maneso kokoa. Mbola henjana kokoa noho izany aza ny an’i Zofara.

Tsy neken’i Joba ny fiheveran-dison’ireo mpitsidika azy. Tsy takany ny antony namelan’Andriamanitra azy hijaly, ka ny hanamarina ny tenany no tena nahiny. Mbola tia an’Andriamanitra anefa izy, ka tsy nivadika mihitsy ary nilaza hoe: “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.”—Joba 27:5.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

7:1; 14:14—Inona no tiana holazaina amin’ny hoe ‘miantafika’ na ‘manafika’? Midika hoe manao asa an-terivozona ny teny tany am-boalohany nadika hoe manafika eto. Fahoriana nisesisesy no nanjo an’i Joba, ka noheveriny ho toy ny asa an-terivozona ny fiainana. Nampitoviny tamin’ny andro anafihana (anerena) koa ny fotoana ijanonan’ny olona any am-pasana (manomboka amin’ny fotoana ahafatesana mandra-pitsangana amin’ny maty), satria voatery mijanona ao ilay olona mandritra io fotoana io.

7:9, 10; 10:21; 16:22—Midika ve ireo tenin’i Joba ireo hoe tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty izy? Mahakasika ny zavatra niandry an’i Joba ireo teny ireo. Ny tiany holazaina angamba dia hoe tsy hisy hahita azy ny mpiara-belona aminy raha ho faty izy. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy hiverina any an-tranony intsony izy, ary tsy hisy hahalala azy intsony, mandra-pahatongan’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Ny tian’i Joba holazaina koa angamba dia hoe tsy misy mihitsy afaka manangan-tena avy any am-pasana. Hita amin’ny Joba 14:13-15, fa nanantena ny fitsanganana amin’ny maty izy.

10:10—Inona no dikan’ny hoe nararak’i Jehovah toy ny ronono i Joba, ary nataony mandry toy ny rononomandry? Filazana amin’ny fomba kanto ny fomba niforonan’i Joba tao an-kibon-dreniny izany.

19:20—Inona no tian’i Joba holazaina tamin’ny hoe: “Ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra”? Hoditry ny nify no dikan’ny hoe ‘akanjo-nify’ eto, raha raisina ara-bakiteny. Tsy misy hoditra anefa ny nify, ka te hilaza angamba i Joba fa zara raha nahatondra zavatra izy rehefa nandositra.

Lesona ho antsika:

4:7, 8; 8:5, 6; 11:13-15. Aza maika hanatsoaka hevitra hoe mijinja izay nafafiny ny olona ory, ary tsy ankasitrahan’Andriamanitra.

4:18, 19; 22:2, 3. Tokony hiorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny torohevitra omentsika, fa tsy amin’ny hevitsika fotsiny.—2 Timoty 3:16.

10:1. Jamban’ny fahoriana nangidy i Joba, ka tsy nandinika izay mety ho antony hafa nahatonga ny fijaliany. Aza sosotra rehefa mijaly, indrindra satria fantatsika ny antony.

14:7, 13-15; 19:25; 33:24. Afaka manohana antsika mandritra ny fitsapana rehetra mety halefan’i Satana, ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.

16:5; 19:2. Tokony hampahery ny hafa ny tenintsika, fa tsy hampahatezitra azy.—Ohabolana 18:21.

22:5-7. Tsy misy vidiny sady manimba, ny torohevitra mifono fiampangana tsy marim-pototra.

27:2; 30:20, 21. Nanakiana an’Andriamanitra i Joba. Tsy voatery ho olona lavorary àry vao ho afaka ny tsy hivadika mihitsy.

27:5. I Joba ihany no afaka nanapa-kevitra raha hivadika amin’Andriamanitra izy na tsia. Miankina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra mantsy ny tsy fivadihana. Tokony hiezaka ho tena tia an’i Jehovah àry isika.

28:1-28. Fantatry ny olona ny toerana tokony hikarohana ireo harena voajanahary. Lalin-tsaina izy, ka tonga hatrany ambanin’ny tany, izay tsy hitan’ny vorona mpiremby mahita lavitra. Ny fahatahorana an’i Jehovah kosa no ahazoana ny fahendrena avy aminy.

29:12-15. Tokony ho vonona haneho fitiavana sy hatsaram-panahy amin’ireo mila fanampiana isika.

31:1, 9-28. Namela ohatra tsara ho antsika i Joba, satria nohalaviriny ny filalaovana fitia, fanitsakitsaham-bady, fitiavan-karena, fanompoan-tsampy, ary ny fitondrana ny hafa tsy araka ny rariny sy famindram-po.

“MIBEBAKA ETO AMIN’NY VOVOKA SY NY LAVENONA AHO”

(Joba 32:1–42:17)

Sendra teo ny tovolahy iray antsoina hoe Eliho, ary nihaino tamim-paharetana an’ilay adihevitra. Sahy nilaza ny heviny izy avy eo, ka nanitsy an’i Joba sy ireo nampijaly azy.

Namaly avy tao amin’ny tafio-drivotra i Jehovah, ilay Mahery Indrindra, raha vao tapitra ny tenin’i Eliho. Tsy nanazava ny antony nahatonga an’i Joba hijaly izy, fa nametraka fanontaniana nifanesy kosa. Nanjary takatr’i Joba àry ny herin’i Jehovah tsy manam-petra sy ny fahendreny lehibe. Niaiky izy fa niteny tsy tamim-piheverana, ary nanao hoe: “Miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.” (Joba 42:6) Novalian-tsoa noho ny tsy fivadihany i Joba, rehefa tapitra ny fitsapana azy.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

32:1-3—Oviana i Eliho no tonga? Ny resak’i Joba no namarana ilay fanginan’ireo namany telo lahy, nandritra ny herinandro. Tsy maintsy ho talohan’ny nitenenan’i Joba àry i Eliho no efa nipetraka teny akaiky teny, satria nahare ny resaka rehetra izy.—Joba 3:1, 2.

34:7—Nahoana i Joba no nitovy tamin’ny lehilahy “manarampo amin’ny famingavingana toy ny fisotro rano”? Andriamanitra no tena noharatsin’ireo mpitsidika telo lahy. Kivy anefa i Joba, ka mora taminy ny nihevitra fa izy no novingavingaina. (Joba 42:7) Tamin’izany àry izy no nanaram-po tamin’ny famingavingana, toy ny olona mankafy ny fisotroana rano.

Lesona ho antsika:

32:8, 9. Tsy ampy ahazoana fahendrena ny fandroson’ny taona. Ilaina koa ny mahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra sy ny tari-dalan’ny fanahiny.

34:36. Voaporofo fa tsy mivadika ny olona iray, rehefa avy ‘nozahan-toetra mandrakariva’, izany hoe notsapaina hatramin’ny fetra farany zakany.

35:2. Nihaino tsara aloha i Eliho, ary namantatra ny tena olana, izay vao niteny. (Joba 10:7; 16:7; 34:5) Tsy maintsy mihaino tsara, mamantatra ny zava-misy ary mahatakatra tsara ny tena olana àry ny anti-panahy, alohan’ny hanomezany torohevitra.—Ohabolana 18:13.

37:14; 38:1–39:30. Mampiseho ny herin’i Jehovah sy ny fahendreny ireo asa mahagaga nataony. Hanetry tena isika raha misaintsaina azy ireny. Ho hitantsika koa fa zava-dehibe kokoa noho ny tombontsoantsika, ny fanamarinana ny zony hitondra.—Matio 6:9, 10.

40:1-4. Tokony ‘hanampina ny vavantsika’ isika, raha mitady hanome tsiny an’ilay Mahery Indrindra.

40:15–41:26. Mahery tokoa ny Behemota (hipopotama) sy Leviatana (voaibe)! Hery avy amin’ny Mpamorona anefa izany. Manome hery antsika koa Andriamanitra, ary ilaintsika izany mba haharetana eo amin’ny fanompoana azy.—Filipianina 4:13.

42:1-6. ‘Nahita an’Andriamanitra’ i Joba, izany hoe nahatakatra ny fahamarinana momba azy, rehefa nandre ny teniny sy nampahatsiahivina momba ny fisehoan’ny heriny. (Joba 19:26) Nanitsy ny fomba fisainan’i Joba izany. Tokony ho mailaka hiaiky ny fahadisoantsika isika ary hiova, rehefa mahazo fanitsiana avy amin’ny Baiboly.

Tahafo ‘ny fiaretan’i Joba’

Asehon’ny bokin’i Joba mazava, fa tsy Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’ny fijalian’ny olona, fa i Satana. Avelan’i Jehovah hisy ny faharatsiana, mba hahafahantsika tsirairay hampiseho hoe iza no iandaniantsika, amin’ireo adihevitra lehibe momba ny zony hitondra sy ny tsy fivadihana.

Tsy maintsy hiharam-pitsapana toa an’i Joba, izay rehetra tia an’i Jehovah. Manome toky antsika ny tantarany fa afaka miaritra isika. Mampahatsiahy antsika koa izy io, fa tsy haharitra mandrakizay ireo olana mahazo antsika. Hoy ny Jakoba 5:11: “Efa renareo ny niaretan’i Joba, ary efa hitanareo ny niafarany, dia izay nataon’i Jehovah taminy.” Novalian’i Jehovah soa i Joba, noho izy tsy nivadika mihitsy. (Joba 42:10-17) Fanantenana lehibe tokoa no eo anoloantsika, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany! Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy, toa an’i Joba.—Hebreo 11:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Tantaraina ao amin’ny bokin’i Joba ny zava-nitranga nandritra ny 140 taona mahery, teo anelanelan’ny 1657 sy 1473 T.K.

[Sary, pejy 16]

Inona no ianarantsika avy amin’ny ‘fiaretan’i Joba’?