Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahalahy Vaovao ao Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Rahalahy Vaovao ao Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Rahalahy Vaovao ao Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

NAMPIFANDRAISINA tamin’ny alalan’ny video ny Betelan’i Etazonia sy Kanada, ny alarobia 24 Aogositra 2005, nandritra ny fotoam-pivavahana maraina. Nilazana vaovao mahafaly ny fianakavian’ny Betela tamin’izay. Hisy rahalahy roa vaovao ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, manomboka ny 1 Septambra 2005. Tsy iza izany fa i Geoffrey Jackson sy Anthony Morris III.

Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, tany amin’ny nosy Tasmania, any Aostralia, ny Rahalahy Jackson, tamin’ny Febroary 1971. Nanambady an’i Jeanette (Jenny) izy, tamin’ny Jona 1974. Voatendry ho mpisava lalana manokana izy mivady, tsy ela taorian’izay. Lasa misionera tany Tuvalu sy Samoa ary Fidji izy ireo, nanomboka tamin’ny 1979 ka hatramin’ny 2003. Nandray anjara betsaka tamin’ny fandikana boky sy gazety ara-baiboly izy mivady, tany amin’ireo nosy any Pasifika Atsimo ireo. Anisan’ny Komitin’ny Sampana tany Samoa ny Rahalahy Jackson, nanomboka tamin’ny 1992, ary tany Fidji, nanomboka tamin’ny 1996. Lasa anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Etazonia izy sy Jenny, nanomboka tamin’ny Aprily 2003, ary nanomboka niasa tao amin’ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny. Nanampy tao amin’ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana ny Rahalahy Jackson, tsy ela taorian’izay.

Tamin’ny 1971 ny Rahalahy Morris no nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, tany Etazonia. Nanambady an’i Susan izy, ny volana Desambra tamin’io taona io. Niara-nanao mpisava lalana izy mivady nandritra ny efa-taona latsaka, mandra-pahaterak’i Jesse zanany lahimatoa. Niteraka an’i Paul koa izy ireo tatỳ aoriana. Niverina nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra ny Rahalahy Morris, tamin’ny 1979. Lasa mpisava lalana indray koa i Susan, rehefa niditra nianatra ireo ankizy. Nankany amin’ny faritra nilana mpitory betsaka tany Rhode Island sy Caroline Avaratra, any Etazonia, izy ireo. Mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana ny Rahalahy Morris tany Caroline Avaratra, ary mpisava lalana maharitra ny zanak’izy ireo. Voantso hiasa tany amin’ny Betelan’i Etazonia i Jesse sy Paul, rehefa feno 19 taona. Lasa mpiandraikitra ny faritra ny Rahalahy Morris, tamin’izay. Voantso hiasa tany amin’ny Betela izy sy Susan tamin’ny 2002, ary nanomboka nanao ny asa vaovao nanendrena azy izy ireo, ny 1 Aogositra. Niasa tany Patterson tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana ny Rahalahy Morris, ary nanampy ny Komitin’ny Fanompoana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana, tatỳ aoriana.

Ireto avy ny rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ankoatra an’ireo roa vaovao: C. Barber; J. Barr; S. Herd; M. Lett; G. Lösch; T. Jaracz; G. Pierce; A. Schroeder; D. Splane; ary D. Sydlik. Voahosotra daholo ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana.