Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy “ny Fanaka Malemy Kokoa”

Sarobidy “ny Fanaka Malemy Kokoa”

Sarobidy “ny Fanaka Malemy Kokoa”

HOY ny apostoly Petera: “Ianareo lehilahy, aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana, ka hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy.” (1 Petera 3:7) Manambany ny vehivavy ve ny Soratra Masina, rehefa milaza fa “fanaka malemy kokoa” izy ireo? Andeha hojerentsika hoe inona no tian’i Petera holazaina.

Midika hoe ‘manisy vidiny, mihevitra ho sarobidy, manaja’, ilay teny grika nadika hoe ‘manome voninahitra.’ Tokony halemy fanahy amin’ny vadiny àry ny lehilahy, ka hitondra azy toy ny fanaka mora vaky sy sarobidy. Tsy manambany mihitsy izany. Misy haingon-trano vita amin’ny kristaly niangaliana fatratra sy feno sarisary tsara tarehy, ohatra, any amin’ny tany sasany. Misy jiro ao anatiny, ka antsoina hoe jiro Tiffany ilay izy. Lafo be io haingon-trano io, nefa misy olona mahavidy azy. Maherin’ny 6 000 tapitrisa ariary ny karazany iray. Tena mora vaky koa izy io, ka izany no vao mainka mahasarobidy azy.

Toy izany koa fa tsy manambany ny vehivavy ny fanomezana azy voninahitra, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa. Ny lehilahy miara-mipetraka amin’ny vadiny “araka ny fahalalana”, dia mitadidy fa kely kokoa ny herin’ny vadiny, ary voafetra ihany ny zavatra mety ho vitany. Ataony ao an-tsaina koa fa manana ny zavatra tiany sy tsy tiany, ary manana ny heviny sy ny fihetseham-pony ny vadiny. Eken’ny lehilahy be fitiavana fa tsy mitovy ny toetran’izy mivady, ary hajainy izany. Tena miahy ny vadiny izy ‘mba tsy ho voasakana ny vavaka ataony.’ (1 Petera 3:7) Tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra kosa izy, raha tsy mankamamy ny toetra tsaran’ny vadiny. Tsy manambany ny vehivavy tokoa ny Tenin’Andriamanitra! Manome voninahitra sy haja azy kosa aza izy io.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

© Christie’s Images Limited 1997