Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

TENA nidiran-doza ny olombelona, taoriana kelin’ny namoronana azy! Ny fahefan’ilay Mpamorona azy mihitsy mantsy no nolavin’ny anjely iray. Notaomin’io mpikomy io hihinana an’ilay voankazo voarara i Eva, vehivavy voalohany. Niresaka momba an’i Eva sy Adama vadiny ilay anjely, rehefa nilaza hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 2:16, 17; 3:1-5) Nanjary nantsoina hoe Devoly sy Satana io anjely nikomy io.—Apokalypsy 12:9.

Nanaraka ny tenin’i Satana ve i Eva? Hoy ny Baiboly: “Hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny, ka dia nihinana izy.” (Genesisy 3:6) Niara-nikomy tamin’i Satana tokoa i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany. Noho izany, dia nafoin’izy ireo sy ny taranany ny Paradisa. Tokony ho lavorary sy ho afaka hiaina mandrakizay ny taranak’izy ireo. Ny ota sy ny fahafatesana indray anefa no nolovainy.—Romanina 5:12.

Inona no nataon’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, teo anatrehan’izany? Nanao zavatra izy mba hahazoan’ny olona famelan-keloka. (Romanina 5:8) Nanangana fitondram-panjakana koa izy, mba handaminana an’ilay olana. Io no antsoina hoe “fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31) Eo ambany fifehezan’Andriamanitra io Fanjakana io, ary natsangana noho ny antony manokana.

Inona no antony nananganana ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona ireo lafiny sasany mampiavaka azy io, ary inona no tsy mampitovy azy ireny amin’ny an’ny fitondran’olombelona? Oviana ilay Fanjakana no nanomboka nitondra? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.