Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Azonay Atao ny Tsy Hiteny Intsony Momba An’i Jesosy’

‘Tsy Azonay Atao ny Tsy Hiteny Intsony Momba An’i Jesosy’

“Andriamanitra, fa Tsy Olona, no Tsy Maintsy Ankatoavinay Satria Izy no Mpitondra Anay”

‘Tsy Azonay Atao ny Tsy Hiteny Intsony Momba An’i Jesosy’

TAONA 33 tamin’izay. Tao amin’ny efitrano lehiben’ny tribonaly jiosy tao Jerosalema no nitranga ny tantara. Niakatra Fitsarana Avo ny apostolin’i Jesosy Kristy 12. Nahoana? Satria nitory momba an’i Jesosy izy ireo. Fanindroany izao no niakatra fitsarana ny apostoly Petera sy Jaona, fa vao sambany kosa ireo apostoly hafa.

Naverin’ny mpisoronabe tamin’ireo apostoly 12 ilay didy navoaka tamin’ilay fitsarana teo aloha. Hoy ny apostoly Petera sy Jaona tamin’izay, rehefa nodidiana tsy hampianatra momba an’i Jesosy intsony: “Ianareo no aoka hitsara raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny hihaino anareo fa tsy Andriamanitra. Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” Nivavaka ny mpianatr’i Jesosy mba hanana herim-po, ka mbola nitory ny vaovao tsara foana.—Asan’ny Apostoly 4:18-31.

Hitan’ilay mpisoronabe fa tsy nandaitra ilay fandrahonana teo aloha, ka hoy izy tamin’ity fitsarana faharoa ity: “Efa noraranay mafy ianareo tsy hampianatra intsony amin’izany anarana izany, nefa jereo fa nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema, ary tapa-kevitra ianareo ny hanao anay ho tompon’andraikitra amin’ny ran’izany lehilahy izany.”—Asan’ny Apostoly 5:28.

Tsy niova hevitra mihitsy

Tsy natahotra i Petera sy ny apostoly hafa, fa niteny hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” (Asan’ny Apostoly 5:29) I Jehovah tokoa no tsy maintsy ankatoavintsika fa tsy olona, rehefa mifanohitra amin’ny didiny ny zavatra asain’izy ireo atao. *

Nohamafisin’ireo apostoly fa tsy hivadika amin’Andriamanitra izy ireo. Tena tokony ho nampiaiky an’ireo mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo izany. Raha nanontaniana tokoa ireo mpitarika jiosy ireo hoe Andriamanitra sa olona no tokony hankatoavina, dia tokony ho samy namaly izy ireo hoe: “Andriamanitra.” Nino mantsy izy ireo fa Andriamanitra no Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao.

Nisolo tena ny apostoly rehetra i Petera, ka nilaza fa Andriamanitra no ankatoavin’izy ireo fa tsy olona, raha ny asa fitoriana no resahina. Noporofoiny àry fa diso ilay fiampangana azy ireo hoe tsy nankatò. Fantatr’ireo mpitsara ireo avy tamin’ny tantaran’ny fireneny, fa misy fotoana tsy maintsy ankatoavana an’Andriamanitra fa tsy olona. Andriamanitra, ohatra, fa tsy i Farao, no natahoran’ireo mpampivelona roa tany Ejipta, ka novelominy ny zanakalahin’ny vehivavy hebreo. (Eksodosy 1:15-17) I Jehovah, fa tsy i Sankeriba Mpanjaka, no nankatoavin’i Hezekia Mpanjaka, ka tsy nanaiky hitolo-batana izy na dia noterena aza. (2 Mpanjaka 19:14-37) Fantatr’ireo mpitsara ireo koa fa antitranterin’ny Soratra Hebreo hoe tian’i Jehovah hankatò azy ny olony.—1 Samoela 15:22, 23.

Mahazo valisoa ireo mankatò

Toa nisy mpitsara tonga saina anefa rehefa nandre ilay teny hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” Nisy mpitsara tena nohajaina tao amin’ny Fitsarana Avo, nantsoina hoe Gamaliela. Nandresy lahatra ny mpitsara namany izy, mba hihaino ny toroheviny feno fahendrena. Tsy nahazo nihaino izay nolazainy ny besinimaro. Nitantara zava-nitranga tamin’ny lasa izy, mba hampisehoana fa tsy mety ny manakantsakana ny asan’ireo apostoly. Hoy izy avy eo: “Aza mitsabaka amin’izay ataon’ireo lehilahy ireo, fa avelao izy, ... sao dia ho hita fa mpiady amin’Andriamanitra ianareo.”—Asan’ny Apostoly 5:34-39.

Nampiaiky ny fitsarana avo ny teny feno fahendrena nolazain’i Gamaliela, ka nafahan’izy ireo ny apostoly. Nokapohina izy 12 lahy, nefa tsy natahotra mihitsy. Hoy kosa ny Baiboly: “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.”—Asan’ny Apostoly 5:42.

Novalian-tsoa tokoa ny apostoly, satria sahy nilaza fa ny fahefan’Andriamanitra no fara tampony! Manahaka azy ireo koa ny tena Kristianina ankehitriny. I Jehovah foana no Mpitondra Fara Tampony amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha asaina manao zavatra mifanohitra amin’izay lazain’Andriamanitra izy ireo, dia milaza toa an’ireo apostoly hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006, Septambra/Oktobra.

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO?

Ahoana no nahafantaran’i Lioka, mpanoratra Baiboly, ny teny nolazain’i Gamaliela, nefa tsy nahazo nihaino izay nolazainy ny besinimaro? Mety ho Andriamanitra no nampahafantatra azy mivantana izay nolazain’i Gamaliela. Mety ho i Paoly koa no nilaza izany taminy. Mpianatr’i Gamaliela mantsy i Paoly taloha. Na mety ho nanontany mpitsara iray tsara fanahy tao amin’ny fitsarana avo izy.